x

Fitantanana ny CHRR Morondava : mbola ahitana fanodikodinam-bola indray

Fitantanana ny CHRR Morondava : mbola ahitana fanodikodinam-bola indray

Nosoratan'i Mazava Volana sy Narson

Teny vahiny ny hoe “jamais deux sans trois”, mitovy hevitra amin’ny fomba fiteny Malagasy hoe « fomba fanao mahazatra”. Taorian’ny fanodinana ny vola nataon’ny mpitantana ny fivarotam-panafody dia misy fanodikodinam-bola indray ny ao amin’ny CHRR (Centre Hospitalier de Référence Régionale) Morondava amin’izao fotoana izao eo anivon’ny fitantanana ny Hopitaly.

 

Hopitalim-panjakana

Hopitalibe, Hopitaly Namahora, CHRR ireo no mahazatra ny olona eto Menabe iantsoana ity toeram-pitsaboana eto Namahora Morondava ity. Isan’ny Hopitaly tranainy niorina tamin’ny Repoblika voalohany izy, raha ny marimarina kokoa tamin’ny taona 1962.

Efa fahazaran’ny mponina eto Morondava ny mitsabo tena ao amin’ity CHRR ity. Niova sata ho CHRR izy nanomboka tamin’ny taona 2004 nefa tsy nampiova ny olona izany.

 

Olana ara-pifandraisana

Mijanona amin’ny fifandraisana ara-drafitra (communication institutionnelle) ny mpitantana ny Hopitaly. Mirentirenty ny afisy. Tsy maharaka ny fiovana misy ao anefa ny sarababem-bahoaka.

Ny tsy faharahany izay fiovan-tsata izay dia isany miteraka sy resa-be sy fimenomenonanan’ny mampiasa ny CHRR eto Menabe. Na dia Hopitalim-panjakana aza ity Hopitaly be ity dia kilasin’ny maro hitovy amin’ireo Hopitaly tsy miankina noho ny fandoavam-bola heverin’ny maro fa mihoampampana ao.

Nanambara anefa ny Dokotera Ravoson Mirantsoa Baholy, Adjointe Technique no sady miandraikitra ny asan’ny Tale mpisolo toerana tamin’ny fotoana nandalovanay tao fa : « ara-dalàna io fandoavam-bola io ho an’ireo marary tsy miditra hopitaly izay antsoin’izy ireo hoe manao “consultation externe” ary efa misy fetra (grille) navoakan’ny ministera ho famerana izany ». Olana ny tsy fahafantaran’ny olona izany na dia hita voasoratra mirentirenty manerana ny Hopitaly ny fanambarana ny totalin’ny vola aloa isaky ny serivisy misy satria tsy ampy ny fampahalalana amin’ny fomba hafa ireo fiovana ireo. Tsy zatra mamaky afisy ny olona ary ny sasany amin’izy ireo dia amin’ny teny frantsay ka mananosarotra ny fahazoany izany.

Amin’izao fotoana izao, misy manodina io vola alohan’ny marary ao amin’ny “Cession” an’ny Hopitaly CHRR ao Morondava io. Mitentina any amin’ny Ar 55 400 000 eo ho eo, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao iray mari-pototra ary nohamafisin’i Dokotera Ravelomanantsoa Emile, izay Talem-paritry ny fahasalamanavaovao (Directeur Régional de la Santé /DRS) eto Menabe tamin’ny resadresaka nifanaovana taminy.

 

Fifampitokisana sa firaisana tsikombakomba

Mba hahazoana sary an-tsaina ny zava-misy dia tsara ny hitondrana eto ny fanazavana nentin-dRamatoa Raholiarizonjanahary Tantely Niaina, “Gestionnaire” ao amin’ny CHRR, mahakasika ny fomba fitantanana ny vola miditra mivantana avy amin’ny marary mila fitsaboana avy any ivelany (consultation externe) na ny volan’ny « Cession » araka ny fomba fiteny ampiasain’izy ireo ao.

« Raha vao tonga ny marary iray dia tonga eo amin’ny “Urgences”, ny ekipa ao no manondro ny lalana handehanan’ilay marary na ho any amin’ny Fitsaboana ankapobeny na ny “Médecine Générale” na mila fandidiana ka mankany amin’ny sampana fandidiana na “chirurgie” na hiteraka dia mankany amin’ny toerana ho an’izany sy ny sisa araka ny serivisy mahavaha ny olany. Ireo mitady fitsaboana amin’ny mpitsabo ao izay antsoin’izy ireo hoe “externe” dia mandoa vola saran’ny fizahana (consultation) ao amin’ny toerana fandoavam-bola tokana ao amin’ny Hopitaly (io ilay caisse unique antsoina hoe Cession). Mitentina Ar 10 000 io vola io raha Dokotera ankapobeny na “généraliste” ary Ar 15 000 raha “spécialiste” na ireo mpitsabo manana fahaizana manokana. Tsy misy fandoavam-bola hafa afa-tsy ao amin’io toerana io ihany ».

Manana « Régisseur » ny Hopitaly dia Andriamatoa Noelson. Isan’andro dia maka ny vola eo amin’ny Cession izy ary manao sonia ny fandraisany izany vola izany izay raiketina amin’ny boky iray. Rehefa avy eo dia arotsany any amin’ny Banky izany vola izany. Araka ny fanazavana ihany dia « io vola tafangona amin’ny taona 2018 io no havoaka hampiasaina amin’ny taona 2019 ».

Toy izao anefa ny zava-misy rehefa nampanao fanamarinana anatiny (audit interne) ny DRS teo aloha tamin’ny faha 26 Martsa 2019 izay niteraka ny fisian’ny audit faharoa ho fampitahana ny vokatry ny audit voalohany ny 08 Aprily 2019 teo. Manazava ny Gestionnaire : « Tsy nandrotsaka ny vola miditra isan’andro tany amin’ny banky i Noelson raha tokony ho izany ny fomba fiasa ». Raha nanontaniana ny amin’ny andraikiny amin’ny fanaraha-maso ny fitantanam-bolan’ny CHRR izy dia toy izao ny valin-teniny: « Tena tsy nanao fanaraha-maso aho fa diso natoky azy loatra ». Mbola nilaza koa izy fa « misy halatra sonia sy fampiasana fitomboka anarana diso nampiasain’Andriatamoa Noelson ka nahafahany manamarina ny fanodikodinana nataony ». Tsy nety nitondra fanazavana sy porofo anefa ity « Gestionnaire » ity na dia nosokirina toa inona aza, ary tamin’ny farany izy dia nilaza tsotra izao fa « Tsy afaka miteny intsony fa tsy avelan’ny DRS ». Nantsoina an-telefaonina moa ny DRS izay tsy teto an-toerana fa namita iraka tany Antsirabe dia sady tsy nanamafy no tsy nandà izany fa nilaza fotsiny hoe « Andraso ny fahatongavako ».

Ny loharanom-baovao tsy nanaiky hotononona anarana no nanome vaovao mari-pototra ary nahafantarana fa toy izao ny zava-misy: « Maka ohatra telo volana isika eto:

  • Ny volana janoary 2018 dia in-telo i Noelson no nandrotsa-bola tany amin’ny Banky dia ny 15 janoary izay mitentina Ar 650 000 sy ny 17 janoary izay mitentina Ar 600 000 ary ny 31 janoary izay mitentina Ar 400 000. Raha atambatra ireo dia mitentina Ar 1 650 000. Ny totalin’ny vola nataony sonia tao amin’ilay boky fakana vola isanandro anefa dia mitentina Ar 8 119 950.
  • Ny volana febroary 2018: indroa nanao fandrotsaham-bola dia ny 12 febroary izay mitentina Ar 400 000 sy tamin’ny 21 febroary izay mitentina Ar 800 000. Mitotaly Ar 1 200 000. Ny totalin’ny vola niditra anefa tamin’io volana io dia nitentina Ar 6 273 100.
  • Ny volana septambra 2018, tamin’ny vola niditra Ar 6 980 100 dia nitotaly Ar 1 210 0000 no vola voaratsaka tany amin’ny banky (tamin’ny 18 septambra: Ar 600 000; 21 septambra : Ar 210 000 ary ny 26 septambra : Ar 400 000) ».

Santionany hahafahana mahazo ny toe-draharaha ireo.

 

Raha nanontaniana indray Ingahy Noelson dia nanambara fa « I Gestionnaire no nilaza tamiko fa vola hampiasaina amin’ny zavatra madinidinika ato ireo ka aleo tsy arotsaka fa raha vao any amin’ny banky dia sarotra ny famoahana azy ». Nanamafy izy fa dia namoaka vola araka ny baikon’ny Gestionnaire na dia tsy nisy « Bon » aza satria lehibeny izy no mbola nanome toky azy fa hataony ireo « Bon » ireo fa ilaina maika ny fivoahan’ny vola. Nanohanany ny fiarovan-tenany ihany ko any hoe « Nentin’ny fitokisana an’i Gestionnaire aho dia namoaka ireo vola ireo araka ny baikony ambava ». Tamin’ny fotoana niresahana tamin’i Noelson moa dia tsy nanana porofo izy satria ireo fanamarinana (pièces justificatives) rehetra nananany dia efa nalaina tany aminy ary efa mihidy tsy azo sokafana any amin’ny DRS (ao amin’ny  Chef de Service Administratif na Chef SAF et financier, Andriamatoa Auguste). Tsy ananan’i Noelson ny dika mitovy satria araka ny filazany dia “Matoky azy ireo aho ka nomeko am-pahatsorana ireny”. Nanizingizina moa Andriamatoa Noelson fa dia nampamoahin’ny Gestionnaire azy ireo vola ireo ary nataony tao anatin’ny fifampitokisana feno.

Araka izany, samy niaro-tena ny roa tonta : nisy fifampitokisana teo amin’ny Gestionnaire sy ny Régisseur, noho izany tsy nanara-maso ny fampidiram-bola ny andaniny ary ny ankilany kosa namoaka vola tsy nisy « Bon ». Izany moa dia nitranga nandritra ny taona 2018 hatramin’ny fiatombohan’ny taona 2019 (volana martsa 2019). Mipetraka ny fanontaniana hoe « Ny fifampitokisana ve dia azo handikanany fomba fiasa na procédure? Sa firaisana tsikombakomba no misy teo amin’izy roa tonta? »

Nanaitra ny saina ihany koa ny fahafantarana fa nisy ampaham-bola mitentina Ar 12 878 013  tamin’io vola Ar 55 tapitrisa mahery io navoakan’i Noelson neken’ny “« Gestionnair »  fa nahazoany alalana avy aminy. Nisy ihany izany ny famoaham-bola talohan’ny tokony hampiasana azy ny taona 2019 ; kanefa tsy tokony hatao izany satria ny vola miditra ny taona 2018 no tokony havoaka sy hampiasaina ny 2019 raha lazaina fa io no vola miditra amin’ny taona. Amin’ny fotoana toy ny ahoana no afaka mampamoaka vola ny « Gestionnaire »?

Raha ny fomba fiasa eken’ny lalàna (Instruction permanente n°301 du 20 Septembre 2017) dia tsy maintsy mahazo ny fankatoavan’ny Ministeran’ny Fahasalamana ny fangatahana rehetra hamoaka vola vao azo tanterahina izany. Araka ny loharanom-baovao iray tsy te-hitonona anarana dia tsy nahazoana alalana ireo famoaham-bola ireo fa rehefa hita ity olana ity vao nanao fangatahana ny teo anivon’ny fitantanana ny CHRR.

Ny 10 Aprily 2019 teo dia nandefa taratasy ho an’ny Tompon’andraikitry ny DHRD (Direction des Hôpitaux de Référence Régionale et de District) eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamana Andriamatoa Noelson ka nitondrany fanazavana sy fiarovan-tena.

Ny Gestionnaire misotro ronono Andriamatoa Fanoina Arsène, izay nisahana izany andraikitra izany nandritra ny taona maro tao amin’io CHRR io, rehefa nanontaniana ny heviny dia nilaza fa « Tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ny vola ao amin’ny CHRR ary tsy afa-miala amin’izany ny Tale sy ny Gestionnaire »  ary notsindriany fa « Ny Gestionnaire dia manana zo hitsirika araka izay itiavany azy sy amin’ny mahamety azy (droit de regard) amin’ny asa fikirakiram-bola rehetra atao ao amin’ny CHRR ».

Fanontaniana mipetraka tsy nisy namaly ny hoe, fa angaha moa tsy tonga isambolana ny « relevé bancaire » no tsy hitan’ny Gestionnaire ity fandrotsaham-bola tsy isam-bolana ity? Mampitombo ny ahiahy amin’ny fisian’ny firaisana tsikombakomba ny fomba nanaovana ity fanodikodinana ity.

 

Raha maty aho matesa rahavana,

Ankoatra ity vola voahodikodina ao amin’ny « Cession »  ity dia nanambara ihany koa Ingahy Noelson fa nangalatra ny soniany ny Gestionnaire mba hanamarinana fampidirana entana ao amin’ny magazain’ny CHRR satria mpikambana ao amin’ny atao hoe komity mpandray entana (Comité de réception) hampidirina ao amin’ny mangazay izy. Midika izany fa dia mbola tantara iray misokatra ihany koa io fitantanana io vola fampihodinana ity CHRR ity izay volam-panjakana. Tsy nisy loharanom-baovao nisokatra ny amin’io raharaha io na dia teo aza ny ezaka natao nandritra ny fikarohana. Manjaka loatra ny firaisana tsikombakomba ato amin’ny fitantanana ity CHRR ity.

 

Tsy vao izao no nisian’ny fanodikodinana

Tsy tantara vaovao amin’ny mpiasa ato amin’ity CHRR ity ny fanodikodinam-bola toa ity mitranga izao ity ary dia vitavita ho azy foana izany. Toa atao tantely afa-drakotra ny volam-bahoaka.

Sarotsaromana anatiny. Ny mpitantana ny fikambanana Fivohitra izay nahazo ny tolotra amin’ny fivarotam-panafody teo aloha dia efa nahatratrarana fanodikodinam-bola sy fanafody fa dia nalamindamina tao anatiny ihany. Nanao sonia fanekena handoa ny vola izy (lettre d’engagement) izay nangatahana nandritra ny fanadihadiana fa saingy tsy azo. Ny azo ambara dia tsy mbola nandoa izany izy na ariary ka heverin’ny maro fa raharaha efa mandry ny amin’iny. Na ny tetibidin’ny vola sy fanafody voahodina tamin’izany na ny taona nanaovana izany dia tsy misy milaza rehefa nohadihadiana ny teny anivon’ny DRS sy teny anivon’ny CHRR.

Dia hatao toa izany foana ve ny fitantanana ny volam-panjakana hitsaboana ny Malagasy?

« Misy ireo fanodikodinana ireo fa tsy afaka milaza ny totalinin’ny vola voahodina aho fa efa any amin’ny Ministera io raharaha io dia any ianareo no manontany mahakasika izany », hoy ny DRS raha nanontaniana.

 

Ny Ministeran’ny Fahasalamana

Nanomboka ny alatsinainy faha 06 May 2019 teo, nanao fitsirihana ao amin’ny CHRR Morondava ny ekipa avy ao amin’ny Direction des Hôpitaux Référentiels Régionaux et de Districts na DHRD avy any Antananarivo. Fitsirihana misandrahaka amin’ny zavatra maro samihafa no hatao : ara-teknika, ara-pandaminana, ara-pitantanana ary ara-bola. Tsy nanamarina na nandà ny fisian’ny fanodikodinana i Dokotera Raymond Ravelomanantsoa izay anisan’ny mpanatanteraka io fitsirihana io. Ny antony dia mbola tsy mifarana ny iraka nankinina tamin’izy ireo. Nilaza anefa izy fa hanao tatitra eo anivon’ny DRS sy any amin’ny Ministera izay manana fahefana handray fanapahan-kevitra amin’izao raharaha izao. Nanambara anefa i Dokotera Raymond fa « Tsy vitan’olon-drery ny fanodikodinam-bola ato amin’ny CHRR satria misy sokajin’olona maro voakasik’izany fitantanam-bola izany. Ny « Gestionnaire » no mpitantam-bolan’ny CHRR. Tsy maintsy fantany ary voamariny raha eo amin’ny vola miditra hoe : avy aiza iny vola iny, inona iny vola iny (saram-pizahana? Radio? Hofantrano? Etsetra), ohatrinona ary nankaiza iny vola iny ? » Nohamafisiny anefa fa tena manana olana ara-pifandraisana ny CHRR eto Morondava ka mahatonga ny fimenomenoman’ny olana sy manamora ihany koany fanaovana kolikoly. Andrasana araka izany ny vokatry ny fanadihadiana izay nataon’ny Ministera sy ny fandraisana fanampahan-kevitra manoloana izany. Mbola halamina ao anatiny toy ny teo amin’ny fivarotam-panafody teo aloha ve ny fanodikodinam-bola toa izao?

 

Ny olompirenena ihany no mizaka ny vokany

Eo anatrehan’izany rehetra izany, ny olompirenena ihany no mizaka ny vokany. Mandoa vola izy vao mahazo fizahana ho an’ireo tsy miditra Hopitaly na consultation externe. Ny efapolo isan-jaton’iny vola aloany iny dia miverina any amin’ny Dokotera (prime de rendement) izay efa karamain’ny fanjakana isam-bolana hitsabo azy. Ara-dalàna izany araka ny fandaminana eo amin’ny Ministera.

Mitaraina ny mpampiasa ity Hopitaly indrindra ireo tena sahirana. Mbola eny amin’ny « Urgences » izy ireo dia efa averina rehefa tsy manam-bola. Tsy voasoratra ao amin’ny « Urgences » akory ny fandalovany teo ka sarotra ny manamarina izany. Andriamatoa Mara, monina ao Ambalatanga, dia nijoro ho vavolombelona fa tsy noraisina tao amin’ny CHRR ny anabaviny hiteraka ny alin’ny 21 Janoary 2019. Ny antony? Tsy nisy vola ka voatery nanantona tany amin’ny Hopitaly Loterana Betela. Vokany, maty ny reny fa tara loatra ny fakarakarana ilay vehivavy hiteraka ary nanaraka azy koa ny zanany mena vava avy eo. Tranga hafa ihany koa, tamin’ny 23 febroary 2019, tsy ampy ny teo am-pelatanan Andriamatoa Razafamiharavo Daniel, ka tsy voarain’ny mpitsabo tao amin’ny Hopitaly be ny zafikeliny. Noho izany, nentina tany amin’ny Hopitaly Betela naiditra Hopitaly ilay zaza ary avotra soa aman-tsara. Na izany aza dia raikitrosa hatramin’ny androany izy ireo amin’ny fandoavana ny saram-pitsaboana. Ohatra amin’ny maro ireo ary efa niteraka resabe tamin’ny haino aman-jery maro teto an-toerana.

Ireo rehetra ireo dia tsy misy voasoratra ao amin’ny firaiketana fandraisana marary ao amin’ny « Urgences » daholo satria vao tonga ny marary dia ny resa-bola no resahana, araka ny fanazavan’ny havany.

Mimenomenona ihany koa ireo mpitsabo izay tsy mahavoaray ny vola tokony haloa aminy vokatry ny hasasarany izay notangosan’ny hafa fotsiny. Mazava ho azy, misy fiantraikany amin’ny fanodinana ny hopitaly izao fanodikodinam-bola izao satria ny 40% ho an’ireo mpitsabo (intéressement), ny 55% fampandehanan-draharaha ka ny3% amin’izany dia ho amin’ny tahiry vonjy aina (fonds de secours) ary 5% ho an’ny FEH (Fonds d’Equité Hôspitalier), araka ny fanazavana.

Zo fototra sady voalazan’ny Lalampanorenana Malagasy ny amin’ny fiarovana ny fahasalamana dieny hatreny am-bohoka (And. 19). Raha ny zava-misy anefa dia maro amin’ny Malagasy no tsy misitrakana izany zony izany, noho ny antony isan-karazany. Ohatra amin’izany : ny fahazarany mitsabo tena araka ny fomba nentim-paharazana, ny fahantrana tsy ahafahany miantoka ny saram-pitsaboana takiana aminy eny amin’ireo Hopitalim-panjakana, ny fanodikodinana ny vola hanodinana ny Hopitaly, toa ny mitranga ao amin’ny CHRR Morondava izao izay manampy trotraka ny tsy fisitrahana ny zo ho salama. Antenanaina mba hisy vokany ny fanaovana fitsirihana avy amin’ny ministera ary handray fanapaha-kevitra matotra ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny hamahana izao raharaha izao.