x

Fivarotana tanim-panjakana ao Antananarivo : fanenjehana an-dRazaiarimanga Marie Meltine

Fivarotana tanim-panjakana ao Antananarivo : fanenjehana an-dRazaiarimanga Marie Meltine

Nosoratan'i Hilda Hasinjo sy Lomelle Yanne

Dia niely ilay vaovao. Nangotraka ny tranonkala. Nihanahery vaika ny monomonona. Nantsoin’i Vanf ny mponin’Antananarivo « ho tonga eo amin’ny zaridaina ka hitokona eo ary hampahalala am-pilaminana fa manan-tantara io zaridaina io ary tsy amidy » Ny sabotsy 23 febroary, nisy olona telopolo eo ho eo tonga namaly ny antso. Nisy nandrangaranga taratasy vita printy milaza ny hatezerany. Tonga teo koa ny ministry ny Fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo. Tsy mankasitra an’io fivarotana fananam-panjakana tsy azo amidy io koa izy, varotra izay misy milaza fa tsy ara-dalàna.

22 febroary 2019. Ny lahatsoratr’ilay mpandinika tantara Nasolo Valiavo Andriamihaja, mitondra ny solon’anarana hoe Vanf tao amin’ny l’Express de Madagascar no namelona lakolosy ny fanairana. “Tsy amidy”, hoy ny lohateny nentiny namaly ny siosion-dresaka nandeha efa andro vitsivitsy izay (rohin’ny feo miely) mikasika ny fisian’ny fifanekena raikitra mananontanona ny zaridainan’Antaninarenina.  Varotra efa nifanaovana efa sivy ambin’ny folo taona izay, nefa dia nitsikafona indray tamin’ny fiandohan’ny taona. Ny olona mampiasa io toerana io dia vao nahazo ny filazana fa horoahina teo.Nanomboka ny volana jona 2018 io anarana io no hita teo amin’ny takila voalohan’ny gazety sady lasa ambentin-dresaka. Tsy afaka am-bavan’ny rehetra io. Fa iza àry io vehivavy Matoatoa tsy mety ho hita sy tsy azo kitihina io? Niezaka nikaroka azy izahay. Ny tandindony no hitanay.

Nitatra nankany amin’ny politika ny raharaha. “Tsy maintsy atao mazava io raharaha io. Tsy maintsy mandray ny valin’ny asany ny tompon’andraikitr’izany fihetsika mamohehatra izany”, hoy ny ministra tompon’andraikitra izay nampahafantatra fa tsy holeferina intsony ny tsy maty manota. Dia mbola nanohy koa izy hoe “efa fantapantatra ihany ny tompon’andraikitra tamin’io “halatra” io. Manana dosie izahay ary tsy hijanona izahay raha tsy tonga eo am-pelatanan’ny Fitsarana ity raharaha ity”.

Manomboka mivoaka ny dosie, indrindra ny dosiem-panjakana azo jerena ao amin’ny tranonkala izay nahafahana nahalala fa ny varotra dia vita sonia tamin’ny 1998, nifanaovan’ny prezidan’ny filankevi-pitantanan’ny Kaomina Antananarivo renivohitra tamin’izany fotoana sy olona iray tsy fantatra. Ny fifanarahana dia noraiketina tamin’ny fandoavana vola 30 000 000 Fmg (6 000 000 Ariary) ho sandan’ny toerana manana velarana 30 ara.

Nandritra ny fotoana nanandramana hahita an’ireo olona nanao sonia an’io fifampivarotana io dia nisy anarana iray nanintona ny fisainana : Razaiarimanga Marie Meltine. Tsy vao voalohany akory no niseho ity anarana ity tany amin’ny dosie tahaka itony. Tamin’ny volana jona 2018 dia nisy raharaha mifanahatahaka amin’ity nipoaka. Ny kolejy fampianarana ankapobeny tao Analamahitsy dia voatery nandao ny tranony. Ilay Ramatoa hoe Razaiarimanga dia nahazo tany misy velarany 4217 m2 nosandaina 42 170 000 Fmg tamin’izany fotoana izany, na 8 434 000 Ariary. 

Ny itovian’ireo raharaha roa ireo : samy novidiana tamin’ny 1998 ny tany, sivy ambin’ny folo taona lasa izay,  saingy tsy natao ny fanoratana azy raha tsy tamin’ny 2018.

 

Toro eva : Taratasy fifanaraham-barotra farany momba ny tany.

 

Manaraka ny dian-dRazaiarimanga Marie Meltine

Mipetraka ny fanontaniana : iza àry ilay vehivavy nanana fahefana nahafahana nividy an’ireo fananan’ny Kaomina Antananarivo renivohitra rehetra ireo?

Misy lalana maro mitondra mankany aminy. Ny voalohany indrindra dia ny adiresiny : IVC 9 Ambatomitsangana izay azo vakiana eo amin’ny taratasy nivarotana ny zaridainan’Antaninarenina.

Rehefa nandeha teny an-toerana tany amin’ny fokontany izahay dia nahita fa ramatoa “Razaiarimanaga” dia tsy mipetraka ao intsony. Na ny marina kokoa, tsy nipetraka tao amin’io trano io na oviana na oviana izy. Izany aloha no nambaran’ny tompon’andraikitry ny fokontany taminay. “Efa tonga teto talohanareo ny iraky ny ministeran’ny Fanajariana ny tany. Nataonay ny fanamarinana. Tsy misy ao anatin’ny bokinay na iray aza io anarana io”, izany no nolazaina anay.

Ny lalana voalohany niainga tamin’ny adiresy dia tsy nitondra nankaiza. Na ny mpiara-monina, na ny tompon’andraikitry ny fokontany dia samy tsy afaka nanampy anay handroso. Tao amin’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany dia efa nanomboka lasa ny eritreritra fa mety mety ho olona noforonina fotsiny io mba hahazoana mivarotra tsy ara-dalàna ny fananam-panjakana. Fa misy lalana iray faharoa tsy maintsy jerena: ny toerana namoahana ny karapanondrom-pireneny.

Satria nampiady saina anay ny hanome fanazavana  ny amin’ny fisian-dRazaiarimanga Marie Meltine na tsia dia lasa izahay nankany Fieferana Avaradrano, izay nolazaina fa namoahana  ny karapanondrom-pireneny tamin’ny 7 septambra 1972.

I Fieferana dia kaomina ambanivohitra any amin’ny faran’ny faritr’i Sabotsy – Namehana. Ny tanjonay dia ny hifandray amin’izay olona mety ho nifampikasokasoka tamin’ny fianakaviany.

Fa raha vao niteny anaran-dRavaoarimanga Marie Meltine fotsiny izahay dia tojo ny fiahotrahotry ny voalaza fa tompon’andraikitra tao satria olona karohin’ny fitsarana io olona io. “Vao tsy ela akory izay, efa nisy olona tonga taty izay nanotany anay miomba azy. Voalaza fa toa hoe ny zandarmaria, hono. Fa araka ny hevitro dia tsy misy mahalala an’izany Razaiarimanga Marie Meltine izany aty. Ny olona eto aminay anefa dia mifankahalala daholo. Tanàna kely ny anay”, hoy ny fitantaran’ny ramatoa anankiray izay tsy holazainay anarana ho fiarovana azy.

Dia nanapa-kevitra izahay fa hanafina ny momba anay mba hahamora ny fanangonam-baovao, azonay antoka mantsy faato amin’ity tanàna kely ity no misy ny fanalahidin’ny mystery.

Rehefa nidina tany Fieferana izahay dia nahalala fa any amin’ny Kaomina Ambohitrinandriana no fanaovana ny karapanondrom-pirenena, tanàna kely tsy lavitra fa kilometatra vitsivitsy miala an’i Fieferana. Fa tsy maintsy ny ampitso izahay no niverina, amin’izay ny mpanoro lalana niaraka taminay dia  afaka mitady vaovao momba ilay olona mahaliana anay.

Toro eva : ny biraon’ny kaomina ambanivohitra Ambohitrinandriana.

 

Rehefa nandeha tamin’ny lalan-tany nandritra ny adiny roa izahay dia tonga teny an-toerana. Saingy niatrika olana hafa indray izahay : tena teo anoloanay tokoa ilay lalimoara itahirizana ny renikaratra ho an’ny karapanondrom-pirenena saingy mihidy gadanà, ary tsy misy manana ny fanalahidiny. Tsy afaka nanamarina izany izahay raha tena teto tokoa no nanaovana ny karatr’ilay ramatoa.Sady izay koa ny anarany dia tsy miteny na inona na inona amin’izay mponina nanontanianay. « Sao dia anananareo ny anaran’ny rainy na  ny reniny ? » hoy ny sasany nanampy anay. Dia io no namonjy anay satria ny anaran’ny rainy dia tsy vaovao tamin’ny teny an-toerana. Fantatry ny mponina ny rainy sy ny reniny efa maty ary nifanersaera tamin’ny  rahavaviny sy ny zaodahiny ry zareo. “Niteraka roa vavy Ramilison. Tsy mba fantatray mihitsy izay nalehan’ilay vavimatoa ka hadinonay hatramin’ny fisiany”, hoy ny lehilahy lehibe iray 75 taona. Dia natorony anay ny tanàna hahafahanay mahita ny rahavavin-dRazaiarimanga Marie Meltine. « Angataho ny sefo fokontany hitondra anareo any », hoy izy nanampy.

Mbola tsy voavaha ilay mystery. Mbola teo ny fisalasalana. Tena misy tokoa ve io ramatoa io? Tsy olona noforomporonina fotsiny ve izy io, tahaka ny niheveran’ny tompon’andraiki-panjakana azy hatramin’izay?  Herinandro talohan’io dia nilaza taminay ny loharanom-baovao iray akaiky ny dosie  ao amin’ny ministera fa “tsy misy manana na inona na inona momba an’io raharaha io. Ny baiko voarainay dia ny hanao izay azo atao rehetra mba hiheverana fa tena mandroso ny raharaha, fa ny tena marina dia tsy misy na inona na inona eto an-tananay.” Efa iray volana anefa izay no nipoaka ny raharahan’ny zaridainan’Antaninarenina.

Efa tena kivy tanteraka izahay raha nandeha ho any amin’ilay tanàna natoro anay, kanjo tampoka,  nisy tompon’andraikitry ny birao fanomezana ny karapanondrom-pirenena nahita boky iray efa tranainy. Tao amin’io no voarakitra ny rejistry ny fanoratana natao teto. Nanontaniany anay ny anarana manontolon’ilay olona notadiavinay. Nasesiny narahiny tsirairay tamin’ny fanondrony ny takila rehetra. Tao amin’ny rejistra ilay anarana.

I Maria Meltine dia teraka ny 3 septambra 1953, tao Antaninandro Fieferana, araka ny kopia laharana 134. Mirefy 1,48M izy. Hatramin’izao aloha dia iero ny vaovao azo. Tena misy marina laoha izy izany. Rehefa azo ny porofo fa misy izy, ny dingana manaraka dia ny hahita izay nalehany. Ny olona nifandray taminay tao Ambohitrinandriana dia nitolo-tena hitondra anay any amin’ny  fonkontanin’i Soanarivo ipetrahan’ny rahavaviny. Rehefa avy nandeha lalan-tany nandritra ny ora maromaro izahay narahina dia an-tongotra maromaro koa dia tonga. Miteronterona ery an-tampon’ny tendrmbohitr’Antaninandro, manolona anay, somary mihataka kely amin’ny tanàna, ny tranon’ny fianakavian-dRamilison, rain-dRazaiarimanga Marie Meltine. Trano gasy ary miara-mipetraka amin’ny biby fiompy ao ny tompon-trano.

 

 Asiana endrika ilay anarana

Mitrotro zaza ny rahavavin’i Marie Meltine raha nandray anay miaraka amin’ny tsikitsiky sahirankirana. Nanomboka nahazo aina izy rehefa nolazainay azy ny momba anay ilay nafenina.Mba hametrahana endrika eo amin’ny anarana dia navoakany avy any sary vitsivitsin’ny rahavaviny nangatahinay taminy. “Ity ny akaiky indrindra ananako. Dimy taona io izay. Tonga taty izy ».

Toro eva : sary vitsivitsin’ i Marie Meltine  hita tao amin’ny rahavaviny.

 

Notantarainy anay fa i Marie Meltine rahavaviny dia niala teo Madagasikara efa ho telopolo taona lasa izay saingy miverina eto an-tanindrazana matetika izy. “Miantso izy tsindraindray fa tena sarotra ny mifandray aminy. Izy foana no miantso anay satria lafo ny saran’ny fifandraisana. Sady niantso anay tokoa izy omaly. Dia nilaza izy fa ho avy amin’ny volana mey na septambra”, hoy izy taminay. Nangatahinay ny laharana ampiasainy hiantsoany ny havany. 

Ny nahagaga anay dia laharana eto an-toerana ilay laharana hitanay tao. Saingy dia nanamafy izy fa io laharana io mihitsy nio iantsoan’i Marie Meltine azy. Mystery hafa koa io. Dia notohizina fa mipetraka any Frantsa ilay ramatoia ankehitriny. Nanambady malagasy metisy frantsay izy, polisy taloha, mpiasam-panjakana frantsay. Fa Razaiarimanga Marie Meltine kosa dia mpitsabo mpanampy any amin’ny trano fitaizana beantitra amin’izao fotoana izao.

Dia nolazainy anay koa fa ramatoa Razaiarimanga dia manana trano any Ambohibao, any Ivato, any Manjakandriana ary any Arivonimamo. “Tonga eto izy fara faharatsiny indray mandeha isan-taona mba hanara-maso ny asa Ireny trano ireny izao dia mpiambina no miandraikitra azy”. Dia nofaritana taminay ny toerana misy ireo fanana roa ireo. Tsy nitondra na aiza na aiza ireo lalana ireo. Toy izany koa ilay laharana nomena anay.

 

Raharaha mihodin-dreny

Ohatra ny efa nanomana ny tetikadiny hatry ny ela i Marie Meltine satria, raha dinihina, ilay fitandremany fatratra, na dia amin’ny fianakaviany akaiky aza, dia manaporofo fa tsy misy tiany  hahita azy na iza na iza. Tsy misy sary, tsy misy fifandraisana afa-tsy rehefa izy no maniry azy,  tsy misy vaovao mikasika ny fiainany manokana, Razaiarimanga Marie Meltine dia mivenjivenjy ohatra ny angatra.

Miverina eto Antananarivo izahay mba hitrandraka injatokely ny dosie eo am-pelatananay. Manantena izahay fa ho fantatray hoe iza ilay Marie Meltine mahery be. Niresaka tamin’i maître Fredon Ratovondrajao izahay, izy no miaro ny ministera mpiandraikitra amin’ity raharaha ity mba hahalalana izay fantatry ny ministera roa volana taorian’ny nanombohan’ny fanadihadiana. “Misy olona iraika ambin’ny folo nosamborina, nohenoina ary naiditra am-ponja. Ireo dia izay rehetra voasoratra anarana ao amin’ny  dosie fivarotana ireo tanim-panjakana ireo”.

Ny iray amin’ireo dia heverina fa nifandray tamin-dRazaiarimanga Marie Meltine. Randrianasolo Nomenjanahary Solofo dia ilay olona nahazo alalana hisolo tena ilay olona resahitsinka momba ny zaridainan’Antaninarenina. “Nandritra ny fakana am-bavany azy izy dia nilaza koa fa tsy mahalala intsony izay misy an-dRazaiarimanga Marie Meltine. Nolazainy fa efa taloha ela be izy ireo no niara-niasa. Tamin’izany no nahalalany azy”, hoy ny fitantaran’i maître Fredon. Izy koa dia sanganehana manoloana ny fahasarotan’ny raharaha.

Nandeha tany amin’ny fonjan’Antanimora izahay, ao no migadra vonjy maika ny ankamaroan’ireo voampanaga. Nahazo fotoana hiahaoanana tamin’y iray tamin’izy ireo izahay. Saingy tsy afaka nampahafantatra anay ny momba na ilay ramatoa izy.

 

Ny antony iampangana azy

Rehefa nahalala tamin’ny havan-dRazaiarimanga Marie Meltine izahay fa ho tonga tsy ho ela eto Madagasikara izy ny volana mey na septambra dia lasa nanatona ny Polisin’ny Sisintany mba hahalalana na nisy didy fampisamborana azy navoaka. Tsy misy. Fara faharatsiny hatramin’izao aloha. Tany amin’ny zandarmeria dia nilazana izahay fa mbola nandamòka ny fikarohana. Fa mbola misy ny mihevitra fa olona noforonina fotsiny Razaiarimanga Marie Meltine. Izany no tsy mampisy didy fampisamborana, tsy misy akory na dia didy fikarohana aza mikasika azy.

Misy vinavina maro hita taratra. Io vehivavy io dia mety ho anarana nindramina ampiasain’ny olona ambony manakarena kokoa izay te hahazo tany lafo vidy lavitra noho ny vidiny nanaovana varo-boba azy. Izy irery izany no hany afaka hanondro ny olona ambony rehetra voarohirohy amin’ireny raharaha fivarotana mifono halatra tanim-panjakana ireny. Mba handravana tambajotra dia tsy maintsy atao izay hahitana azy. Io Ramatoa io koa anefa dia mety ho voan’io tambajotra io. Nefa mba hahitana ny mazava mikasika an’io dosie io dia tsy maintsy atao izay hahitana azy. Saingy tena misy ezaka atao marina ve   ho an’izany? Iza no miaro azy?  Tena maimbo kolikoly avo lenta ity raharaha ity, saingy hatramin’izao dia izahay no lasa aloha indrindra noho ireo sary sy ireo vaovao azonay.

Na ahoana na ahoana, raha toa izy ka voasambotra, mety havesatra ny sazy miandry azy. Voampanga mantsy izy ho ao anatine fikambana-jiolahy, ho nanao fisandohana sy fanaovana hosoka. Ary tsymanamora zava ny fandosirany.”, hoy i maître Fredon Ratovondrajao namarana. Tantara mitohy...

 

FIANTSOANA VAVOLOMBELONA : raha manam-baovao momba an-dRazaiarimanga Marie Meltine ianao dia mifandraisa aminay amin’ny adiresy contact@malina.mg

 

Sary