x

Ady tany ao Bealanana : kolikoly miteraka fifamonoana sy olana sosialy

Ady tany ao Bealanana : kolikoly miteraka fifamonoana sy olana sosialy

Nosoratan'i Judith Rakotovao. Mifamono ny mponina avy ao Matsaborimena, fokontany Ambalabe Mahafahana sy ny avy ao amin’ny fokontany Beanantsindra sy Anolakely ary Ambohimitsinjo, kaominina Ambatosia, distrikan’i Bealanana isaky ny fiakaram-bokatra: miady vary. Vokatry ny ady tany tsy mety ahitam-bahaolana, isehoan’ny kolikoly sy lainga no antony. Sahirana noho ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena aterak’izany ny mponina. 

Kaominina Ambanivohitra Bealanana, faritra Sofia 

Lehilahy iray 60 taona no maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny 31 may 2020 tao amin’ny tanànan’i Matsaborimena, vokatry ny fifanafihana teo amin’ny mponina avy ao Matsaborimena io sy ny avy ao amin’ny fokontany Beanantsindra, samy ao amin’ny kaominina Ambatosia, distrikan’i Bealanana, faritra Sofia. Maro koa ny naratra ary 10 no voatana am-ponja vonjimaika ao Antsohihy. Zava-mitranga isan-taona isaky ny fiakaran’ny voka-bary ny fifamonoana, niafara tamin’ny famoizana aina ny korontana tamin’ity taona ity, raha ny fanazavan’ny lefitry ny lehiben’ny distrikan’i Bealanana, Djaosera Albert Marie, izay nitarika ny fitandroana ny filaminana na lehiben’ny « OMC » tamin’io fotoana io:

« Ady efa misy isan-taona fa tamin’ity tena mafy. Ady vary, vokatra eny an-tanimbary no antony ary io tany io efa ela no niadivandreo azy. Nahazo taratasy avy tamin’ny Procureur ny Matsaborimena haka vary, ka tsy neken’ny avy ao amin’ny fokontany Beanantsindra. Tsy maintsy nandray fepetra ny mpitandro filaminana noho izy ireo nifanafika sy nifamono, nitondra zava-maranitra sy pilotra ary vato, ka maty tao anatin’ny fifanjevoana io lehilahy io ».

Vatan-dehilahy hatrany amin’ny 700 avy ao amin’ny fokontany Beanantsindra no nifanafika tamin’ny olona 40 avy ao Matsaborimena, fokontany Ambalabe M, tamin’io, raha ny fanazavan’ny lefitry ny distrikan’i Bealanana hatrany. Nanamafy ny avy Matsaborimena fa nangataka taratasy avy tamin’ny fitsarana izy ireo nafahafana namboly vary ary mbola taratasy avy tamin’ny fitsarana koa no nanome alalana azy ireo naka ny voka-bary, noho io tany io izay ifanolanana. Misy manafika hatrany izy ireo isaky ny midina eny an-tanimbary, ary naka ankeriny ny vary vokatra koa ny ekipan’i Beanantsindra tamin’io fotoana io, raha ny fanazavan’i Randriamihevitra, mponina ao Matsaborimena :

« Eo am-pakana vary izahay no enjehina amin’ny sabôha sy tora-bato. Tsy maintsy miantso mpitandro filaminana arak’izany izahay isaky ny maka vary mba hialana amin’ny fanafihana ataondreo avy Beanantsindra. Tsy nijanona teny an-tanimbary intsony ny fanafihana farany teo fa niakatra tety an-tanàna ary norobain’izy ireo hatramin’ny trano fonenana sy ny fanananay. Efa resy ry zareo amin’io ady tany io fa mbola mahita lalana ihany miady ny hahazoana ny tany ». 

Ilay lohasaha mampifanolana ny ao Matsaborimena sy Beanantsindra, distrikan’i Bealanana

Ady vary sa ady tany?

Mirefy 225 Ha eo ny tany iadivan’ny ekipan’i Matsaborimena sy ny ekipan’i Beanantsindra. Vary akotry 200 daba isaky ny hektara isan-taona no vokatra. Nilaza ny ekipan’i Beanantsindra fa efa tamin’ny volana septambra 2019 izy ireo no namboly vary teo noho ny maha azy ireo ny tany. Tsy nahafaly azy ireo ny fanakanana nataon’ny ekipan’i Matsaborimena sy ny mpitandro filaminana rehefa naka ny voka-bary izy ireo ka niteraka ny korontana. Heverina fa misy endrika kolikoly ny raharaha ary miditra an-tsehatra lalina ny vadintany sy ny tonia mpampanoa lalàna, raha ny fanazavan’i Manantena Jean Venel, mponina Ambohimitsinjo :

« Manao dika vilana ny Huissier Ravelo, hafa ny voasoratra ao anaty ordonnance, hafa ny zavatra lazainy. Nilaza izy fa izahay tarihan’i Lehitranga avy Beanantsindra sy Anolakely ary Ambohimitsinjo tsy mahazo maka vary amin’ny tany nambolenay fa ry zareo tarika Njoky  avy Matsaborimena no mahazo. Mahatezitra anay izany. Isaky ny midina haka vary izahay dia voambana basy ary lazaindreo fa baikon’ny procureur izany. Heverinay arak’izany fa avy amin’ny kolikoly ataon’ny huissier sy ny procureur no mampisy korontana. Henonay avokoa ny resaka ataon’ny ekipan’i Matsaborimena fa mahazo vary 600 daba isany avy ireo olona ireo, ary heverinay fa marina izany. Lasa ordonnance indray no manan-danja fa izahay manana taratasy ara-dalàna amin’ny tany voailika ».

Efa tamin’ny volana aprily 2020 no azo nalaina ny voka-bary, efa nidina teny ny ekipan’i Beanantsindra. Voasakan’ny mpitandro filaminana izy ireo tamin’izay fa hoe ny tonia mpampanoa lalana mihitsy no namoaka « ordonnance » tsy fahafahana maka vary fa miandry fitsarana, raha ny fanazavan’i Noelin, mponina ao Ambohimitsinjo. Tsy izay anefa ny zava-nitranga fa tonga indray izy ireo naka ny vary talohan’ny daty voalaza anaovana ny fitsarana ary tsy nisy taratasy mazava ka io no heverina ho fanamparam-pahefana, hoy ihany izy :

« Nanao sonia avokoa ny mpitandro filaminana tonga teo fa hoe tsy misy afaka maka vary ny roa tonta fa miandry ny fitsarana amin’ny 20 may ary fantatra aorian’io izay ho tompon’ny vary. Ny 19 may anefa dia tonga izy ireo haka ny vary ary nilaza fa ny Procureur no naniraka. (...) 

Manazava anefa ny tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana Antsohihy, Randriamamy Fanomezantsoa Eddy, fa tsy mitombina ny filazana fa namoaka ordonnance ny tenany. :

« Tsy manana fahefana mamoaka ordonnance ny Procureur fa ny Filohan’ny fitsarana ihany no manao izany ary ny ordonnance navoakan-dRamatoa filohan’ny fitsarana no fototry ny olana. Tsy nahalala ny fivoahan’io ordonnance io aho satria ady madio ilay raharaha fa rehefa nisy ny olana vao naniraka ireo manampahefana hanao fandaminana any an-toerana. Tsy fifankazahoana no zava-misy raha ny fahafantarako azy satria tsy azon’ireo olona ireo ny didy ary tsy hanomezana tsiny azy ireo izany satria tena tsy mazava ny voalazan’ny ordonnance amin’ny toerana hakana ny vary. Ny andaniny nahazo ordonnance haka vary nieritreritra hoe afaka maka vary amin’ny tany rehetra, ka izay no niteraka ny olana. Efa nisy ny fidinana ifotony nataon’ny vadintanin’ny roa tonta handrefesana ny tanin’ny andaniny sy ny ankilany taloha kelin’ny 31 may. Nitaraina anefa ny vadintanin’ny ekipan’i Matsaborimena fa rahonan’ny ekipan’i Beanantsindra ka voatery nasainay niala tany an-toerana ka tsy vita ny asa. Izahay anefa tsy maintsy manome alalana ny mpitandro filaminana hiaro ny vahoaka sy ny fananany rehefa misy ny fanafihana sy korontana toy ny niseho tamin’ny 31 may ary efa mamon’ny zava-mahadomelina avokoa ireo olona nanafika ireo », hoy ihany ny fanazavany.

Rehefa nanontaniana ny hevitry ny Filohan’ny fitsarana ao Antsohihy, Rabendrainy Hanitra Nadia dia tsy nanaiky hiteny izy fa ny mpitsara, Ihanja Gino no nasainy nanazava. Nolazainy tamin’izay fa anjaran’ny any amin’ny fampanoavana no manome vaovao amin’ny zavatra miseho eo amin’ny fitsarana raha misy ilàna an’izany. 

Iza no tompon’ny tany?

Nanarama olona tamin’ny omby 40 nandio ny tany antsoina hoe «Matsaboriben’i Lanilezana» ny tao amin’ny fokontany Ambalabe M ny taona 1958. Olona avy amin’ny fokontany maro no nokaramaina anisan’izany tao Beanantsindra. Nanomboka ny taona 1976 ity ady tany ao amin’ny kaominina Ambatosia distrikan’i Bealanana ity. Manazava I Njoky, mponina ao Matsaborimena:

« Nanamaintimolaly izahay Matsaborimena ny taona 1958, efa taty amin’ny 1976 vao nanaraka ny efa voadionay izy ireo (Beanantsindrana). Nisy ny fampihavanana natrehan’ny fokonolona. Tsy nisy nanamarina azy ireo fa ny Ambalabe M ihany no tompon’ny tany. Tsy afa-po izy ireo fa nanao fitarainana tany amin’ny fivondronan’i Bealanana tamin’izany. Mbola voamarina fa an’ny fokontany Ambalabe M ihany ny tany. Niakatra tamin’ny fitsarana tany Analalava ny raharaha ny 1986, nivoaka ny didy ny 1992 mbola resy ihany koa ny taranak’i Lehitranga avy Beanantsindra. Nangataka « grosse » izahay nandroahana azy ireo. Nanaiky niala izy ireo ary nanao sonia fa tsy tompon’ny tany. Taty afara mbola niverina nitory tao amin’ny fitsarana Analalava ihany izy ireo. Tsy nisy fifanatrehana fa efa didy nivoaka no hitanay fa nandresy indray ny Beanantsindra ka lasa tompon’ny tany. Eo no mahagaga anay. afapo izahay ka nampiakatra tamin’ny « Cour d’Appel » tao Mahajanga. Tsy nisy fifanatrehana ihany koa fa didy avy hatrany no nivoaka fa hoe resy izahay. Nampiakarinay tany amin’ny « Cour Suprême » ny raharaha ary nahazo « ordonnance » izahay nahafahanay niasa tamin’ny tany kanefa mbola voaelingelina foana ».

 

Fangatahana fazahoana tany tamin'ny taona 1976

Etsy andaniny, milaza ho tompon’ny tany koa ny ao Beanantsindra. Manitrikitrika izy fa tsy mbola nisy niasa ny tany tamin’ny 1976, midika izany fa tanim-panjakana ka azo angatahina. Hoy i Velonatrefona, mponina ao Ambohimitsinjo :

« Nanao fangatahana tamin’ny fanjakana izahay. Tonga taty nijery sy nandrefy ny tany ny tomponandraikitra, sady efa nanadio tsikelikely izahay. Ny taona 1977 vao nilaza ny avy Matsaborimena fa hoe an’ny Dadilahin’izy ireo ny tany (…) Nohamarininay tany amin’ny sampana fananantany anefa ary voalaza fa izahay no tompony satria nanao fangatahana ara-panjakana ka navelan’izy ireo niasa foana. Efa hiatrika fitsarana ny raharaha, mbola nanontany tamin’ny sampana fananantany izahay, mbola nanome toky izy ireo fa anay ny tany ary nomen’izy ireo taratasy nanamarina an’izany izahay. Nasehonay tamin’ny fitsarana io taratasy io, efa fanimpitony vao nojerena ary teo vao nilaza ny fitsarana fa nandresy izahay. 55 fianakaviana izahay no tompon’ny tany fa ny boky fananantany 25 ihany aloha no nivoaka ny 2012. Notanterahinay izay rehetra nangatahin’ny domaine ho fampanarahan-dalàna ny fahazoanay ny tany. Mahagaga anay fa rehefa maka vary matoy amin’ny taninay izahay lasa voasakan’ny mpitandro filaminana ary niafara tamin’ny famonoana ny havanay ny farany teo ». 

"55 titres" 

Nomena « titres déclaratifs » ny olona nanao fangatahana ara-dalàna ny tanimpanjakana, rehefa nahavita dingana isan-tsokajiny takian’ny fananantany ary tompon’ny tany izy nanomboka teo araka ny lalàna taloha 60-004 tamin'ny febroary 1960 (domaine privé national), raha ny fanazavana nataon’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Sampana misahana ny fananantany ao Antsohihy. Ny 11 may 1976 no nanao fangatahana tanimpanjakana tao ao amin'ny sampandraharaha tao Antsohihy ry zareo avy ao Beanantsindra, mitondra ny laharana 16/76 ny antontan-taratasy ary "Reban’Andilamborona Lanilezana amparihin’ny pont" no anarany. Mitambatra ho iray ireo olona 55 tompon’ny tany ka 55 ihany koa ny "titres déclaratifs" nivoaka. "Ara-dalàna sy nanaraka ny fepetra rehetra ny fahazoan’izy ireo ny taratasin’ny tany", hoy ny lehiben’ny sampandraharahan’ny fananantany ao Antsohihy, Tombo Evariste :

"Raha araka ny dossier eto am-pelatananay dia tena nandalo ny sehatra rehetra izy ireo, nandalo affichage sy reconnaissance ary nandalo tany amin’ny lehiben’ny distrika sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny tamin’izay fotoana izay".

Ireo taratasy "titres déclaratifs" miisa 55 hita tao amin'ny sampandraharaha tao Antsohihy

Nisy fanohanana avy tamin’ny fokonolona tao Ambalabe M ny fangatahana taratasintany nataon’ny ekipa avy ao Beanantsindra, saingy tsy nahatohana izy ireo, hoy ihany i Tombo Evariste :

« Ny 09 jolay 1994 no nanao fanohanana ny fokonolona avy Ambalabe M, ka Andriamatoa Kalozara no nisolo tena azy ireo. Nolavin’ny vaomiera mpitsirika ny tany anefa ny fanohanana tamin’izay ary namoaka fanapahan-kevitra ny avy teo anivon’ny faritanin’i Mahajanga tamin’ny 22 mai 2001, nanafoana ny fanohanana nataon’ny fokonolona io ».

Manana fahefana feno amin’ny tany ny olona izay nandalo ny dingana rehetra takian’ny fananantany. Hosoka avy hatrany kosa ny fahazoana ny tany raha ny mifanohitra amin’ireo. Matetika isehoan’ny ady tany ny eo amin’ny fanarahana an’ireo dingana ireo. Nambaran’i Andrianarison Benjamin, lehiben’ny fari-piadidian’ny fananantany ao Antsohihy fa ananan’izy ireo avokoa ny antontan-taratasy nandalovana ka nahazoan’i Beanantsindra ny taratasin’ny tany :

« Izay manana ny taratasin’ny tany no tompon’ny tany fa tsy hainay hoe inona marina ny zava-misy any. Ny mateti-pitranga amin’izao manko dia ny olona manana taratasy ara-dalàna indray no tsy afaka mampiasa ny taniny, ary fototry ny ady tany izany. Miteraka olana goavana ara-tsosialy ary mety ho ara-toekarena mihitsy aza. Tsy maintsy hanapa-kevitra ny fitsarana hoe samy tsy misy mahazo mikitika ny tany ny roa tonta, hany ka tsy afaka mamokatra ».

Inona no mampitarazoka ny ady ?

Nambaran’ny vadintany, Me Raveloson Fiharea fa tany iray ihany no mampiady ny Matsaborimena sy Beanantsindra fa samy manana ny fiantsoany azy izy ireo. "Misy mahazo tombontsoa amin’io ady tany io ny fianakaviana avy Beanantsindra, taranak’i Lehitranga izay lohan’ady, ka manambaka ny mpiray tanàna aminy", hoy ihay i Me Raveloson Fiharea. Nambarany ihany koa fa nisy zanak’izy ireo antsoina hoe Zafisoa Juliana niasa tao amin’ny «Domaine » Antsohihy nahafanatra tsara ny ady, ka "nahazo taratasin-tany izy ireo". Nanamafy ny tonia mpampanoa lalàna ao Antsohihy Randriamamy Fanomezantsoa Eddy fa izay koa no tatitra nataon’ny « OMC » taminy nandritra ny korontana tamin’ny 31 may tao Matsaborimena. Vao mainka hampitarazoka an’ity raharaha ady tany ity izany hoy izy fa mbola mitaky fotoana lava hanaovana fanadihadiana hanamarinana azy.

Raha ny fanazavan’i Jaomisy avy ao Matsaborimena, dia "miray tsikombakomba ny fanjakana sy ny ekipan’i Beanantsindra hany ka manan-kery ilay havan’izy ireo niasa tao amin’ny Domaine ao Antsohihy io", ka mitarazoka ny ady : « Mieritreritra izahay fa raharahan’ny kolikoly satria resy ireo olona ireo tamin’ny voalohany avy eo lasa nandresy. Efa nampakatra ny raharaha tamin’ny ambaratonga ambony izahay mbola resy ihany. Ary ny zanak’izy ireo niasa tao amin’ny service de domaine tao Antsohihy taty aoriana no nahazoandreo taratasin-tany ». Raha ny hita amin'ny Attestation de prise de services amin'ny anaran'ny Juliana Zafisoa anefa dia efa tamin'ny 2013, izany hoe folo taona taorian'ny nivoahan'ny "titres déclaratifs" izy no nandray ny asany tao amin'ny sampandraharaha momba ny fananantany ao Antsohihy. 

Taratasy ara-panjakana milaza ny fandraisan'i Zafisoa Juliana toerana, tamin'ny 2013

Mitsipaka ny filazana fa tany tokana koa ny ao Banantsindra, ary milaza ny heviny Zafy Julienne, mponina ao Beanantsindra ihany.

"Samihafa ireo tany ireo hoy izy : ankavanana sy ankavian’ny tetezan’i Lanilezana, kanefa lazain’izy ireo fa iray. Raha nanarama nanamaina tany ny Ambalabe M tamin’ny 1958, tany agnavan’ny tetezana io nanarama omby 40 io. Taty amin’ny 1976 izahay no nanamaina ny tany agnandrain’ny tetezana, tsy mbola nisy niasa io tany io tamin’izay. Io no nataon’i Ambalabe M vavan’ady tany amin’ny fitsarana ka rariny raha resy izahay tamin’izany. Niverina tany amin’ny domaine izahay nilaza fa hay efa an’olona ny tany nomen’izy ireo anay. Nidina ifotony nanamarina ny domaine ary hita fa samihafa ny tany. Ny taratasy manamarina an’izay no noentina niverina tany amin’ny fitsarana ka nahatonga anay nandresy".

Ny sarin'ny tany izay mbola ifonalan'ny mponina ao Matsaborimena sy Beanantsindra

 

Mitantara koa i Prosper, mpiasa tao amin’ny « Domaine » Antsohihy misotro ronono, anisan'ny vaomiera nitsirika ny tany, tamin’ny fangatahana nataon’i Beanantsindra : 

« Ireo fangatahana titre 55 ireo no nampiarahina. Rehefa tafiditra ny dossier dia natao ny reconnaissance ary nohenoina ny andaniny sy ny ankilany. Tamin’ny fanadiovana ny tany no nampiady azy ireo fa hoe mifangaro. Rehefa natao ny fitsirihina ifotony, tamin’ny 1991 dia hitanay fa mivoaka ivelan’ny tanin’Ambalabe M ny tany nangatahin'ny avy ao Beanantsindra ka nitombina ny fanohizana ny antontan-taratasy. Ary rehefa mahazo titre déclaratif dia efa tompon’ny tany ihany. Efa vita tany amin’ny 2003 ireo titres ireo ». 

Fisandohana sy fakàna vola

Very vola noho ny fisandohana koa ireo fianakaviana miady tany, raha ny fijoroana vavolombelona nation-dRalaivao Olivier. Nisy olona tonga tao Matsaborimena, nilaza ho afaka mamaha ny olana rehetra kanefa tsy hita popoka avy eo :

« Nisy rangahy antsoina hoe Rabenasolomanana Arthur tao Bealanana nilaza mahavita mikaraka ny dossier. Nanangona vola be sy nivarotra fananana ny fokonolona teto nomena azy, ary nahatratra 6 tapitrisa ariary io vola io. Tsy hita anefa ny zavatra vitany. Nantsoina izy rehefa nihatra ilay korontana tamin’ny 31 may iny, tsy hita ary tsy mitranga izy hatramin’izao.»

 

Tamin’ny may 2020, nahazo taratasy nisy datin’ny 29 aprily 2020 ny sefo fokontany Ambohimitsinjo mba hampitsahatra ny olona ao aminy, manoloana ny ady tany amin’i Matsaborimena. Rabenasolomanana Arthur no nanao sonia ilay taratasy, izay nilaza fa avy amin’ny « Association pour la Promotion des Droits Humains (APDH). Nisy indray koa ny taratasy nalefany ho an’ny fokonolona ao Beanantsindra sy Anolakely ary Ambohimitsinjo, fangatahana fivoriana momba ny ady tany amin’i Matsaborimena.  Nolazainy ao anatin’io taratasy io fa hitany avokoa ny antontan-taratasin’izy ireo momba ny ady saingy tsy mbola misy azo atao noho ny valanaretina coronavirus. Milaza izy fa azony ataony ny mitsabo an’io ady raha toa ka haverin’izy ireo ny volan’ny fokonolona ao Matsaborimena. Azony atao ny fifanarahana amin’izany, hoy ihany izy ao anatin’ilay taratasy.

Nambaran’ny Me Raveloson Fiharea fa anisan’ireo antsoina hoe : « rabatteur » eny anivon’ny fitsarana io Rabenasolomanan Arthur io. Vitsy ny olona mahafantatra an-dRabenasolomanana Arthur rehefa natao ny fanadihadiana tao Bealanana ary tsy mahafantatra ny fisian’io "rabatteur" io ny Tonia mpampanoa lalàna ao Antsohihy, saingy hisy ny famoahany taratasy fitadiavana azy..

Efa mizara roa ny mponina ao Matsaborimena amin’izao noho ny nafitso-dRabenasolomanana. Tsy misy mahazo mikitika ny tany ny Beanantsindra sy Matsaborimena ankehitriny.

« Ara-drariny » sy « ara-dalàna »

Olana miverimberina ny maha ara-drariny sy maha ara-dalàna amin’ny fananantany amin'ny ankapobeny, ary manazava ny Tonia mpampanoa lalàna ao Antsohihy, Randriamamy Fanomezantsoa Eddy fa raha ity ady tany resahana eto ity dia io ara-drariny sy ara-dalàna io no mifanandrina.  "Raha manaraka ny tantara dia ny Ambalabe M no tompon’ny tany ara-drariny ary ny Beanantsindra kosa no tompony ara-dalàna satria izy ireo manana taratasy. Tsy fantatra ny nivoahan'ity ara-dalàna ity raha tena manaraka ny dingana amin’ny fangatahana taratasintany marina na tsia".  Raha ny heviny manokana anefa dia tsia. Betsaka hoy izy ny dingana arahina mba ahazoana « titre ».

"Nandritra ny fanatanterahana an’ireny dingana hazahoana taratasy ireny anefa, taiza ny Ambalabe M no tsy nanao fanohanana. Mipetraka ny fanontaniana hoe tena nanaraka ny fomba rehetra takiana amin’ny fahazoana ny « titre » ve ny Beanantsindra, sao dia '"immatriculation dolosive" lay taratasin-tany azon’izy ireo, izany hoe hosoka. Mahafantatra tsara ny avy ao Beanantsindra fa « inattaquable » na tsy azo foanana ny "titre" ka manana tokinaina amin’izany izy ireo. Tsy mbola ho tapitra ato anatin’ny 20 taona ity ady tany ity hoy izy raha izao zava-misy izao."

Efa nitondran’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Domaine Antsohihy fanazavana ireo dingana narahin’i Beanantsindra tamin’ny fahazoana ny "titre" sy ny fanohanana izay nataon’i Ambalabe M tamin’izany, izay hanokafan'ny Tonia mpampanoa lalàna fanadihadiana lalina. 

Nambaran’ny governoran’ny faritra Sofia, Jeneraly Lylison René de Rolland, fa anton’ny fifamonoana any ambanivohitra amin’izao ny ady tany ary efa maro ny tranga niseho tao amin’ny faritra Sofia, indrindra ao amin’ny distrikan’i Bealanana:

« Izaho tsy afaka handidy ny fitsarana, tsy afaka hilaza hoe ato no marina sy tsy marina (...) Ny fiangaviako dia aoka izay tena tompony no hahazo ny tany fa manjary tsy ho tapitra ny raharaha. Mampalahelo ny resaka ady tany, efa tsy matoky ny fanjakana ny fokonolona ka manatona sojabe, tsy eken’ny lalàna anefa izany ka betsaka indray ny sojabe miditra am-ponja ».

Misedra olana ara-tsosialy sy ara-toekarena ny mponina

Tsy misy mahazo mikitika ny tany ny Beanantsindra sy Matsaborimena izay tompon’ny ady tany amin’izao. Naato ihany koa ilay ordonnance nampisy olana ka nanome alalana ny Matsaborimena haka ny vary, raha ny fanazavan’ny Tonia mpampanoa lalàna ao Antsohihy, Randriamamy Fanomezantsoa Eddy. Hogiazana avokoa ny vary vokatra ka apetraka amin’ny kaominina, itadiavana olona hafa hijinja. Tsy misy mahazo miditra amin’io tany io mandra-pivoahan’ny didy any amin’ny fitsarana fandravana.

Nilaza ny ekipan’i Matsaborimena fa efa reraka amin’ny ady. Nambaran’i Njoky fa mijaly izy ireo isan-taona rehefa fiakaram-bokatra fa tafahoatra ny zava-misy tamin’ity taona ity, misedra hanoanana ny fokonolona hoy izy :

« Izahay izao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ary tena very fanahy. Mangataka fanampiana avy amin’ny manampahefana sy ny tompon’andraikitra izahay hijery ifotony ny raharaha fa mijaly, marary mitsangana, tsy misy hanin-kohanina, ny vola anaty paosy miraraka noho ny fahantrana afitsok’ireo olona ireo ».

Milaza ihany koa i Jaomisy avy ao Matsaborimena fa efa nandeha tany Ambohitsirohitra Antananarivo izy ireo nampiditra fitarainana tany amin’ny « service de doléances », tsy mbola misy vokany anefa hatramin’izao. Fanirian’izy ireo ny handresy amin’ity ady tany ity hoy ihany izy : « Ny tena tianay dia mimpody aminay tompony ny tany ary tsy hisy intsony ny ady ».

Mahatsiaro ho sahirana sy voa mafy koa anefa ny mponina ao Beanantsindra noho ity raharaha ity tsy mety vita. Betsaka ny fokonolona mivelona amin’ny voka-bary isan-taona, maro ny olona efa zatra manangona ny vary hamidy sy hamatsiana ny tanàna hafa. Miankina amin’ity voka-bary ity avokoa ny vola ahafahan’izy ireo mivelona, hoy ihany i Manantena Jean Venel ao Beanantsindra :

« Izahay amin’izao, sady very vary no misy maty ny havanay ary misy migadra koa. Tsy manara-maso ny ety ifotony ny tompon’andraikitra any ambony ka manao izay saim-pantany ny ety ambany, manjary ny fiainanay no tsy mandeha araka ny tokony ho izy ».

Mitaky fandraisana andraikitra avy amin’ny sehatra tsirairay izay voakasiky ny ady ny famahana ny olana mba tsy hiverenan’ny korontana sy fifamonoana, hoy ny lehiben’ny distrikan’i Bealanana Ndeha Sylvain, tokony asiana ny fifanatonana eo amin’ny fitsarana sy ny fananantany. Ity no ady tany anisany mafy sy mahery vaika ary maharitra indrindra ao amin’ny faritra Sofia. Samy manilika avokoa ny tompon’andraikitra, milaza hoe vao nandray asa ka tsy mahalala ny zava-nisy taloha.