x

Fandrimpahana ala ao Antimena Menabe: tompon'antoka voalohany ny solombavam-bahoakan'i Mahabo teo aloha RAVELOSON Ludovic antsoina hoe Leva

Fandrimpahana ala ao Antimena Menabe: tompon'antoka voalohany ny solombavam-bahoakan'i Mahabo teo aloha RAVELOSON Ludovic antsoina hoe Leva

Nosoratan'i Riana RAYMOND sy Yves SAMOELIJAONA

Ripaka hatrany amin’ny 80 na 90 % ankehitriny ny ala arovana ao Antimena, Menabe, anatin’ny distrikan’i Morondava sy Belo ambonin’i Tsiribihina, raha ny tatitra azo avy amin’ny talem-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy ao Menabe, Andoniaina Narisoa.

Mivelatra amin’ny velaran-tany 21000 ha ny faritra arovana izany ahitana ny ala-maina izay iharan’ny fandravana faobe, sy ny sahan’ala honko, ary ny farihy.

Voasokajy ho faritra voaaro kilasy fahadimy izy ity, izany hoe misy faritra voatokana ho azon’ny mponina trandarahana sy hivelomana ao anatiny na ilay antsoina hoe « Tanàna Mirindra ».

Ny taona 2004 no nanomboka nomena ny Vondrona Olona Ifotony na ny VOI ny fitantanana ny ala mainan’Antimena Menabe.  Navadiky ny fanjakana ho faritra ho voaaro vonjimaika izy ny 2004 hatramin’ny taona 2006, ny taona 2015 kosa vao nivoaka ny maha faritra voaaro azy tanteraka. Teo anelanelan’izany, nanomboka ny taona 2009, nahazo vahana ny fandripahana ala. Tsy nisy niraharaha ny lalàna manan-kery satria navadika ho saha fambolena katsaka sy voanjo ny toerana.  « Dorana ny ala, avy eo hambolena izany. Mifindrafindra toerana ny mpandripaka ala satria hambolena indroa na intelo ny toerana iray dia zary tsy mamokatra intsony », hoy ity tompon’andraiki-panjakana ity.

Manamafy izany fanazavana izany ny talem-paritry ny polisy ao Menabe, ny kaomisera prinsipaly Razafindranony Honoré, izay nilaza fa tena fandrimpahana tanteraka ny ala no misy. “Tsy misy miraharaha izay tontolo iainana izany, ny voly katsaka sy ny voanjo no manahirana ny olona. Tena andian’olona an-jatony, avy any amin’ny faritra Androy no tonga aty aminay. Efa misy ny ezaka hifehezahana azy ireny, saingy olana goavana dia ny fisian’ny tompon’andraikitra ambony sy olom-boafidy ao ambadik’izy ireny”, hoy ity manamboninahitra polisy ity.

Ny teo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenena, miaro ny tontolo iainana, Durrell, izay tahirin’Atoa Toto Volahy Anselme, dia nanitrikitrika fa tena efa loza mihatra ary sarotra ny raharaha manodidina ity fandripahana ny aty ala ao Antimena Menabe ity. “Efa ny taona 2007 no nanao antso avo izahay, saingy noho ny antony maro, toy ny tsy fahampian’ny vola ho enti-miasa sy ny raharaha politika ny taona 2009 dia nahazo vahana, tsy voafehy intsony ny toe-draharaha. Tena manao izay danin’ny kibony ireo mpandripaka ala, izay mpila ravinahitra avy any Androy no ankamaroany. Miezaka ny manao izay azo hatao ny VOI, miaramiasa aminay saingy tsy afa-manoatra. Efa misy koa ny ezaka iarahana amin’ny mpitandro filaminana saingy tsy mahavaha olana”, hoy ity mpiaro ny tontolo iainana ity. 

Ny lehiben’ny Zandarimariam-pirenena ao Menabe, ny lietnà kolonely Maka Tolondrenibe Diogène sy ny lehiben’ny Tafika Malagasy, ny kolonely Ramamonjisoa Eugène dia samy manamarina ny fandripahana tanteraka ny alan’Antimena sy ny famadihana izany ho tanin-katsaka sy voanjo. “Tamin’ny taona 2018 iny no anisan’ny tena fara-tampony ny fandripahana tao anaty ala. Andin’olona maro avy any ivelan’ny faritra no manao azy io”, hoy ireto manamboninahitra ambony roa ireto, nandritra ny fakana feo azy ireo ny faha-20 ny volana marsa lasa teo, tao amin’ny biraon’ny zandarimariam-pirenena, Morondava.

Ao amin'ny faritra arovana, tany midadasika tsy mamokatra intsony no nisolo ny ala tao aorian'ny fanangonam-bokatra katsaka nifanesy.

 

Depiote Leva

Nandritra ny fanadihadiana rehetra natao tany amin’ny Faritra Menabe, tao anatin’ny distrikan’i Menabe sy Mahabo dia miverimberina tamin’ny fanadihadiana ny anaran’ny depiote Leva, na i Raveloson Ludovic, izay voafidy tao Mahabo, sady mbola kandidà ho depiote ihany koa amin’ny fifidiana hatao ny 27 May ho avy izao. Izy no hampangain’ny mponina sy ny tompon’andraiki-panjakana rehetra ao Menabe ho ao ambadiky ny fandripahana ala. Ny tonian’ny mpampanoa lalàna ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Menabe, Atoa Ratsimandranto Jean Jacques William dia nanamafy tamin’ny resaka nifanaovanay taminy fa misy tokoa ny olom-boafidy, voantonontonona amin’ny fandripahana ala ao amin’ny faritra. Raha nanontaniana ny momba an’Atoa depiote Leva anefa izy dia nametraka fa hatreto tsy afaka ny hanamarina izany izy satria hatramin’izay tsy misy ny vesatra ahafahana manamarina na manenjika azy. Tsy misy ny porofo, na ny fitoriana mahakasika azy. “Betsaka ny olona mpandripaka ala, no mandalo eto amin’ny fampanoavana, ary henjana izahay amin’ny fampiharana ny lalàna, ka mampiditra azy ireny am-ponja avy hatrany. Tsy misy sahy mijoro ho vavolombelona amin’ny mety mahatafiditra ity solombavambahoaka ity izay naiditra am-ponja vonjimaika. Izahay rahateo anefa tsy afaka ny hanenjika azy raha tsy misy ny tranga voamarina, mahatafiditra azy mivantana. Tena maheno ny anaran’ilay depiote io foana izahay kanefa tsy azo atao ny manao zavatra ivelan’ny lalàna. Marihina fa na ny fanadihadiana miainga any amin’ny sampandraharahn’ny ala, izay hiainganay sy hanamarinana ny didy ho raisina dia tsy ahitana taratra izay mahatafiditra azy izay”, hoy ity mpitsara ity tamin’ny resaka indroa miantoana nifanaovana taminy tany Morondava ny alarobia faha-20-n’ny volana sy ny alakamisy faha 21 marsa lasa teo.  Mitovitovy amin’izay ihany koa ny fanazavana nomen’ny lietnà Mara Tolondrenibe Diogène: “Ny azonay ambara aloha, dia voantonona tokoa ny anaran’ilay depiote nanontanianareo, saingy hatreto kosa tsy misy ny porofo mivaingana, izy raha teo tsy hoe tratra ambodiomby ka azo henjehina. Izy rahateo teo aloha mbola nanana ilay tsy fahazoana manenjika azy amin’ny maha parlemantera azy. Fa izahay kosa aloha dia efa miasa, mifehy io fandripahana ala io hatreto. Izahay indray dia vonona ny hampihatra ny lalàna raha misy ny porofo sy ampy ny vesatra azo hanenjehana azy”, hoy hatrany ity manamboninahitra ity. 

Mbola manamafy izay mety mahatafiditra ny depiote Leva izay anatin’ny tambajotra mba tsy hilazana ny maha atidoha an’ny depiote Raveloson Ludovic na i Leva izay ihany koa ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Rtoa Andoniaina Narisoa: “ Raha ny vaovao azonay aloha dia voantonontonona tokoa ity depiote ity. Saingy tsy misy ny porofo miavaingana ahafahana manenjika azy, na mamorona ny antontan-taratasin’ady ahafahana mitory azy. Izay olona voasambotra ka miatrika ny fakana ambavany eto aminay dia tsy misy manonona ny anarany mihitsy. Izahay anefa dia mahita fa sarotra ho an’olona 200 mahery, taterina amin’ny fiara avy ivelan’ny faritra no hiditra indray mandeha any anaty ala, raha tsy misy ny olona mikarakara ny fahatongavan’izy ireny aty. Amin’izay dia mazava fa handeha hikarama any anaty ala no anton-dian’ireo aty, hamboly katsaka sy voanjo. Mipetraka ny fanontaniana: avy amin’iza izany ny masomboly izay efa mahatratra hatrany amin’ny 400 ha mahery amin’izay ny zary efa voajary ho tanimboly ao anatin’ny ala arovana.”, hoy hatrany ity tale ity. Mbola misy ny loharanom-baovao hafa iray, tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny faritra, izay nangataka ny tsy ho tononona anarana manamafy izay andraikitr’ity depiote teo aloha ity anatin’izao fandripahana ny ala izao. “Izahay zanaky ny faritra dia tsy manimba io ala io, satria mandrora mintsilany ihany izahay amin’io. NY olana dia ny fisian’ny andian’olona taominina avy any amin’ny faritra Androy hamboly katsaka sy voanjo. Io depiote io mihitsy no mpamatsy masimboly azy ireo, saingy ny indrokely, noho ny tahotra ny ho faty, na noho ny firaisana tsikombakomba tsotra izao, tsy misy na iray aza izy ireny sahy mijoro ho vavolombelona hamelezana ity solombavam-bahoaka ity.”, hoy hatrany ity loharanom-baovao iray ity.

Mpandraharaha hazo iray, manana ny maha izy azy, monina ao Morondava ihany koa no mbola milaza ny mahatafiditra io depiote io anatin’ny fandripahana ny ala anatin’ny Antimena Menabe. Hoy ity mpandraharaha ity, izay tsy miditra amin’ny sehatry ny fambolena ka tsy mifaninana amin’ilay solombavam-bahoaka: “Tsy misy tombotsoako no hanafenana fa misy fotoana tonga eto amiko ity depiote ity, mananatra azy no hataoko satria tena simba tanteraka ny tanindrazana iombonana. Miteny azy foana aho isaky ny mihaona izahay saingy samy tomponandraikitra amin’ny hataony izahay.”, hoy ity raiamandrenin’ny tanàna sady mpandraharaha ity. Ny solontenan’ny VOI, ny mponina, ary ny tompon’andraikitry ny kaominina sy ny fokontany any Lambokely, Marofandihy, sy ny toerana manodidina ny aty ala dia samy milaza ny maha-tompon’andraikitra voalohany an’io depiote teo aloha io amin’ny fandripahana io ala io.

 

Fialonana sy kajikajy politika

Manoloana ireo karazana fiampangana azy ireo, nisy ny fihaonana tamin’Atoa Raveloson Ludovic na ny depiote Leva no ahalalan’ny maro azy. Tao amin’ny birao fiasany, ao Mahabo, no nanaovana ny fihaonana ny alahady 24 marsa 2019. Tsy nanisy olana ny fihaonana sy ny fakàna feo azy rahateo izy sy ny ekipany marobe izay navory tao an-toerana hiatrika ny mpanao fanadihadiana. Endrika tsy taitra, nampiseho fahatokisan-tena no nandraisany ny mpanao gazety, izay naka ny heviny sy ny fomba fahitany ilay fandripahana ny ala. Aminy dia tsotra ny resaka:

“Tsy misy idirako raha ny fanimbana ala anatin’Antimena, izay distrika tsy misy ahy. Faharoa, miampanga ahy ireo tompon’andraiki-panjakana ao Morondava, satria tsy mahavita ny asany araka ny tokony ho izy ry zareo ka mitady olona homena tsiny. Izaho aza amin’ny maha depiote ahy, niezaka sy nilatsaka an-tsitrapo ny hidina any anaty ala mba hanentana ny olona tsy hanao izany asa ratsy izany, saingy izy ireo no tsy afaka amin’ny fotoana izay mahafaka ahy. Fahatelo, asaivo mijoro sy mitory ahy izay olona manana porofo an-taratasy manamarina fa izaho tokoa no ao ambadik’io fandripahana ala io. Vonona ny hijoro aho, vonona ny hiatrika izay fanadihadiana raha mahafeno ireo porofo ireo ianareo”, hoy izy nitondra ny heviny. “Amiko dia resaka maloto, fialonana sy kajikajy politika tiana hamelezana ahy no ao ambadik’izany fanosora-potaka izany.”, hoy hatrany izy.

Raveloson Ludovic, fantatra amin'ny anarana hoe depiote Leva, nandritran'ny fiaonana taminy tao amin'ny biraony tao Mahabo.

Nandritra ny fihaonana taminy, dia nijoro ho vavolombelona niaro azy ny lehiben’ny fokontany iray, avy ao Mahabokely, izay nanamafy fa tsy misy idiran’ny depiote ny resaka fandripahana ny ala. «Raha ny mikasika ny hoe famatsiana masom-boly ataon’i depiote ny mpandripaka ala, dia diso izany satria aty aminay ihany izy no manao izay. Misy ny taratasy fifanekena atao, izay voarakitra any amin’ny fokontany sy ny kaominina mihitsy”, hoy izy. “Raha ny fahalalanay azy, tsy mandingana ny distrika misy anay no mamboly katsaka ny fianakavian’i Depiote”, hoy hatrany izy.

Raim-pianakaviana iray, mpiara-miasa akaiky amin’i depiote Leva ihany, no nanambara mazava fa “Resaka fialonana ataona mpandraharaha tsy mahazaka fifaninanana ao Morondava no mahatonga izao fandotoana izao. Tsoriko aminao fa misy politika maloto, tiana hamotehana azy mihitsy ankehitriny”, hoy hatrany ity lehilahy ity, izay nangataka ny tsy ho tononona anarana.

Atoa Raveloson Ludovic na depiote Leva dia manamafy ny fahadiovany raha mikasika ny alan’i Antimena.

 

Fanamarihana hafa koa

Manoloana io fanambarana nataon’ny solombavam-bahoaka teo aloha io, dia misy kosa ny olona akaiky azy, sady olona itokisany iray nahazoana feo ka nahafahana nahazo vaovao saro-pady mikasika azy. Tsy hotononina anarana, sy tsy aseho endrika mihitsy ity loharanom-baovao ity mba ho fitandroana ny ainy sy ny fianakaviany. Misy kosa anefa ny fandraisana feo sy horonantsary azy nahafahana mirakitra ny fanazavany. Nambaran’ity raim-pianakaviana iray ity fa an’i Depiote avokoa ny masomboly rehetra miparitaka ao anatin’ny distrikan’i Mahabo, Morondava, hatrany Belo sur Tsiribihina. “Izy avokoa no mamatsy hatrany anatin’ny alan’i Lambokely, izay efa tena anatin’ny ala arovana. Izahay no anisan’ny manangom-bokatra any amin’iny faritra iny. Avy ato Ankilivato izahay no miditra ka mamakivaky ny tanàna mivoaka hatrany Lambokely. Raha ny zava-misy aloha rehefa miakatra ny vokatra, dia misy kamiao eo amin’ny 11 no mitatitra katsaka mankany Antananarivo, isaky ny roa andro izany. Ny kamiao iray anefa dia nitatitra 32 taonina isaky ny dia iray. Raha kaontiana dia mahatratra any amin’ny 320 taonina isaky ny roa andro izany ny katsaka miainga avy eto Menabe. Orinasa telo lehibe ao Analamahitsy, Anosizato, ary Antsirabe no fanateranay izany katsaka izany. Raha tsy diso ny fahalalako dia ny orinasa Agrival sy ny LFL no any Antananarivo, orinasa irao ao Ambohimena, miaramiasa amin’ny Malto-Star ny ao Antsirabe”, hoy ity loharanom-baovao iray ity.

Ny depiote Leva, tao anatin’ny fandraisam-peo azy, dia namoaka ireo anarana ireo saingy niaro azy kosa: “Tsy ny Star na ny LFL no haniraka anay hamboly anaty ala vooaro, tahaka ahy tsy mankasitraka izany”, hoy izy. Raha ireo fanazavana ireo dia milaza fa ireo orinasa ireo dia tena mividy katsaka aminy.

Mikasika ireo orinasa telo ireo, dia mitsipaka ny fiampangana azy, izy ireo raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana nanaovana fanadihadiana. “Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny tompon’andraikitra sasany tamin’ireo, saingy mazava ny valin-teny. Tsy mankasitraka ny fanimbana tontolo iainana izahay, no raha mahafantatra izany, tsy mba hividy vokatra maloto tahaka izany”, io no tatitra nomen’ity loharanom-baovao iray ity, izay nangataka tsy ho tononona anarana ihany koa amin’ny asany sy ny toerana misy azy eo amin’ny fiarahamonina.

Marihina fa raha ny fanambarana nataon’ilay mpiara-miasa akaiky amin’ny depiote Leva hatrany dia mampiasa ireny kamio lehibe tsy mitafo ireny miisa 7 ihany koa ry zareo miantoka ny fakàna ny vokatra any anaty ala. “Tsy mitafo ireo fiara ireo, satria natao ho afaka mandeha tsara any anaty ala”, hoy hatrany izy. Mikasika ny resaka kamiao izay, dia nanambara ny depiote Leva, fa tsy manana kamio mpitatitra entana mankany Antananarivo afatsy efatra na dimy izy. “Izany aza dia mbola vola avy amin’ny mpiara-miasa sy ny banky izay mampindram-bola afahafana manao ny asa fandraharahana”, hoy izy nanazava mikasika izay teboka izay.

Na eo aza anefa izay fanambaran’Atoa depiote Leva izay, amin’ny resaka fanosora-potaka azy, dia tsy afaka ny nanampy ny mpanao fanadihadiana lalina mba hamantatra izay olona mety ho ao ambadik’izany izy. “Tena tsy fantatro izay ati-doha mikotrika io fandripahana ny ala io. Tsy anatin’ny faritra iadidiakorahateo izany”, hoy izy.

 

Kolikoly sy tahotra

Tamin’ny fanadihadiana natao ireo tompon’andraikim-panjakana rehetra tao amin’ny faritra Menabe, dia hita ho nisy ny tahotra ity olom-boafidy ity noho izy tsy azo nenjehina fa nigoaka ilay lalàna tsy maty manota, tsy ahafahana manenjika depiote. Mainka natahotra sy nihorohoro ny olom-boafidy tahaka ny ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny fokontany noho ny tanjaka ananan’ny depiote Leva. Anisan’ny tranga mampametram-panontaniana ary efa nahazoam-baliny tamin’ny talem-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana Lovain-jafy ny mikasika ny mpandripaka ala izay voasambotra. “Ny zavatra mahagaga ahy dia tsy misy vesatra mihitsy ahafahana manenjika ilay depiote, ireo voasamabotra sy hatao famotorana dia tsy misy manonona azy. Izaho rahateo moa tsy manatrika ny famotorana. Manao Sonia ny fehin-kevitra aho, ka tsy afaka miantoka tanteraka ny voalazan’ny antontan-taratasy any amin’ny tribonaly”, hoy ramatoa tale.

Ny tonian’ny mpampanoa lalàna, Ratsimandranto Jean Jacques William, dia nanamarika izay tatitra avy amin’ny sampandraharahan’ny tontolo iainana izay. “Tsy afaka manao na inona na inona izahay noho ireo tatitra azonay, tsy ampy hanenjehana an’Atoa depiote. Matetika anefa, misy ihany ny olona tena mampiahiahy ho mpiray tsikombakomba aminy mivantana dia haiditray am-ponja. Marihina fa izay olona voasaringotra amin’ny fandripahana ala dia miditra am-ponja vonjimaika avy hatrany, tsy misy indrafo. Fa raha toa ka misy ny olona afaka ny hijoro vavolombelona sy afaka manatitra porofo mifantana aty aminay dia tsy maintsy haka ny andraikitra tandrify anay”, hoy ity mpitsara ity.

Ny eo anivon’ny Firaisamonim-pirenena sy ny mpiara-miombon’antoka toy ny Durrell dia mitondra fanamarihana mikasika ny fomba fiasan’ny mpiasam-panjakana. “Voalohany, hitanay fa tsy mitovy fomba fijery sy fomba fiasa ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny tontolo iainana sy ny fitsarana. Ny fitsarana izay miandry antontan-taratsy mafonja avy amin’ny mpanao famotorana. Ireto farany izay mpiasan’ny talem-paritry ny tontolo iainana anefa tsy mahita vesatra ahafahana manenjika ny olo-be ambadik’io fanimba ala io. Faharoan’izay, anisan’’y olana sedraina aty an-toerana koa ny tsy fahampian’ny ho enti-manana amin’ny mpiasam-panjakana, araka ny fitarainan’ny tompon’andraikitra. Hany ka rehefa misy ny tranga ilàna fanenjehana maika, dia taraiky izany satria mbola mangataka solika, mitaky tambin-karama aminay ny mpiasam-panjakana. Antony manome vahana ny mpandripaka ala izany”.

Ankoatra ireo, misy amin’ny mpiasa sy mpiara-miasa amin’ny depiote Leva ihany koa anefa no velon-taraina, fa betsaka amin’ny mpiasam-panjakana toy ny ao amin’ny distrika, ny zandariamriam-pirenena, ny fitsarana, ny sampan-draharahan’ny tontolo iainana no efa mandray vola avy amin’ny depiote ka minia tsy mahita, sy tsy manakana izay asa ratsy ataony. “Ny mampalahelo anay, dia ireo lehibe no voky fa ny madinika dia manatanteraka baiko fotsiny. Vokatr’izany, misy aminay mpiara-miasa amin’ny depiote, midina ifotony manangom-bokatra no manome kely ireny mpiasam-panjakana madinika ireny”, hoy hatrany ny fijoroana vavolombelona, voaray feo.

 

Mangina ny Minisiteran’ny tontolo iainana

Hatreto na efa andohalika aza ny ranom-bary, mbola tsy hita ny fandraisana andraikitra mivantana nataon’ny ministeran'ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Mitohy ny voly katsaka sy voanjo anatin’ny faritra voaaro. Efa miandry ny vanim-potoana hiakaran’ny vokatra aza ny mpamboly, tsy manara-dalàna. Nisy ny fangatahana fihaonana tamin’ny Minisitra tompon’andraikitra mba ahafahana miresaka ireo olana momba ny tontolo iainana, toy ny mikasika ny sambo Flying, ny fandripahana hazo ao Antimena, saingy noho ny fahafenoan’ny fandaharam-potoanany dia tsy tanteraka izany. Nisy ny zoma faha 6 ny volana avrily, ny fotoana nomena ny mpanao fanadihadiana, tokony nihaonana tamin’ny sekretera jeneraly, saingy minitra vitsy mialoha ny fihaonana vao nampandre an-telefaonina ny tompon’andraikitra fa foana ilay fotoana.

 

Naiditra am-ponja ny depiote Leva sy ny zanany

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny talata 23 avrily 2019 vao maraina tany Mahabo, ny depiote teo aloha Leva sy ny zanany lahy. Nosavaina ka nahitana fitaovam-piadiana toy ny basy sy bala maromaro tao an-tranony. Nisy ihany koa ny vola tratra tamin’izany. Ny alarobia hariva 24 avrily 2019 no natolotra ny fampanoavana izy mianaka ary naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany miandry ny fotoam-pitsarana azy. Manam-boninahitra iray ao amin’ny tafika, tsy nitonona anarana no nanambara fa notambazan’ity depiote teo aloha ity volabe nandritra ny fisamborana azy, saingy tsy nandray izany. Andrasana ny fitsarana ny depiote teo aloha sy ny zanany lahy.