x

Madagasikara : ankizy roa tapitrisa iharan'ny fanararaotana

Madagasikara : ankizy roa tapitrisa iharan'ny fanararaotana

Nosoratan'i Tsiky Rahagalala. Nadikan'ny Mpirotsaka an-tsitrapo amin'ny teny malagasy.

«Madagascar: l’Etat au secours des travailleuses malgaches expatriées au Koweït» hoy ny Francetvinfo.fr; « Rapatriement du Koweït: Quarante-six femmes rentrent traumatisées», kosa ho an’ny l’Express de Madagascar. Nisongadina teo amin’ny haino aman-jery rehetra na teto an-toerana na avy any ivelany (radio, televisionina, gazety an-tsoratra) ny fampodiana an-tanindrazana ireo vehivavy mpiasa trano 46. Io fampodiana an-tanindrazana izay nampitony ny rehetra : ireo mpiasa, afaka nihaona indray tamin’ny fianakaviany, ny Fanjakana, afaka nanatanteraka izay notakian’ny vahoaka, ary… ny daholobe. Ireo mpiasa an-trano ireo, araky ny voalazan’ireo gazety, dia niharan’ny herisetra, fanararaotana,, ary fanandevozana amin’ny endriny vaovao, any an-tany lavitra.  

Tsy ho fanakianana ny ezaka nataon’ny Fanjakana, izay nikarakara io fampodiana an-tanindrazana io, na koa ho fanamaivanana izay nihatra tamin’ireo vehivavy ireo tany amin’ny faritry Golfa Persika akory, fa tsy mila mandeha lavitra isika dia efa ahitana io endrika fanandevozana io. 

Miasa 16 ora, takalo sakafo indray mihinana…

Niaina izany i Malala, 16 taona, avy any Alakamisin’Ambohimanarina. . Avy amin’ny fianakaviana mahantra izy, ary vao 15 taona monja  no nisafidy ny hiala ny tranon-dray aman-dreniny mba hikaroka asa. Noho ny hanohanana, dia niditra hiasa toy ny mpanampy tao amin’ny fianakaviana manana ny ampy izay nipetraka tsy dia lavitra ny misy azy izy.

« Raha ny nifanarahanay tamin’ny voalohany dia ny fikarakarana ny zanaky ny mpampiasa  ahy sy ny fakàna ary fanaterana azy ireo any am-pianarana no asako, ary 50.000 Ariary isam-bolana ny karamako». Vetivety dia nitontongona anefa ny toe-javatra. « Nazoto hiasa aho, saingy tao anatin’ny roa andro monja dia sady mpitaiza zaza aho no  mpiasa manao ny raharaha rehetra … Nitombo isan’andro ny asako. Tsy maintsy nosahaniko ny raharaha rehetra tao an-trano. Mifoha aho tokony ho amin’ny 4 na amin’ny 5 ora maraina eo, mandrehatra afo saribao, mahandro sakafo marainan’ny mpianakavy, mamàna rano handroana. Tsy maintsy manatitra ireo ankizy mianatra ihany koa aho. Ary rehefa tafaverina ao an-trano dia manao ny raharaha rehetra, mahandro sakafo, manasa lovia, manasa lamba… Miasa foana aho mandritra ny tontolo andro tsy misy fakana aina. Indraindray mba afaka matory amin’ny 7 ora hariva any ho ihany, fa matetika dia tsy maintsy miandry ny amin’ny 9 ora alina izay fodian’ireo mpampiasa ahy vao mba afaka mitsotra, eo amin’ny fandriako, amin’ny tany. » Izany hoe miasa mandritra ny 16 ora.

Na dia mavesatra aza ny asa, ary tsy zarizary ny vesatry ny asa, dia tsy mbola nandray karama akory I Malala, dimy volana tao aorian’ny nidirany niasa.« Milaza foana ireo mpampiasa ahy fa tsy manana handoavana ny karamako. Mahita rirany hialana foana izy ireo mba tsy hanomezana ny volako. Farany, tapaka ny hevitro fa hiala aho». Kivy tamin’io toe-javatra tsy nitondra vokatsoa ary tsy mba nandraisana karama nandritra ny dimy volana io izy ka vonona ny hamadika pejy. Nihevitra rahateo izy fa tapitra teo iny tantara iny. Kanefa dia tsy nijanona hatreo ny zava-nisy.

« Talohan’ny nandehanako, nangataka tamin’izy ireo ny mba hanomezany ahy ny karamako rehetra na izay azony atao aho, ary nasain’izy ireo niverina afaka andro vitsivitsy. Tonga ny fotoana, akory ny hagagako fa raha toa ka fandoava-karama no nifanarahana, hay niantso ny mpitandro filaminana izy ireo fa hoe nangalatra finday iray tao aminy hono aho talohan’ny nandehanako niala ny trano».Nentina tao amin’ny tobin’ny zandary tao Ambohimanarina, niharan’ny fanadihadiana araha-tsandry ilay tovovavy. « Nanamafy aho fa tsy mba meloka, kanefa tsy noraharahian’izy ireo, ary nanery ahy tamin’ny fomba rehetra izy mba hanekeko ho naka ilay zavatra. Nisy zandary iray niteny tamiko fa raha manaiky aho dia hilamina.  Na dia tsy nataoko ary ilay halatra dia nanaiky ihany ahomba hitsaharan’ireo herisetra natao ahy. Nikasi-tanana sy nanao totohondry ahy ireo zandary ».

Voatazona tao amin’ny tobin’ny zandary nandritra ny hateloana ary tsy nomena sakafo I Malala. Ny sabotsy tao aorian’ny nisamborana azy no notsaraina ary voasazy. Ankehitriny, mbola mandany ny saziny izy any amin’ny toerana famerenana ireo olona eny an’ivon’ny fiarahamonina izy.

Matetika dia avy amin'ny fianakaviana sahirana ireny mpanampy ireny

Toy izany koa ny nitranga tamin'i Angeline, 17 taona, avy any Manakoana Ambositra. Vao 11 taona monja tamin’izany dia nesorin’ny rahavaviny  tao amin’ny tranon-dray aman-drenininy  izy ary notereny niasa toy ny mpanampy, ho takalon'ny trano ipetrahana sy ny sakafo, nandritra ny dimy taona. 

« Nanao ny asa rehetra ho an’io rahavaviko io aho nandritra ny dimy taona, ary sakafo indray mihinana isan’andro no mba hany tambin-karamako. Fampiraiman-trano, sasa lovia, fandrahoana sakafo…no raharahako » Ny tena loza dia niharan’ny herisetra izy ary lasa toy ny andevo mihitsy aza. « Isan’andro, vonoin’ny rahavaviko na ny vadiny aho. Nanana tady mitondra herinaratra izy ireo izay nataony ho fikapohona ahy. Mahita antony hikapohona ahy foana izy ireo, na zavatra tsy vitako tsara, na adinoiko ny nanao azy, ary ny tsy nety ataon’ireo zanany kanefa izaho no lasa tompon’andraikitra… Rehefa mamo ny vadin’ny rahavaviko, dia mamely totohondry ny tarehiko tsy misy antony. » Ankehitriny dia mbola mampihetsi-po an’I Angeline ny firesahana momban’ireo niainany tamin’izany : « tsy misy olombelona ahazaka ilay fitondran’ireo ahy. Tsy voatanisako intsony ny andro nandehanako natory vonton-dranomaso sy mararin’ireo daroka nahazo ahy».

Naharitra dimy taona izany! Tahaka an’I Malala izay voalaza tetsy ambony, dia nampangain’ny zaodahiny koa I Angeline ho nangalatra solosaina. Voaheloky ny fitsarana ihany koa izy hanefa sazy ary honina amin’ny ivon-toerana famerenana ny olona ho eny an’ivon’ny fiarahamonina.

Ankizy andevozina: heloka tsy maharototra na hodian-tsy hita

Dimy tapitrisa ny ankizy manao ny asa an-trano eto Madagasikara, 39% amin’izany dia mitovy amin’i Malala, manao izany ho anton’asa, raha ny filazan’ny sendikan’ny matihanina eo amin’ny asa sosialy na SPDTS. Izany hoe manodidina ny 1 950 000 ireo ankizy miasa toy ny mpanampy.

Tranga matetika zary lasa tsy mahagaga izy ity, ary ny ankamaroan’ireo mponina an-drenivohitra eto Madagasikara no mitady mpanampy, ary matetika zaza tsy ampy taona izy ireny ary avy any ambanivohitra ny ankabeazany. Manao ny raharahara rehetra ao antrano izay tsy efan’ny mpampiasa izy ireo ary mandray karama vary masaka. Voakasik’izany ihany koa ireo tovolahy kely na dia vitsivitsy mihoatra amin'ny zazavavy.

Ny raharaha ao an-trano, toy ny fanadiovana, ny fandrahoana sakafo sy ny sasa lovia, dia natao ho andraikitr’ireo ankizivavy. Ireo asa ivelany kosa dia natao ho an’ny ankizy lahy: fikarakarana zaridaina, fiandrasana ny tanàna na ny fanasana ny fiaran’ny mpampiasa. Raha ny marina dia mitovitovy amin’ny fitsinjaran’asa eo amin’ny lahy sy ny vavy ao an-tokantrano niaviany ihany ireo andraikitra ireo. Izany no mitarika ny ray aman-dreny haniraka ny zanany vavy ho mpanampy mba hahazoan’izy ireo ny tambin-kasasarany. Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy, ny ankizy mpanampy dia tsy mandray mivantana ny tambinkaramany, fa tonga dia lasa any amin’ny ray aman-drenininy izy io. Ireo ankizy avy amin'ny faritra tena sahirana dia alefan’ireo ray aman-dreniny hiasa mba hampihena ireo zaza velomina ao an-tokantrano, mba tsy hilazana hoe hampihenana ireo vava homana an-tokantrano. Anisan’ny tranga misy ihany koa ireo ankizy izay alefan’ny ray aman-dreniny mba hiasa ho takalon’ny fanampiana azony na ara-bola na amin’ny endriny hafa, ary heverina ho endrika fanandevozana ho fanonerana ara-bola.

Tsara homarihina kanefa fa ny fanararaotana ireo mpiasa an-trano, indrindra ireo zaza tsy ampy taona , dia sokajiana anatin’ny famarinana olona ary voararan’ny lalana velona eto Madagasikara toy ny lalana n°2014-040 mikasika ny ady amin’ny famarinana olona. 

Araka ny andininy faha-6 amin’io lalana io, « Ny fanaramana, ny fitaterana, ny fampiantranoana na ny fandraisana olona, amin’ny alalan’ny fandrahonana na ny fampitahorana amin’ny endriny hafa, ny fakàna ankeriny, ny fametsena amin’ny endriny rehetra, fanararaotam-pahefana na falemena, na fanomezam-bola na fanekena handoa vola na tombontsoa mba hahazoana ny ny faneken’ny olona iray na ireo izay manana ny fahefana aminy, mba hitrandrahana ilay olona toy ny mpanampin’olon-kafa dia hosaziana figadrana 2 ka hatramin’ny 5 taona an-trano maizina sy sazy ara-bola mitentina 1 ka hatramin’ny 10 tapitrisa ariary ».

Ankizy andevozina : ny fahantrana no anakonana ny fivarotan-janaka

Na eo ary io andinin-dalana io, dia ao ireo ray aman-dreny tsy misalasala mandefa ny zanany ary mahatsiaro ho maivana izy ireo raha vao tafiditra miasa toy ny mpanampy amina fianakaviana manam-bola io zaza io. Hoy ny fanazavan’i Mirasoa, manan-janaka dimy, avy any atsimon’i Madagasikara:

« Nalefako niakatra tany Antananarivo mba hiasa ny zanako vavy nohon’ny tsy fanjarian’ny fiaianana aty amin’ny faritra. Samy tsy faly na izaho na izy tamin’izy mbola taty. Tsy nety taminay raha mbola samy nijanona izahay roa. Nomeko tso-drano izy mba ahafahany mivelona sy mamelona ny reniny tahakan’ny nataoko an’ny reniko ihany. Toy ny taloha miverina ihany izany…tsy nanana ny ho enti-manana mba hampandrosoana ny fiainanay koa izahay, nilaina ilay izy… »

Tsy dia vaovao loatra izany tranga izany, ary ny fahantrana no tena antony manery ireo ray aman-dreny mandefa ireo zanany hiasa toy ny mpanampy. Ohatra amin’izany, araka ny fanadihadihadianamikasika ny asa an-trano ataon’ny ankizy nataon’ny Ofisy Iraisampirenena momban’ny Asa (OIT); any amin’ny faritra Amoron’i Mania dia ny ankamaroan’ireo loham-panakaviana mpandefa ny zaza hiasa toy ny mpanampy dia tantsaha avokoa (69,5%). Io seha-pamokarana io izay tsy mahavita mamelona fianakaviana iray intsony, raha tsy hoe fitrandrahana lehibe angaha. Io fahantrana io dia fanamarinana sy fialan-tsiny lehibe ho an’ireo ray aman-dreny, izay manery ny zanany hiasa an-treivozona, manoloana ny Fanjakana. Efa misy anefa ireo vahaolana naroso mba hiadivana na farafaharatsiny hampienana io tranga io.

Ny fahantrana no manosika ireo ray aman-dreny handefa ny zanany hiasa.

Tsy fahatomombanan sa tsikombakomba?

Amin’ity taona 2019 ity, ary ankoatran’ireo famatsiam-bola avy any ivelany ho an’ny ady atao amin’ireo endrika ratsy indrindra isehoan’ny fampiasana ankizy, dia mitentina 153 880 000 Ariary ny teti-bola azon’ny sampan-draharaha misahana ny asa ary fampiroborobona ireo zo fototra eo anivon’ny ministeran’ny Asa. Misy sampan-draharaha eny anivon’ny ministera hafa ihany koa nomena io andraikitra amin’ny ady atao amin’ny fampiasana ny ankizy sy ny ady amin’ny famarinana olona io. Tamin’ny 2017, araky ny fanadihadiana nataon’ny UNICEF, dia nampitombo ny isan’ireo mpanara-maso misahana ny asan’ny ankizy ny governemanta Malagasy, raha 4 teo aloha, dia lasa 15, mba hamatrarana mazava ireo herisetra sy fitrandrahana ireo ankizy eto Madagasikara. Ny taona 2016, ny “Brigade des mœurs et des mineurs” ao amin’ny polisim-pirenena (PMPM) dia nametraka toby lehibe sy tobim-parotra 15 manerana an’i Madagasikara, ary mampiasa vatamiaramila miisa 118. Ny taona 2017 ihany koa dia nanokatra sampan-draharaha iray ho fiarovana ny zon’ny ankizy ny zandary (SPEM).

Araky ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin’ny gazety mivoaka isan’andro Midi Madagascar ny 16 Septambra 2017  « ho fanatsarana ny asan’io sampan-draharaha io dia nisy hetsika nentina mba ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo zandary. Hatramin’ny taona 2013, 350 ireo manam-boninahitra sy zandary avy amin’ny lafo valon’ny Nosy nanamafy ny fahalalany mikasika ny zon’ny ankizy, sy ireo lalàna ary fomba rehetra hampiharana amin’ny zaza, ny fandraisana an-tanana sy ny fomba fihainoana mety amin’ireo ankizy mandritra ny famotorana, na niharany na voarohirohy amina heloka izy ireo, ka mila fiarovana manokana avy amin’ny fitsarana noho ny amin’ny toerany».

Na ara-teorika na amin’ny fampiharana, anjaran’ny mpitory no mamory ireo porofo rehetra mikasika ny fanamelohana ny voarohirohy fa tsy anjaran’ity farany no mitondra ny porofo tsy maha-meloka azy. Kanefa tsy voahaja matetika izany. Tsy vaovao ny tranga toy izany, hoy i Hanta Randrianarimalala, talen’ny Akany Avoko Faravohitra:

« Efa fomba mahazatra ireo mpampiasa io, rehefa manomboka leo ireo mpanampy izy ireo dia endrikendrehana ho nangalatra na nanao zavatra hafa enjehin’ny lalàna ary voaheloka nohon’ny zavatra tsy natao akory ilay mpanampy. Paik’ady iray entin’ireo mpampiasa hanesorana tanteraka ireo mpanampy izany… »

Raha tena miandany amin’ny mpitory tokoa ny polisy sy zandary, dia vao maika hanasarotra ny rahaharaha. Antony roa no mety mahatonga ny fiandaniana. Ny voalohany: « ireo mpanampy dia olona tsy misy fotony ka tsy dia mahagaga loatra raha mangalatra». Ny faharoa: « ireo mpanampy dia mahantra, tsy misy antenaina amin’izy ireo». Ny antony voalohany dia fitsarana ivelany fotsiny ary ny faharoa kosa dia resaka fanavakavahana fotsiny. Na inona na inona anefa dia fahadisoana arak’asa goavana amin’ny maha-polisy, mpitsara, na zandary izany satria ny ho avin’ilay ankizy no resahana.

Hanta Randrianarimalala, talen’ny Akany Avoko Faravohitra

Herisetra ara-nofo

Raha herisetra no horesahina, ny herisetra ara-nofo ihany koa dia olona mateti-pitranga. Toe-javatrafahita ny fananararaotana ara-nofo ataon’ireo mpampiasa ny mpanampiny. Fa amin’ny ankabeazana diaafenina ireny tranga ireny. Raha toa ka mivoaka ivelany izany dia nohon’ny fandraisan’andraikitry ny manodidina, izy ireo no manampyamin’ny fanafahana ireo mpanampy niharan’ny herisetra sy ny fitoriana ireo mpampiasa.

Mitantara tranga iray i Telina Rakotonarivo, intervenante sociale miasa ao amin’ny Centre Vonjy eo an’ivon’ny hopitaly Befelatanana (Centre Hospitalier Universitaire de Gynécologie Obstétrique de Befelatanana). Tranga momba zazavavy kely iray 12 taona izay niharan'ny herisetra, nalefa hiditra hopitaly, saingy indrisy tara loatra :

« Ity zazavavy ity dia niditra niasa ho mpanampy tao amin’ny fianakaviana iray teto andrenivohitra. Ankoatra ireo asa mafy izay tokony nataony isan’andro, indray hariva, ity zazavavy dia teren’ny mpampiasa azy hanatanteraka ny filàn’ny raim-pianakaviana mamolava, raha araky ny fijoroany vavolombelona. Izany dia teo imason’ny vadiny satria efitra iray ihany no misy ny fandriana, ny latabatra fihinanana, ny fahitalavitra… Saropiaro, namaly faty ilay ramatoa isa-maraina rehefa lasa miasa ilay rangahy, niraradraraka ny kapoka sy herisetra isan-karazany izy na ara-tsaina izany na ara-batana».

Rehefa nandeha ny fotoana dia bevohoka ilay zazavavy ka vao maika nampihombo ny herisetranataon’ilay ramatoa tamin’ity tovovavy vao 12 taona monja. Tsy nijanona hatreo ireo zavatra nianjady tamin’ity zazavavy ity raha tsy ilay mpifanolo-bodirindrina  no nahita ny fitondrany vohoka ary nikarakara haingana ny fitsoahany. Nahiditra tao amin’ny Centre Vonjy Befelatanana ilay zaza. Ireo mpampiasa kosa dia voasambotra. Araky ny tatitra azo tao amin’ny Centre Vonjy Befelatanana, ny taona 2018, 12 ny isan’ny tranga voarakitra mikasika ny fanararaotana ara-nofo sy fanolanana atao amin’ireo mpanampy. Tarehimarika azo lazaina fa ambany raha ny ampitahaina amin’ny tena zava-misy satria vitsy ireo niharan’izay no sahy mitory.

Telina Rakotonarivointervenante sociale miasa ao amin’ny  Centre Vonjy 

Etsy andaniny, ary amin’ny ankapobeny, ireo heloka ara-nofo dia tsy dia tena sazian’ny fitsarana raha eto Madagasikara. Arak’izany, ny antontan’isa azo teny amin’ny Division de la police des mœurs et de la protection des mineurs (DPMPM) momba ireo tranga mahakasika ireo fanararaotana ara-nofo atao amin’ny ankizy toy ny fihestika mamoha fady, fampirisihana ireo ankizy hijangajanga, fampiorohorona ara-nofo, firaisana ara-nofo eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, fivarotan’olona, fikasana fanolanana, fanolanana ankizy, 108 amin’ireo voarohirohy no nahazo fahafahana vonjy maika avokoa. Eo anatrehan’izany, tsy nihena ny endrika fampiasana ny zaza , mifanohitra amin’izay ary, indrindra aty amin’ny tany mahantra.

 « Bizina » mitentina lavitrisa maro

Mampanahy hatrany, efa taona maro izao ny fisian'ireo ivotoerana mandray mpiasa an-trano izay tena mahazo vola momba an'io. Raha nanontany ireo olona mampiasa ankizy  mpanampy ao an-trano ary nikaroka tao anaty tamban-jotra sosialy Facebook mirakitra ireo tolotra sy tinady ho mpanampy eto Madagasikara izahay, dia fantatra amin’izao famanodidina ny 50 000 Ariary ny karaman'izy ireo. Raha ampitomboana ny isan’ireo ankizy tafiditra amin’ity asa ity io tarehimarika io, izany hoe ankizy miisa 1 950 000, dia hita fa tsena mampiodina vola hatramin’ny 1 170 000 000 000 Ariary isan-taona ity sehatra ity (50 000 Ar * 1 950 000 ankizy * 12 volana). Izany no manazava ny fitomboan’ny fananganana toerana fametrahana mpanampy eto amintsika, hatramin’ny taona 2009. Vola be tokoa no azo zaraina ao. 

Antontataratasy ampolony isan-kerinandro. Izany amin’ny ankapobeny no voarain’ireo ivotoerna mpametraka mpanampy, avy amin’ireo mpitady asa araky ny Votresalaire.org/Madagascar, tranonkala iray mifandray amin'ny International deWageIndicator.

Tsy voarara akory ny fananganana ireny ivotoerana tsy miankina misehatra amin’ny fametrahana olona hiasa irey , fa misy lalàna mazava mifehy izany eto Madagasikara, toy ny  fehezan-dalàna momban’ny asa (andininy 274-250) sy ny didim-panjakana n°2005/396 mamaritra ireo fomba fiasan’ny birao mahaleotena mpametraka mpiasa sy manome na manala ireo fahazon-dalana amin’izany.

Ho tazomintsika ireto andinin-dalàna manaraka ireto:

  • Fehezan-dalàna momban’ny asa, andininy 258 andalana 2 – Ny fisokafan’ny toerana mpametraka mpiasa iray dia tsy maintsy arahana fanekena avy amin’ny minisitra misahana ny asa.
  • Didim-panjakana n°2005/396, andininy 1 - Ho fampiharana ny andininy 248 ny lalàna n°2003-044 ny 28 Jolay 2004, mikasika ny fehezan-dalana momban’ny asa, ny fisokafan’ny toerana mpametraka mpiasa dia tsy maintsy arahana fanekena avy amin’ny minisitra misahana ny asa. Io fanekena io dia azo aorinan’ny fangatahana sy ny fandinihina ireo antontataratasy amin’ny alalan’ny didim-pitondrana avoakan’ny minisitra misahana ny asa.
  • Fehezan-dalana momban’ny asa, andininy 249 – Tsy misy zo na sarany amin’ny endriny rehetra alohan’ireo mpiasa izay mandeha eny amin’ireo toerana mpametraka mpiasa.
  • Didim-panjakana n°2005/396, andininy 5 – Ireo birao mahaleotena mpametraka mpiasa dia tsy maintsy manaja ny maha-maimaim-poana ireo tolotra omeny.
  • Didim-panjakana n°2005/396, andininy 9 – Ny ministera misahana ny asa dia tompon’andraikitra amin’ny fanarahamaso ny asan’ireo birao mahaleotena mpametraka mpiasa. Misy sazy mifanaraka amin’izany, toy ny fanafoanana ny fanekena, voafaritra raha toa ka misy ny tsy fanarahan-dalàna tsy mifanaraka amin’ity didim-panjakana ity.

 

Goragora ny fanahara-maso ny asa

Marihina fa ireo ivotoerana mpametraka mpiasa an-trano sy ireo ivotoerana mpandefa mpiasa any ivelany dia manana sata mifehy manokana. Tamin'ny 2015, dia efatra ihany ireo ivotoerana nahazo fanekena avy amin’ny ministera mba handefa mpiasa an-trano any ivelany. Tsy hita teny amin’ny ministera akory ny isa marina momban’ireo ivotoerana mpametraka mpiasa eto an-toerana, izay dia efa endrika iray ny fitavozavozana…

Fehiny, tao anatin’ny 2 andro nanadihadiana, no nahazoanay nifandray tamin’iray amin’ireo ivotoerana ireo. Ireo tompon’andraikitra ao dia nilaza fa nitsangana ara-dalàna tsara izy. Azo lazaina arak’izany, fa nahazo ny fahazahoan-dalana avy amin’ny ministera misahana ny asa izy raha ny lalàna no jerena. Kanefa, nohon’ny tsy fahazahoana nijery ireo ny laharana hamantarana ny orin’asa mpandoa hetra, na ny laharana statistika na hatramin’ny taratasy manamarina ny maha ara-dalàna ilay ivotoerana, dia tsy afaka nanamarina ny teniny izahay. Na ny fampiasana ny anaran’ilay orinasa mba ahafahana mitady azy ao anatin’ny lisitr’ireo orinasa momban’ny varotra ary dia tsy nitondra vokany. Rehefa nitonona ho mitady ankizy tsy ampy taona hiasa an-trano izahay tamin’ny antso an-tariby natao tamin’io ivotoerana io dia nanda avy hatrany ilay tompon’andraikitra, izay niahiahy momba an'io fangatahanay io. Nefa ora vitsy taty aoriana dia nandefa mailaka izy ireo ary nanoratra fa afaka manome zazavavy tsy ampy taona roa, mirahavavy ho an'ny karaman’olona iray ihany. Nandrisika mafy ilay tompon’andraikitra tamin’ilay ivotoerana ny handraisanay azy roa vavy tsy ampy taona. Ankoatran’ny karama aloha, dia mitaky sarany sahabo karama iray volana koa ity ivontoerana, izay sarany itovian'ireo ivontoerana rehetra nanontaninay.

Raha iverenana ilay resaka fametrahana mpiasa, tamin’ny alalan’ny finday sy fikafika vitsivitsy dia hita fa ireo ivotoerana rehetra dia manolotra zaza tsy ampy taona avokoa ho mpiasa an-trano. Izany dia midika avy hatrany ny tsy fanarahan-dalàna ary antony iray hanafoanana ny fanekena avy amin’ny ministera.

Kanefa, ny ministeran’ny Asa sy ny sampana fanaraha-maso ny asa dia tsy mbola nanakatona ireo ivotoerana ireo, eny na dia mba nandray fepetra toy ny fanafohanana ny fanekena. Mifanohitra amin’izany aza, mirongatra ireo ivotoerana ary tsy misy ny fanarahamaso. Midika izany rehetra izany fa ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona, amin’ity endriny ity aloha, dia tsy tafiditra ao anatin’ny laharampahamehana ho an’ny Fanjakana ary indrindra ny ministernan’ny asa.

Politika mandeha roa sy tsy ampy fifampiresahana

Hafa mihitsy ny politika nasionaly mahakasika ireo ivotoerana mpandefa mpiasa an-trano any ivelany, indrindra rehefa ireo firenena lazaina fa mampiahiahy, toa ny firenena any amin’ny “Golfe”. Tsy vitsy ireo tratra. Ohatra iray, ny 9 febroary 2019, Saodianina iray nahiditra am-ponja nohon’ny famarinana olona. Araky ny lahatsoratra iray tao amin’ny l’Express de Madagascar, nahatrarana tao amin'ity vahiny ity ny taratasy efatra ambiny folo fanamarihina avy amin’ny dokotera sy sarin’ireo vehivavy mpifindra monina ary pasipaoro malagasy dimy. Ohatra hafa, hita tao amin’ny newsmada.com, ny 15 may 2019, ireo polisy misahana ny fanadihadiana manokana dia nahatratra vehivavy iray tokony ho telopolo taona eo tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, ity farany izay saika handefa mpiasa vavy malagasy ho any Arabia Saodita. Farany teo, ny filoham-pirenena Malagasy dia nanao ho laharampahamehana ny fampodiana ireo mpiasa vavy ampolony, izay niasa tany Koweit sy tany amin’ireo tany manodidina nyGolfa, ary tsy nisalala izy niteny nanoloana ny mpaka sary sy feo fa tsy azo ekena izao zava-mitranga izao. Marina amin’ny ampahany ihany, araky ny tatitra farany nataon’ny masoivohon'ny Etazonia eto Madagasikara dia tsikaritra fa ny governementa dia tsy nanao ezaka firy amin’ny ady atao hafoanana ny asan’ny ankizy sy ny famarinana olona:

« Ny governemanta dia tsy nampitombo ny ezaka nataony mihoatran’ireo tatitry ny taona teo aloha. Na eo aza ny fanamafisana ireo tatitra izay milaza ny fisian’ny firaisana tsikombakomba ataon’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana mandritra ny taona dia tsy misy mpiasa na iray aza voatazona ho tompon’andraikitra ary tsy misy ny fanadihadiana mahakasika ireo tatitra milaza ny fanamoran’ireo mpiasam-panjakana ny fanararaotana ara-nofo ny ankizy… Taona roa mifanesy izao dia tsy nanokana teti-bola ho an’ny birao nasionaly miady amin’ny famarinana olona ny governemanta, izay nampihena ny fahafahany hanao ny ezaka rehetra eo amin’ny sehatra nasionaly, hanentanana ny vahoaka, sy hampiharana ireo tetik’asa nasionaly. »