x

Kolikoly tao Toamasina I - tsy afa-bela ny ben’ny tanàna teo aloha sy ny PDS amin’izao

Kolikoly tao Toamasina I - tsy afa-bela ny ben’ny tanàna teo aloha sy ny PDS amin’izao

Nosoratan'i Mihary Velo Soa sy Tiana Andria

Tamin'ny volana desambra 2018, niroso tamin'ny fandrodanana ny tranon'ny firaisana Ambodimanga, ao Toamasina I ny teratany Indianina iray malaza ao an-drenivohitr'i Betsimisaraka. Nofefena ny tany ary nafindra ny toerana ny biraom-panjakana. Nilaza tsy nahafantatra ny fizotran'io raharaha io avokoa ny tompon'andraiki-panjakana ao an-toerana.

Mampiteny ny anarany ny teratany indiana anefa mizaka ny zom-pirenena frantsay sy malagasy, iray ao an-tampon-tananan'i Toamasina Mahomed Hassan Mojize Raza, fantatry ny maro amin’ny hoe Mojize.

 

Nahazo fankatoavana

Tamin'ny faramparan'ny volana desambra 2018 no narodana ny tranon'ny firaisana Ambodimanga, ao amin'ny parcelle 32/24, titra N°165-BA mirefy 220 m2 araka ny didim-pitsarana. Samy nitazam-potsiny ny fizotran'izany fandrodanana izany na ny kaominin'i Toamasina renivohitra (CUT), na ny sampandraharaha misahana ny tanan-dehibe na ny prefektoran'ny tanàna.

« An’andriamatoa Mojize io tany io ary ny tenany no nanao fifampiraharahana tamin’ny Kaominina hamindrana ny firaisana Ambodimanga any amin’ny tany hafa izay homeny », hoy ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny CUT, Rakotomalala Georges.

Tsy nahafaly ny Raiamandreny sy ireo olobe tao Toamasina izao fanapahan-kevitra izao satria voalaza fa tsy mazava loatra ny antony nanomezana alalana malalaka ny vahiny hahazo tany toy izao. « Tsy nisakana ny fandrodanana ny tranon'ny firaisana Ambodimanga sy ny fahazoan'ny olon-tsotra ny tany izahay satria ny tany tsy anay », hoy Benandrasana Cyrille, prefen'ny tanàna raha nanontaniana mikasika izany.

Karazana famitahana ihany anefa raha ny fantatra no nahazaon’ity teratany ity nandrodana ny tranon’ny kaominina.

« Nolazainy fa misy tany azo hamindrana ny firaisana Ambodimanga ary efa vonona izany saingy tsy hita akory izay tany izay. Izao ny firaisana lasa voatery mindrana ny tranom-boky monisipaly » hoy ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny CUT, Rakotomalala Georges.

Ity tompon’andraikitra ity dia velom-panontaniana ny amin’ny antony lehibe nanekena ny fandrodanana io tranom-panjakana io. Ny andininy faharoa ao amin’ny didy hitsivolana laharana faha 60-099 tamin’ny 21 Septambra 1960 momba ny tanim-panjakana (ordonnance N° 60-099 du 21 septembre 1960) dia manipika mazava mantsy fa tsy azo atao ny mikitika ny tranom-panjakana, ary na lasan’olon-tsotra aza ny tany dia tsy manana fahefana amin’ny fananam-panjakana eo ambonin’izany tany izany izy. « Ny mampiato ny fananganana no azo atao fa ny mandrava ny efa niorina kosa voraran’ny làlana. Izay anefa no zava-nisy teto satria tranom-panjakana efa nisy efa ela teo io firaisana Ambodimanga io no narodana ho tombotsoan’olon-tokana », hoy ity tompon’andraikitra ity. Miisa dimy ny firaisana ao Toamasina dia Ambodimanga, Anjoma, Ankirihiry, Antanambao V, Morarano. Samy manana ny toerana voatokana ho azy ireo saingy ny firaisana Ambodimanga moa niafara any amin’ny tranom-boky monisipaly. « Aiza ho aiza ny fiarovana ny fananam-panjakana amin’izao », hoy Rakotomalala Georges.

 

Varotra miaro kolikoly

Na efa nirosoana aza ny fandrodana ny trano dia manjavozavo ny tena tompon’io tany io.

Ny 20 desambra 2018 raha ny laharana 170/CU/TOA ao amin’ny boky fifampivarotana (registre de vente) eo anivon’ny CUT dia Ramanantsoa Albert no nividy io tany N°165- BA mirefy 233 m2 io. Nohamafisin’ny sampan-draharaha mikajy ny fananan-tany (service de la conservation foncière) io fifampivarotana io raha ny « certificat de situation juridique » nangatahana ny 23 mey 2019. Nanomboka teo dia an’i Ramanantsoa Albert ny tany.

Ny « certificat de situation juridique » izay nalaina teny anivon’ny sampan-draharaha mikajy ny fananan-tany tao Toamasina ny 23 mey 2019 ihany koa anefa dia milaza mazava tsara fa mbola an’ny Kaominin’i Toamasina renivohitra (CUT) io tany io hatramin’izao. Tsy nisy resaka fifampivarotana ankoatra ireo olona roa izay nanao fifanarahana nanofa ny tany. Fifanarahana izay nifarana ny volana aprily 1995.

Toro eva : Taratasy fanamarihana ny mombamomba ny tany iray ao amin'i Kaomina Toamasina renivohitra

Toro eva : Nofefena ny ny manodidina rehefa avy narodana ny trano Firaisana Ambodimanga.

Nalalaka tokoa ny fandrodanana ny tranom-panjakana sy ny famefena ny toerana. Tsy nisy ny sakantsakana. Iza marina ary no nanome alalana ny fandrodanana? Araka ny dingana tsy maintsy atao amin'ny raharaha toy izany dia ny ben'ny tanàna sy ny lehiben'ny sampandraharahan'ny fitantanana ny tanan-dehibe (Urbanisme) no miandraikitra ny antontan-taratasy sy ny fanomezan-dalana. Ireo ambaratonga roa ireo ihany no manamarina ny fisian'ny fangatahana hiroso amin'ny fandrodanana. Raha nanontaniana anefa ny talen'ny fitantanana ny tanan-dehibe, Telolahy Ernest, dia nilaza fa « hanamarina ny fisian'ny antontan-taratasy mikasika izany fa miandry fotoana kely hamoahany izany ». Nanome fotoana ity tompon'andraikitra ity nentiny hanomanana ny valin-teniny mikasika io firaisana ao Ambodimanga io. Kanjo, rehefa tonga ny fotoana notondroiny hitondrany ny fanazavany dia nilaza « ho tsy mahafantatra na inona na inona momba io raharaha io ny tenany ». Nialany tanteraka mihitsy ny fomba hiresahana an'ity fahazoan'ny teratany Indiana ny tany ity.

Tsy mahalala firy ny tena marina mikasika ny fizotran'ny fitantanana ataon'ny Tompon'andraiki-panjakana ny mponina ao Toamasina, indrindra eo amin'ny lafin'ny fananantany. Miely ihany ny vaovao momba ny gaboraraka sy ny kolikoly ary ny tsy fahaiza-mitantana ataon'ny Ben'ny tanàna Ratsiraka Elisée sy ny mpiara-dia aminy. Nohamarinin’ny filoham-pirenena izany nandritra ny fitsidihany tany Toamasina ny 26 mey 2019 satria dia niafara tamin’ny fampihatoana ny Ben’ny tanana Ratsiraka Elisée.

Raha iheverenana ity resaka fivarotana tanim-panjakana ao Toamasina ity dia miafina tanteraka amin'ny maro ny tena votoatiny. Araka ny taratasy fifampivarotana laharana 170/CU/TOA natao tamin'ny 20 desambra 2018, dia ny ben'ny tanàna Ratsiraka Elisée no nivarotra azy tamin'ny vidiny 3000 ariary isaky ny metatra tora-droa. Ny andininy ao amin'ny fifampivarotana io dia milaza ihany koa fa nahazo ny fankatoavan'ny filankevitry ny tanàna ny raharaha. Nohamafisina tao amin'ny biraon'ny CUT ny fifampivarotana tamin'ny 28 janoary 2019 ka ny lefitra faha-efatry ny ben'ny tanàna no nanao sonia izany.

Na eo aza ny fisian'io taratasy fifampivarotana io, nilaza ho tsy nahalala ny momba izany ny ben'ny tanàna Ratsiraka Elisée. Raha ny resaka an-taroby nifanaovana taminy dia nandà tanteraka izany fampivarotana izany izy. « Tsy misy fantatro izany zavatra lazainao izany na kely aza. Trano fivarotana an'ny teratany sinoa izay no niorina teo Ambodimanga ka izay no narodana », hoy ny Ratsiraka Elisée namaly ny fanontaniana. Nahagaga ihany ny fanambaran’ny Ben’ny tànana teo aloha ity ny amin’ny tsy fahafantarany fa nisy tranom-panjakana teo amin’io tany voalaza io.

Mikasika ny nanaovany sonia ny taratasy fifampivarotana tamin'ny datin'ny 20 desambra 2018 indray, dia nitsipaka marindrano Ratsiraka Elisée ary nanipika fa « tsy fantany mihitsy izany raharaha izany ».

Taorian'ny nahitana io taratasy fifampivarotana tamin'ny 20 desambra 2018 io, fantatra fa namidin'ny Ben'ny tanàna sy ny Filohan'ny filankevitry monisipaly, Razafimanana Christin tamin'ilay teratany Indiana ny tany ao Ambodimanga. Saingy raha ny fantatra dia tsy io teratany io avy hatrany no nividy ny tany fa nampiasa teratany Malagasy ny tenany.

Nanontaniana mikasika io raharaha io indray ity Filohan'ny filankevitra monisipaly ity noho ny fankatoavana laharana 10/16/PCM/CU tamin'ny 5 novambra 2016, fa nandrirarira hatrany tamin'ny fotoana nifanomezana taminy. Ity Filohan’ny filankevitra monisipaly ity moa dia voatendry ho Filohan’ny delegasiona manokan’ny CUT araka ny didim-pitondrana navoakan’ny ministeran’ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana ny 31 mey 2019. Taorian’izay dia niala avokoa ireo ekipan’ny Ben’ny tanàna teo aloha ary isan’izay ny Sekretera jeneralin’ny CUT.

Amin'izay fanazavana rehetra efa azo, tsy nisy nety nanamarina ny fandrodanana ny tranom-panjakana tao Ambodimanga na ny Ben'ny tanàna, na ny Prefen'ny tanàna, na ny Lehiben'ny sampandraharan'ny fitantanana ny tanan-dehibe, na ny Filohan'ny filankevitra monisipaly. Nanjaka tokana tamin'izay tiany natao ve izany ilay teratany Indiana tamin'ny fahazoana ny tany ?

 

Vahiny tsy refesin-mandidy sy ambony làlana

Eo amin'ny fangoronana tanim-panjakana no fantatra fa anisany mampahazo vahana azy amin'izany. Ny zaridaina sy ny toerana misy sekoly maromaro toy ny EPP ao an-toerana dia lasa fananan’ity teratany vahiny ity. «  Tsy nanaiky ny mponina moa noho ny famarotana ny zaridaina dia naverina tamin’ny kaomina izany ary nomena toerana an’ny kaomina hafa izay nananganany trano be ity vahiny ity ankehitriny », hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Tena lasibatr’i Mojize ihany koa anefa ny tanin’olon-tsotra. Isan’ny nalaza tao amin’ny renivohitr’i Betsimisaraka ny raharaha nifanandrinany tamin’ny Stef’Auto. Efa resy tamin'ny didim-pitsarana ilay teratany Indiana tamin'ilay raharaha ady tany nifanaovany tamin'io mpandraharaha io. Tsy nahasakana azy tsy niroso tamin'ny fangalana ny tany ho azy samirery anefa izany.

Niharan’ny fandrodanana ny tranon’ny Stef’Auto tao Ambodimanga ny 2014.

« Gaga ny tenanay ny fomba nahazaon’i Mojize io tany io. Baraingo aminay mihitsy io », raha ny fanazavan’ny vadin-tany  iray ao Toamasina.

Nandritra ny fandrodanana ny tranon’ny Stef’Auto dia nandà tsy hanatanteraka izany baiko fandroahana sy fandrodanana io fotodrafitr’asa io ny fikambanan’ny Vadintany ao amin’ny faritanin’ny Toamasina.

« Haingana loatra ilay didy ary tsy fahita izany. Herinandro monja dia nivoaka ny didy avy amin’ny « tribunal de référé » raha tokony ho telo volana fara fahakeliny izany. Tsy misy ny « renvoi », fa ny maraina no nivoaka ny didy, ny hariva no tonga teto amiko ny « Grosse ». Ny tenako manokana na dia niasa tamin’Ingahy Mojize aza dia nanambara taminy fa tsy afaka manatanteraka io didy io. Avy ny tenany dia naka Vadintany hafa tsy hainay hoe avy aiza. Tsy nanana karatra akory izy io ary niteraka savorovoro teo aminay samy Vadin-tany. Nandràra avy hatrany aho ny hanatanterahany ny didy. Tsy nilavo lefona I Mijize fa naka Vadin-tany avy any Antananarivo. Tsy azonay nosakanana intsony moa ny fandravana taorian’izay », hoy ny Vadin-tany iray.

Ankoatra izay dia nampalaza ity teratany vahiny ity ihany koa ny raharaha fakana an-keriny  ny «  villa Ampasivelona » tany Foulpointe-Toamasina nifanandrinany tamina teratany Malagasy iray antsoina oe Rafransoa Angeline.

Efa nisy koa taratasy misokatra izay voalaza fa nosoratan'ireo Malagasy any andafin'ny riaka ho an’ny filoham-pirenena teo aloha Rajaonarimampianina Hery nosoratan’ireo teratany Malagasy any andafin’ny riaka momba ity teratany ity saingy tsy nahitana valiny izany. 

Mirehareha fatratra moa ingahy Mahomed Hassan Mojize Raza ny amin’ny fananany olona ambony miaro azy, indrindra fa ny eo anivon’ny fitsarana.

Tsy ny fibodoana fananan’olona ihany no nampahalalany ny anarany fa eo ihany koa ny fanaovana herisetra. Efa nosazian’ny fitsarana ambaratonga voalohany (TPI) tao Toamasina higadra herintaona, sazy mihatra izy ny septambra 2017 taorian’ny fitoriana nataon’i Moise Roussanaly azy noho ny vono sy daroka nahazo ity farany.

Afaka hatrany moa Mahomed Hassan Mojize Raza na nisy aza ireo fanamelohana azy ireo. Ary na dia nisy aza ohatra ny fandrarana tsy hivoaka ny faritr’i Madagasikara (interdiction de sortie du territoire-IST) dia tafatsoaka teto ihany izy.

Azo lazaina fa mihanaka be ny raharaha fivarotana tanim-panjakana tsy ara-dàlana ao Toamasina. Tsy misy tsy miaiky fa teratany vahiny avokoa ireo ary anatin’ny kolikoly tanteraka no hanatanterahana izany. Na toeram-ponenan’ireo mpiasam-panjakana, na sekolim-panjakana, na zaridaina eny hatramin’ny tranom-panjakana tahaka ity raharaha ity, dia anjakan’ny vahiny avokoa. Tsy misy anefa ny fepetra hentitra sy ny sazy mihatra avy amin’ireo manam-pahefana fa dia mijanona ho tabataba an-gazety sy amin’ireo haino aman-jery fotsiny ihany izany. Atody miady amam-bato ny vahoaka manoloana ireo ngeza lahy manam-bola arovan’ireo manam-pahefana.

 

Didy hitsivolana laharana faha 60-099 tamin’ny 21 Septambra 1960 momba ny tanim-panjakana

Ny andininy faharoa amin’ny didy hitsivolana laharana faha 60-099 tamin’ny 21 Septambra 1960 mikasika ny tanim-panjakana (ordonnance N° 60-099 du 21 septembre 1960) dia manipika mazava fa ny fananana izay voasokajy ho fananan’ny fanjakana na nohon’ny amin’ny maha izy azy na nohon’ny fomba ampiasana izay azony tamin’ny manam-pahefana, dia ampiasaina, sitrahana sy arovan’ny olon-drehetra ary tsy azo avadika, raha mijanona amin’ireo toetoetrany ireo, ho fananan’olon-tsotra.

Andininy voalohany. – Ny fitambaran’ny fanana-manaraka na fanana-mifaka, eto Madagasikara, izay isan’ny fananan’ny fanjakana, ny faritany,ny kaominina na izay rehetra vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, izay efa mijoro na izay vao hajoro, dia mizara ho tanim-panjakana sy tanim-panjakana azo amidy.

Andininy 2. – Ny tanim-panjakana dia izay fanànana rehetra na nohon’ny maha izy azy, na nohon’ny fomba ampiasana azy izay azony tamin’ny manam-pahefana, azo ampiasaina, sitrahana sy arovan’ny olon-drehetra, ary tsy azo avadika, raha mijanona amin’ireo toetoetrany ireo, ho fananan’olon-tsotra.

Horonan-tsary

Sary