x

Varo-maizina zavamahadomelina eo amin’i Maorisy sy Madagasikara

Varo-maizina zavamahadomelina eo amin’i Maorisy sy Madagasikara

Nosoratan'i Farah Masinjanahary sy Monica Harifeno

 

Tambajotra iraisam-pirenena no mamelona ny fizotrany

Lasa entana ifanaovan’i Maorisy sy Madagasikara varo-maizina ny zavamahadomelina amin’ny maha vokatra tsy ara-dalàna sy voarara azy. Efa misy mpitondra azy tratra fa mbola mitohy foana ilay varotra tsy ara-dalàna.

 

Nisy « héroïne » milanja 46 kg tratra tany Toamasina tamin’ny volana aprily ary nisy vehivavy iray heverina ho “atidoha” misy ifandraisana amin’io habetsahana igagana io voasambotra ny fiandohan’ny volana mey. Ny tale jeneralin’ny Fadin-tseranana dia nanambara fa io vehivavy io dia nahatrarana lelavola 550.000 euros sy 18 tapitrisa Ariary. Zafivanona Ernest Lainkana, Tale Jeneralin’ny Fadin-tseranana dia manamafy fa misy tambajotra iraisam-pirenena tena matanjaka be sy matihanina ao an-damosin’io varotra io. Ny mpikambana ao dia manan-karem-be ary misahana asa mampidi-bola be koa ary io no ataony saron’ ny ratsy ataony. Misy loharano iray hafa miombon-kevitra aminy ary manantitrantitra fa io fikononkononana io dia mihodinkodina tahaka ny kodiarana ary ao amin’izany no ampidiran’ ny ireo lehiben’ny mpanao varo-maizina ny “olony” ao anatin’ny fitondram-panjakana. « Ny kolikoly izay mandalo no mialoha lalana ny varo-maizina izay midika ho fiverimberenana sy fahazarana ary ny hiafarany dia mampiditra olona iray ho mpikambana ao aminy ny tambajotra. Raha mahatontosa ny iraka ampanaovina azy io olona io dia izy no asaina miantoka ny zavatra rehetra any amin’ny ladoany sy ny polisy. Raha tsy mahomby izy dia esorina amin’ny zotra », hoy izy manazava. Manahirana ny mandrava ny zotra satria resaka zotran’ny “mafia” ilay izy ka matahotra daholo ny olona ny hitoroka azy, ary any ho any koa dia misy mpiray tsikombakomba manohana ilay rafitra.

Tao anatin’ny efa-bolana dia nahazo laka ny varo-maizina zavamahadomelina ary io entam-barotra tsy ara-dalàna io dia anisan’ny varotra sikisiky ifanaovan’i Madagasikara sy Maorisy. Ao amin’io resaka io i Madagasikara dia mitana ny toeran’ny foiben’ny raharaha rehetra fotsiny satria ny entana dia avy any ivelany ary ny hiafarany dia any Maorisy. Ireo 46 kilao ireo dia notsoahina avy amin’ny 220 kilao tokony ho tonga tany Maorisy ny volana martsa. « Nampahafantatra anay ny ladoany maorisiana ny amin’ny mety ho fandalovan’ny sambo iray tokony hitondra “heroine” be dia be any anatin’ny entany any. Noho izany dia nosakanany daholo ny sambo rehetra tsy hivoaka an-dranomasina ary intelo nisesy no nandraisana an’io fepetra io. Fantatra mantsy fa misy sambo kely mivoaka ivelan’ny seranan-tsambon’i Maorisy mba haka entam-barotra tsy ara-dalàna. Io ladoany io no nampahafantatra anay ny fihetsehana farany ka nahafahanay niantso ny mpitandro ny filaminana. Dia nisy barazy napetraka ka izany no nahatrarana ilay zavamahadomelina 46 kilao », izany no nolazain’ny loharanom-baovao iray akaikin’ny sampan-draharaha miadidy ny fanarahamaso sy ny ady amin’ny fampidirana entana an-tsokosoko eto Antananarivo.

 

Zotra

Ny fomba fidirana sy ny fanondranana zavamadomelina mahery vaika, toy ny « cocaïne » sy ny « heroïne » dia ny fampiasana ny lalan’ny habakabaka sy ny ranomasina. Ao Maorisy, sambo mpanjono no miantoka ny varotra any an-dranomasina ary taterina amin’ny alalan’ny sambo madinika, tantsambo mampiasa GPS no ao, raha ny filazan’i Premananda Appadoo, talen’ny fonjan’i Beau Bassin ao Maorisy. Matetika, tsy tratra ny zavamadomelina mandalo eto Madagasikara fa ny ladoany maorisiana no mandraoka izay miditra any amin’ny taniny. Etsy an-daniny, misy Malagasy mpitondra azy tafavoaka ny sisintany fa ny paolisy maorisiana no misambotra azy, indrindra izy raha mampiseho endrika mampiahiahy izy ireny.

Tsy mamokatra zavamahadomelina mahery vaika i Madagasikara. Fa avy any Brezila io no miainga (cocaïne), avy any Pakistan sy Afghanistan (héroïne), dia manohy ny diany mankatsy Afrika ilany atsinanana sy atsimo. Dia mandalo any Dubaï izy, any Ethiopie, any Kenya sy eto Madagasikara alohan’ny hahatongavany any amin’ny tanjony farany dia i Eoropa, Canada, Seychelles sy Maorisy.

Amin’io diany io, i Madagasikara dia azo faritina ho toy ny tany fandalovana ihany fa i Maorisy no tena tanjona kendrena. Io nosy rahavavy io dia ivangongoan’ny mpanjifa isan-karazany. « Mihatanora ny fahitana ny mpanjifa. Taloha izy dia teo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 29 taona, fa ankehitriny dia eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 24 taona, ary zavamahadomelina atsindrona no tena ironan’ny filàny. Ny fanandrankandramana, ny fisian’ilay zavatra, ny fifanenana amin’ilay zavatra, ny fahakiviana, ny fitadiavana fahafinaretana, izany no mandrisika ny tanora hifoka rongony, handray “heroine” efa simba, zavamahadomelina vaovao namboarina tamin’ny simia, zavatra psykotropy mitera-pahavoazana be dia be toy ny hepatita B sy C, avokavoka vonton-drano, na fahafatesana, santionany ihany ireo », hoy i Imran Dhanoo, tompon’andraikitra ao amin’ny Idrice Goomany, foibe fitsaboana sy fiandraiketana ny olona andevozin’ny zavamahadomelina. Dia mbola nanampy izy fa amin’izao fotoana izao dia misy mpivarotra manamboatra zavamahadomelina amin’ny fomba simika any amin’ny laboratoara takontakona any. Misy molekiola tsy nahazo fankatoavana ofisialy izay manahatahaka ny tétracnnabiole izay mbola tsy nandramana tamin’ny tenan’ny olombelona.

 

Misy Malagasy tafiditra

Ny « mules », tondroina ho mpitondra azy, no miantoka ny fitaterana ny entana hatrany amin’ny tanjona farany. Ny mpivarotra antsinjarany (dealer) dia any amin’ny sarangan’ny osaosa indrindra indrindra no maka olona, manararaotra ny fari-piainany mitsingilahila. Mety daholo na iza na iza io olona io saingy izy dia tsy miditra mivantana amin’ny varotra. Manaiky hitondra ilay zavamahadomelina izy miala amin’ny teboka A mankany amin’ny teboka B noho izy mila vola na noho ny fianakaviany iharan’ny tsindry na fandrahonana. Jonoin’ireo mpivarotra antsinjarany amin’ny tolotra mampilendalenda ireo hazany : iantohana tanteraka ny saran-dalana mandroso sy miverina amin’ny dia lavitra ataony, vola 5 000 dolara, ny visa sy ny toerana hipetrahana miampy vola 5 000 dolara. Misy mpitondra entana venezoeliana, bresiliana, kolombiana, beninoazy efa naiditra am-ponja teto Madagasikara noho io antony io. Raha tsy izany, ireo tena sarotra resen-dahatra dia fitahina mora foana. Mijoro vavolombelona ny vehivavy malagasy iray voafonja any Beau Bassin ao Maorisy. « Mpividy entana any Maorisy aho. Nisy vehivavy nifandray tamiko indray andro ; nilaza izy fa haloany ny antsasaky ny saran-dalako mankany Maorisy raha manaiky hitondra ny zafikeliny hiverina hanao vakansy aty Madagasikara aho. Dia nisy valizy feno akanjon-jaza iray nampitondrainy ahy ary nataoko tao ny sakaosiko. Nony tonga tany Maorisy aho dia nantsoin’ny polisy ka akory ny hagagako raha nolazainy aho fa nitondra zavamahadomelina. Tao anatin’ny tahon’ilay valizy no nanafenany azy », hoy ny fitantarany. Voasazy higadra roapolo taona an-tranomaizina izy. « Henjana dia henjana ny lalàna maorisiana, fa noho izaho tsara fitondran-tena dia nahena ho folo taona ny saziko ka hivoaka ny fonja aho amin’ny 2021 », hoy izy nanampy. Misy tovovavy mpitondra entana mbola manohy miasa ho an’ny mpivarotra zavamahadomelina iray ao Maorisy. Eto Madagasikara izy dia mitelina bolety telo. « Fonosina taratasy manify dia manify ilay zavatra dia menaka no itelomako ireo bolety telo ireo. Rehefa tonga any aho dia omena zavatra mampandoa mba hamoahako ireo bolety rehetra. Omena ahy maimaim-poana daholo ny zava-drehetra ary isaky ny mahavita iraka iray aho dia mahazo karama 6 tapitrisa Ariary. Amin’ny ankapobeny aho dia mandeha indroa isan-taona », hoy ity mpitondra entana ity izay nangataka tsy hitonona anarana.

Samy manana ny fanaony ny mpitondra entana raha momba ny fanafenana. Ny sasany mitelina bolety na mametraka azy any amin’ny taovam-pananahany. Avy eo izy dia omen’ny mpivarotra fampandoavana mba hakana indray ny entany. Ny sasany mampiasa ny faladia sy ny vodikirarony, ny findainy, ny tabiletiny sy ny vokatry ny asatanana.

Amin’ny ankapobeny, dia aleon’ny mpitatitra kokoa ny lalana an-dranomasina satria io dia ahazakana entana milanja kilao maromaro. Raha ny lalana an’habakabaka no fidiany dia mila mpitondra entana maromaro samy mitondra kelikely avy.

Ny fitelomana bolety dia mety hahitan-doza, araka ny filazan’ny talen’ny fonjan’i Beau Bassin, ny kaomisera Premananda Appadoo. « Nisy lehilahy nitelina bolety nihitsoka tao amin’ny vavoniny nandritra ny roa amby efapolo andro. Tsy tafavoakany ilay izy fa tena nilana fandidiana, raha tratra aoriana indray andro dia maty izy », hoy ny fitantarany.

 

Fanamby ara-barotra

Eto Madagasikara dia misondrotra ny vidin’ny zavamahadomelina mahery vaika satria ny iray grama amin’ny héroïne dia mitentina 300 000 ariary raha 400 000 ariary ny an’ny cocaine. Any Maorisy ny iray grama dia amidy 10 000 ka hatramin’ny 15 000 ropia ary ny bolety iray (milanja 7 ka hatramin’ny 10 grama) dia mitentina 100 000 ropia.

Ny Anti-Drug Smuggling Unit (ADSU) na ny borigady miady amin’ny zavamahadomelina maorisiana dia mampahafantatra fa tondroina ho “mpanondrana an-tsokosoko” ny olona iray rehefa manodidina ny 1 tapitrisa ropia ny tentimbidin’ny zavamahadomelina tratra ary mitovy loharano nipoirana. « Misy varotra an-tsokosoko hatrany eo amin’i Madagasikara sy Maorisy. Ny fampidirana héroïne dia avy any Madagasikara, firenena fandalovana. Tratra any amin’ny seranam-piaramanidina ny raharaha noho ny polisy malagasy sy maorisiana mifanakalo vaovao. Alefa amin’ny paositra ihany koa ny zavamahadomelina, dia amin’ny sambobe mpitatitra entana ary ny sambo kely faingam-pandeha izay manipy ny entana any an-dranomasina. Manao izay azony atao ny mpiambina ny sisin-dranomasina, saingy tsy efany ny hanao ny zavatra rehetra », hoy ny filazan’ny loharanom-baovao mifanaraka amin’io sampana maorisiana iray io. Mahazo an’i Madagasikara koa ny olana noho ny sisin-dranomasiny mahatratra 5 000 kilometatra tokony harahi-maso.

Ny fitantanana ny ladoany maorisiana dia manazava fa ny fitambaran’ny zavamahadomelina tratra (rongony, cocaine, héroïne) tamin’ny 2017 dia mitentina 148 tapitrisa ropia. “ Tamin’ny 2018, ny vidiny dia nanakaiky ny 113 tapitrisa ropia hatramin’ny 23 aprily teo,46 kilao ny héroïne tratra ary ny vidin’izany dia efa tafakatra 690 tapitrisa ropia sahady”, hoy i Lochun Chandraduth, talen’ny ladoany maorisiana.

 

Hentitra ny lalàna

Ankoatra ny Maorisiana sy Malagasy tratra amin’io trafika io, dia misy koa Afrikana-Tatsimo, Nizeriana, Kenyana, Ogandey ary Gineana efa tratra. Tena tsy mandefitra mihitsy ny fitondrana maorisiana amin’ny fampiharana ny lalàna. « Tena henjana ny lalàna maorisiana raha mikasika ny fivarotana an-tsokosoko zavamahadomelina. Ny mpanao ny trafika – izay ahatrarana zavamahadomelina mitentim-bidy maherin’ny ny 1 tapitrisa ropia - dia mety hihinana hatramin’ny 60 taona an-tranomaizina. Raha latsak’izay no tratra any amin’ilay voarohirohy dia miankina amin’ny didim-pitsarana sy ny momba azy tany aloha ny fampidirana azy an-tranomaizina. Raha vao voalohany izy no tratra dia ampidirina an-tranomaizina 10 ka hatramin’ny 12 taona, arahina fitsaboana any amin’ny foibe fanarenana. Fa mety hahatratra 35 taona an-tranomaizina ny sazy », hoy ny tatitr’i Premananda Appadoo, Kaomiseran’ny fonjan’ny Beau Bassin ao Maorisy. Malagasy mitotaly telo amby roapolo no migadra ao amin’i tranomaizina io ary voaheloka noho ny raharahana zavamahadomelina ny ankamaroany.

Mifanohitra amin’izany, eto Madagasikara, tsy henjana toy izany ny sazy satria ny fivarotana zavamahadomelina dia saziana 3 ka hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina. Ny lalàna lah. 97-039 ny 4 novembre 1997 mikasika ny faharaha-maso ny zavamahadomelina, ny zavatra mandòna ny saina sy izay mialoha lalana azy eto Madagasikara dia mila fanavaozana satria tsy mifanaraka intsony amin’ny zavamisy mihanaka ankehitriny eto amin’ny firenena, araka ny hevitry ny mpahay lalàna.

 

Vono olona voarindra

Mitera-bola be dia be ny varo-maizina zavamahadomelina, araka ny filazan’i Lochun Chandraduth, Talen’ny ladoany maorisiana. Araka izany ny trafika dia miara-dalana amin’ny varotra volamena an-tsokosoko na koa amin’ny varotra olona. Eto Madagasikara, ny sampan-draharaha misahana ny fitantanambola na Samifin dia mihevitra fa ny varotra zavamahadomelina dia mikambama amin’ny famatsiana ara-bola ny fampihorohoroana, loharanon’ny tsy fandriampahalemana mihamahazo laka hatrany. Dia tafiditra amin’izany koa ny famotsiam-bola. Ny loharanom-baovao avy amin’ny polisy maorisiana sy reonionezy dia manana ny listry ny bikabikany sy ny mpanao trafika efa voasoratra anaty boky. Na izany aza anefa dia mbola miriaria foana izy ireo na eto Madagasikara na any Maorisy satria tsy tratran’ny mpitandro ny filaminana am-bodiomby izay tsy manana porofo enti-miampanga azy.

Noho izany dia amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny banky izay miahiahy fandikan-dalàna mba hamotsiam-bola no anombohan’ny Samifin ny fanadihadiana ataony. « Matetika dia matetika, misy olona mahazo vola nampitaina tamin’ny alalan’ny Western Union, Money Gram sy ny mobile banking na vola tolo-botsotra. Raha mahazo hatramin’ny 700 000 euros izy dia mety ho avy amin’ny varotra zavamahadomelina, toy ny cocaine, izany. Mety ho fandikan-dalàna ny fananana vola be toy izany raha toa ka tsy nampahafantarina ny fanakalozana ny vola vahiny », hoy i Boto Tsara Dia Lamina, Tale Jeneralin’ny Samifin. Samy hafa ny fomba fanaon’ny olona tafiditra ao amin’ny trafikan’ny zavamahadomelina. Na vola no azony avy any Maorisy dia atakalony eto Madagasikara, na atakalony avy hatrany eto Madagasikara ilay entana. Olon-tokana na antokon’olona no mandray anjara amin’ny trafikan-javamahadomelina. Afangaron’ireny olona ireny amin’ny varotra olona sy ny fampihorohoroana ny trafikana zavamahadomelina. Raha vitan’ny Samifin ny manoritra ny loharanom-bola sy ny mampifandray ny trafikan-javamahadomelina sy ny famotsiam-bola, dia ny lalàna lah. 2018-043 ny 13 febroary 2019 no ampihariny, mikasika ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny fampihorohoroana, izany hoe folo ka hatramin’ny 20 taona an-tranomaizina, ary satria aty ambony no andraisana ny fandikan-dalàna dia atao avo roa heny ny sazy ary ampitomboina asa an-terivozona na figadrana manadra-pahafaty mihitsy.

 

FAFANA

Antontanisan’ny zavamahadomelina tratran’ny ladoany maorisiana (MRA), mitaha amin’ny an’i Madagasikara ny taona 2019 (hatramin’ny 23 aprily).

Zavamahadomelina

Toerana nahatrarana

Totalin’ny lanjany amin’ny kilaograma

Vidin’ny entana amin’nyRopia (Rs)

Rongony

Seranam-piaramanidina

-

-

Serana-tsambo

143.78

86,268.00

Héroïne

Seranam-piaramaindina

505.98

7,589,700.00

Seranan-tsambo

2,200.00

33,000,000.00

Sampan-draharahan’ny taratasy

-

-

Zavatra psykotropy

Seranam-piaramanidina

-

 

-

Hachisch

Seranan-tsambo

105.45

316,350.00

Voan-drongony

Seranan-tsam-bo

Miisa 261

26,100.00

 

Vato misakana

Ny polisy sy ny ladoan’ireo firenena roa ireo dia miady fo aman’aina mba hanatrarana ny mpanao trafika. Any Maorisy, tsy misy olana ny fitaovana. Raha ny momba ny tetik’ady ny ladoany sy ny polisy dia miantehitra amin’ny fifanakalozana izay fantatra sy ny vaovao. Hamafisina ny fisavana ny mpandeha, ny entana ary ny olona ao amin’ny ekipazy. Manoloana ny fitaovana tsy azo veroka ampiasain’ny mpanao trafika dia nohatevenin’ny fitantanana ny ladoany ny fanamaroana ny alika mpitsongo dia, ny skanera, ny dansimetatra entin-tanana, ny fibroskopy, dia nanokana vola koa mba hahazoana ny teknolojia vaovao toy ny draona sy ny vedety haingam-pandeha.

Eto Madagasikara, ny mpitandro ny filaminana sy ny ladoany dia manao izay ho afany amin’izay fitaovana kely ananany. Ny Tale Jeneralin’ny ladoany, Zafivanona Ernest Lainkana, dia manaiky fa hafa lavitra noho ny fandikana ny lalànan’ny ladoany ny trafikan-javamahadomelina. « Ampy fitaovana kokoa ny mpanao trafika ary tena manana ny ilaina, ny polisinay anefa tsy manana afa-tsy ny tanam-polony », hoy izy manazava. Etsy an-daniny, ny mpanao trafika dia miasa any amin’ny toerana mbola tsy misy olona (PNO), any amin’ny toerana tsy misy mpiasan’ny ladoany, noho izany sarotra ny hanenjika ary mbola tena sarotra lavitra ny hanara-maso azy any amin’ny sisin-dranomasina mahatratra 5 000 km.

Ao amin’ny seranam-piaramanidin’ Ivato, tsy ampy ny fitaovana enti-misava ny mpandeha sy ny entana. Ny vavahady dia tsy mahatsikaritra afa-tsy ny vy, nefa ny ladoany dia mila skanera manana taratra X mba hahitana izay any anatin’ny tenan’ny olona any. Any amin’ny lakaly, misy skanera iray hafa ampiasaina miaraka amin’ny famantaran-doko hahitana ny ventiny sy ny ranony.

Ny Kaomisera Mahandry Mandimbilaza, lehiben’ny Polisin’ny Habakabaka sy ny Sisintany (PAF) ao amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato dia nampahafantatra fa ny olona feheziny dia mandray fepetra hentitra mikasika ny fisavana ny mpandeha. « Misy lesoka hita amin’ny fanadihadiana momba ny heloka be vava eto Madagasikara. Na izany aza izahay dia mitandrina mafy ary maodimaody rehefa misava. Noho izany dia fefenay ny fivoahana ka takianay ny tapakila mandroso sy miverina, ny fanamarinam-ponenana sy ny vola vahiny raha mankany Maorisy ilay mpandeha haka rivotra na handraharaha », izany no nampahafantariny. Amin’izao aloha, ny polisy ao amin’ny PAF dia mampiasa izay fitaovana ananany sy ny fahatsapany dimy mba ho vita tsara ny fisavana. “Marina fa nahazo fiofanana izahay saingy tsy mifanaraka amin’ny zavamisy eto an-toerana izany satria tsy misy ny fitaovana araka ny toetr’andro”, hoy izy mitsetra.

Antambo mahazo firenena maro ny zavamahadomelina ary loza mitatao amin’ny mponina eto an-tany izay misedra tsy fandriampahalemana sy fampihorohoroana sesilany. « Nofinofy ihany izany hoe hahita ny trafika ho fongotra izany, saingy azo atao ny mampihena azy raha samy mandray ny andraikiny daholo ny rehetra », hoy ny tompon’andraikitra maro ao Maorisy. Manahy hatrany ny mpitantana ny amin’ny hahaterahan’ny antokon’olona mety hiitatra ho tambajotra goavam-be.