x

Raharaha Ruby Red : voarohirohy ny Fanjakana

Raharaha Ruby Red : voarohirohy ny Fanjakana

Dikan-teny malagasy nataon'ny mpirotsaka an-tsitrapo.

Niteraka ady teo amin'ny mponina manodidina sy ny mpandraharaha ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany tao amin'ny fokontany iray alavitra tao Ankingabe, ao amin'ny distrikan'Ambanja, any avaratry Madagasikara. Etsy andaniny,mitaraina ny mponina fa manao hosoka ny tompon'ny tetik'asa, etsy ankilany kosa manome tsiny ireto voalohany ity farany fa miditra tsy mahazo alalana anatin'ny faritra voaaro ary voarara ho an'ny daholo be ny mponina.

Mihenjana ny tady eo amin'ny vondrona roa ao amin'ny fokontanin'Ankingabe, any amin'ny kaomina ambanivohitr'Antsakoamanondro, distrikan'Ambanja. Ny fitrandrahana ny diamantoide verte na grenat-verte no niteraka ny disadisa eo amin'ny ireo mpitrandraka madinika sy ny orinasa Ruby Red izay nahazo alalana hanao fitsirihana."Tamin'ny taona 2009 tany no nanomboka naharesaka ny fisian'io faritra trandrahana io.

Manodidina ny dimy alina teo ireo olona tonga hitady safira tety an-toerana. Avy eo, noroasin'ny mpandraharaha vahiny iray izy ireo. Nisy indray avy eo vondrona mpandraharaha vahiny hafa nandroaka azy ireo miaraka amin'ny taratasy hosoka. Nototofana ny faritry ny tany sasany, simba ireo honko kanefa dia maro amin'ireo mponina ao amin'ny fokontany Antetezambato sy Ankingabe no mivelona amin'ny alalan'ny ala" araky

I Nivobe François, filohan'ny Kaoperativa fikambanan’ny mpitrandraka vato avy amin’ny foko 18 Antetezambato (Kfmvf18A), kosa dia nilaza fa tamin’ny marsa 2009 ny fitrandrahana voalohany tao  amin'ny faritra io.

"Tamin'ny jona 2009 dia nisy vahiny iray niaraka tamin'ny teratany malagasy iray antsoina hoe Bolo tonga teny an-toerana ary nilaza fa manana tany eo amin'ny faritra trandrahana. Nikasa ny handroaka anay izy ireo, nitondra ny raharaha teo anivon'ny fitsarana ambaratonga voalohany izy  ary nahazo rariny. Arak'izany, tsy maintsy nandoa onitra valo tapitrisa ariary ny fikambananay ary voatery nahato ny asa rehetra. Nandefa taratasy tany amin'ny filoha Andry Nirina Rajoelina izahay tamin'izany fotoana izany mba ampahafantatra azy ny zava-misy" araky ny fitantantarany.

Notohizan'i Nivobe François ihany fa ny febroary 2012 dia nisy vondron'olona vahiny hafa indray, londohany ao amin'ny orinasa antsoina hoe Ossina, nisolo ny toeran'i Bolo ka nitrandraka tao amin’ny faritra hatramin’ny 2015, taona izay nanajanonany ny asany, araky ny fanambaran'i Nivobe Francois hatrany. Teo anelanelan'ny taona 2015 sy 2018, nanao  fitrandrahana madinika ireo tantsaha.

AntetezambatoAntetezambato, lalana mitondra eny amin'ny toeram-pitrandrahana

Fitsoahana ankolaka

Ny naoty navoakan’ny filankevitry ny governemanta laharana 34/2011-PM/SGG/SC dia mandrara ny fanomezan-dalana vaovao nanomboka ny 6 aprily 2011. Nitohy hatrany izany fampihatoana fanomezan-dalana izany hatramin’ny 2014 na dia tsy nisy rijanteny ara-dalàna manamafy io naoty voalaza io,  araka ny tatitra 2016 navoakan’ny Initiative pour la Transparence dans les Industries Extractives (ITIE), vondron’ny fiarahamonimpirenana ho an’ny mangarahara eo amin’ny sehatrin’ny fitrandrahana ankibon’ny tany.

Mpandraharaha maro no nisafidy ny hamadika ny fahazahoan-dalany hitrandraka. Ny Tale teknikan’ny Biraon’ny Cadastre minier eto Madagasikara (BCMM), Feno Ravoninahitra, dia nanamafy na izany aza fa:

“raha misy orinasa mahita mpiara-miombon’antoka, dia afaka mamadika ny fahazahoan-dalany amin’ny alalan’ny fanolorona, famindrana amin’ireo mpandova na famarotana ary miova anarana izy. Ny fahazahoan-dalana ihany koa dia afaka havaozina”. Nampiany koa fa "ny vahiny dia tsy mahazo fahazahoan-dalana hikaroka na hitrandraka raha tsy manangana orinasa malagasy. Ny famadihana ny fahazahoan-dalana hikaroka (PR) na fahazahoan-dalana natokana ho an’ireo mpitrandraka madinika (PRE) ho fahazahoan-dalana mitrandraka (PE) dia azo atao raha manapa-kevitra ny orinasa fa hanena ny faritra ho an’ny toeram-pitrandrahana” araky ny fanazavany ihany.

Arak’izany,) dia tsy mandray fangatahana vaovao ny BCMM fa mandinika kosa ireo taratasy fanavaozana sy fanovana ireo fahazon-dalana. Na izany aza, alohan’ny fahazahoan-dalana hitrandraka ao anaty toerana saro-pady dia tsy maintsy mahazo alalana avy amin’ny Birao Nasionaly miaro ny Tontolo iainana (ONE) hatrany.

Manome tsiny mafy ny ONE ny mponina ifotony ao anatin’ity raharaha Ruby Red ity. Ny ONE  izay nanome fahazahoan-dalana ka nahafahan’iretsy farany hitrandraka ao anatin’ny toerana saro-pady.  "Izahay dia tsy mba nantonina manokana ary raha nisy fakan-kevitra faobe, dia voafantina ireo olona nantonina", hoy i Nivobe François. Hery Rajaomanana, talen’ny fizahana ny tontolo iainana eo an’ivon’ny ONE dia nanazava fa taorian’ny fametrahana fangatahana nataon’ny orinasa, dia nanantanteraka fitsidihana teny an-toerana ny ONE mba hanao ny fizahana ara-teknika:

"Nisy tokoa ny fakan-kevitra faobe satria nasainay ny ben’ny tanana hiantso ireo mponina amin’ny alalan’ny peta-drindrina. Nisy boky avy eo azon’ireo mponina nojerena raha toa ka tsy nanatrika ny fakan-kevitra izy. Nanaja ireo dingana rehetra arahina ny orinasa ary nahazo ny fahazahoandalana avy amin’ny ONE", hoy izy.

Ity farany dia nilaza fa nandefa  tatitra fanarahamaso ny Ruby Red, ary  harahin’ny ONE maso mandritry ny asany ao anatin’ny enim-bolana faharoa. Nanaiky izy fa sarotra ny fanarahamaso satria mila fahafahana ara-bola matanjaka.

Ny ben’ny tananan’ny kaomina ambanivohitra Antsakoamanondro, Victor Bezara kosa dia nanamafy fa nisy ilay fakan-kevitra faobe izay natao tao amin’ny fokontany Ankingabe ny taona 2017 ary nanaja tsara ny bokin’andraikitra napetraky ny ONE ny tompon’ny tetikasa.

« Ho anay, nanara-dalana izany satria ny fitomboka mena dia manamarina fa mitombona sy azo raisina avokoa ny antontan-taratasy rehetra”, araka ny fanazavany.

Nasehon’i Fetra Rasolonirina, Injeniera mpanampy momban’ny harena ankibon’ny tany, miasa ao amin’ny Ruby Red Madagascar ireo antota-taratasy mahakasika ny fitrandrahana. Nilaza ity injeniera ity fa

« Ny dingana fandinihina ireo akon’ny fitrandrahana eo amin’ny tontolo iainana dia natao teo anelanelan’ny taona 2015 sy 2017. Ny fahazahoan-dalana hitrandraka dia azo ny 11 jona 2015, talohan’ny fahazahoan-dalana navoakan’ny ONE ny 7 febroary 2017. Izany no nahafahanay nanokatra indray ny toeram-piasana ny taona lasa teo. Nampirisika ny fikambanana izahay mba hiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalana  satria vonona izahay ny hanome faritra ho azy ireo mba hahafahany mitrandraka ao anatin’ny ara-dalana”, hoy ilay injeniera.

Ny Kfmvf18A anefa dia tsy niombo-kevitra tamin’izany, araky ny fantatra dia te hampiasa ny faritra efa trandrahan’ny Ruby Red izy.

Tsy mazava

Tsy mazava sy sarotra ny zava-misy rehefa olona maro no velom-panontaniana amin’ny fomba nazahoan’ny Ruby Red  ny alalana hitrandraka, laharana 39664 , navoaka ny 11 jona 2015 araky ny didim-pitondrana 20309/2015 amina faritra efatra. Io fahazahoan-dalana hitrandraka io dia hahafahana hitrandraka ireo vato toy ny grenat, beryl, rubis, émeraude, sphène, volamena ary tourmaline.

Ankilany, ny filohan’ny Kfmvf18A dia mihevitra fa io PE io dia vokatry ny famadihana ireo fahazahoan-dalana roa natao ho an’ireo mpitrandraka madinika, izany hoe ny laharana 35823 sy 35899 , –– nomena ny 17 febroary 2010 ary tapitra ny 16 febroary 2018. Namoaka filazana ho an’ny ben’ny tanana ny kaomin’ambanivohitra Maherivaratra ny BCMM Antsiranana ho fampahafantarana fa ireo fahazahoan-dalana roa ireo dia foana ny 13 martsa 2014. Nohamafisin’ny  tale teknikan’ny BCMM Mamory Ivato Antananarivo izany.   

Raymond Mandigny,  filohan’ny Cercle de réflexion et d’action pour le développement et l’environnement de Sambirano (Crades) kosa dia nandroso hevitra fa ny famadihana ireo fahazon-dalana dia miseho amin’ny endrika fanavaozana:

"Izy ity dia fiovan’ny PRE satria ireo fitaovam-pitrandrahana (bulls et poclins) hita eny an-toerana dia manamarina ny fitrandrahana indostrialy. Tsy manohitra ny fampandrosoana izahay fa mitaky ny fangaraharahana eo amin’ny dingana rehetra amin’izany satria ny lalàna dia manome vahana mpandraharaha vaventy ary ny vola rahateo manana fiantraikany eo amin’ny fanapahankevitra, ka tsy miteraka tombon-tsoa hoan’ny vahoaka madinika. Raha ny hevitray, ny mponina ifotony no tokony ho voalohany hahazo tombontsoa."   

 

Etsy andaniny, ao koa ny fiheverana hoe tokony ho an’I Prosperity Earth Sarl  ny fahazahoan-dalana PRE laharana 35770 izay an’i Euphrasie Maharavo.  Manana faritra trandrahana manakaiky an’ny Ruby Red any Ankingabe ity orinasa ity. Misy mpiasa eny amin’ny toerana izay  manamarina fa Ruby Red no teo taloha ary nosoloin’ny Prosperity Earth amin’izao fotoana izao. Ankoatr’izay, ity orinasa Prosperity Earth ity dia nanao taratasy fanambarana ofisialy sy voasonia, tamin’ny Talemparitra misahana ny Harena ankibon’ny Tany sy ny Solika  tany Ambanja ary milaza ny fanokafana ny toerana hitrandrahana, manao hoe: « Voninahitra ho ahy no mampafantara anao fa ny asa fitrandrahana ny singa mineraly tafiditra ao anatin’ny fahazon-dalana  PE laharana 39664 ananako dia hanomboka ny 1 jona 2018. »

Notsindrin’i Fetra Rasolonirina fa ireo orinasa roa ireo dia nanao fifanarahana fiaraha-miombon’antoka voasoratra any amin’ny BCMM ary nahazo alalana hisolo-tena azy ny Prosperity Earth Sarl. « Izy dia mpiara miombon’antoka ara-bola aminay » hoy ity injeniera mpanampy.

Ao anatin’ny antontan-taratasy momba ny famadihana ny fahazahoan-dalana dia nisy teknisianina iray ao amin’ny BCMM nanasonia taratasy ny  « fanolorana amin’ny ampahany eo amin’ny Ossina sy Ruby Red Madagascar ». Io antontan-taratasy ofisialy io anefa dia tsy ahitana ny laharan’ny fahazahoan-dalana navadika na navaozina. Araky ny nambarany dia fifamindrana sonia no nisy nohon’ny lamina anatiny. Nandritry ny fikarohana natao, no nanamarinan’ny  loharanom-baovao iray fa ny PRE 35770 an’ny Prosperity Earth dia natolotra amin’ny ampahany an’ny Ruby Red.

Fehiny, nahazo PE ny Ruby Red tamin’ny fampiasana ny tolotra amin’ny ampahany avy amin’ny orinasa Ossina, saingy tsy hita soritra mihitsy ny laharan’ny PRE. Saingy mampiasa ny PRE an’ny Prosperity  Earth ny Ruby Red izay marihana fa voarakitra an’ny amin’ny BCMM fa kosa tsy misy taratasy ofisialy ary voasonia ara-dalana. Iray ihany ireo roa ireo noho ny tamin’ny alalan’ny fanakambanana tsy dia mazava ny taratasy fazahoan-dalana.  Araka ny fikarohana natao, dia hita fa ny Prosperity Earth Sarl dia efa notarihan’i Elisé Razaka, minisitry ny angovo teo aloha izay efa nodimandry ny taona 2018.   Lasa fanafenana ireo fiovaovovan’ny fahazahoan-daalana ny fampiasana ny fitomboka mena.  . Misy amin’ ireo manam-pahefana noho izany no mihevitra fa  ny tombonkasem-panjakana dia “marina”, “tena izy” ary “ manara-dalana kanefa ny fampiasana tsy ara-dalàna dia dia mamitaka ny mpitondra sy ny vahoaka entiny.

Fandraisan’andaikitra

Na izany na tsy izany dia nanome toky Ruby Red fa hanaraka ny fenitra mahakasika ny fandaisan’andrakitra ara-tsosialy (RSE). Nanavao ny tetezan’Antetezambato izy, efa nahaorina sekoly ary mikasa ny hanatsara ny fahasalamam-bahoaka ifotony amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitsabo ao Antsakoamanondro. Eo amin’ny lafiny tontolo iainana kosa dia tsikaritra ny fahasimban’ny  honko nohon’ny fitrandrahana. Ny fikambanan’ireo fiarahamonimpirenena mahakasika ny indostria  misehatra amin’ny harena ankibon’ny tany (Oscie) sy ny « Coalition Nationale de Plaidoyer Environnemental » (CNPE) dia manahy ny amin’ny hoavin’io rohivoary io. Ho an’i Clement Rabenandrasana, sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny Oscie dia olana ara-sosialy no misy nohon’ny tsy fanajana ny tontolo iainana toy ny fametrahana ny toeram-pitrandrahana  80m  manakaiky ny toeram-ponenan’ny mponina na koa ny fiantraikan’ny tabataban’ireo fitaovana lehibe ampiasaina. « Ny tena mahagaga anay dia ity  ny fitrandrahana ao anatin’ny honko ity» hoy hatrany izy.

Efa nanao fanaraina ny ONG britanika Blue Ventures any Ambanja, tarihin’I Aude Carro tamin’ny 2013, ary  nanaitra ireo sefo distrika ao amin’ny kaomina roa amin’ny zava-misy mampanahy momba ireo honko ireo. Araky voarakitry ny fikambanana dia 70% ireo honko teo amin’io toerana io no very raha ny kaomina ambanivohitry Antsakoamanondro  no resahana, ary 60 % ao amin’ny kaomina ambanivohitry Maherivaratra koa no very, nohon’ny fitrandrahana any amin’ireo toerana arovana ireo.

Manamafy ny talen’ny ministera ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra fa ny tetikasa rehetra dia tokony hanaraka ny andinin-dalana misy ao amin’ny didim-panjakana mikasika ny « fifanarahan’ny fandraharahana amin’ny tontolo iainana » (MECIE). Araky ny fanazavany, ny andininy faha-3 amin’ny ny didim-pitondrana laharana 4355/97 momba ny  famaritana ireo faritra arovana dia tafiditra ao ny honko izay manana lanja manokana ary fantatra noho ny faharefony manoloana ny asa ataon’ny olombelona sy ireo tranga voajanahary mety manova na manimba mihitsy ireny faritra ireny. Ho an’ity tomponandraikitra iray ity dia ny tetikasa fitrandrahana harena ankibon’ny tany rehetra dia tokony manisy lanjany io lafiny tontolo iainana io mba hanenana ny voka-dratsy aterany ho an’ny zava-boary. Ny tale mpanaramaso ny fanajana ny tontolo iainana ao amin’ny ONE, Hery Rajaomanana, dia  nilaza fa nanaiky ny ministeran’ny tontolo iainana tamin’ny raharaha Ruby Red ka izany fanekeny izany no nanomezana azy ny fahazahoan-dalana  tao aorinan’ny fitsidihana manokana natao teny ifotony ny amin’ny mety ho fiantraikany fitrandrahana amin’ny tontolo iainana.

Fiantraikany

Ny marainan’ny talata 20 aogositra 2019, saika nipoaka ny ady teo amin’ireo mpitrandraka madinika sy ny orinasa Ruby Red. Tonga haingana ny mpitandron’ny filaminana avy any Ankingabe nampilamina ny toe-draharaha. Voalohany, nototofan’ny Ruby Red ny faritra sasany efa nolavahan’ireo mponina, izay fihetsika tena nahatezitra azy ireo. Faharoa, nangataka ny orinasa mba hiasa ho azy ireto mpitrandraka madinika. Tsy nanaiky anefa ny mpitrandraka madinika fa mitaky ny hanomezan’ny Ruby Red ireo fitaovana lehibe mba hampiasainy amin’ny fitrandrahana ataony. Nanazava ny kapiteny Stephane Razafindrabeby:

“ Mahafeno ny fepetra rehetra amin’ny fitrandrahana ny Ruby Red, hatrany amin’ny fahazahoan-dalana ka hatrany amin’ny fampiasana fitaovana mavesatra. Mba tsy hisian’ny disadisa dia manome baiko izahay hanajanonana ny fanotofana ataon’ny orinasa sy hanamboarana ireo fefiloha nataon’ny tantsaha mandra-piova ny zava-misy.”

 Ireo mponina ao Antetezambato anefa di mahatsapa fa tsy rariny ny mahazo azy ireo. Mitaraina ny ben’ny tanana ao Maherivaratra fa tamin’ny fotoanan’ny PRE mbola notazonin’ny Ossina dia betsaka ny diamantoide notrandrahana kanefa dia tsy mba nisitraka izany ny faritra iadidiany, ary tsy mba nahazo tamberim-bidy. Kanefa dia Antetezambato  ireny ihany no kaomina andalovana mankany amin’ny faritra trandrahana.  Nanazava izy:

“Nahita ity vato ity ireo mpanjono raha nisambotra dradraka feno fotaka ary nisy diamantoide tao anatiny. Tonga tao an-tsainy noho izany ny fitrandrahana ka namidiny 5000 ariary ny kapoaka. Rehefa tonga I Bolo nitaky ireo faritra dia nahatsapa ny lanjan’ny vato ny mponina. Izahay dia tsy afaky ny hanambara na diso na marina ny taratasy ananan’ny Ruby fa maniry izahay mba hanana sekoly sy tera-pitsaboana aty Antetezambato.”

Mahagaga anefa fa any amin’ny faritra misy ny fitrandrandrahana mihitsy no  dia miaina anaty fahantrana lalina ny mponina. Amin’izao fotoana izao, mihena ny honko sy ny dradraka, araky ny fanambaran’ny mponina. Kanefa io hazandrano io  dia anisan’ny  antom-pivelomany voalohany. Milaza izy ireo fa namboly velarana 36 hektara indray mba hanonerana ireo honko potika. Araky ny nambarany ihany anefa dia nototofan’ny orinasa indray ireo faritra misy ny fambolena vao mitsiry. Mifanohitra amin’izany kosa ny voalazan’ny Ruby Red izay manamafy teo anelanelana ny taona 2018 sy 2019 dia nandray anjara mavitrika izy ireo tamin’ny famerenana ny ala sy ny honko amin’ny laoniny. Ankoatr’izay koa dia hita taratra eo amin’ny fokontany roa ny tsy fifankazahoana. Ny mponin’Antetezambato dia manda tsy hiasa ho an’ny Ruby Red raha nanaiky ny tolotr’asa kosa ireo mponina tao Ankingabe. Ny Kfmfv18A kosa dia misisika ny hamindran’ny Rubi Red ho azy ny faritra trandrahana sasany mba hahafahan’ny hitrandraka araky izay itiavany azy.

AntetezambaroFanelanelanana nataon'ny Zandarimaria tao Ambanja tamin'ny 20 aogositra 2019

Tombotsoa

Hatramin’izao hitenenantsika izao, vato diamantoide verte milanja 200 kilao izay tsy hita hafa tsy any Ambanja no navoakan’ny hany ny orinasa. « Hitanay ireo tavela tamin’ny fitrandrahana nataon’ny mponina teo amin’ny 10 metatra. Ny tanjonay dia ny heady lavaka lalina kokoa  hatrany amin’ny 25 metatra » hoy i Fetra Rasolonirina. Ankoatran’ny fahazahon-dalana PE dia manana fahazahoan-dalana hivarotra ho an’ny mpitrandraka (laissez-passer) LP1 ihany koa i Ruby Red. Tsy mbola nanao fanambarana momba izany tao amin’ny kaomina ny orinasa fa nandrotsaka kosa latsakemboka ho fandraisan’anjara ao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominia. Raha eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, mitentina 300 ka hatramin’ny 500 dolara ny 1 gramma amin’ny diamantoide, araky ny kalitaony. Araky ny loharanombaovao ihany dia aondrana any Italie ireo vato sarobidy avy ao Ambanja ireo. Kanefa, araky ny loharanombaovao hafa iray izay nisafidy ny tsy ho tononon’anarana avy ao amin’ny ministeran’ny Harena ankibon’ny tany , fa misy vokatra avy ao  Ambanja ary entina an-tsambo, fa tsy nambarany kosa ny toerana hanondranana sy  ny fatran’ny entana vokarina. Marihana anefa fa raha mamokatra ny orinasa dia mandoa ny hetra mifanaraka amin’ny fitrandrahana izany hoe 2% amin’ny lanjam-bidy ny vokatra amin’ny famarotana voalohany izay 0.4 % mankany amin’ny fanjakana foibe ary 1,6% tamberim-bidy any amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

Ny tatitra 2018 avy amin’ny Transparence dans les Industries Extractives (ITIE) ao Afrika dia namoaka fa «  Ireo didim-panjakana mahakasika ny fanomezana ny anjara ho an’ny vahoaka ifotony dia tsy ahitana fampiarana ain’ny tena izy. » Io tatitra io dia mamoaka fa :

« Eto Madagasikara, dia mampiasa ny tatitry ITIE  ny ben’ny tanana mba hitakiany ny vola tokony hiditra isaky ny vondrona tsirairay. Misy ny fahasarotana toy ny famindrana ny vola amin’ny kaonty manokan’ny mpiasam-panjakana. Nisy fanadihadiana namoaka fa nisy vola tokony hiditra, sahabo ho telo ka hatramin’ny efa-taona ho an’ny vahoaka ifotony tsy voaloa. »

Manentana hatrany ny vahoaka mba iaro ny tontolo iainana. Kanefa dia simban’ireto farany ny sasany an’ireo honko antsoin’izy ireo hoe “ala fady”. Ny tena ratsy dia ny fanomezana ireo faritra ireo ho an’ny mpandraharaha tompona tetikasa mba hitrandrahana harena ankibon’ny tany izay mampitombo hatrany ny vokadratsy ateraky ny fandavahana ny tany. Ity lahatsoratra ity dia maneho ny fahalemen’ny rafitra ao amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tao anatin’ny fanadihadihana nataonay dia ny ONE sy ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany ary ny loharanonkarena stratejika dia nanao fidinana fanarahamaso teny an-toerana mba amantarana ny tena misy marina.

 

Sary