x

QMM-Rio Tinto : Bokatrosa ny Fanjakana Malagasy

QMM-Rio Tinto : Bokatrosa ny Fanjakana Malagasy

Fanadihadiana notontosain’i  Riana Raymond sy  Yves Samoelijaona. 21 taona aty aorian’ny nanaovana ny sonia teo amin’ny Qit Madagascar Minerals-Rio Tinto (QMM-Rio Tinto) sy ny Fanjakanamalagasy, tsy mbola misitraka n nony tombontsoa tokony ho azy ny mponina ao Taolagnaro. Mainka mampiaka-peo amin’ny olana sosialy sy ny tontolo iainana, ary ny vola tokony hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vahoaka sy ny mpitondra any ifotony. Ny fanjakana foibe, izay mpiara-miombon’antoka amin’ny orinasa anefa manakatom-baravarana raha hakana vaovao mahakasika izany. Tsy ampy ny mangarahara avy amin’ny mpitondra sy ny orinasa. 

Boka-trosa  sy voafatotra ny Fanjakana Malagasy

Manan-jo ny mahalala vaovao mikasika ny orinasa goavana, indrindra ny harena an-kibon’ny tany ny vahoaka malagasy. Saingy, tsy fantatra mazava ny vontoatin’ny  fifanarahana, ankilany, ary tsy ampy rahateo ny serasera, andaniny. Ity tsy fahampian’ny serasera avy amin’ny mpitondra sy ao anatin’ny fitondrana rahateo no anisan’ny nambaran’ny tomponandraikitry ny QMM-Rio Tinto, fa antony mahatonga ny fanjakana ankehitriny nangataka fanadihadiana ara-pitantanana sy ara-bola.

“ Mahagaga anay ihany ny toe-javatra satria ny fanjakana Malagasy amin’ny maha mpiara-miombon’antoka azy anatin’ny orinasa dia manana mpikambana anatin’ny Filankevim-pitantanana. Ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany rahateo no manendry ny mpikambana, solotenan’ny fanjakana. Tokony mahalala ny olana  sy ny zavatra rehetra miseho anatin’ny orinasa ry zareo, araka izany”, hoy ny fanazanana azo avy amin’ny tomponandraikitry iray ao anatin’ny  orinasa QMM-Rio Tinto.Tamin’ny taona 1998 no vita ny fifanarahana teo amin’ny orinasa Rio Tinto sy ny Fanjakana malagasy. Mitazona ny 80% ny renivola ny vahiny, 20% kosa ho an’ny Malagasy. Tapitra amin’ny 2021 ny  fifanarahana, raha ny fanazavana voaangona hatrany.  

Afaka ny manafoana ny fifanarahana amin’ny orinasa na tsy manavao izany i Madagasikara.  Saingy voafatotra ny fanjakana noho izy mbola ananan’ny orinasa Rio Tinto vola mitentina 93 tapitrisa dolara. 77 tapitrisa dolara ny anjaran’ny governemanta malagasy, tokony ho naloa tamin’ny famerenana ny renivolan’ny orinasa na ny récapitalisation ny taona 2012 sy 2015... 16 tapitrisa dolara kosa no tokony naloa tamin’ny taona 2019 fara-fahatarany.  Famenoana tsy maintsy hatao rehefa hita fa maty antoka ny orinasa ka latsaky ny antsasany renivola ny vola tokony ampiasaina eo am-pelatanana, araka ny voalazan’ny lalana 2003-036 mikasika ny fikanbanam-barotra. Vola izay esorina tsikelikely amin’ny fizarana ny tombom-barotra arakaraka ny renivola ampiasaina. Hatreto anefa sady tsy misy ny tombony, no mbola mameno renivola matetika ny mpiara-miombon’antoka, saingy tsy mihevitra ny hiala eto Madagasikara ny QMM-Rio Tinto. 

“ Vonona amin’ny fanavaozana ny fifanarahana izahay, misokatra amin’ny ady hevitra rehetra”, hoy ny ao amin’ny QMM. Ny Fanjakana hatramin’izao, tsy manana eritreritra ny hanala azy rahateo. 

Tsy misy tombony amin’ny lafiny toe-karena

Folo taona mahery no nanomboka nitrandraka fasi-mainty tao Taolagnaro ny orinasa QMM-Rio Tinto. Milaza ho tsy misitraka tombontsoa ny fisiany ao an-toerana ny mponina nanontaniana. Na ny olon-tsotra na ny mpivarotra, ny mpiasam-panjakana, eny hatramin’ny fikambanana isan-tsokajiny, na ny mpitondra fanjakana any an-toerana dia manamafy izany. Voalohany, tsy azo tsapain-tanana ny fivoaran’ny tanàna sy ny sosialim-bahoaka.

"Raha ny fahafantarako azy, efa tafakatra 2 tapitrisa sy dimy hetsy taonina ny fasimainty efa naondran’ny QMM, hatrizay. Nanomboka 2018, nanondrana monazita ihany koa izy ireo ka eo amin’ny 500 000 taonina no nivoaka. Sarotra ny hihevitra hoe maty antoka ny orinasa. Mampalahelo anefa, tsy misy asa sosialy mivaingana mba hita ataon’ny orinasa eto an-toerana. Raha mihoatra amin’ny vola mihodina sy ny tombony azony, zara raha misitraka 13 tapitrisa dolara ho tamberim-bidy ny  Malagasy tao anatin’ny 10 taona, io ilay 2% voalazan’ny satan’ny harena an-kibon’ny tany. Mari-bola izay mbola mizarazara amin’ny Faritra, Kaominina, ny Faritany teo aloha, araka ny voalazan’ny lalana”, hoy ny governioran’ny Faritra, Hatrefindrazana Jerry, nandritra ny fihaonana taminy tao amin’ny biraon’ny faritra, ny alatsinainy faha-24 febroary lasa teo.

Manamafy izay rahateo ny fikambanan’ny Mpamboly Mitambatra, tarihin’ny filohany  Milsen Jasmin na I Guy no fiantso azy.

" Raha ny zava-misy ankehitriny, tena tsy misitraka ny fisian’ny orinasa eto Taolagnaro izahay. Ny orinasa mpiara-miasa amin’ny QMM-Rio Tinto ihany no mahazo tombony. Tsy mihodina amin’ny sehatra hafa ny vola fa mijanona ao anatiny.  Anisan’ny tranga iray tena mampalahelo ohatra ny fametrahana ny serantsambon’i Ehoala eto aminay. An’ny QMM ihany ny orinasa mitantana io seranatsambo io. Lafo ny saran’ny fiantsonana ao, ary mampiakatra ny vidim-piainana izany”, hoy izy.  

Etsy ankilan’izay, ny mpandraharaha nanaovana fanadihadiana, izay mpikambana ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria, nangataka ny tsy ho tononona anarana, dia manitrikitrika izay fanaovan’ny orinasa QMM ampihimamba ny toekaren’i Taolagnaro izao.

"Avo roa heny amin’ny sarany aloa any amin’ny seranan-tsambo hafa eto Madagasikara no aloa ao Ehoala ka tsy mahagaga raha avo roa heny avokoa ny vidin-javatra aty aminay.”, hoy izy ireo.

Nanaovana fanamarinana tany an-toerana ny mikasika ny vidin-javatra: raha ny simenitra vidiana 22000 Ariary ao  an-drenivohitra dia tafakatra 37000 ariary. Ny rano amin’ny tavoahangy, vidiana 2000 Ar ao an-drenivohitra tafakatra 4 000 hatramin’ny 5 000 ariary eny amin’ny mpivarotra enta-madinika.

Telo volana lasa izay, nangataka ny hanaovana fitsirihana ny fitantanam-bolan’ny orinasa QMM-Rio Tinto, tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra ny 20 novambra 2019, ny Fanjakana malagasy. Miditra amin’ny volana marsa 2020, tsy mbola manomboka izany. 

“Mila mazava ny lamina rehetra, tokony homen’ny fanjakana anay ny antsipirihan’ny fomba sy ny dingana rehetra hanaovana fanadihadiana, na ny termes de références mikasika izany. Izay no mbola tsy hanombohan’ny  fitsirihana izay tsy lavinay QMM-Rio Tinto velively ny fanaovana azy », hoy ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra iray, nangataka ny tsy ho tononina anarana, noho ny resaka tsy ofisialy nifanaovana tamin-dry zareo.  

"Ny fitadiavana ilay orinasa hanao ny fanadihadiana sy ny pitsopitsony amin’ny fanatanterahana azy no mbola mampikatso izany”, hoy kosa ny governoran’ny faritra Anosy, Hatrefindrazana Jerry.

Ny eo anivon’ny Fanjakana rahateo tsy mbola nanome ny antsipirihan’izany, ankoatra ny fanazavana nomen’ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany ny 21 novambra 2019, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataony teny amin’ny birao fiasany 

Somary mangingina aza ny mikasika ity fanadihadiana ity ankehitriny, ireo manampahefana isan’ambaratongany rahateo tsy misy fangaraharana. Samy mangina na ny eny anivon’ny Ofisim-pirenena miasahana ny  harena ankibon’ny tany sy ireo orinasam-pitandrahana stratejika ( Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques,Omnis), na ny eny amin’ny ministeran’ny harena an-kibon’ny tany, tomponandraikitra voalohany sady mpangataka ilay fanadihadiana. Mangina, na dia misy aza ny fangatahana fihaonana sy fandefasana mailaka any amin’ny tomponandraikitry ny serasera ny faha-7 febroary 2020.  Ny filoham-pirenena Andry Rajoelina no efa nanaiky ny hanaovana fanadihadiana sy halaina feo, saingy tsy mbola tanteraka ny fihaonana aminy, mandraka ankehitriny. Ny tale miandraikitra ny seraseran’ny Fiadidiana ny Repoblika rahateo raha nampatsiahivana ny fotoana nomen’ny Filoha dia milaza fa tsy afaka miresaka manokana amin’ny mpanao gazety.

 Ny sekretera jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, Valery Ramonjavelo, nandritra ny resaka tsy ofisialy natao taminy tany Taolagnaro ny sabotsy 21 febroary 2020, no nanipy teny fa antony tsy maintsy hanaovana ny fanadihadiana momba ny fitantanana sy ny resa-bola ao amin’ny QMM- Rio Tinto, ny tsy fahazoan’ny vahoaka Malagasy tombony amin’ny fisian’ity orinasa ity, hatramin’ny niasany teto Madagasikara.  Raha fehezina, tsy ampy ny serasera ataon’ny fanjakana.

Tsy mitombina

Manoloana ireo karazana fanehoan-kevitra ireo dia mitondra ny fanazavany koa ny orinasa QMM-Rio Tinto. Mitsipaka ny fiampangana azy ireo ho tsy mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny tanana sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina. Ho azy ireo, anisan’ny fanoitra ho an’ny Faritra, indrindra ny ao an-tampon-tanan’I Taolagnaro ny fisian’ny orinasa.

“ Tafakatra Iray miliara dolara amerikanina ny vola nampiasanay eto Madagasikara. Namorona asa 2000 izahay, ka 97% amin’ny mpiasa dia Malagasy avokoa ary 80 % amin’ireo ireo dia raisina eto Taolagnaro.  Orinasa 150 no mahazo fanohanana avy amin’ny orinasa. 350 tapitrisa dolara no lany amin’ny fananganana foto-drafitrasa iombonana ka misitraka izany mivantana ny vahoaka: lalana, famatsian-jiro, famatsiana rano, ary ny fahasalamam-bahoaka. 2,5 tapitrisa dolara isan-taona no lany eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny mponina any ifotony. Izany ve dia mbola hilaza isika fa mitazam-potsiny izahay? Ny olana misy amin’ny mpitondra fanjakana na ireny fikambanana isan-karazany ireny, tadiavin’ny sasany hatao fakana vola fotsiny ny orinasa”, hoy ny avy ao amin’ny seraseran’ny orinasa QMM-Rio Tinto. 

Etsy ankilan’izay, manamafy izy ireo fa tsy mbola nanapaka velively ny fandoavana ny tamberim-bidy amin’ny vokatra izay naondran’izy ireo.

“ Mandoa 800 tapitrisa hatramin’ny 1 miliara Ariary isan-taona izay ary tsy tapaka mihitsy izany. Betsaka ny asa sosialy vita, ary tsy ohatran’izao ny ato Taolagnaro, raha tsy misy ny orinasa QMM”, hoy hatrany ny fanazavany.