x

Fanondranana sokatra : Voatonona ny Sinoa, ny olobe ary ny zandary

Fanondranana sokatra : Voatonona ny Sinoa, ny olobe ary ny zandary

Nosoratana sy notrandrahan'i Yves Samoelijaona sy Riana Raymond. Tsy mbola voasakana ny olana amin’ny fanondrana sokatra an-tsokosoko. Maro ny antony : 

Ny fahantrana, ny kolontsaina, ny fisian’ny tolotra sy ny tinady, ary indrindra ny kolikoly any amin’ireo sehatra rehetra mety iaingana, ahatongavana na andalovan’ny sokatra.

Mivoatra koa ny endriky ny fanondranana sokatra satria efa mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy an-kehitriny ny mpanao izany, ary mampiasa  taxi-brousse, fiara 4X4, lakana sy sambo ireo mpanondrana.

Mampiasa taxi-brousse, fiara tsy mataho-dalana sy lakana ny mpanondrana mba hamoahana ireo sokatra halatra

Ny taona 2018 ohatra no anisan’ny nahatrarana sokatra maro indrindra saika aondrana teto amintsika, ary saika avy any Atsimo avokoa ireo. Nahatratra 17 430 ny sokatra nangalarina tamin’izany, ka ireo 10 000 tratra tao Toliara no be indrindra. (Loharanom-baovao : Direction Régionale de l'Environnement et des Forêts Dreff Toliara). Olona enina no tafiditra tamin’ity raharaha ity, ka Sinoa ny roa, ary Malagasy ny efatra. Efa voasazy enina taona an-trano maizina miampy lamandy 100 tapitrisa Ar ireo olona ireo.

Raha ny fanadihadiana natao tany amin’ny faritra Atsimo, dia voatonona matetika ny Sinoa, fa ao koa ny olobe tao Tongombolo, atao hoe Tsikizahy Mahavonjy, izay  fantatry ny olon-drehetra, ary efa nandalo fitsarana tamin’ny 2019 ka voasazy 18 volana sy lamandy 1 tapitrisa Ar. « Mbola any am-ponja  ireo amin’izao fotoana izao. Nampiakatra fitsarana ambony ny Dreff fa maivana loatra ny didy, raha halatra sokatra efa 7430 no misazy 18 volana monja”, hoy ny talen’ny Dreff ao AtsimoAndrefana, Soary Randrianjafizanaka.

Avoaka any an-dranomasinany sokatra

Itampolo sy Androka, samy toerana amoron-dranomasina, no tena ahitana sokatra.. Ny faritra  arovana toy ny ao Tsimanampetsotse koa anefa dia idiran’ireo mpaka sokatra. Misy roa ny fandikan-dalàna momba ny sokatra, ka ny voalohany dia ny fihinàna ny  henantsokatra, izay any Fotadrevo sy Bezahano any tena ahitana azy. Manao andiany ireo  mpangalatra mamory sokatra anaty gony sy sarety, vonoina ary atapiny ataony kitoza.

“Miditra ao anatin’ny ala voaaro izy ireo ary miori-ponenana ao mandritra ny andro maro, mahatratra iray volana, izay vao mivoaka ary mifindrafindra”, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny kaomandin’ny kaompania ao Ampanihy.

Maro ny tratra, kanefa hita fa olona sahirana avokoa. Atakalo vary ny sokatra, tongony iray azahoana vary 1 kg. Efa misy ny olona voasambotra, ary natolotra ny fitsarana, izay manefa ny saziny ao Ampanihy.   Ny faharoa amin’ny fandikàna lalàna kosa dia ny fanaovana trafika.  Tsy mandeha an-tanety, fa a lakana sy vedety ireo mpitrandraka,mankany Toliara avy hatrany ary any no amoahany ny sokatra madinika izay tena tadiavin’izy ireo.  “Tsy manana fitaovana ny zandary fa midadasika loatra ny ranomasina, ka matetika mitaza-potsiny”, ny filazan’ny lehiben’ny zandary ao Ampanihy ihany.

Nisy ihany anefa ny fiarahamiasa toy ny tamin’ny Madagascar National Parks izay nanome vedety nentina nanenjika ireo mpangalatra sokatra. Betsaka ny soka-dranomasina azo tamin’izany, satria nisy hatramin’ny 3000  ny sokatra naondrana, niala tany Itampolo sy Beheloke, araka ny tatitra azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny tanana mitantana ny ala (chef de cantonnement) ao Ampahihy Andrefana. Nalefa tamin’ny lakan’ny mpanjono izy io, ary nampidirina tao anatin’ny sambon’ny Sinoa efa niandry tao Toliara. Ny alina namoahana ireo sokatra ireo, dia voalaza fa nisy fanomezam-bola ny mpitandro filaminana mitentina 2 hetsy ariary.

Mihalafo hatrany ny sokatra eny amin'ny tsena iraisampirenena ka roboka ireo mpanondrana an-tsokosoko

Ny sokatra lehibe antsoina hoe angonoka ( Astrochelys radiata), no tena lasibatra satria mahatratra 20.000 euros ny vidiny.  Ao Marolinta sy Beloha izay tanàna amoron-dranomasina no matetika havoaka ny sokatra halatra. Milaza ny zandary fa nahazo vaovao momba ny fiara 4x4 ary misava avy hatrany fa amin’ny ankapobeny tsy mahatratra. Tsy alefa taksiborosy ny sokatra satria “fady sokatra ny Tandroy sy ny Mahafaly ary tsy mikasika izany”, hoy ny lehiben’ny zandary.

Manara-maso ny Bianco Toliara

Manara-maso ny Bianco ao Toliara, satria rehefa mandray andraikitra ny mpiasam-panjakana raha misy trangana kolikoly, dia misy ny olona manao fanelanelanana, manindry, izay matetika ireo olobe na olona ambony any na-toerana. Misy ny kolikoly avy amin’ny mpitandro filaminana, ohatra ny fisavana eny an-dalana; ka mahatonga ny sokatra miala avy Beloha na Ampanihy, tonga Toliara ary tafiditra Antananarivo. “Matetika anefa zavatra efa lasa no ahazoana fitarainana, ka sarotra ny ady amin’izany”, hoy ny filazan’ny talen’ny Bianco Toliara, Rajaonarison Mamitiana.

Rehefa  natsangana ary ny paik’adim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly eo amin’ny fitrandrahana ny harem-pirenena, dia miara-miasa amin’izany ny zandary, polisy, ny Dreff, ny Bianco, ny fitsarana, ny fikambanana miaro ny harem-pirenena ary ny fiarahamonim-pirenena, mba hisorohana ny tsindry samihafa.

“Miaraka izahay mba tsy ahafahan’ny olona ambony manao tsindry mampijanona ny fanadihadiana. Manana fiarovana ny olona manao ny fanadihadiana. Anisan’ny vokatra amin’izao fiarahamiasa izao ny nahatrarana ilay sokatra 10000 tao Toliara sy 7000 tany Tongobory. Misy koany mpitoroka (lanceur d’alerte)  izay miasa ho an’ny mpisehatra ao anatin’ny tambazotra.”, hoy ihany ny fanazavana avy amin’ny Bianco Toliara.

Ny lalàna, faha 2016- 020, dia mamaritra ny ady atao amin’ny kolikoly toy  fanondranana tsy ara-dalàna, fa tsy miady amin’ny trafika izay tsy voasakana mihitsy, hoy ny talen’ny Bianco Toliara. Manara-maso ihany koa nefa ny Bianco sy ny tambazotra, ka manaraka sy mahafantatra hatrany ny fivoaran’ny raharaha, ary mamantatra ny didy, sy ny mety ho ara-drariny amin’izany. “Mifanaraka amin’ny fandikan-dalàna ve ny sazy avoakan’ny fitsarana? Iza ny mampiakatra fitsarana ambony sns”, hoy ny fanamafisana ny talen’ny Bianco Toliara.

Roa ka hatramin’ny folo taona ny sazy

Araka ny fanazavanan’ny  talen’ny Dreff Toliara, Soary Randrianjafizanaka dia roa ka hatramin’ny folotaona ny sazy azon’ny mpanondrana sokatra, miampy lamandy hatramin’ny 100 tapitrisa Ar. Enin-taona ny sazy ambony indrindra nomen’ny fitsarana hatreto. Milaza fa manara-maso ny raharaham-pitsarana momba ny sokatra koa ny Dreff, ary miditra an-tsehatra raha misy ny didim-pitsarana tsy mifanaraka amin’ny fandikan-dalàna. “Anisan’izany ny fampiakarana fitsarana ambony ny sazy navoakan’ny fitsarana momba ireo sokatra 7430, izay valo volana monja ny sazy nivoaka, kanefa tokony ho ambonin’izany. Any amin’ny fitsarana ambony ny raharaha amin’izao fotoana izao”, hoy ny tale Dreff Toliara.

Talohan’ny nametrahana paikady iadiana amin’ny fanondranana sokatra (2017), dia hita fa mbola vitsy ny sokatra halatra izay tra-tehaka: sokatra  636 no tratra ny taona 2015, 1704 ny taona 2016, ary 357 ny taona 2017.  Ny taona 2018 no  nahatrarana sokatra marobe indrindra hatramin’izay. Alefa any amin’ny toeram-pihazonana any Betioky, Ampanihy, Itampolo, Mangily ireo sokatra azo, izay manodidina ny 10.000 eo ho eo amin’izao.

Sakana amin’ny famongorana ny trafikana sokatra ny tsy fisian’ny vaovao marina azo avy amin’ny mponina. “Tsy taitra ny olona, mety kamo ihany koa, ary tsy te hivezivezy  ka tsy milaza izay zavatra hitany. Tsy mety hitoroka sy hijoro vavolombelona rahateo koa.Fantatry ny olona anefa amin’ny ankapobeny ny olona mpanao azy io”, hoy ny tale Soary Randrianjafizanaka.

Miseho amin’ny alalan’ny “intervention” ny kolikoly         

 “Izahay no namolavola ny dina-tsokake, mba hahafaha mampiasa paik’ady mahomby iarahana amin’ny fitsarana sy ny zandary, ary ny fokonolona”, hoy ny fanazavan’ny Dr Mahantaty Tsimanaoraty Paubert, tomponandraikitry ny fiarahamonimpirenena ao amin’ny SADEC. Nanamafy  ny fisian’ny tsindry (intervention) matetika amin’ny vokatra azon’izy ireo, I Dr Mahantaty Tsimanaoraty Paubert:  

“Miseho amin’ny alalan’ny tsindry ny kolikoly. Misy olona tratranay, atolotra ny manampahefana, andro vitsy aty aoriana, votsotra ilay olona”. 

Mitaky sazy henjana  amin’ny fandikan-dalàna momba ny sokatra ihany koa izy ireo. Misy mantsy ny mpitandro filaminana mahalala ny fisian’ny sokatra kanefa noho ny kolikoly, dia manjavona izany, na ny fiaran’ireo olon-dratsy aza. Manaporofo izany ny fahatongavan’ireny sokatra ireny aty Antananarivo, ka hatreny Ivato. Zava-nisy teny amin’ny fitsarana koa ny mamerina ny taratasim-pitoriana ho tsy ampy porofo ka miala maina ny mpandika lalàna

“Efa niseho daholo izany rehetra izany ary izany, fa tato ho ato, napetraka ny “MD systématique” ka nampihena ny fandikan-dalàna. Izay tratra amin’ny halatra sokatra ampidirina am-ponja avy hatrany”, hoy ny fanazavana.

Ady mafy…

Mifanara-maso ankehitriny  ireo mpisehatra samihafana, ahitana ny Bianco, mpitandro filaminana, fitsarana, fiarahamonimpirenenasy ny fikambanana miaro ny sokatra ka heverina fa ampihena ny kolikoly sy ny tsindry samihafa.