x

Seha-pihariana tsy manara-dalàna : gaboraraka ny fitrandrahana mikà ao Anosy

Seha-pihariana tsy manara-dalàna : gaboraraka ny fitrandrahana mikà ao Anosy

Fanadihadiana notontosain'i Riana Raymond sy Yves Samoelijaona.  Seha-pihariana mampidi-bola,kanefa mampiasa zaza tsy ampy taona ny fitrandrahana mikà any Anosy, ary na iaraha-mahita aza izany toe-javatra izany, dia milaza ho tsy afa-manoatra ny mpisehatra. Ankoatra ny fanosihosena ny zon’ny ankizy, dia endrika iray isehoan’ny kolikoly koa ny gaboraraka ka hahafana mitrandraka mikà ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna : fampiasana zaza tsy ampy taona, tsy fisian’ny fiarovana ara-pahasalamana, fanomezana karama varimasaka. Tsy fanarahan-dalàna izay miteraka fahantrana sy fanantainana ho an’ireo fianakaviana tsy afa-manoatra, sy tombony ara-bola ho an’ireo mpanararaotra. 

Ny mikà dia karazam-bato izay akora ampiasaina ankehitriny amin’ny zavatra maro toy ny fitaovana elektronika toy ny finday na ny fiara, na koa ny loko, na ny fitaovana fampiasa amin’ny tarehy, raha tsy hitanisa afatsy ireo. Betsaka isika no mampiasa ireo vokatra ireo saika andavanandro : fitaovana ahitàna mikà izay mety azo avy amin’ny tsy fanajana ny zon’ny zaza sy ny mpiasa. 


Seha-pihariana mampiditra vola 


Mampidibola ny fitrandrahana mikà, any amin’ny faritra Anosy.  Raha hatao jery todika ny taona 2019,  mitentim-bidy 4 156 955 300 Ariary ny entana nivoaka tany an-toerana nahitana mikà sy ny karazan’akora hafa, izay nilanja  6 178 491 254    taonina. Haondrana mankany Chine avokoa ny 90% ny vokatra avy ao an-toerana ka orinasa 32 no manana fahazoan-dalana hiantsehatra amin’izany, araka ny fanazavana nomen’ny talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany ao Anosy,Cyprien Louis de Magloire Atombola. Mahatratra 58 197 374 Ariary ny tamberim-bidy niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana ny taona 2019, raha 24 941 732 Ariary ny hetra naloan’ny mpandraharaha mpanondrana. Tsy voafaritra mazava kosa anefa ny avy amin’ny mpanangom-bokatra miisa 228, manana karatra maha-matihanina. Tsy misy antontan’isa mazava ihany koa ireo mpitrandraka any ifotony. Manjaka araka izany ny gaboraraka sy tsy fanarahan-dalana amin’ny fangadiana ny mikà ao amin’ny faritra Anosy.

“Hatreto dia manjaka ny seha-pihariana tsy ara-dalàna. Tsy voafehy mihitsy izany noho ny fihantonan’ny fanomezana fahazoan-dalana vaovao avy amin’ny fanjakana foibe. Misy ny fanentanana ny mpitrandraka saingy ilay fepetra mifanaraka amin’izay mba ho vahaolana no tsy misy. Mitory teny an’efitra ny mpiasa ato aminay, rehefa mandeha any amin’ny toerana fitrandrahana azy ireny”, hoy hatrany ity manampahefana ity. 

 

Faritra ahitana fitrandrahana mikà eto Maadagasikara. Loharano : Terre des Hommes/SOMO

Faritra ahitana fitrandrahana mikà eto Maadagasikara. Loharano : Terre des Hommes/SOMO

Zaza 10.000 mpamaky vato, mikarama latsaky ny 3 euros

Zaza tsy ampy taona 10.000 no heverina fa miasa amin’ny fitrandrahana mikà eto Madagasikara, izany hoe ny antsasakin’ny isan’olona miasa eo amin’io sehatra io. Hahitàna zaza hatramin’ny dimy taona izany, araka ny tatitra navoakan’ny Terre des Hommes sy ny Centre de Recherche sur les Multinationales (SOMO) tamin’ny telovolana faranin’ny taona 2019. Tsy mahavita taona akory ny vola raisina, satria latsaky ny 3 euros isambolana ny karama manantanteraka asa mafy, ao anaty hafanana, no sady tsy manana fitaovana ara-dalàna ary mihinana ambany foitra hatrany. Kanefa dia fahatelo amin’ny firenena mitrandraka sy manondrana mikà I Madagasikara.


Tanàna iray antsoina hoe Ampamakiambato, ao Taolagnaro no nahitana an’I Reziky mianakavy, fianakaviana mpamaky vato.  Enina mianaka izy ireo : izy mivady sy ny zanany efatra, izay 14 taona ny zokiny indrindra ary 6 taona monja ny zandriny. Tranohazo tsotsotra no ipetrahana ary samy miara miasa vato eo avoko mba ivelomana: mamakyvato, mitaona izay voavaky anaty siny. Toy izany hatrany ny asan’izy ireoi san’andro. 

“Rehefa miasa izahay, tsy misy ny asan-dahalo, satria raha tsy misy ny asa, dia lasa mangalatra ny lehilahy hamelomana vady aman-janaka », hoy ny raim-pianakaviana. “Miantoka ny fiainanay ny asa teo. Misy olona manangona izay voavaky ary mividy izany ety”, hoy ihany Rezikiny.

Milaza ireo fianakaviana fa mitambatambatra izy ireo mivarotra ireo mikà. 

“Raha tsy anaty fikambanana sarotra ny mahazo vola amin’izy ity. Tsy manana izahay, fa atambatra fotsiny izany, ary misy ny mpanangona tonga aty mitondra kamiao”, hoy ny fitantarana.

Tsy misy mianatra ireo ankizy ireo. Ankoatra ny tsy fisiana amin’ny ankapobeny dia lavitra, kilometatra maro miala eo an-toerana vao misy sekoly. 

“ Mazoto hianatra izahay raha misy ny sekoly. Miasa aloha izao,  mitady vola miaraka amin’ny dada sy neny”, hoy  ireo ankizy. 

Olana sosialy lehibe ny tsy fahafahan’ny ankizy miditra an-tsekoly. Voalohany, tsy mipetraka amin’ny toerana iray ny ray aman-dreniny ka tsy anatin’ny lamin’ny fianakaviana ny fampidirana ny zaza hianatra. Faharoa, tsy misy sekoly rahateo manodidina  ny toera-pitrandrahana izay any ambanivohitry ny distrikan’Amboasary Atsimo, hatrany Betroka ny ankamaroany. Fahatelo, raha ny fanazavana nomen’ny talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany, Cyprien Louis de Magloire, dia mampivarahontsana ny zava-misy:

“Any ambanivohitra dia miezaka ny miteraka maro ny fianakaviana iray. Izy ireo tsy miraharaha izay hamelomana sy hanabeazana ny ankizy. Tanjona ny hahalehibe fotsiny azy ireny mba ho mpikarama, hanampy amin’ny fivelomana sy ny fampidiram-bola”, hoy izy. “ Efa misy ny  famolavolana tetikasa saingy mbola sarotra ny fanatanterahana. Efa voaresaka hatramin’ny  fametrahana sekoly mifindrafindra mba hanaraka ny fivezivezen’ny mpitrandraka fa mbola eo ampandinihana ny fanatanterahana izany ny tomponandraikitra isan’ambaratongany”,  hoy izy namarana ny fanazavana. 

Tsy misy antom-pivelomana afatsy ny fitrandrahana mikà

“Tsy ho foana vetivety, tsy ho fongotra velively ny fanosihosena ny zon’ny zaza, raha mbola tsy manana politikam-pampandrosoana haingana sy matotra ny fanjakana. Tsy misy antom-pivelomana afatsy ny fitrandrahana Mika ny mponina, rehefa tsy izay, mivadika ho malaso izy ireo, indrindra ny zatovo matanjaka. Tsy tokony ho voizina sy dradradradraina fotsiny io resaka io, satria matetika olona tsy mahafantatra ny zava-misy marina aty an-toerana no mivoy azy io”, hoy ny tompon’andraikitry ny filaminana iray nanaovana fanadihadiana, nangataka ny tsy ho tononona anarana.

Manamafy izany goverinoran’ny faritra, Hatrefindrazana Jerry, izay milaza fa ao anatin’ny fikarohana vahaolana matotra tokoa ny faritra.

“ Aoka tsy ho adino, fa tsy misy fepetra azo raisina fahatany izany amin’izao fotoana izao satria io no hany loharanom-bolan’ny isan-tokantrano, ankoatra ny asan-dahalo”, hoy ity tomponandraikitra voalohan’ny faritra ity. 

Miaiky izay fisian’ny zaza tsy ampy taona manao fitrandrahana izay rahateo ireo mpandraharaha amin’ny sehatra mikà ao Anosy, nanaovana fanadihadiana, saingy milaza tsy ho tompon’andraikitra momba izany.

“Vonona ny hitondra ny anjara birikinay izahay amin’ny fanarahana ny lalana manankery, toy ny fiarovana ny zon’ny zaza saingy tokony tsy ho hadino fa efa izay ny fomba fiainan’ny mponina aty aminay.Ny ankizy tsy mandia sekoly satria tsy misy ny foto-drafitrasa. Rehefa tsy mianatra dia miasa, na mandeha manao dahalo. Tsy vitan’ny kabary ny zava-misy aty an-toerana fa mila fanadihadiana lalina ombam-bahaolana aingana sy matotra tsara”, hoy ny mpandraharaha iray, izay niangavy tsy ho tononona anarana.

Mpisehatra nananana olana nandritra ny fanangonam-baovao ireo mpandraharaha amin’ny mikà ao Anosy. Na nisy fangatahana fihaonana sy ny mailaka nalefa dia tsy nahitana valiny izany: “ Tsy afaka ny ho terenareo ny hiresaka izahay”, hoy ny filohan’ny fikambanana. 

Fitrandrahana tsy misy fiarovana, loza ho an’ny mpiasa sy ny mponina 

Raha ao an-tampon-tananan’i Taolagnaro nanaovana fanadihadiana, tsy mitondra tombony ho an’ny mponina ny fitrandrahana mikà, noho ity toerana ity natao ho fanodinana fotsiny ihany. Misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalaman’ny mponina aza izany, noho ny fiparitahan’ny vovok’ity akora iray ity. Misy amin’ny orinasa no tsy manaja ny tontolo iainana, manary ny faikan’ny mikà amin’ny toerana fandalovan’ny mponina.Ny talem-paritry ny fahasalamana, Robinson Noromampionona dia manamafy ny voka-dratsin’ny fitrandrahana Mika amin’ny fahasalamam-bahoaka:

“Tsy ho an’ny ao Taolagnaro ihany, fa hatrany amin’ny toera-pitrandrahana aza dia misy fiatraikany amin’ny mponina ny mikà, noho izy manaparitaka vovoka toy ny fitaratra ireny. Ny mpitrandraka anefa tsy manao aro vava na tampin’orona. Ny zava-doza, ny fahamaroan’ny ankizy izay marefo, ny fiarovan-tenany”, hoy ity mpitsabo ity.

Raha ho an’ny zaza manokana, dia miampy ny loza atrehin’izy ireo. Amin’ny mbola maha kely ny vatany, dia izy no alefa mangady lavaka sy misitrika any ambanin’ny tany izay hakàna mikà. Ny zaza madinika kosa dia ampiasaina hisivana ireo vato azo. Ny tatitra avy amin’ny ONG Terre des Hommes dia milaza fa miteraka aretina sy fanantainana amin’ny lamosina sy amin’ny loha izany noho ny hafanana sy ny tsy fahampiana rano, ary matetika ireo zaza no maratra tanana sy tongotra.  

Efa nisy ny ezaka fihaonana teo amin’ny mpandraharaha sy ny fanjakana tamin’ny febroary sy marsa 2020 na ao Taolagnaro na ao Antananarivo, ho fanatsarana ny fomba fiasa eo amin’ity sehatra ity toy ny fiarovana ny mpiasa, ny fiarovana ny zon’ny ankizy sy ny fampanarahana lalàna ny orinasa na fikambanana miasa amin’ny fitrandrahana mikà. Raha aho Anosy, dia miisa 88 ireo orinasa na fikambanana ireo, ao amin’ny distrikan’I Taolagnaro no ankamaroany ary telo kosa ao Amboasary Atsimo. Enina amin’ireo dia orinasa sinoa mitrandraka mivantana na ankolaka ny mikà ao Ampamakiambato sy Esokaka, kanefa tsy ara-dalàna ny fisiany na tsy voaara-maso akory.