x

Simban’ny kolikoly ny dinan’Ihorombe

Simban’ny kolikoly ny dinan’Ihorombe

Nosoratan'i Riana Raymond. Nahato ny dinan’Ihorombe. Antony: vaoteriterin’ny fanararaotampahefana ny fampiharana ity fifanaraham-piarahomonina ity. Simban’ny kolikoly ny dina. 

Ny ben’ny Tanana ao kaominina Ivohibe, faritra Ihorombe, Lemanambison Zedler, izay nanaovana fanadihadiana ny manamafy mazava fa tena ilaina ny fisian’ny dina. “Raha ato aminay, dia hitako fa zava-dehibe ny fisian’ny dina. Manampy anay hifehy ny fitandroana ny filaminana izany. Rehefa milamina ny tany dia afaka mamokatra ny tantsaha”, hoy izy. “Ny olana anefa mbola mihantona ny fampiharana ny Dinan’Ihorombe, noho ny antony samihafa. Manoloana izany, mametraka Dina isam-pokontany ny ato amin’ny kaominina. Mbola eo am-pamolavolana ilay izy ka hatolotra ny tomponandraikitra isan’ambaratonga ny rehefa vonona”, hoy hatrany ity ben’ny tananan’Ivohibe ity.

Nanamafy izay filazana izay ihany koa ny ben’ny Tanana ao Ranotsara Avaratra, distrikan’Iakora. “ Raha ny fisian’ny dina dia tena ilaina ho an’ny mponina aty ambanivolo. Olana anefa mbola mihantona izany ato amin’ny faritra misy anay. Ny fitsarana mihitsy no naka izay fanapahan-kevitra izay efa ho roa taona izao. Mitondra lamina anatiny, sy fandriampahelamena misimisy kokoa ny dina, saingy misy fepetra sy fitsipika anatiny tokony hatao”, hoy ity olom-boafidy ity.

Raha ny hevitry ny solombavambahoaka voafidy tany Ivohibe Atoa Randrianarison Temis Tocles koa dia mazava: “Tena ilaina ny dina aty ambanivohitra saingy mila fehezina ny fampiharana azy. Zary misy amin’ireo mpanao politika no nanao azy io ho fitaovana sy fanangonan-karena”, hoy izy.

Manahy amin'ny ho avin'ny dinamparitra ao Ihorombe ireo lokana, raiamandreny eny an-toerana.

Kolikoly sy fanaparam-pahefana

Raha ny voalazan’ny tomponandraikitra any ifotony dia ilaina ny dina, saingy mitaky fepetra mba hisorohana ny fihoaram-pefy sy ny fanararaotam-pahefana. Raha ity fanadihadiana manokana natao tany Ihorombe ity, izay nitetezana ireo distrika telo mandrafitra azy (Ihosy, Iakora, ivohibe) dia hita fa fositra naharava ny dina ny resaka kolikoly sy ny kitranoantrano. Misy ireo olona napetraka ho mpitarika no lasa mpanefoefo tampoka. Izy ireny no migoaka ny tombontsoa satria anisan’ny misitraka sy mahazo ampahany amin’ny “Vonodina” na ilay sazy efain’ny olo-meloka ry zareo. Raha ny voalazan’ny dinan’Ihorombe, mahazo omby roa isaky ny tranga ny mpitarika dina. “ Natao ho fidiram-bola ahafahana miasa izay ampahany amin’ny “vonodina” izay, kanefa matetika misy ny fanodinkodinana”, hoy ny ben’ny tananan’Ivohibe, Atoa Lemanambison Zedler sy ny ben’ny tananan’i Ranotsara Avaratra, Manambelo Dolph ao amin’ny distrikan’Iakora.

Izy roalahy, tsiahivina fa lehiben’ny dina tamin’ny distrika misy azy avy teo aloha. Samy manamafy ny fisian’ny kolikoly izy ireo, saingy nanadio tena kosa. Nanondro ny tomponandraikim-panjakana hafa ho ao ambadiky ny kolikoly. “Tsy afaka ny manonona anarana olona izahay, iaraha-mahalala fa anatin’izany ny fitsarana, ny mpitandro filaminana, mpanao politika, eny na izahay ato anatin’ny Dina aza, misy ny volo manoa randrana”, hoy izy mirahalahy.

Ramatoa Rabenindrainy Tinah Sylvia, lehiben’ny mpampanoa lalana, ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ihosy, renivohitry ny faritra Ihorombe, dia nanamafy izay fandikan-dalana goavana izay. “Misy ny fanararaotam-pahefana. Misy ny kolikoly sy fitadiavana tombotsoa manokana amin’ny faritra, ka izay no nakako fanapahan-kevitra hampihantona ny Dinan’Ihorombe”, hoy izy. “Aiza no misy izany hoe mandalo Dina ny raharaha iray dia tsy indray mandeha na indroa no ombin’olona na mampandoa vola amin’ny ny mpitarika ny Dina izay tratra. Tsy vitan’izay, fa ny tompon’ny omby very indray no tsy mahazo anjarany sy ny onitra tokony ho azy. Sahin’ny mpitarika Dina no milaza fa amin’ny fanavahana manaraka vao mahazo ny tompon’omby. Fihetsika tsy ara-dalana no tsy mifanaraka amin’ny tna Dina akory. Tsy mety izany amiko, lasa fototry ny tsy fanaraha-dalana sy manakorontana fiarahamonina indray ny Dina, izay tokony hampilamina”, hoy hatrany izy.”

Fanjakana anaty fanjakana

Tsy vitan’ny maka vola na omby ireo mpiray dina, fa misy amin’izy ireny ihany koa no tsy refesi-mandidy. “ Maro ny tranga izay miseho, tsy manaiky ho fehezin’ny lalana manan-kery ny mpanatanteraka Dina sasany. Mihevitra izy ireo, fa rehefa nahazo ny fankatoavan’ny fitsarana sy ny fahefana isan’ambaratongany ny dina dia afaka manao izay tiany hatao. Tsy azo ekena anefa izany”, hoy hatrany Ramatoa Rabenindrainy Tinah mpampanoa lalana.

Ny taona 2017, na efa nihantona aza ny Dinan’Ihorombe, dia mbola misy amin’ny mpitarika dina no manohy ny asany. Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny fianakaviana iray tao Iakora, izay nahazoan’ny mpiray dina vola mitentina 7 tapitrisa Ariary, araka ny filazan’ny fianakaviana lasibatra. Nampangain’ny Dina ho dahalo sy nitondra fitaovam-piadiana tsy ara-dalana ny raim-pianakaviana iray. "Namorian’ny mpitarika Dina, notarihin’ny ben’ny tananan’i Begogo, Soja Raymond vahoaka ny anadahiko/nolazainy ho Kotro ( dahalo), nanaovana kabary teto am-povoan-tanan’Iakora izy. Norahonana ho tapahin-doha. Nitakiana volabe izahay. Noho ny tahotra satria be no vitsy dia nanome”, hoy ny fijorona vavolombelona nataon’ny anabavin’ilay niharan’ny Dina. Izy rahateo moa no nandoa ilay vola. Nilaza izy fa tsy noraharahian’ny fitsarana sy ny zandarimariam-pirenena rehefa nitaraina kanefa fandikan-dalana no azo namaritana ity Dina, tsy nahazoana alalana ity.

 

Mikasika ny fanaparam-pahefana, nilaza kosa ny mpitsara Rakotomahanina Andrianiaina Franklin James, miasa amin’ny fitaleavan’ny fanaraha-maso ny vina sy ny fandaharanasan’ny Ministeran’ny fitsarana fa : “ Ny fametrahana ny Dina any amin’ny faritra dia mariky ny fahalemen’ny fanjakana foibe. Ny dikan’io dia hoe misy ny lalana tsy mahasahana ny toerana sasany eto Madagasikara; na ihany koa tsy mahomby amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ny sampandraharaha any amin’ny faritra”. Raha ity fanambarana ity dia manamarina, fa manana ny fahefany manokana ary fara-tampony amin’ny faritra ny Dina.

Voatondro molotra ny mpiasam-panjakana

Ankoatra ny kolikoly amin’ny mpiray dina, anisan’ny notondroin’ny mponina any ifotony, ho anisan’ny nanimba ny Dina tao Ihorombe, ny kolikoly nataon’ny manampahefana sy ny mpiasam-panjakana. Ireo lonaky, nanaovana fanadihadiana dia samy nilaza fa olana goavana ny fijabahan’ny mpitandro filaminana sy ny mpiasan’ny fitsarana amin’ny resaka Dina. “ Misy ireo zandary na ny irakiraka ao amin’ny fitsarana, na ny mpitsara no manakorontana ny lamina apetraky ny Dina, mitady ny fomba mba ahazoany tombontsoa ihany koa. Izy ireny no mampiady ny vahoaka amin’ny mpitarika ny dina, na mampiady ny samy mpitarika Dina ao anatiny. Vitan’ireny sokajin’olona ireny no mifampiraharaha ambadika amin’ny olo-meloka sy voaporofon’ny dina fa tokony ho saziana. Ampirisihan’ny mpiasan’ny fitsarana sasany, izay lasa mpijirika mba hikomy izy ireny. Avadik’izy ireo ho lasa raharaham-pitsarana ka ny dina indray no voatory, na ireo mpitarika dina no lasibatra manokana”, hoy Atoa Monja, Lonaky monina ao Andriambe, Ivohibe.

Lasa ataon’ny mpiasam-panjakana fitadiavam-bola ihany koa araka izany ny raharaha iray. Misy ny kolikoly, ary tsy azo lavina izany. Misy ny fanaparam-pahefana ataon’ny solotena na ny mpiasam-panjakana. Izy ireo matetika, izay tsy mahalala akory ny tena zava-misy marina any ifotony. Tsy mahafehy akory ny kolontsaina sy ny rafi-piarahamonina aty aminay ka manjary mamadika ny lamina ho lasa korontana indray. Mainka mampirongatra ny tsy fandriampahalemana, sy ny karazana valifaty ny fijabahan’andraikitra ataon’ny manampahefana avy aty ambony.”, hoy kosa Atoa Tsierene, lonaky ao Ranotsara Avaratra, distrikan’Iakora.

Fanambarana izay lavin’ny fampanoavana ao Ihorombe, tarihin’ny mpitsara Rabenindrainy Tinah Sylvia. “ Tsy afaka ny hitompo teny fatratra aho amin’ny fisian’ny volo manoha randrana, na ny mpanao kolikoly. Izaho manokana dia niezaka ny nijery akaiky ny fomba fiasa amin’ny fampiharana ny dina. Tsy azoko nekena mihitsy ny fihoaram-pefy tamin’ny fanatanterahana izany mb hisorohana ny tsy maty manota na ny fanosihosena ny hasin’ny fahefam-panjakana”, hoy hatrany izy.

Mila fitsipika anatiny

Manoloana ny gaboraraka sy ny fisetrasetrana, ary ny endrika kolikoly misy manodidina ny Dina, samy nitondra ny soso-keviny, ireo olona nanaovana fanadihadiana. Samy nanana ny fomba fijeriny ny tsirairay saingy niray ny feo amin’ny tokony hamerenana ny Dina any Ihorombe. Nametraka fepetra iraisana koa izy ireo amin’ny famolavolana ny Dina, avy any ifotony fa tsy halatsaka avy aty ambony. “ Tsy hampanao sarotra ny fanatanterahana ny dina ny famolavolana izany avy any anivon’ny vahoaka. Tsy hisy intsony ny filalaovana izay voarakitra amin’ny karazana fanakarana (interpretation) rehefa haka fanapahan-kevitra.”, hoy ny lonaky Monja sy ny ben’ny tanana roa lahy nanaovana fakana am-bavany tao Ivohibe sy Iakora, Atoa isany Lemanambison Zedler sy Manambelo Dolph. Manamafy izay ihany koa ny Tonian’ny mpampanoa lalana, Rabenindrainy Tinah Sylvia ary nitaky ny tsy maintsy ampiarahana ny dina amin’ny fitsipika anatiny, hifampifehezan’ny mpisehatra rehetra. “ Raha mandinika isika, ny dina irery no tsy mba manana fitsipika anatiny, amin’ny karazan-drafitra iombonan’ny besinimaro tahaka itony.”, hoy izy nanohana ny heviny. “ Tena ilaina ny dina amin’ny faritra mena tahaka an’Ihorombe saingy mila arahina fepetra isan-karazany izany”, hoy ity mpahay lalana ity namarana ny resaka.

Betroka: olona an-jatony manafika tanànan milaza ho "mpiray dina" 

Mahazo vahana any atsimon’ny Nosy, na dia tsy ao anatin’ny faritra Ihorombe aza, ankehitriny, ny fanaparam-pahefana ataon’ny andian’olona milaza fa mpiray dina ao amin’ny distrikan’I Betroka. Mandravarava tanana maro izy ireny, tsy vitan’ny manaradia fa mandroba izay toerana lalovany. Tao anatin’ny iray volana sy tapany dia nisy ny tranga telo, tao amin’ny kaominina Jangany, sisitany amin’Ihosy (Ihorombe), tao amin’ny fokontany Beampombo I, ary tany amin’ny kaominina Analamary, distrikan’i Betroka. Dina izay tsy fantatra anarana izy ity, tsy mbola nahazo fankatoavan’ny fitsarana.

Tsy azo atao na inona na inona ireo andian’olona aman-jatony maro, milaza ho mpiray dina mangalatra sy manimba fananan’olona. Mitazam-potsiny ny zandary any an-toerana. Araka ny loharanom-baovao, izay nangataka ny tsy ho tononina anarana dia miaro ireto mpanao Dina “ tsy ara-dalana”, ny tomponandraikitra amin’ny fitsarana sy ny ao amin’ny distrika.

“ Raha ny fahafantaranay azy, milaza ireto manampahefana ireto, fa tsy azo atao ny misambotra na manafay ny mpiray dina mba hisorohana ny ra mandrika sy ny fifandonana amin’ny mpitandro filaminana. Hitanay fa misy ny zandary izay tonga any amin’ny toerana hanjakazakan’ny Dina, saingy mitazam-potsiny. Tsy fantatra na miray tendro amin’ny mpandroba ( dina) izy ireo, na tsy mahazo baiko hiditra an-tsehatra satria manaraka ny tenin’ny distrika sy fitsarana”.

 

Marihina fa efa nikasa ny niditra tao amin’ny faritra Ihorombe sy Atsimo andrefana ireto Dinabe avy any Betroka ireto, saingy nalaky nandray fepetra ny tomponandraikitra. Nisy ny fivoriana niarahan’ny mpitandro filaminana, ny solontenam-panjakana, ny fitsarana na ry zareo ao amin’ny Operation Mixte de Conception OMC. “ Nisy ny fampitandremana nataonay”, hoy ny manamboninahitra iray ao amin’ny zandarimariam-pirenena Ihorombe, nangataka ny tsy ho tononina anarana ihany koa noho izy tsy nahazao alalana tamin’ny lehibeny. Marihina fa nanda ny fangatahana fihaonana taminy ny Kolonely Ramaminirina Solofoniaina, lehiben’ny vondrotobim-paritra ao Ihorombe, mialoha ny fidinana ifotony. Izy rahateo tsy tao an-toerana fa namita iraka tany Toliara nandritra ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana.