x

Fitrandrahana volamena ao Betsiaka Ambilombe

Fitrandrahana volamena ao Betsiaka Ambilombe

Fanadihadiana notontosain’i Riana Raymond

 

Ampangain’ny mponina ho lehiben’ny mpanao kolikoly ny mpitsara sy zandary

Anisan’ny kaominina iray voalaza ho renivohitry ny famokarana volamena eto Madagasikara ny ao Betsiaka, distrikan’Ambilobe, Faritra Diana. Mamoaka volamena an-jatony kilao isan-taona ny fokontany dimy misy ao an-toerana. Ny olana kanefa dia mbola ny 40% ny mpitrandraka ihany no tafiditra ao anatin’ny ara-dalàna izay manana kahiem-bolamena zarain’ny Dina, sy ny karatra maha mpitrandraka madinika omen’ny Sampandraharahan’ny harena an-kibon’ny tany. Marihina fa ny Dina dia fifanaraha-piarahamonina novolavolain'ny vahoaka sy ampiharina eny anivon'ny vahoaka ary mila fakantoavan'ny fitsarana ny fampiharana azy. Afaka mamoaka didy famaizana na fampitandremana arakaraka ny heloka vita ny Dina, saingy tsy afaka mifanohitra amin’ny lalàna anefa izany. “Efa misy ny ezaka ataon’ny tompon’andraikitry ny fanjakana foibe sy ny eto anivon’ny kaominina amin’ny fampidirana ny mpitrandraka anatin’ny ara-dalàna, saingy mbola misy ny sakantsakana isan-karazany”, hoy ny Ben’ny tanàna ao Betsiaka, Atoa Mandrara Louis Fernandy. Manamafy izay mbola fanjakan’ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna izay rahateo ny teo anivon’ny Sampandraharahan’ny harena an-kibon’ny tany ao Ambilobe, Atoa Tianjoky Handerson Maxime. Voalazany nandritra ny resaka nifanaovana taminy fa misedra olana ny fametrahana ny rafitra sy ny fomba fiasa manara-penitra, ao amin’ny kaominina. “Fositra ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny kaominina. Manginy koa ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fampiharana ny dina mba hifanindran-dalana amin’ny sata mifehy ny harena an-kibony tany. Soa fa misy amin’izao fitondrana vaovao izao ny lamina napetraka. Tsy azo ekena ary tsy afaka miasa intsony ny mpitrandraka tsy manana ilay karatra maha-matihanina izay avoakan’ny ministera, amin’ny alalan’ny Agence Nationale de l’or (ANOR). Tsy ekena intsony ny fanomezan’ny Komity Mpanatanteraka ny Dina (KMD) ilay kahiem-bolamena raha tsy manana ilay avy amin’ny fanjakana foibe ny mpiasa volamena”, hoy izy. Hatrizay, afaka niasa malalaka sy noheverina ho ara-dalàna izay nanana ilay kahie tsotra omen’ny KMD. Vidiana 6000 Ariary izany miaraka amin’ny fandoavana ny karazana tamberim-bidy 30000 Ariary isan-taona izay tantanan’ny KMD ihany, ho fampihodinan-draharaha. Atao fitazonana na firaiketana an-tsoratra ny volamena azo isan’andro io kahie io. Tanjona ny ahafahana manaraka ny vokatra mivoaka isam-patana. “Aleon’ny olona mifampiraharaha amin’ny KMD, mba hialana amin’ny fandoavan-ketra any anaty kitapom-bolam-panjakana sy hanaovana gaboraraka amin’ny famoahana ny vokatra, tsy ampy fanaraha-maso mazava ho azy”, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity.  

 

Danin’ny kibony

Amin’ny ankapobeny, sarotra sy mifamahofao ary mifampisaringotra ny fomba fitrandrahana volamena ao Betsiaka. Hany ka sarotra ny mamoaka antontan’isa mazava mikasika ny vokatra mivoaka sy ny mari-bola miditra amin’ny kaominina na ny kitapom-bolampanjakana. Voalohany indrindra, misoratra amin’ny orinasa Kraomita Malagasy (KRAOMA) ny taratasy fahazoan-dalana hitrandraka. Misy olon-tsotra anefa no tompon’ny tany ary manana taratasy ara-dalana ihany koa. Ankoatra ireo mpiantsehatra roa ireo, misy ihany koa ny antsoina hoe Tompom-patana, na ilay olona tompon’ny lavaka hitrandrahana. Ireto farany dia tsy manan-tany fa manao taratasy fifanarahana amin’ny olona manana tany ka mifampizara ny vokatra azo aminy.

Ankoatra ireo, misy ihany koa ny orinasa vahiny, miisa efatra, izay sinoa avokoa no mandrafitra azy: MUDCO DGE, ECEGORE, NIKAIA SARL, ary ny JYNIAO DGE. Tsy maintsy mifampiraharaha amin’ny mponina tompon’ny tany anefa izy ireo, rehefa avy nahavita fifanarahana amin’ny orinasa KRAOMA mikasika ny taratasy fahazoan-dalana hitrandraka. Ankoatra ireo, manao fifanarahana amin’ny kaominina ny orinasa amin’ny anjara biriky entiny, mba hampandrosoana ny faritra hiasana. Hatreto, tsy mbola misy foto-drafitrasa na tetikasa goavana ao amin’ny kaominina Betsiaka nataon’ny orinasa vahiny ireo. “Ato amin’ny faritra misy anay izao, tena rano dikain’ny zinga fotsiny ny mpitantana. Tsy mahafantatra akory na ny fahatongavan’ireo vahiny aza. Izy ireo efa miasa vao hitanay. Tsy misy fifampiresahana na fanolorana tetikasa mba hampandroso ny fokontany. Rehefa manana olana ny vahiny vao tonga mijery anay”, hoy Atoa Rabe Jean, lehiben’ny sektera Ambilo ao anatin’ny fokontany Betsiaka, kaominina Betsiaka ihany.

Manamafy izany koa Atoa Misizara Raymond, ben’ny tanàna teo aloha any amin’ny fokontany Andrafialava: “Hatramin’ny nisian’ireo vahiny teto amin’ny kaominina, tsy misy izany fampandrosoana hita. Ireo vahiny dia manao izay danin’ny kibony fotsiny. Tsy manome hasina mpitondra ifotony izany. Tamin’ny andro nitondrako izao, nisy fampanantenana natao ny kaominina, tamin’ny andron’ny Madagascar Holding io, ny taona 2008. Tonga tao amin’ny biraonay mihitys ilay orinasa Israeliana, nitondra ilay taratasim-bola goavam-be ireny, milaza fa misy 50000 Euros, omena ny kaominina sy ny vahoaka. Mandrak’izao, nanjavona io vola io, tsy misy asa natao akory. Ny lehiben’ny faritra sy ny tompon’andraikitra aty amin’ny Faritra anefa dia nanao be midina taty aminay ny 17 marsa 2008. Nanaovana lanonana izany, saingy indrisy fa fampanatenana poakaty.  Tsiahivina anefa, tamin’ny naha-ben’ny tanàna ahy, fa efa-bolana monja no nangady volamena taty ny orinasa Madagascar Holding io dia efa nahazo 550 kilaograma. Rehefa nahazo izay izy ireo dia lasa nandeha. Taorian’izay, nisy orinasa hafa tonga fa mitovy ihany, tsy misy manome hasina ny faritra iasany izany”.

Raha ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany any ifotony, toy ny lehiben’ny fokontany, ny lefitry ny ben’ny tanàna, ny ben’ny tanàna am-perinasa dia mitovy fanao ireo orinasa vahiny. Tsy misy manao fanadihadiana amin’ny resaka tontolo iainana, tsy mitondra anjara biriky akory amin’ny fampandrosoana na ny fampandehanan-draharaha madinika aza. “Sekoly tokana amabaratonga faharoa, mitentina 120 Tapitrisa ariary no hany misy ato an-drenivohitry ny Kaominina Betsiaka hatreto. Io dia fanomezan’ny orinasa MUDCO, izay mbola nampitsahatra ny asany aloha ankehitriny satria nilaza ho maty antoka, tsy mahazo vokatra. Ankoatra izay, nisy ny fikasana hanangana hopitaly tao amin’ny fokontany Andrafialava, ny orinasa EGECORE no tompon’antoka tamin’izay. Efa voapetraka ny vato fehizoro, saingy mandraka izao, tsy misy rindrina mijoro. Toa efa nomen’ny orinasa ny lehiben’ny fokontany ny vola, saingy nilaza ho voafitaka ity farany ka tsy mety vita ny biriky hanaovana izany. Mety hanana olana amin’io mihitsy aza io lehiben’ny fokontany io raha manokatra fanadihadiana ny Kraoma na ny EGECORE”, hoy Atoa Mandrara Louis Fernandi, ben’ny tanàna.

Manoloana izay fanambarana nataon’ny ben’ny tanàna izay dia mitondra fanazavana anefa ny lehiben’ny fokontany Andrafialava, Atoa Jacquis Jean Pitaka: “ Ny tena marina aloha tsy misy foto-drafitra vitan’ny sinoa eto aminay. Nisy tokoa ny fikasana hanangana hopitaly saingy very fotsiny ny vola, noho ny fasika tsy mety nanaovana ilay parpaings. Tsy maintsy mividy any amin’ny toeran-kafa izahay fa miandry baikon’ny vazaha hoe hatomboka ny asa.”, hoy izy. Raha fehezina izany dia efa lany ny vola na ny ampaham-bola tokony hananganana ilay hopitaly, izay tsy misy na inona na inona tokoa aloha eo amin’ny toerana nametrahana ny vato fehizoro. “ Na izany aza anefa tiako ny manamarina fa tsy izaho no nitantana ny vola nomen’ny orinasa vahiny, fitaovana no nomena anay, tahaka ny simenitra”, hoy hatrany ingahy lehiben’ny fokontany namarana ny resaka.

Amin’ny ankapobeny izany, samy manao danin’ny kibony avokoa ny mpiantsehatra amin’ny fitrandraham-bolamena ao amin’ny kaominina Betsiaka.

 

Kolikoly avo lenta

Ankoatra ny tsy fisian’ny lamina maty paika any amin’ny kaominina Betsiaka momba ny fandraharahana volamena, aretina iray mikiky ny fiarahamonina any an-toerana ary mitarika fatiantoka goavana ho an’ny mpandraharaha koa ny resaka kolikoly. Miseho amin’ny endriny maro izany, manomboka any amin’ny madinika indrindra, tahaka ny fahazoana ilay kahie-bolamena ao amin’ny Komity mpanantanteraka ny dina na ny KMD izany, mandalo amin’ny raharaham-pitsarana ady ifotony ataon’ny KMD, tafakatra hatrany amin’ny ambony indrindra toy ny mpitsara sy ny zandary, ary ireo mpiasam-panjakana ambony hafa mifandraika amin’ny resaka harena an-kibon’ny tany.

Nandritra ny fanadihadiana ifotony natao tao amin’ny kaominina Betsiaka, tao amin’ny renivohitry ny distrikan’Ambilobe, hatrany amin’ny renivohitry ny Faritra Diana dia samy manamarina ny fisian’ny kolikoly avolenta sy efa maty paika hataon’ny “MAFIA” ny loharanom-baovao rehetra. Atoa Jean Louis, lehiben’ny fokontany ao Betsiaka izao, nanambara fa anisan’ny fositra ny fomba fimpiharana ny Dina sy ny fitongilanan’ny KMD rehefa mamoaka didy amin’ny ady fatana. “Izay manambola na ahazoan’ny mpikambana amin’ny KMD anjara amin’ny vokatra no ataony mandresy. Izany fihetsiky ny KMD izany anefa dia niteraka endrika kolikoly hafa ihany koa, lasa mijabaka amin’ny raharaha ny zandary, ny mpitsara ary ny karazana mpiasam-panjakana ambony isan-karazany. Ireo olona lasibatry ny fitongilanan’ny KMD no lasa mitady lalan-kafa mba handresy amin’ny ady izay hataony ihany koa. Eo anefa no tena mampisavoritaka, lasa misy andian’olona koa miforona ka manao fikaramana an’ady, milatsaka ho mpanera amin’ny mpitrandraka volamena misy olana sy ireny mpiasam-panjakana ireny ka maka vola sy mitsetsitra ny volan’ny mpitrandraka izay tsy mahalala na inona na inona amin’ny resaka taratasim-panjakana sy fitsarana izany”, hoy ity tompon’andraikitra ity.

Manamafy izay fisian’ny mpikarama an’ady izay ihany koa ny mpikambana ao amin’ny KMD Betsiaka, izay nanaovana fanadihadiana toa an’Atoa Bernito na i Biba, Razafitsimiovalaza Richard, Rajean Bruno, ary Jean Baptiste. Niampanga ny mpitarika dina sasan-tsasany ho mpiray tsikombakomba amin’ny tambajotra mpanao kolikoly izy ireo, ary anisan’ny mahatonga ny ady saritaka ao Betsiaka ankehitriny izany. Hatrany amin’ny fitsarana, ny zandarimariam-pirenena, ny sampandraharan’ny Harena an-kibon’ny tany dia miampanga ny KMD sasany ho mpanao kolikoly ary rangory fototry ny afo amin’ny fanakorontanana.

Raha ny momba ny mpanera, antsoina ihany koa hoe « Jokera », maro ny anarana miverimberina azo sy notononin’ny mponina tao amin’ny Kaomina Betsiaka, namafisin’ny Ben’ny Tanàna lefitra, ny mpitsara, ny zandarimariam-pirenena sy ny mpiasan’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany. Ny anaran’i d’Eric Cacao, Devilaire Razandry, ThéogeneTsaratombo, Franck Mahalagno, Parfait Alexandre, Mily Hely, Jean Hely, Soa (Madamon’i Nail), Zaravola ary Roger dia voatonona avokoa : ny andraikiny amin’ny maha mpanera azy dia namafisin’ny mponina, ny Kaomina, ny tribonaly, ny zandary ary ny KMD. Anarana hafa toa an’i Crépin et Kamisihely, izay voatonona sady mpikambana tao amin’ny KMD taloha, no nandà ny fiampangana azy.

Marihina fa ny fomba fiasan’ireto manera ireto dia mijery izay toera-pitrandrahana misy olana, avy eo mampiady ny mpifanandrina. Maka vola hitondrana ny raharaha any amin’ny mpiasam-panjakana ambony, alaina ho namana mandritra ny ady. Rehefa lany vola ny mpifanandrina dia misy olona iray hafa miditra moramora maka ilay toeram-pitrandrahana ho azy rehetra niray tsikombakomba namotehana ireo mpitrandraka voalohany.

 

“Substitut Michael”

Ankoatra ny KMD, izay voampanga ho mpanao kolikoly sy ireo mpanera anisan’ny tena voatondro molotra sy niarahan’ny fitarainan’ny olona nanaovana fanadihadiana tany Andrafialava, Ambilo, Betsiaka, Marogadra, hatrany Beriziky ny mpitsara iray antsoina hoe “juge Michael” na ny “Substitut Michael” izay miasa ao amin’ny fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antsiranana. Izy io no voalazan’ny mponina fa miray tendro amin’ny mpanera rehetra, ka manome vahana ny tsy fanaraha-dalàna sy ny fakana an-keriny volamenan’olona amin’ny alalan’ny famoahana “Soit Transmis” arahina fampisamborana mba hampihorohoroana.

Lasibatry ny asan’ny tambajotra misy azy ny mpitrandraka mahita volamena betsaka na ny manana Fatana mamokatra. Tsy vitan’izay, fa rehefa misy ny disadisan’ny samy mpitrandraka ka nalamin’ny dina, miditra avy hatrany ry zareo amin’ny fitsarana, mamoaka didy fanageazana ny vokatra izay tsy hita hiafarany avy eo”, hoy ny loharanom-baovao iray nisafidy ny tsy ho tononina anarana ho fiarovana azy.

Manoloana ity fiampangana azy ity, nisy ny fihaonana tamin’ny mpitsara Tsitokana Michael Edmond na ilay “Substitut Michael”. “Amiko dia fanosora-potaka ihany ny filazana fa manao kolikoly aho na maka an-keriny volamenan’olona. Antony, anisan’ny miezaka ny mametraka ny tany tan-dalàna aho, tsy afaka mitaza-potsiny ihany koa ny mpiray tanindrazana tonga maka toro-hevitra eto amiko. Tsy manao volamena aho, tsy mbola nidina ifotony tany amin’izany kaominina Betsiaka izany velively, saingy rehefa misy raharaham-pitsarana anefa mandalo eto amiko momba ny volamena dia tsy maintsy manao ny asako aho. Fantatro fa misy sokajin’olona tsy tia, mitady fomba hamelezana anay. Misy mitady olona homena tsiny amin’ny asa ratsiny, mazava ho azy ny fitsarana no mora lotoina. Izaho manokana miteny anao, fa efa nanagadra na nampiditra am-ponja vonjimaika ireo karazana mpanera na Jokera no fiantsoan’ny olona azy. Ireny no heveriko fa ao ambadiky ny fandotoana ny anarako. Izaho amin’ny maha-substitut ahy dia manana lehibe dia ny tonian’ny mpampanoa lalàna, sy ny Procureur général. Ny zavatra hataoko dia misy tatitra any avokoa. Tsara ho fantatrareo ihany koa fa tena misy olona ambony sady manampahefana henjana ao ambadik’ireo olona mpanera ireo ka maha-sarotra ny fanenjehana azy”, hoy ity mpitsara ity nizara ny heviny.

 

Tsy afa-bela ny zandary

Ankoatra ny eo anivon’ny fitsarana, nomen’ny mponina ny fanakianana maahamaivay ihany koa ny zandarimariam-pirenena. Anisan’izany ny lehiben’ny Vondrotobim-paritry ny zandary ny kolonely Behivoka, ny kolonely Appolinaire Lezafy Celin, lehiben’ny tobim-paritra, ary ny kapiteny Samatasy Tsirisaina. Nolazain’ny mpitrandraka volamena fa izy ireo no anisan’ny mampihorohoro ny mponina ary miditra lalina amin’ny olana ka manao mizana tsindrin’ila. “Tsy manatanteraka ny baikon’ny fitsarana ny zandary. Raha misy fitarainana na fitoriana dia tsy manao izany mihitsy izy ireo fa giazany fotsiny ny antontan-taratasinay, na ireo Soit Transmis avy amin’ny mpampanoa lalàna”, hoy ny mpitrandraka iray, nangataka tsy ho tononona anarana ihany koa. “Tsy manan-jo hanakatona toera-pitrandrahana ihany koa ny zandary. Izy natao hampanjaka ny lalàna indray no tsy manaja izany”, hoy kosa ny hafa.

Taorian’ny fiampangana nataon’ny mponina, nisy ny fandehanana tany Antsiranana, ka nihaonana tamin’ireo olona voantonona anarana. Tsy tanteraka ny fihaonana tamin’ny lehiben’ny Vondro-tobim-paritra noho ny antony samihafa, saingy nisy kosa ny fihaonana tamin’ny kolonely Lezafy Appolinaire Celin: “Mikasika ny resaka kolikoly aloha dia aoka hazava ny resaka fa tsy misy idiran’ny zandariamariam-pirenena ny ao Betsiaka, raha resaka fitrandrahana no lazaina. Tsy maintsy miditra kosa anefa izay rehefa misy ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy ny fiarovana ny fananany. Fantatsika tsara fa efa nisy ny fikomiana tany, vokatry ny adin’ny samy mpitrandraka. Nifanafika ny samy olon-tsotra ary efa nisy ny naratra vokatr’izay. Tsy afaka ny mitaza-potsiny izahay, ka nisy ny baiko nomeko mba hidiran’ny ekipa an-tsehatra sy hiambina ny vava fatana fototry ny olana”, hoy izy.

Ny kapiteny Samatasy Tsirisaina, lehiben’ny kaompania ao Ambilobe kosa dia namintina ny resaka amin’ny hoe: “Matanjaka loatra ny tambajotran’ny mpanao kolikoly manodidina io raharaham-bolamena ao Betsiaka io, ka tsy hisy hankasitraka mihitsy ny asanay, mifototra amin’ny fampiharana ny lalàna. Tsy manaiky mora ireo zatra ny lalan-dririnina sy ny mpahazo tombontsoa, hany herin’izy ireo ny mandoto zandary. Izahay rahateo matetika no hiharan’ny fanaratsiana tsy misy porofo aty”, hoy izy.

Hatreto dia samy mimenomenona, mifampiampanga amin’ny resaka kolikoly ireo manampahefana na ny olo-tsotra rehetra mpiantsehatra ao amin’ny fitrandraham-bolamenan’i Betsiaka. Ny olana anefa dia tsy misy ny mijoro ho mpitory noho ny tsy fahampian’ny porofo mivaingana na noho ny tahotra ka zary misy hatrany ny tsy maty manota.

Mitaky fandraisana andraikitra amin'ny manampahefana amin'ny fanabeazana ny mpitrandraka madinika mba ahalalany ny zo sy adraikitr'izy ireo izay antoka ahafahana miditra amin'ny sehatry ny ara-dalàna sy ny fiarovana azy amin'ny tsindry hazolena sy ny kolikoly.