x

Fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana : tsy fanarahan-dalana sy kitranoantrano

Fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana : tsy fanarahan-dalana sy kitranoantrano

Miteraka ahiahy sy resabe ny asa fanamboarana ny Rovan’Antananarivo. Mifamahofaho ny fanontaniana, satria tsy hita ny fangaraharaharana na eo amin’ny fampiasam-bola na eo amin’ny ny tolo-bidy. Ny fanazavana entin’ny fitondrana rahateo dia tsy azo raha tsy misy toe-javatra mampiahiahy izay miparitaka ao amin’ny tambajotra sosialy. Manampy trotraka ny fanontaniana maro momba ny ny kianjo Masoandro.

Anisan’izany ny momba ny 8 378 140 000 ariary  na maherin’ny 2 tapitrisa euros, izay nambara fa hanaovana ny “muséographie”- ao anatin’ny  Rova. Ny orinasa Présence France any La Madeleine,  any Frantsa, no hanantanteraka izany.  Efa tamin’ny volana novambra 2019 no nanaovana ny faktioran’io asa io. Tsy fantatry ny be sy ny maro ny fisiany raha tsy ny  volana jona 2020, izay nivoahan’izany faktiora izany tamin’ny tambajotra sosialy. 180 andro ny fetrandro hanaovana ny asa raha ny taratasy, nanomboka ny volana novambra 2019. Tsy hita mazava ihany koa ny tolobidy momba io asa io, no tsy nasehoan’ny fanjakana ny olompirenena, araka ny hoe fitantanana mangarahara, izay naverimberin’ny Filoha Rajoelina fa volam-bahoaka madiodio no hanamboarana ny Rovan’Antananarivo ho mariky ny hambompom-pirenena. Efa taorian’ny nivoahan’ny faktiora tamin’ny tambajotra sosialy sy tamin’ny gazety La Gazette de la Grande Ile vao nitondra fanazavana ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina (MSK). Fanazavana izay miendrika famonoana afo satria tsy namaly mazava ny zavatra tsy mangarahara rehetra amin’izy io, ary toy ny tara loatra rahateo.

Manjavozavo ny momba ny hazo hanamboarana ny Rova, ny tetibola ihany koa


Mitovy tsy misy valaka amin’ny raharaha etsy ambony koa ny momba ny hazo izay hanamboarana ny Rova. Voalohany, mikasika ny hazo voamboana mirefy 350m3, voalaza fa hanaovana ny fandrakofana ny  ivelan’I Manjakamiadana. Efa ny taona 2019 no navoaka tao amin’ny seranantsambon’i Mahajanga ny hazo, ary efa tonga teny amin’ny Toby Miaramilan’ny Hery Fampandrosoana (Commandement des Forces de Développement, COFOD) teny amin’ny lalana Digue. Teo no nafindra eny amin’ny orinasa Tropical Woods. Io orinasa io dia voalaza fa nahazo ny tolobidy avy amin’ny MSK. Tolobidy izay marihina fa tsy nisy mangaraharaha ny famoahana azy sy ny nisafidianana ny orinasa.

Raha tsiahivina, anisan’ny fanamby nataon’ny Filohampirenena ny fanarenana an’Anatirova, mialoha ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena. Nomeny fahefana feno hanao izany ny MSK. Ny taona 2019, nangataka ny homena fahazoan-dalana hanapaka hazo ny MSK, mba ahafahana maka izay hazo ilaina eny Manjakamiadana.

« Nandà ny fanapahana hazo anefa ny minisitry ny Tontolo Iainana tamin’izany fotoana satria mifanipaka amin’ny fanambarana nataony izany raha vao nandray ny toerany izy. Raha ny fahalalako azy, nisy ny mpanolontsaina nandresy lahatra azy mba ireo hazo efa voageja no hampiasaina. Nolaniana tamin’ny filankevitry ny minisitra mihitsy, ny baiko ho an’ny minisiteran’ny tontolo iainana hamoaka ny hazo, raha tsy diso aho. Nisy ny fitondrana ny raharaha teny anivon’ny fitsarana tao Mahajanga, mba nahafahana maka didy mamoaka ny hazo, voageja tao amin’ny serana-tsambo. Nanaraka ny lamina ny teo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo Iainana. Nezahina nanaraka ny fenitra mihitsy, hatramin’ny fitaterana azy taty an-drenivohitra aza, satria raha misy ny lesoka tsy afa-bela ny mpiasa ao », hoy ny loharanom-baovao, nangataka ny tsy ho tononina anarana.

Manamafy ity loharanom-baovao ity fa efa feno ny 350m3 nilaina, nafindra eny amin’ny Tropical woods eny Mamory izany.

« Tsy mbola misy ny fampiakarana na ampahany amin’ny hazo eny amin’ny Rova, ka mampametram-panontaniana izany », raha ny filazany hatrany.

 

Nisy rahateo ny fiakarana teny Anatirova, ka tsy mbola nahitana taratra ny fisian’ireo hazo sarobidy ireo, na amin’ny ampahany aza, eny an-toerana. Ny eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo iainana dia tsy mbola misy mamaly ny fangatahana fihaonana hatramin’izao fotoana hamoahanay lahatsoratra izao, mikasika ity resaka hazo sarobidy ity.

Tsy fanarahan-dalàna maro


Hita ao anatin’ity raharaha momba ny fanamboarana ao Anatirova ity koa ny karazana fitsabahana andraikitra nataon’ny MSK. Ny faha-30-n’ny volana marsa 2020, dia nisy  taratasy, mitondra ny laharana N°095-2020/MCC/Min, nosoniavin’ny minisitra Rakotondrazafy Lalatiana,  izay manome alalana olon-tsotra, amin’ny anaran-dRandrianarison Rondro Harimalala, hitatitra hazo Anakaraka, mirefy 265m3 indray. Hazo mbola entina hanamboarana ny Rova ihany koa ireo. Raha ny lalàna manan-kery anefa dia ny eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo iainana ihany no afaka manome izay fahafahana mitatitra hazo izay.

 

 

Marihina fa tsy anisan’ny tomponandraikitra nomena dika mitovy, na dia ho fampahafantarana ny fisian’ity fahazoan-dalana ity fotsiny aza ny teo anivon’ny ministeran’ny Tontolo iainana. Navantan’ny MSK avy hatrany tany amin’ny talem-paritra Atsimo  Andrefana sy Melaky izany. Rano dikain’ny zinga tsotra izao. Noho ny antony samihafa sy ho firaisankinan’ny governementa, dia nisy anefa ny taratasy hafa navoakan’ny teo amin’ny Minisiteran’ny tontolo iainana, izay manamafy ny voalazan’ny MSK, tolo-tanana amin’ny fivezivezen’ny hazo.
«  Tsy mahagaga. Tsy fantatra izay nifanarahanan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta, fa nisy ny taratasy vaovao ny 08 avril 2020, manamafy izay nataon’ny MSK izay, nosoniavin’ny minisitra Raharinirina Vahinala Baomiavotse, minisitry ny tontolo iainana. Raha ny voarakitra amin’ilay taratasy dia tsy fahazoan-dalana hivezivezy akory aza fa fanaraha-maso sy fiarovana ireo hazo miakatra avy any Atsimo Andrefana sy Melaky no natao », hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Kitranoantrano
Teboka tsy mazava koa ny  nisafidianana ny mpanatanteraka ny asa, indrindra ny fikirakirana ny hazo.Voalohany, tsy nahitana taratra tolobidy ampahibe-maso ny maha « Maitre d’œuvre » ny orinasa Tropical Woods. Tsy hita tamin’ireo fitaovan-tserasera toy ny système informatisé de gestion des marches publics (SIGMP), tokony hanaovana izany ny dingana harahana amin’ny fanaovana tolobidy sy ny fijerena ireo mpandraharaha afaka mifaninana. Voarakitra anatin’ny sata mifehy ny tsenam-baro-panjakana rahateo ny mikasika izay. Tsy tokony hialokalofana ny filalaovana ny « hamehana ».
Faharoa, mikasika an-dRandrianarison Rondro Harimalala, voalaza fa mpamatsy ny hazo. Tsy nisy ihany koa aloha ny tolobidy, rehefa nozahana ny tranonkalan’ny fiadidiana ny Repoblika sy minisiteran’ny tetibola, ny MSK sy ny gazety mpiseho isanandro.  Tsy mazava ihany koa na ny MSK mivantana no nisafidy azy io na ny orinasa Tropical woods no nanome azy fahefana hividy sy hanangona hazo amin’ny anaran’ny orinasa. Raha ny tahirin-kevitra eo am-pelatanana dia mamaritra mazava fa ny faha-9 avril 2020 vao nanao taratasy fanomezan-dalana azy ny orinasa mba hisolo tena azy. Ny MSK indray kanefa, araka ny voalaza etsy ambony, dia efa ny faha-30 marsa 2020 no efa namoaka ny fanomezan-dalana ary mamanafy mazava fa i Randrianarison Rondro no mpamatsy ny hazo.
Marihina kosa anefa, taorian’ny fanamarinana ny antonta-taratasiny rehetra teny amin’ny sampandraharahan’ny hetra araka ny Numéro d’Identification Fiscale (NIF) sy ny laharan’ny Carte Statistique (STAT) nampiasain-Randrianarison Rondro Harimalala, dia tena manao asa fanangonana hazo tokoa izy: tsy misy ny ahiahy momba ny hosoka.
Fahatelo mikasika an’i Jean Bardeau, voalaza fa tompon’ny tahirin-kazo novidian-dRandrianarison Rondro Harimalala tao Sakaraha. 13.036 m3 aloha ny hazo efa voatatitra, hatramin’izao. Efa lany daty ny faha-12-n’ny volana oktobra 2019 ny fahafahan’i Jean Bardeau mitrandraka ala, raha ny tahirin-kevitra hita farany. Tsy voafaritra mazava koa ny antony nisafidianana azy, ary mahatonga ny tomponandraikim-panjakana sasany, sy ny mpandraharaha amin’ny sehatry ny hazo, mametram-panontaniana, ankehitriny.  
Mila valiny
Manoloana ireo toe-javatra ilam-panazavana avy amin’ny MSK  ireo dia sehatra iray hilana ny mangaraharaha avy amin’ny Fitondrana foibe ny fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana. Na ity resaka hazo ity fotsiny aza, maro ny aloka ilam-panazavana. Natao inona ary ampiasainaa amin’ny inona marina ireo voamboana mirefy 350m3 efa tonga hatramin’ny taona 2019 ? Ny fanazavana navoakan’ny MSK tamin’ny alalan’ny Facebook, ny faha-18 marsa 2019 anefa milaza fa  « Bois d'ébène sy vandrika avokoa no mandrafitra ny gorodon'ny rovan'i Manjakamiadana ».
Ankoatra ny hazo, ahoana ny mikasika ny tetibola, izay ahiana ihany ny fisian’ny loharanom-bola samihafa mihodina ao ?  Andaniny ny voalazan’ny MSK fa volam-panjakana madiodio, izay tsy voalaza anatin’ny tetibola 2020 akory. Ankilany amin’ny maha vakoka iraisam-pirenena azy, mety misy ve ny fanampiana avy any ivelany ?


Mikasika ny vola ho enti-manana avy eto an-toerana, efa nisy fanazavana nentin’ny  loholon’i Madagasikara Auguste Phillipe, voafidy avy any Fianarantsoa tamin’ny gazety Express de Madagascar, ny 22 jona 2020.  Nilaza ity loholona ity fa misy vola 22 miliara Ariary natokana ho an’ny asa antsoina hoe « programme d’investissement public », mandeha mivantana any amin’ny MSK.

 
« Voafaritra ao anatin’io vola io ny asa rehetra amin’ny fanamboarana ny vakoka,  ny 9 miliara Ariary dia hanaovana  asa fanavaozana, fanatsarana sns. », hoy hatrany izy.


Araka ny voalaza tamin’ity vaovao an-gazety ity ihany, nilaza ny senatera fa efa nahazo fankatoavana avy amin’ny parlemanta ny vola natokana ho an’ny Rovan’Antananarivo, ka aorian’ny famitana ny tetibola voasoratra araka ny lalàna mamaritra ny vola mivoaka vao ho fantatra ny antsipirihany amin’izany. Iray volana aty aoriana, jolay 2020, mbola tsy nisy izany. Ny tsikaritra anefa, efa mandeha ny famoaham-bola, efa misy ny asa saingy mipetraka ny fanontaniana : tena amin’ny ilàna azy ve ny vola mivoaka ? Mandeha araka ny tokony ho izy ve ny zava-drehetra ?


Kianja Masoandro


Ny septambra 2009 no nivoaka ny tolobidy  momba ireo asa ao Anatirova, mba hahitàna izay orinasa hahavita ny asa. Nivoaka an-gazety izany, ary samy nahita ireo lapa haverina hatsangana dia I Tranovola sy Manampisoa, ary ny kianja Masoandro. Ny volana febroary 2020 kosa ny Filoha Rajoelina no nilaza tamin’ny haino amanjery, momba ny asa fananganana io kianja Masoandro io, raha nitsidika teny Androva izy.

 

Nivoaka tamin’ny 10 septambra 2019 ny  antso tolo-bidy ho an’ny “Asa fananganana ny Kianja Masoandro ao anatin’ny Rova Manjakamiadana (« contrat cadre ») » ho toko iray tsy mizara, arak’izay azo vakiana ao amin’ny tranokalan’ny «Autorité de Régulation des Marchés Publics” (ARMP). Toy izany koa hoan’ny « Asa fananganana lapa roa » mizara ho toko roa : lot 01, Lapa Tranovola sy lot 02, Lapa Manampisoa. Ireo toko roa ireo dia namerenana tolo-bidy tamin’nyn 24 oktobra 2019, raha ny tranokalan’ny ARMP ihany no jerena.

Tsy fantatra moa ny fiafaran’izany famerenana izany. Ny fikarohana natao dia mbola tsy nahitana ny porofo fanolorana ny tsena fanamboarana ny kianja Masoandro hosahanin’ny orinasa Colas. Raha ny tokony ho izy, dia taratasy azon’ny olompirenena rehetra zahàna izany, ary tsy tokony ho saro-tadiavina rahateo. Izany tsy fahampian’ny fangaraharana izany dia manamafy indray ny fahamehan’ny fisian’ny lalàna manamora ny fisitraham-baovao ofisialy. 

Fangatahana fanafoanana

Fikambanana sy vondrona 12 no nilaza ampahibemaso ny fitsipahany ny asa fanorenana ilay kianjo Masoandro ao an-drova, dia ny fikambanana Harena Madagascar, ny Antenimieran’ny oloben’I Madagasikara (AOM), Fikambanan’ny “Tanora Mandala ny Fahamarinana mba ho Fampandrosoana ny Firenena” (FTMF), ny fikambanana “Fahefa-Mividy Izao no takin’ny Malagasy” (FMI Malagasy),  Tsy Misaramianakavy, Mamelomaso, ny ONG Hitsy,  Ny Rariny sy Hitsiny Ivoarana, Ravintsara, Saf/FJKM, ny Taranak’Andriamasinavalona sy ny Taranak’Andriamafihozona.

Raha ny fanambarana nataon’ireo mpanohitra ny fananganana ny kianja ao Anatirova, dia mitaky izy ireo ny fanafoanana ny fahazahoan-dalàna hanangana ny kianjo Masoandro, ny fanafoanana ny didim-panjakana manangana ny komity siantifika sy fanafoanana ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’izany komity izany.

 Ny fanjakana dia milaza fa nandalo ny faneken’ny komity siantifika izay nijery manokana sy mialoha ny tetikasa ity fananganana kianja ity. Ny fikambanana Harena Madagascar sy Mamelamaso, izay isan’ireo 12 nametraka fitoriana kosa dia milaza ao anatin’ny taratasy nivoaka ny 22 mars 2020 fa fa efa nisy fandavàna ny tetikasa avy amin’ny filohan’ny komity malagasy ho an’ny filankevitra iraisampirenana momba ny vakoka (ICOMOS), saingy tsy niova hevitra ny filohampirenena. 

Fanekena avy amin’ny komity siantifika tokoa ve, sa fitsivalanan’ny Fanjakana : mipetraka ny fanontaniana sy ny fanahiana. Toy izay voalaza momba ny tolobidy sy teti-bola miasa amin’izao tetikasa eny Anatirova izao, dia ilaina koa ny mangaraharaha amin’ny dingana rehetra nentina nanapahana hevitra sy nanantanterahana ny tetikasa.     

 

La Rédaction