x

Aoka izay ny fahanginana manarona ny kolikoly ara-nofo

Aoka izay ny fahanginana manarona ny kolikoly ara-nofo

Ity fanatsikafonana ity dia notanterahanay ho fandraisana anjara amin'ny fanamarihana ny 16 andro fitolomana  (25 novambra - 10 desambra) ho fanoherana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy. 

 

Ireo iharany ? Mpianatra, mpiofana ho mpitsabo, mpiasa, mpianatra asa. Ireo mpanery ? Mpampiasa, mpampianatra, mpitsabo matihanina, olona manana andraikitra ambony amin’ny tany sy fanjakana ary fanta-poko fanta-pirenena, mpifehy samihafa. Ho takalon’ny fihetsika mamoa fady, dia azon’ireo mpanery atao ny manova tanteraka ny zotrampiainan’ireo iharan’ny herisetra ataony. Raha manohatra ireto iharan’ny fanerena ara-nofo, dia hivarina nofy ratsy ny fiainany : antsonjay, herisetra, fanalana baraka, tsy fahafahana fanadinana. Raha sanatria manaiky kosa anefa, dia roboka tanteraka anatin’ny tontolon’ny kolikoly, herisetra ara-tsaina sy ara-batana. Rehefa nanao fanadihadiana momba ity kolikoly ara-nofo ity izahay teo amin’ny sehatrin’ny oniversite sy ny orinasa, dia nahatsapa fa mitana ny fahanginana momba io tranga io ny ankabezan’ny olona. Fahanginana izay mahazo vahana noho ny tahotrin’ny valifaty sy ny henatra etsy ankilany, ary ny fiheverana fa resaka fady ny herisetra ara-nofo etsy andaniny.

Mpianatra ho mpitsabo, mijoro vavolombelona ao anatin'ny horonantsary "Kolikoly Ara-Pananahana" novokarin'ny TI-MG sy ny tambazotra Malina, desambra 2020

« Hatramin’izay nahatsiarovako saina, dia te hianatra sy ho matihanina ao amin’ny sampana io ny tenako. Andraikitra lehibe no hosahanina ao mantsy, ny karama rahateo tena tsara : nofisiko mihitsy ny hiasa ao. Hany ka nilofo tanteraka aho mba hahatontosa izany nofy izany. Nihevitra aho fa raha tafiditra ho sangany amin’ireo mpianatra ho mpitsabo miisa 800 izay mifaninana manerana an’i Madagasikara, dia afaka miaraka amin’izay ny dingana tena sarotra, satria 150 ihany no toerana misy. Fa nilavo lefona ihany aho. Rava tanteraka ny nofy sy fanantenako, noho ny tomponandraikitra iray izay notoheriko satria nitaky fellation tamiko. »

Ireo no fanazavan’ity mpianatra ho dokotera ity taminay, raha nitantara ny kolikoly ara-nofo eo amin’ny tontolon’ny hainjery manontolo eto Madagasikara izy. Fomba izay toa lasa zary fanao ankehitriny, raha zohina ny fijoroana vavolombelona voaray.

Fa inona ny kolikoly ara-nofo na ara-pananahana ?

Ny kolikoly mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy na kolikoly ara-nofo dia fanovàna ny fampiasana izay fahefana ampelatanana ( tsy fanaovana asa, fandikana lalàna, fanaovana asa tsy araka ny lalàna…) mba hazahoana tambiny ara-nofo, raha adika tsotra ny tatitra nataon’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), aogositra 2018. Raha tsorina izany dia fihetsika ataon’ny olona iray manana fahefana amin’ny olona izay feheziny ary mitaky tamby ara-nofo mba hanondrotana karama na toerana, mba hampidirana hiasa amin’ny orinasa irat. Tsy fantatrin’ny be sy ny maro amin’ny filaza hoe kolikoly ara-nofo na koa kolikoly mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy izany, fa fiteny mahazatra toy ny « promotions canapés » no tena ampiasaina : io fomba io dia voararan’ny fehezan-dalàna famaizana, andininy faha 333 bis.

Art. 333 bis du Code Pénal Malgache - Quiconque aura subordonné l’accomplissement d’un service ou d’un acte relevant de sa fonction à l’obtention de faveurs de nature sexuelle ou qui exige à une personne des faveurs de même nature avant de lui faire obtenir, soit pour elle-même, soit pour autrui un emploi, une promotion, une récompense, une décoration, un avantage quelconque ou une décision favorable sera puni d’un emprisonnement de un à trois ans et d’une amende de 1 000 000 Ariary à 4 000 000 Ariary.

Quiconque aura usé de menace de sanctions, de sanctions effectives ou de pressions graves pour amener une personne placée sous son autorité à lui consentir des faveurs de nature sexuelle ou pour se venger de celle qui lui aura refusé de telles faveurs sera puni de deux à cinq ans d’emprisonnement et d’une amende de 2 000 000 Ariary à 10 000 000 Ariary.

Sarotra raisina tokoa ity olan’ny kolikoly ara-nofo ity. Ireo rehetra tojo anay satria niharan’ity kolikoly ara-nofo ity na koa nahita tranga momba izany dia nangataka ny tsy ho tononina anarana. Manazava ny teo-javatra Maître Olivia Rajerison, mpisolo vava :

« Ity lohahevitra resahana ity (ndlr : kolikoly ara-nofo) dia tena manahirana. Etsy andaniny mantsy dia milaza kolikoly mitranga amin’ny toerampiasana izany, fa etsy ankilany koa dia mikasika ny fiainana manokan’ny olona iharany : ny fianakaviana, ny asany, ny lazany eo amin’ny fiarahamonina. Amin’ny ankapobeny koa, dia manana fahefana be amin’ireo iharany ny mpanery koa azo an-tsaina ny mahatonga ireo iharany hatahotra valifafy, ary noho izany dia tsy sahy mijoro vavolombelona. »

Ny filandratsin’ny « Sefo »

Mpianatra mianadahy ao amin’ny Médecine, zazavavy 19 taona sy zazalahy 21 taona, izay samy efa « internes qualifiants » fa manaraka sampampiofanana samihafa no tonga hiresaka aminay. Fikambanana miaro ny zon’olombelona iray no nanolo-kevitra azy ireo, mba hamboraka izay fantany momba io endrika kolikoly izay mihatra amin’izy ireo, indrindra ao amin’ny sampampiofanana izay misy azy. Tapa-kevitra hiteny izy ireo, na somary natahotra ihany.

Ilay zazavavy mpianatra dia nilaza fa saika fanao ao anatin’ny zotrampianarana ho mpitsabo eto Madagasikara ny kolikoly ara-nofo. Sampana manokana, izay tena katsahan’ny mpianatra ny hidirana ao aminy, no tena hanjakan’izany fomba ratsy izany, izay zary lasa fahazarana amam-panao. Raha ny filazany, dia aorian’ireo fito taona voalohany amin’ny sampana fiofanana ho mpitsabo no tena hitrangan’ity kolikoly ara-nofo ity. Io fotoana io no manapaka hevitra ireo dokotera vao nahazo diplaoma, raha hanohy hanamafy fahaizana manokana na spécialisation, indrindra amin’ity sampana fiofanana izay heverina ho avo lenta ity.

Na dia tena nazoto fatratra aza ity zazavavy ity hanohy izay spécialisation izay, dia tapaka ny heviny, indrisy, fa tsy hanao izany. : « Ireo mpampianatra, izay hajainay fatratra ary tena to teny aminay mpianatra, dia manararaotra ny toerany sy ny fahefany mba hanery ny zazavavy mpianatra mba hiaraka aminy sy hanao firaisana ara-nofo aminy. Saika hisoratra anarana hiofana amin’ity sampana ity aho, fa rehefa reko ireny tantara betsaka ireny dia aoka ihany, tsy hanohy aho. »

Mpianatra ho mpitsabo, mijoro vavolombelona ao anatin'ny horonantsary "Kolikoly Ara-Pananahana" novokarin'ny TI-MG sy ny tambazotra Malina, desambra 2020

Ity laza ratsy amin’ny fanerena vehivavy hanao firaisana ara-nofo ity amin’ity sampana ity dia mielipatrana ankehitriny, hany ka lasa betsaka lavitra noho ny zazavavy ny isan’ny zazalahy manohy fianarana. Izany dia satria, mafy ny tsindry mihatra amin’ireo zazavavy ireo, avy amin’ireo « sefo » mifehy azy.

« Voan’ny fanerena na hacèllements kokoa ny vehivavy, raha mihoatra amin’ny lehilahy izay herisetra amin’ny voambolana kokoa no mahazo azy. Ao koa ireo mpianatra lehilahy terena hanao asa manokana tsy misy ifandraisana amin’ny fiofanany : mividy akanjo ho an’ny sefo, manasa ny fiaran’ny sefo, manolo kodiaran’ny fiaran’ny sefo ary terena handoa vola am-paosy… Tena manandanja mihitsy eto ilay fiteny hoe « sefo » : vao manomboka ny internat an’ny mpianatra dia efa mametraka fepetra ireo manana fahefana satria dia miankina aminy daholo ny fiainan’ny tsirairay. Raha hakapoka iray dia atokana ho an’ny lehibenay ny momba anay manontolo », hoy ny fanazavan’ireo mpianatra. Ary satria mampatahotra ny « sefo », dia ao ireo mpianatra izay misafidy lalampiofanana hafa, ao koa anefa ireo niharan’ny fanerena no manohy mianatra ao ihany ary mitazona ny fahanginany.

Fahanginana hifanarahana 

Raha ny fanazavana nomena anay dia ny miantraika mivantana amin’ny asan’ny mpitsabo manohy fianarana ny fanoherana izany fanerena sy kolikoly ara-nofo izany. Ireo vavolombelona roa ireo dia milaza fa noho izay fahefan’ny « sefo » izay, dia azon’ireto farany atao ny manapaka ny fianaran’izay mandà, mialohan’ny fiatrehana ny fanadidinana farany izay hanolorana ny thèse. Raha izay no mitranga, dia very maina ny fito na valo taona nilofosana ao anatin’ny sampana médecine : mitovy kilasy amin’ireo mpianatra vao nahavita bakalorea izy ireo.

Tatitra navoakan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) tamin’ny 2018, tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny olona 434 avy amin’ny sehatra folo samihafa :

    • 44,01% dia milaza fa efa naheno izany kolikoly ara-nofo izany, ivelan’ny toeram-piasana amin’ny ankapobeny.  
    •  71,20% dia milaza fa efa naheno resaka kolikoly ara-nofo, ivelan’ny toerana izay iasany na ianarany. Porofo izany fa tena mihanaka eto Madagasikara ny kolikoly ara-nofo.

Olona mitana andraikitra ambony, manery mpianatra…

Samy niaiky ireo rehetra natonina : samy nahita/nandre resaka kolikoly ara-nofo, na koa mahafantatra olona niharan’izany, tao amin’ity sampana iray ao amin’ny faculté de médecine, ao amin’ny hainjery manontolo, Antananarivo. Rehefa nifampiresaka ela sy nanome toky ny amin’ny fiarovana ny momba azy, dia nanaiky ihany ireo niharan’izany kolikoly izany hanondro ireo olona mpanery : anarana tomponandraikitra ambony anankiroa izay manana andraikitra ao anatin’ny Fanjakana ihany koa, no volazany.

Milaza ny vavolombelona sy niharany

« Mbola interne qualifiant tao amin’ny servisin’ny Profesora X aho tamin’izany. Mbola tsy henoko ny laza ratsiny ary noho izany, tsy dia mahina loatra aho. Antsoiny matetika aho ho any amin’ny biraony, omeny tolokevitra na anontaniany izay fanampiana ilaiko. Noheveriko mihitsy hoe tsara fanahy izy ary mikarakara be ny mpianany. Fa haingana ihany dia azoko ny tena tiany hatao. Afaka niala taminy aho, fa misy namako iray, nilefy ka dia tsy nanohitra ny filany. »

« Ny Profesora Y dia fantatra fa mpanenjika vehivavy. Raha manohatra azy ireo vehivavy ilainy, dia anaovany tsindry ka lasa manao hadisoana ny sasany noho izay, ary rehefa izany, dia alainy baraka imason’olona »

Mpianatra hafa iray koa no tratran’ity Profesora Y ity, nanohitra izany filany ara-nofo izany. Namaly faty ity tomponandraikitra ka dia tsy nasiany vidiny izay fanaraha-maso arak’asa tokony hotanterahana amin’ny maha lehibe azy. Nataony fijaliana ny tontolo andron’ilay mpianatra, nompaina ary nivaivaina. Farany, tapakevitra ity zazavavy ny hampitsahatra ny fianarany amin’ity sampampiofanana manokana ity ary niverina niatra ao amin’ny sampana médecine générale. Fantatrin’ny maro ho isan’ireo mpianatra mpitsabo mamiratra ity niharan’ny fanerena ity, ary nanana ny hoaviny tao anatin’io sampana manokana io. Nantsoina an-tariby ny Profesora Y haneho ny heviny momba izany fiampangana izany, ary nanazava fa tsy mahafantatra ny fisian’izany tantara izany.

Ady tsy maintsy hatrehina

Toy izao ny valiny tamin’ny fanontaniana hoe « Inona no vahaolana azo raisina mba hamongorana ny kolikoly ara-nofo ? » :

« Tena tsy mahita aho. Raha ato amin’ny Médecine aloha dia efa nataoko daholo izay azo atao. Na notes de services, na fanentanana. Nisy aza zazavavy nitaraina tamin’ny tomponandraikitrin’ny fianarana fa iharan’izany fanerena izany, fa dia nahavaivay ny valin-kafatra. Sazy mahery vaika no mila ampiharina amin’izay tratra manao izany filandratsy izany, mba ho hitan’ny hafa ary hampitsahatra ny tsy maty manota. Indrindra koa, mba hahafan’ny mpianatra vehivavy mametraka fitarainana sy miaro tena. Nefa tena hitako ho sarotra izany : tsy mbola nahita olona nandresy tamin’ny fitoriana solontenampanjakana izany aho ». - Mpitsabo iray ao anatin’ny hopitaly eto Antananarivo

« Mampahafantatra lalana, izay fiarovana ho an’ny olona iharan’ny kolikoly ara-nofy ary manasazy ny mpanao kolikoly ara-nofo. Ary fampahafantarana koa izay sazy izay, mba hampazoto ny olona hiala ao anatin’ny fahanginana. Raha sendran’ny kolikoly aran-nofo toy izany, dia aoka hanantona vondrona mba hiray hina manoloana ireny fanararaotana ireny, ary izay no antony ilàna sendikà matanjaka. » - Jerisoa Ralibera, filohan’ny sendika an’ny paramédicaux.

Taona vitsy lasa izay, dia isan’ireo nizaka ny tsy rariny koa ny mpianatra asa paramédicaux sy ireo mpampivelona, raha ity kolikoly ara-pananahana eo amin’ny tontolon’ny hopitaly no resahana. Fa nivondrondra kosa ireo paramédicaux ary niray hina tamin’ny sendikà mba hamongorana ity fanerena ity.

Loza manambana hatrany ity kolikoly ara-pananahana ity. Zarainay ireo fijoroana vavolombelona ireo mba ho fandraisanay anjara amin’ny ady hevitra sy ny asa fanoherena ny kolikoly ara-pananahana, izay zary tsy raharaharian’ny fiarahamonina na koa tena tsy mbola isan’ny lohahevitra mahavantana azy mihitsy. Nametraka fampahafantarana ofisialy eny anivon’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ny Transparency International-Initiative Madagascar momba izao raharaha izao, ary nomena manontolo ny fijoroana vavolombelona sy ny anaran’ireo tomponandraikitra ambony voatonon’ny mpianatra.

Tsindrio ny rohy "Kolikoly Ara-pananahana", raha hijery/hihaino ny fijoroana vavolombelona.