x

Tetikasa lalankely: Kolikoly sy kitranoantrano ny fizarana ny tsenambaro-panjakana

Tetikasa lalankely: Kolikoly sy kitranoantrano ny fizarana ny tsenambaro-panjakana

Nosoratan’i Riana Raymond.

Sehatra ahitana kolikoly sy tsy fahampian’ny mangarahara ny tsenambarom-panjakana eo amin’ny asa vaventy.  Mpandraharaha, mpisehatra amin’ny fanamboaran-dalana toy ny tompona orinasa madinika no velon-taraina. Ao koa anefa ny mahita fa eny anivon’ny orinasa madinika no tena ahitana izany kolikoly izany. 

Raha ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo, dia ny fifanarahana teo amin’ny tetikasa  Lalankely , izay iandraiketan’ny fiadidiana ny Repoblika, no nahitana lesoka. Tamin’ny 2009 hatramin’ny 2011 no nandinihana ny fanatanterahana ny tetikasa Lalankely. Kaominina 27 eto an-drenivohitra sy ny manodidina no misitraka azy nanomboka tamin’ny 2019 ka hatramin’ny volana jona 2022, hifaranan’ny tetikasa. Ao anatin’ny ampahany fahatelo isika ankehitriny: sakelin-tanàna 110 ary lalankely mirefy 80 km no vita tamin’ny ampahany voalohany sy faharoa. Nitentina 14 tapitrisa Euros ny vola lany tamin’izany. 

Lasibatry ny fifanarahana tsy marimpototra


Orinasa iray eny Anosibe, nangataka ny tsy ho tononina anarana, no isan’ireo nifampiraharaha  tamin’ny orinasa Colas, no velon-taraina momba ny fifanarahana na ny contrat amin’ny maha orinasa sous-traitant azy. Fifanarahana izay tsy misy antoka, fa azon’ny orinasa nahazo ny tolobidy izay mampiasa azy ireo ravaina avy hatrany rehefa misy tsy mifanaraka amin’ny filany azy.  Voafaritra mazava ao amin’ny andininy faha-13 amin’ny fifanarahana nataon’ny orinasa roa tonta izany. Matetika dia afaka manova eny an-dalana ny orinasa lehibe, maka mpiara-miasa vaovao. Milaza ho lasibatr’izay fomba fiasa izay ny orinasa madinika izay nanaovana fanadihadiana. 

“Tafidi-kizo aho. Boka-trosa ary miafina sy mitsoaka ny mpitandro filaminana mihitsy. Nindram-bola 24 tapitrisa Ariary tany amin’ny Banky aho, nahafahako namaly ny tolo-bidy sy nividy ny akora ampiasain’ny orinasa. Mbola eo am-panatanterahana ny asa aho no nisy orinasa madinika iray hafa nampidirin’ny Colas, nanao indray ilay asa. Tsy misy fampilazana, tsy nisy fifampiraharana natao tamiko. Izay asa efa natomboko sy efa vita aza, zara raha misy vola naloa, ary mbola ampifilafilaina. Tsy mifanaraka amin’ny vola lany no haloan’ny orinasa lehibe.”, hoy ity loharanom-baovao ity, nitantara ny nanjo azy. 

Kolikoly hatreny am-potony

Raha ny fijoroana vavolombelona nataony anefa dia efa kitranoantrano sy kolikoly no nahazoany ny tolo-bidy.

“Tsy nisy ny tolo-bidy ampahibe-maso natao. Namana iray mahafantatra ilay vazaha ao amin’ny orinasa no nanatona ahy, nangataka vola izy mba hatao antoka sy homena ny tomponandraikitra, mba hahazoana ny tolotra. Izay no nahatonga ahy nindram-bola. Hatrany aho no efa voafitaka. Rehefa voarain’ilay namako ny vola dia nanjavona izy, tsy vita hatramin’izao ny taratasy teny amin’ny kaominina, manamarina ny fandraisany ny volako. “, hoy izy. “ Tsy nampaninona ahy anefa izay fa nentin’ny fitokisana aho, mbola nomen’ny orinasa ahy tokoa ilay tsena, saingy tsy niandry vita dia izay efa novainy araka ny voalaza izay aho izy”, hoy hatrany ity mpandraharaha ity namarana ny resaka. 

Nantonina ny orinasa Colas teny Anosibe, ny 22 aprily sy ny 4 may, saingy  tafiditra tao anatin’ny vanimpotoanan’ny fihibohana nateraky ny Covid19 izany ka tsy nisy tompon’andraikitra afaka nandray. Nantonina koa ny mpiandry raharaha teto an-toerana ary nandefasana mailaka ny mpiandraikitra ny serasera ao amin’ny Colas Foibe any Frantsa, mba ahafahana mifanerasera amin’ny mpiasa eto Madagasikara ihany koa: tsy nisy valiny.  Ny orinasa Colas dia nahazo tsena maro tamin’ny fanamboaran-dalana eto an-drenivohitra, asa izay vatsian’ny Agence Française pour le Développement  (AFD). 

"Tsy mitombina ny kitranoantrano”, hoy ny AFD

Manoloana ny fiampangana  ireo orinasa misitraka ny famatsiam-bolan’ny AFD  dia nitondra ny fanazavana ny Tale jeneraliny eto Madagasikara, Bertrand Hardy Jérôme, araka ny resaka nifanaovana tamin’ny Skype sy Whatsapp, ny 15 mey 2020. Mijanona ho mpamatsy vola ny AFD hoy izy : amin’ny ankapobeny, mamaritra ny fepetra takiana amin’ny orinasa mamaly ny tolobidy no andraikitriny, sy mandray ny tatitra rehefa mifarana ny tetikasa.   Raha ny tetikasa Lalankely, dia nilaza ny AFD fa efa ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany no miandraikitra azy sy manao ny tolo-bidy miaraka amin’ny Agence d'Exécution des Travaux d'Intérêt Public et d'Aménagemen (Agetipa), izay  mpanatanteraka ny tetikasa. Ity farany no manamparitaka ny tolobidy, araka ny fenitra apetraky ny AFD. 

“Orinasa roa no fantatro fa nahazo ny tolobidy amin’ny tetikasa Lalankely, dia ny Colas sy ny Synohidro. Izy ireo no miandraikitra ny tetikasa amin’ny toerana 220. Asa mitentina 22 tapitrisa Euros, ka ny 19 tapitrisa dia avy amin’ny AFD, ny 3 tapitrisa dia avy amin’ny Vondrona Eoropeanina.”, hoy ny Talen’ny AFD.
  

Azo heverina ve ny hisian’ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny mpiasan’ny AFD sy ny orinasa mamaly ny tolobidy?

”Sarotra ny hisian’izany, satria sarotiny izahay amin’ny fisian’ny mangarahara (…) Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia azoko lazaina fa tena manaja ny fenitra sy ny lamina rehetra, ary ny dingana ilaina amin’ny fanomezana ny famatsiam-bola izahay. Marihiko fa fifanaraham-piarahamiasa amin’ny Fanjakana Malagasy manokana ny tetikasa Lalankely. Samy tomponandraikitra amin’ny fampanjakana izany mangarahara sy ara-dalàna izany ny mpisehatra rehetra. Io no anisan’ny fepetra fototra avy aminay”, hoy izy.


Tsy tonga lafatra anefa hoy ny AFD ny fomba fiasa amin’ny tetikasa tahaka itony, indrindra eny amin’ny toerana hanaovana ny asa, satria manana ny  fomba fiasany ny orinasa tsirairay.

Na ny orinasa Colas na ny Synohydro dia samy mampiasa orinasa madinika, orinasa an’ny mpandraharaha Malagasy, mba ahafahana mampiasa teratany, mponina amin’ny toerana hiasana. Eo amin’ireny orinasa madinika ireny sy mpiasany no ahiako mety hisy ny hosoka na ny halatra. Tsy afaka ny hitompo-teny fatratra manko izahay hoe tsy misy ny olana. Iaraha-mahalala fa tsy moramora ny mitondra olona an’arivony miasa amin’ny tetikasa. Ny tsy fisian’ny olana aza no tokony hahagaga”, hoy izy nizara ny heviny.

“ Madio saingy manara-maso izahay”

Milaza koa ny eo anivon’ny Tale miandraikitra ny Fampandrosoana maharitra an-tanan-dehibe fa madio ny ny fizarana ny tolo-bidy amin’ny tsenam-barom-panjakana, momba ny asa vaventy, indrindra ny  momba ny Lalankely.

“ Azonay antoka fa, madio ny fanomezana izany ho an’ny orinasa lehibe roa Colas sy ny Synohidro, izay tsy maintsy manao fanekena hanaja ny fitsipika napetraky ny mpamatsy vola amin’izay ady amin’ny endrika kolikoly izay. Raha sanatria misy ny kolikoly amin’ny tetikasa Lalankely, dia mety ho any ifotony amin’ny orinasa madinika, mpiara-miasa amin’ireo orinasa vavevnty roa ireo. Tsy afaka ny hanamarina na handiso izany anefa izahay ato amin’ny ministera izay tompon’ny tsena, efa misy rahateo ny orinasa misahana ny fanaraha-maso.”, hoy ny tomponandraikitra nanazava, nandritra ny fihaonana teny amin’ny biraon’ny Ministeran’ny  Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy, Anosy , ny 26 may 2020. 

Ny Egis-Inframad no miandraikitra  izay fanaraha-maso ny asa izay.  Manamafy koa ity mpanara-maso ity fa  vitsy  ny kolikoly  eny anivon’ny toerana hametrahana ny tetikasa. Hoy Randrianarisoa Emmanuel, talen’ny tetikasa ao amin’ny orinasa, nandritra ny resaka nifanaovana taminy teny amin’ny biraon’ny Egis-Inframad eny Behoririka ny alatsinainy 25 may 2020, lasa teo.  ”Efa miezaka izahay, mpanara-maso hanaja ny fanambaram-pitondrantena mendrika napetraky ny mpamatsy volan’ny tetikasa na ny AFD izany. Misy ny fanadihadiana atao ny mpiasa hiditra hiasa ato aminay, mialoha ny fanaovana fifanarahana arakasa. Misy ny fanentanana sy fifampibezana, satria efa ananana traikefa tsara ny sehatra iasana nanomboka ny taona 1975”.  Mazava ny toromarika ho an’ny Egis-Inframad ;

“Misy ny fitsipika. Ny mpiasa ny Egis-Inframad ohatra dia tsy mahazo mifanerasera akaiky, eny fa na dia mitaingina fiaran’ny orinasa nahazo tolobidy na sendra tafara-dalana aza. Hisorohana ny kolikoly sy ny faka-panahy izany”.

Na ny AFD, na ny Ministera tompon’andraikiitra, na ny Egis-Inframad dia samy milaza fa na mipetraka aza ny mangaraharaha amin’ny antananantohatra sasany, tsy afaka hanamarina fa tena tsy misy kolikoly tokoa eny ifotony. 

Halatra sy faktiora diso

Razakandrainy Hermann kosa dia, mpandraharaha mahaleo-tena eo amin’ny sehatry ny taotrano sy fanamboaran-dalana ary tompon’ny  orinasa Tara. Ity orinasa Tsy mandray anjara amin’ny tetikasa Lalankely akory ny orinasa Tara fa Razakandrainy Hermann kosa dia mahalala ny fomba fiasa “mahazatra”. Matetika hoy izy dia efa mipetraka amin’ny fifampitokisana ny fizarana ny tsenambarotra tahaka itony, na miankina na tsia amin’ny fanjakana...

« Tsy maintsy mahafantatra sy mifankazatra amin’ny tomponandraikitry ny tolobidy foana matetika vao tafavoaka. Sarotra be ho an’ny mpandraharaha vaovao no mandavaka tsena raha tsy efa misy ny mpiahy na olona mpanosika. Tsy azo afenina manko fa misy hatrany ny fikafika na paikady madinidinika tsy maintsy arahana sy ifanarahana amin’ny mpandraharaha sy ny tompon’ny tsena. Tsy voatery havoaka ho an’ny besinimaro anefa ny tolobidy, fa miampita anatin’ny tambajotra raha izay no azo ilazana azy ».

Anisan’ny fomba fiasa iray, ilana ny fifampitokisana, hoy ihany Razakandrainy, ny halatra amin’ny fatran’ny entana ampiasaina :

« Ohatra : Ny orinasa mpanome anay ny tolobidy no mamaritra ny fatran’ny fangaro ampiasaina hanaovana béton, izay fatra tsy ara-dalàna sy tsy manaraka ny fenitra tokony ho izy. Efa ifanarahana mialoha io, amin’ny orinasa sous-traitant sy ny tompon’ny tolobidy izay tsy voatery ny orinasa lehibe maka anay fa mety ho ny tomponandraikitra misahana izany. Amin’izay fotoana izay, tsy misy atahorana ny mety hanaovana fanaraha-maso tampoka ny asa. Tsy misy arakaraka sy fanaraha-maso ny zava-bita”, hoy izy nanohana ny heviny.

Na Razakandrainy Hermann, na ilay mpandraharaha voalohany tsy notononina anarana dia samy nilaza fa misy hosoka eo amin’ny faktiora momba ny asa:

« Rehefa misy ny fandoavana ny faktiora, tsy ilay fatra hosoka sy tsy ara-dalàna nasaina natao no soratana fa ny fatra tena izy, saingy ny vola raisina kosa dia mifanaraka amin’ny asa sy ny fatra natao ihany. Ny vola ambonin’izay, tsy fantatray hoe mankaiza izany.”, hoy izy ireo. 

Noho io fifampitokisana mifototra amin’ny kolikoly io, dia betsaka ireo orinasa madinika misedra olana, satria miova tampoka na foana eny an-dalana ny fifanarahana. 

“Tsy afaka ny mitory ny tena satria nanaiky ny hosoka matoa nandray ny asa. Ny atao dia ny mivavaka mba tsy ho tratran’ny fivadihan’ny mpiara-miasa amin’ny tena, ka mba mahazo ny tombony kely izay tadiavina”, hoy ny tompon’ny orinasa madinika Tara. 

Vokatry ny fandravana ny fifanarahana eny anelanelam-potoana dia mahita faisana ny mpiasa. Ho an'ny orinasa iray, izay nanao ny lalankely teny Ambohitrimanjaka sy Alasora ary nanaovana fanadihadiana dia nandositra ny mpampiasa, tsy afaka ny nandoa karaman’ny mpiasa intsony.

“ Be loatra ny trosako. Tsy naloa ny faktiora ny asa vitako, kanefa mbola tsy nisasaka akory ny asa dia misy orinasa niditra, nisolo ny ahy. Tsy nisy fampilazana mialoha, fa tapaka ny fifanarahana. Manginy fotsiny anefa, ny tsy maintsy nividianako ny fitaovana entin’ny mpiasa miasa, izay tsy maintsy manaraka ny fenitra takian’ny mpamatsy vola, izay lafo dia lafo tokoa. Vokany, nijanona ny asa, tsy misy ny handoavako ny volan’ny mpiasa tao amiko. Izaho miresaka aminareo izao dia miafina, mifindrafindra trano, mandositra ny mpiasa sy ny mpitandro filaminana. Andanininy, tadiavin’ny mpiasako ho vonoina aho satria tsy manome volany, ankilany torian’ny banky, tsy mahaloa ny vola nindramina kanefa ny asa tsy misy”, hoy ity mpandraharaha ity. 

Ireo mpiasan'ireto orinasa banky rompotra kosa dia very asa. Tamin'izany dia miainga amin'ny 6000 Ariary isan'andro ny karama, arakaraky ny asa ary ny mpampiasa no miantoka ny rano sy sakafo ary miandraikitra ny lafiny ara-pahasalamana sy aro-loza. 

“ Matetika tsy misy ny fifanarahana an-taratasy ataonay. Efa mifankazatra sy toy ny mpiasa raikitra mihitsy, satria na aiza na aiza mahazo tsena ny mpampiasa, dia izahay no antsoina sy mandeha mitety faritra, raha ilaina izany”, hoy Ramilison Njaka, izay sady mpahandro tara no mpanamboatra béton. 

Mitady fatratra ny mpampiasa anay, aho ankehitriny, joy kosa Rakotondrabesa Hillary Mamihaja, satria tsy voaloa ny tambi-karamako eo amin’ny 25 andro, tamin’ny volana septambra 2019. Mpametaka pavés no asan-dRakotondrabesa.

"Niasa sy namita izay iraka nampanaovina ny mpiasa, saingy narirarirany sy naveziveziny izahay, avy eo izy tsy hita popoka. Na ny adresin’ny trano nomeny anay aza tsy misy akory, izahay indray no saika notorian’olona ho manala baraka sy mpangalatra saika hamaky trano”. 

Na teo aza anefa ny olana nosedrain’izy ireo tamin’ny orinasa niasany, noraisin’ilay orinasa vaovao, nahazo  ny tolo-bidy ka nisolo ireo orinasa tapaka fifanarahana voalaza teo ambony izy mirahalahy, noho ny fahaiza-manao. 

Tsy ampy mangarahara sy fiaraha-miasa

Misitraka ny tetikasa Lalankely ny  Kaominina Ambohitrimanjaka.  Tsy mazava ny fiasan’ny tetikasa, ho an’ny ben’ny tanàna, Randriamanalintsoa Ihajason. 

“Hatramin’ny febroary 2020 nipetrahako teto, tsy misy fampahafantarana ny tompon-tanàna mikasika ireny tetikasan’ny Filoham-pirenena ireny. Tamin’ny ny fifamindram-pahefana teo amiko sy ny ben’ny tanàna teo aloha, dia tsy noresahana io tetikasa Lalankely io. Tsy nahalala izay tetikasa talohan’ny nifidianana ahy aho, na izay izay tolo-bidy tany aloha”, hoy ny ben’ny tanàna. “Manana ilay tahiry ifotony ho an’ny fampandrosoana izahay, saingy mihantona noho ity Covid-19 ity. Ireny no nanaovanay tolo-bidina lalana sy ny tsena”, hoy hatrany izy. 

Tsy mazava ny fiasan’ny tetikasa, hoy ny ben’ny tanàna, Randriamanalintsoa Ihajason. 

27 ireo tetikasa natao teny Ambohitrimanjaka ny taona 2019, izay niarahana tamin’ny Colas sy ireo orinasa madinika mpiara-miasa aminy. Tsy manana ny tahirin-kevitra mikasika zany anefa ny Kaominina.  Antananarivo Renivohitra koa dia nisitraka ny tetikasa Lalankely, fa dia mbola andrasana hatramin’izao ny valin’ny fangatahana fihaonana amin’ny tomponandraikitra, sy ny tahirinkevitra voalaza fa alefa mailaka.