x

Fahasalamana:Tsy mbola maha vaha olana ny Fonds d’equité hospitalier

Fahasalamana:Tsy mbola maha vaha olana ny Fonds d’equité hospitalier

 

Angombaovao notontosain'i Riana Raymond.  Nanomboka ny taona 2004 ny tetikasa Fonds d’approvisionnement Non-stop en Médicament Essentiel (Fanome), na tahirimbola maharitra ho an’ireo fanafody ilaina maika,  izay napetraky ny Minisiteran’ny Fahasalamana hanampiana ireo fianakaviana tena marefo. Manano sarotra anefa ny fampiharana azy ity ao Vatomnadry izay nisantatra ny tetikasa Fanome, satria tsy mba voavaotra ny lisitr'ireo fianakaviana tokony histrika izany. Antony : tsy efan'ny fokontany intsony ny andraikiny noho izy ireo tsy mba nahazo tambinkarama efa amam-bolana.  

Ilay tahirim-bola «  Fonds d’équité » dia hita eny anivon’ny toeram-pitsaboana tsotra toy ny Centre de santé de base niveau 2 (CSB2),  ny «  Fonds d’Equité Hospitalier » kosa eny amin’ny hopitalim-panjakana lehibe, no entina manampy ireo olona sahirana.  Mandrakotra ny sara-pizaham-pahasalamana sy ny vidim-panafody ka hita ao amin’ny toera-pitsaboana, ny tahiry.

Miditra amin’ny faha-16 taona nampiharana azy ny “ Fonds d ‘Equité”. Amin’ny ankapobeny, ampahan’ny olona sedrain’ny marary no voavahan’ny tahiry, araka ny fanadihadiana natao tany Vatomandry ny volana  janoary  2020,  lasa teo.  Nilaza ny lehiben’ny hopitaly  ao an-toerana, Dr Rasolomanana Tantely fa :

 “ Manampy ny tahiry, indrindra fa amin’ny vonjy aina maika, saingy  voafetra ny tombontsoa azon’ny mpisitraka. Tena tsy afaka manao afa-tsy ny fizaham-pahasalamana sy, manome izay fanafody misy eto amin’ny hopital, izahay. Raha misy ny fahasarotana mila fandidiana, tsy maintsy miantoka ny saran’izany ny fianakavian’ny marary”,

 

 

Dr Rasolomanana Tantely, lehiben’ny hopitalin’i Vatomandry

Tsy ampy ny vola          

Nahatratra 103 ny marary nisitraka ny Fonds d’Equité Hospitalier tao amin’ny hopitalin’i Vatomandry ny taona 2019, araka ny tatitra nataon-dRaharimalala Liva Harisoa, mpiasan’ny ONG Dorkasy Vatomandry. Ity ONG Dorkasy, izay sampana anivon’ny fiangonana FJKM ity no nahazo ny tolo-bidy ho an’ny fitantanana ny tahirimbola.  Manodidina ny 300 000 ariary isam-bolana ny vidim-panafody miditra ao amin’izy ireo, ka ny 6% amin’ny tombom-barotra no ampiasain’ny Fonds d’équité.

 “ Hita fa tena ilaina ity tahiry itySaingy  tsy mahavita manavao ny lisitry ny mpisitraka ilay tahiry ny eo anivon’ny fokontany sy ny kaominina hany ka tsy hita mazava ny antontan’isa. Ankoatra izay, anisan’ny mpisitraka vaovao, hitako, tonga tamin’ny taon-dasa iny izao, ny voafonja. Betsaka ny olona migadra ka marary no alefan’ny dokotera mitsabo tena aty amin’ny hopitaly. Ilay tahiry manokana io no miantoka ny lanin’izy ireo. Tsy anisan’ny mpisitraka anefa ny voafonja raha tahiny ka tsy misoratra any anaty lisitra havoakan’ny kaominina. Soa ihany fa voafaritry ny lalana mifehy ny “Fonds d’équité” ity ny olona mila vonjy maika, ka mahazo alalana manokana avy amin’ny ben’ny tanana sy ny fokontany rehefa natao fanadihadiana fa tena tsy misy loharanom-bola, tena marefo”, hoy hatrany ity tompon’andraikitra iray ity.

Ankoatra ny volan’ny vidim-panafody, dia miantoka ny fampidiram-bola ao amin’ny tahiry ho an’ny sahirana ity ny hopitaly. Misy ampahany betsaka amin’ny vola ampidiriny no tsy maintsy alefa ao amin’ny kaonty voatokana  ho an’ny mahantra.

“Hatreto, azo heverina fa afaka mamita ny adidinay izahay eto amin’ny hopitaly, saingy, tsy ampy ny tahiry eo am-pelatanana.  Rehefa mihoatra ny azo atao ny fandaniana, tsy maintsy manefa vola ihany ny fianakavian’ny marary. Olana koa io tsy fanavaozana ara-potoana ny lisitry ny olona misitraka ilay tahiry.. Etsy ankilan’izay, maro ny olona mahantra tonga midododo mila vonjy maika ety aminay, tsy azo atao ny mamerina fotsiny azy ireny, ezahina vahana amin’ny tahiry misy ato izany. Takiana amin’izy ireo fotsiny ny fihaonany amin’ny “assistant social”, izay manoro hevitra azy ireo, hanatona ny filoham-pokontany sy ny ben’ny tanàna mba haka taratasy manamarina fa mahantra. Rehefa mahazo izay izy ireo dia misitraka feno ny fanampiana.” , hoy hatrany ny dokotera Rasolomanana Tantely.

 

 

Miezaka ny mampiasa ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny Fikambanana Dôrkasy, ao Vatomandry, voafantina hitantanana ny toeram-pitehirizana fanafody.

Tsy voahaja ny voalazan’ny lalàna

Raha ny tokony ho izy, tsy misy olona ivelan’ny lisitra fototra omen’ny fokontany sy ny kaominina afaka misitraka izany.  Ao anatin’ireo heverina ho sahirana na/sy marefo ohatra ny renim-pianakaviana tsy manambady, ny fianakaviana maro anaka saingy tsy manana fidirambola mazava, ny olona manana fahasembanna, sy ny zokiolona izay tsy misy fidiram-bola ihany koa. Tao anatin’ny roa taona anefa izay, tsy mahavita ny asany ny filoham-pokontany sy ny teny anivon’ny kaominina. Araka ny fanazavan’ny filoham-pokontany tao Antanantsaripatia, kaominina Vatomandry renivohitra,  Rasolofoniaina José, dia tsy afaka miasa ara-dalàna izy ireo satria efa 11 volana tsy mba nandray tambin-karama.  Manginy fotsiny ho azy ny tsy fananana birao hiasana, ka ny tokantranonany no sady fonenana no toerampiasana sy fandraisana olona. Ny ben’ny tanana teo aloha, Khan Gallison André Nöel koa dia nanamafy fa:

“ Tsy marisika intsony amin’ny fanisana sy ny fanavaozana ny lisitry ny mpisitraka ity tahiry manokana momba ny fitsaboana ity ny sefom-pokontany, noho ny resaka ara-bola. Mampimenomenona azy ireo  tanteraka izany.”

Izay rahateo no nentiny nanamarina ny tsy fahavitan’ny kaominina ny fanavaozana ny lisitra tamin’ny taona 2018 sy 2019. Marihina, fa manodidina ny 200 na 250 isan-taona ny olona misitraka ny “ Fonds d’équité Hospitalier” ao amin’ny kaominina Vatomandry.

Iray amin’ny ireo marary nahazo fanampiana avy amin’io tahirimbola  io I Sitraka, 30 taona. Olona sahirana I Sitraka, tsy manana anton’asa raikitra izy mivady. Voatery nentina tao Antananarivo izy hotsaboina satria tsy vita tao Vatomandry izany:

“Tsy maintsy nandoa vola be ihany izahay ary nividy fanafody 50 000 Ariary isan’andro teto Vatomandry, satria tsy nanana ny hopitaly.  Tena tsy izy mihitsy ilay resaka “fonds d’équité” ity, raha zohiana akaiky.  Na ao anatin’ny fahasahiranana sy tsy fisiana aza, tsy maintsy mamoaka vola am-paosy ihany”.

 

Andraikitry ny kaominina ny mamoaka ny lisitry ny mpisitraka ny tahiry

Mifameno

Nanomboka ny taona 2018 dia nametraka  tetikasa iray vaovao, ny teo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana dia ilay Caisse pour la Santé Universelle (CSU). Tetikasa natao mba hisitrahan’ny Malagasy rehetra, ny fitsaboana maimaim-poana. Mbola any amin’ny distrikan’I Vatomandry ihany koa no nametrahana ny tetikasa filamatra. Ao anatin’ity tetikasa ity no nametrahana ilay tahiry iray vaovao, hisitrahan’ny sahirana fiantohana feno avy amin’ny fanjakana ihany koa na ny Caisse Nationale de Solidatité pour la Santé” ( CNSS.)

Ny mahasamihafa ny CNSS amin’ny  “ Fonds d’équité” dia  afaka misitraka ny fitsaboana rehetra hatramin’ny fandidiana, hofatrano sy ny karazana fitiliana ilainy ny marary. Mbola mahazo fikarakarana manokana ihany koa ny antontan-taratasy rehetra hanafainganana ny fitsaboana ilaina.

Olona 12000 eo no efa voatsirika fa miankin-doha amin’ity tetikasa vaovao ity, ka ny fanjakana avokoa no handoa ny latsakembok’izy ireo, raha ao amin’ny kaominina 12 mandrafitra ny distrikan’I Vatomandry manokana. Efa misy olona hafa 1000 kosa no nianto-tena ka nandoa ny anjarany. “Ity sokajy farany ity dia tsy hijerena saranga na fidiram-bola. Mahazo miditra ho mpikambana avokoa izay olona afaka mandoa ilay latsakemboka 9000 Ariary, isan-taona, isan’olona. Heveriko fa hahomby kokoa ity tetikasa ity, raha mitohy ny faharisihan’ny olona”, hoy ny hoy Dr Rakotondrabe Andriniaina, Medecin inspecteur ao amin’ny distrikan’i Vatomandry . Tsy mbola miparitaka manerana ny nosy  akory ny tetikasa CSU-CNSS ity.

Raha ny any Vatomandry, dia mbola mifameno araka izany ny Fonds d’équité sy ny CSU-CNSS ity, satria misy ireo tsy mbola misitraka ity farany, no mbola miantehitra amin’ilay tetikasa taloha.

 

Santionany amin’ny karinem-pitsaboana tokony haparitaka  ao amin’ny fokontan’Antanatsaripatia

Misy olana sahady

Na eo aza ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny  fametrahana ny tetikasa tahaka itony, misy hatrany ny olana sedraina. Anisan’ny nitondran’ny tompon’andraikitry ny hopitaly fanamarinana ny mikasika ilay CSU-CNSS io.

Mitaky ezaka manokana ho an’ny mpiasa ato aminay ny fanomezana fahafaham-po ny mpisitraka io tetikasa vaovao io. Tsy azo ampitoviana ny marary hafa ny mpikambana. Maimaim-poana ny asa rehetra, saingy hatreto, mitarazoka ny famerenam-bolanay ato amin’ny hopitaly. Tsy maintsy miantoka ny fitsaboana izahay, avieo vao mandoa vola ny fanjakana amin’ny alalan’io tahiry io. Hatramin’izao anefa tsy mbola nisy izany. Ny ahiahinay dia sao hisy fiantraikany amin’ny fihodinan’ny hopitaly izany”, hoy ny dokotera Rasolomanana Tantely, lehiben’ny hopitaly. Raha fehezina, mbola betsaka ny ezaka takiana amin’ny fanjakana mba hahamari-pototra ireo tetikasa momba ny fahasalamam-bahoaka. Tsy ampy ny fametrahana azy ireny fotsiny fa mitaky asa mivaingana.

Distrika natao ho filamatra amin’ny tetikasa “Fonds d’équité” sy ny CSU-CNSS I Vatomandry.

Fanaovazana farany tamin'ny lahatsoratra : 19.05.2020.