x

Fanararaotam-pahefana, antsojay ary fanaovana ampihimamba ny fanangonam-bokatra ao Menabe

Fanararaotam-pahefana, antsojay ary fanaovana ampihimamba ny fanangonam-bokatra ao Menabe

Ity lahatsoratra ity dia lahatsoratra faharoa momba ny faritra Menabe.

Nosoratan'i Narson (Solon'anarana) sy Mazava volana (Solon'anarana)

Tsy tantara vao androany izy ity fa efa nitranga sy niainana efa ela ary dia vao maika miitatra sy mahazo vahana. Tao amin’ny Kaominina Ankilizato no nipoirany dia niitatra ka nahenika Distrika maromaro tato Menabe. Mahalala sy mitaraina manoloana ity fanao ity na ireo mpitondra eny anivon’ny Kaominina, na eo anivon’ny Faritra, na ireo mpandraharaha ara-toekarena mpanangom-bokatra, na ny sampandraharaham-paritry ny varotra fa saingy toa tsy misy afa-nanova izany.

 

Nanomboka tao Ankilizato

Kaominina Ambanivohitra iray mpamokatra vary sy katsaka i Ankilizato noho ny fananany tany lemaka lonaka sy midadasika ary ampy rano. 90 km atsinanan’i Morondava renivohitry ny Faritra Menabe, andalovan’ny lalampirenena faha 34 ary 45 km atsinanan’ny Mahabo renivohitry ny Distrika no misy ny renivohitr’ity Kaominina ity.

Raha atao indray mitopimaso dia isan’ny Kaominina ahitana fivoarana ny Kaominina Ankilizato. Manova endrika ny tanàna ireo trano mijoalajoala milalotra sy vita amin’ny simenitra ka ahitana rihana iray farafahakeliny raha ny zava-nisy sy tranga azo refesina tato anatin’ny telo taona farany. Manaporofo ny fisian’ny harena azo trandrahana ao anatin’ity Kaominina ity izany rehetra izany. Feno rahateo ny fepetra mariky ny fampandrosoan’ity Kaominina ity: voavatsy jiro amin’ny alalan’ny riandranon’i Migodo izy ka samy misitraka izany ny rehetra na amin’ny alalan’ny jiro ho an’ny rehetra (éclairage public) na ny isan-tokantrano araka ny fahafaha-manaon’ny tsirairay. Voavaha ihany koa ny olan’ny rano fisotro madio tamin’ny alalan’ny “forage” miisa fito napetraky ny Sinoa ary niasa nanomboka ny 17 aogositra lasa teo. Nanomboka tamin’ny volana febroary 2019 kosa no notrandrahana ny “forage” tao Ankilizato.

Raha vao miresaka Ankilizato dia mby ao an-tsaina avy hatrany ny didikofe lehibe ataon’ny fianakaviana iray mpanangom-bokatra izay mifehy ny tontolon’ny fanangonam-bokatra sy ny asa fitateram-bahoaka. Hatramin’ny taona 2005 izay naha Ben’ny Tanàna ny rain’ity mpandraharaha mpanangom-bokatra ity dia Itompokolahy RAVELOSON Georges Adrien no efa namahatra teo amin’ny fanagonam-bokatra izy ka ny fanangonam-bary no niatombohan’Andriamatoa RAVELOSON Ludovic antsoin’ny maro hoe Leva na Depiote Leva nanao izany, avy eo niditra tamin’ny katsaka. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy mpandraharaha hafa nahazo alalàna hahazo hanangom-bokatra vary tao amin’ity Kaominina ity afa-tsy ity mpandraharaha ity irery ihany na dia manana taratasy takian’ny lalàna hahafahana hanangombokatra aza izy ireo. Ankoatra ny hafetsena samihafa nampiasain’Andriamatoa RAVELOSON Ludovic tamin’izany fotoana izany dia isan’ny fomba nampiasainy nifehezana ny tantsaha koa ny fividianana vary maintso izany hoe mbola eny an-tsaha ny vary dia efa tombanany ka anomezany ampaham-bola ny tompony. Rehefa masaka izany dia omeny ny ambim-bola ka izy ihany no mametra ny vidiny.

Ny lehiben’ny faritra Menabe taloha, Andriamatoa Gilbert Romain dia nanamafy fa “mbola tsy nahita taratra fandoavana tamberim-bidy nataon’I Leva tao amin’ny kitapomèbolaan’ny faritra”. Toy izany koa, andriamAndriamatoa Le Blanc, Ben’ny Tanàna lefitry Malaimbandy dia nilaza nandritra ny tafatafa nifanaovanay momba ilay raharaha io fa “tsy nandoa n’inon’inona tato amin’ny Kaominina misy anay io mpandraharaha io”. Ny Ben’ny Tanànan’i Ankilivalo irery ihany, Kaajaowalter Gabriel no niteny fa Andriamatoa RAVELOSON dia mandoa tamberim-bidy amin’ny kitapo-mbolan’ny Kaominina iadidiany. Kanefa tsy afaka nahazo porofo mivaingana nandoavana ireo vola ireo na dia teo aza ny ezaka nataonay tamin’izany tao amin’ny Kaominina. Niverimberina nitsidika ny Kaominina Ankilizato izahay noho ny filan’ity fanadihadiana ity saingy tsy nifanena mihitsy tamin’ny Ben’ny Tanàna sy ny Sekretera mpitam-bola. Ny loharanom-baovao izay tsy nanaiky ny ho tononina anarana nitafatafa taminay atao amin’ny Kaominina dia nilaza fa tsy nahatsikaritra fidirana tamberim-bidy. Ny tomponandraikitry ny barazy ekonomika misahana ny tamberim-bidy ihany, izay hitanay teny an-toerana no nanamafy fa ity mpandraharaha mpanangom-bokatra ity dia mandoa ara-dalàna ny tamberim-bidy.

Hatramin’izay dia malaza fa tsy mandoa tamerim-bidy tokony alohany ity solombavambahoaka ity, hany ka miteraka fatiantoka ho an’ny ambaratongam-panjakana isan-tsokajiny eny ifotony – Kaominina, Faritra – anisan’ny sakana amin’ny fampandrosoana eny ifotony. Kanefa ny lalàna dia mametraka fa ny tomponandraiki-panjakana dia tokony handoa izany. Nandritra ny fihaonana niarahana tamin’ny solombavambahoaka mpandraharaha, nilaza izy fa mahavita manangona katsaka 2 500 ka hatramin’ny 4 000t isan-taona, arakaraky ny toetrandro mandritry ny taona. Raha toa ka ariary dimy isaky ny katsaka iray kilao, ny fatiantoka ho an’ireo tomponandraiki-panjakana amin’ireo faritra dimy anaovana fanangonam-bokatra ireo dia mitetina 20 000 000 ariary isan-taona ny fatiantoka.

 

Fomba fanao niitatra tato anatin’ny Distrika sy ny Faritra Menabe manontolo

Nilatsaka ho fidiana ho solombavambahoaka ity mpandraharaha ity tamin’ny fifidianana tamin’ny taona 2013 ary dia lany soa amantsara. Ny zava-nisy anefa dia niitatra nanaraka ny fahefana teo ampelatanany ihany koa ny faritra namaharan’ity mpandraharaha lasa mpanao politika sy olomboafidy ity. Niditra teo amin’ny lalam-pihariana katsaka izy satria nahazo fifanarahana goavana tamin’ny orin’asa mpamokatra zava-pisotro lehibe iray eto Madagasikara. Tsy niova ny fanao, tsy misy mahazo manangom-bokatra katsaka ny mpandraharaha mpanangom-bokatra hafa na dia ara-dalàna aza ny taratasy ahafahany manao izany asa fanangonana izany.

« Laviko ankitsirano ny fanangonam-bokatra katsaka ataon’ny mpandrahraha hafa amin’ny faritra izarako masom-boly » hoy ny solombavambahoaka mpandraharaha.  Fantatray tamin’izany fa ity farany dia manome ambioka katsaka ireo mpamboly izay manao fifanarahana fanaovan-tsonia aminy hangonany ny vokatr’ireo mpamboly ireo avy eo. Ny fahazoana ny dika mitovy amin’io fifanarahana io dia tena sarotra tokoa. Ny biraon’ny Kaominina Ankilivalo aza tsy manana izany. Ny « Assistant parlementaire » an’Andriamatoa Ludovic RAVELOSON no nampitazomany ny mombamomba io fifanarahana an-tsoratra io, ary nomeny baiko ny mba hanomezana ny dika mitovy amin’ny antotan-taratasy aty aminay.

Noho izany, io solombavambahoaka taloha io dia mitsipaka ny fisiana mpandraharaha hafa mifanerasera amin’ny mpamboly katsaka izay nomeny masom-boly. Tena nahazo ambioka avy any aminy avokoa ve ny mpamboly katsaka rehetra ao amin’ny Distrikan’i Mahabo sy Morondava – sy any amin’ny tanàna hafa toy an’Ankoraobato ? Fanontaniana hafa maro no tsy voavaly. Fa nahoana no manaiky izany ireo voakasika mivantana amin’ny fomba fanao izao ? Fifanarahana tsotra toy izany ve dia ahafahana mpandraharaha iray mamehy samy irery ny seha-pamokarana rehetra ? Raha jerena ny lafiny lalàna, ny fifanarahana toy izao dia mikasika ny andaniny sy ny ankilany irery ihany, fa tsy manan-kery mihitsy amin’ny famehezana ny seha-piharina rehetra.

Hita taratra ny tahotry ny mpamboly. Tsy misy na dia iray aza sahy milaza ampahibemaso ny tena zava-misy marina amin’ny fifandraisam-barotra misy amin’izy ireo sy ity mpandraharaha ity, na ny tena votoatin’ny fifanrahana an-tsoratra izay nosoniaviny niaraka taminy. Tsy nisy na dia iray aza mpamboly tao amin’ny tanànan’i Sarodrano, Ankilivalo, Ankilizato, Ankoraobato izay nifanena taminay niteny fa manana ny dika mitovy amin’io fifanarahana goavana io.

 

EMMOREG

Anarana tena fantatr’olona sady tena manaitra ny hoe EMMOREG. Kanefa, tsy ilay hoe « Etat-Major Mixte Opérationnel de la Région » izy io fa anara-petaka nomen’ny mponina ao Menabe – indrindra ny ao Malaimbandy sy ao Mahabo – ilay vondrona tanora izay tohanan’io mpandaharaha olomboafidy io. Tsy fantatra mazava ny tena isan’ny tanora mandrafitra ity herim-pamoretana ity, izay ny lohany dia ny zanaka lahin’ny solombavambahoaka taloha. Ny mpamboly sy ny mpandraharaha tojo anay dia manombana ny isan’izy ireo ho maherin’ny roapolo ka hatramin’ny telopolo. Nanontaniana momba io kosa Andriamatoa Ludovic RAVELOSON, dia manambara fa telo hatram’ny dimy ny tanora karamainy hiambiny azy ka antsoiny hoe « Kalony ». Mahalala ny fisian’ireo andian’olo mpiambina azy ireo na ny mpitandro ny filaminana na ny Lehiben’ny Distrika.

Ny tsy azo lavina aloha dia misy io hery io na firy na firy ny isany, izay ampitazominy basy tsirairay avy. Manampy ity mpandraharaha ity amin’ny alalan’ny fampiasan-kery entina hampihorohoroana na ny mpandraharaha hafa na ireo mitondra vokatra ity hery iray ity.

Tsy azo atao ary voarara mantsy ny fitondrana vokatra vary sy katsaka hivoaka ny faritra iasan’ity mpandraharaha olomboafidy ity. Ahoana ny fisehon’izany? Maro ny mitaraina fa raha ianao no mitondra vary avy any amin’ny Kaominina mpifanolom-bodirindrina toa an’i Sarognanala, na hosakafon’ny zanakao mianatra ao Mahabo aza, dia tena mety ho voasakana. Avy eo tsy maintsy ampidinina ny fiara ny vary ka sandainy vola araka izay itiavany azy raha tsy izay dia ataon’ireto EMMOREG mahita faisana. Ankehitriny, araka ny voalazan’ireo olona tafaresaka taminay dia somary malaladalaka kely ny sehatry ny vary fa ny katsaka no tena tsy leferin’ity mpandraharaha olomboafidy ity sy ny zanany lahy.

 

Balansin’ny mpandraharaha mpifaninana saika hividy amin’ny vidiny tsaratsara kokoa nosimbain’ny “EMMOREG” ny 07 May 2017 tao Manamby.

 

Betsaka ny olona ao Mahabo no mahalala izao zava-tranga izao: tamin’ny volana may 2017, nisy mpandraharaha mpanangombokatra iray avy any Morondava saika hanangom-bokatra tao Magnamby, Tanàna iray ao anatin’ny Kaominina Ampanihy, nenjehina ny mpiasa saika hividy entana sy nosimbaina ny fitaovana fandanjana izay saika hampiasainy. Marihina fa efa nisy fivoriana iray lehibe nokarakaraina sy natrehin’ny Prefet de Morondava sy Lehiben’ny Distrika Mahabo mba hanokafana ny tsenan’ny fanangonambokatra ho an’ny mpandraharaha hafa nialoha izao tranga izao. Ny EMMOREG, niaraka tamin’ny zanaka lahin’Andriamatoa Ludovic RAVELOSON, no nisakana mpiara-miasa amin’ny mpanangombokatra avy any Morondava. Andriamatoa RAVELOSON dia nanatrika izany nandritra io fisamborana io. Io mpandraharaha io dia vao avy niverina avy any an’ala nividy ny vokatry ny mpamboly. Tamin’izy nody iny, nisy fanakanan-dalana nanery azy hampidina ny vokatra vao avy novidiany ary noterena izy hivarotra izany tsy araka ny sitra-pony. Tao Magnamby ihany, nisy mpandraharaha hafa ihany koa nitatitra vokatra izay vao avy novidiany teny am-potony no nitrangana toe-javatra toy izany ihany koa, fa ny naha samihafa azy dia nisy tifitra fampitandremana nanjo azy. Mbola ao aminy hatramin’androany ny taimbala nampiasaina tamin’izany fitifirana azy izany. Mitovy amin’ny ry zareo, maro dia maro ny olona mitaraina fa efa tratran’ny trangan-javatra nataon’Andriamatoa RAVELOSON toy izao.

Ny Ben’ny Tanànan’ny Bemanonga, Kaominina miorina 08 km atsinanan’ny Morondava, dia tsy nanaiky mihitsy ny hoe ity solombavambahoaka taloha ity no handraharaha ao anatin’ny Kaominina iadiaiany satria aminy dia tsy azo ekena ny tsy fandoavan’ity farany ny tamberimbidy. « Tsy mahazo alalana amiko hivarotra sy hanangombokatra ato anatin’ny faritra iadidiako Andriamatoa Leva raha mbola tsy mandoa tamberimbidy izy » araka ny nambarany. Nanao fidinana ifotony ity mpandarahraha olomboafidy ity ny alakamisy 26 janoary 2017, niaraka tamin’ireo EMMOREG, tanaty fiara tsy mataho-dalana 4X4, samy mirongo basy – ny sasany mahery vaika. Fa saingy afaka nitsoaka, niafina tany aman’olona ny Ben’ny Tanàna. Araka ny filazany, ny zanaka lahin’ny mpandraharaha solombavambahoaka ity dia nirongo basy polenta roa ary nampiharihary izany ampahibemaso. Ny tomponandraikitra teny an-toerana nanatrika ny zava-niseho io dia nanao fanelanelanelanana ka niantso ny EMMOREG – avy tany an-toerana, ilay tena izy tamin’ity indray mitoraka ity.  Tsy misy tsy mahalala izany raha ny mponina rehetra ao amin’io Kaominina io sy ny mpanao gazety rehetra ao Morondava.

Tsy ny mpandraharaha mpifaninana ihany no very tombontsoa amin’izao fomba fanao izao, fa na ny vondrombahoaka itsinjaraham-pahefana ihany koa: tsy ampy ny vola hampihodinana ny Kaominina satria tsy tafiditra ny tamberimbidy ka tsy voaloa foana ny karaman’ny mpiasa.

Raha sendra nanontany ny Kaominina rehetra ny vidim-bokatra voaangon’ny solombavambahoaka teo aloha teto amin’ny Faritra, dia tsy nisy na iray afaka namaly mazava izahay. Ny olona mpandanja entan’Andriamatoa RAVELOSON dia midina mividy mivantana ny entana isaky ny tsena ary mitatitra izany tsy amin’ahiahy. Fiara be roa mitatitra vary no mivoaka ny Kaominina Malaimbandy isaky ny tsena, izany hoe indroa isan-kerinandro mandritra ny fotoana fiakaran’ny vokatra. Any Ankilivalo, mandritra ny fotoana famokarana katsaka, eo anelanelan’ny volana aprily sy jolay, dia fiara be efatra feno vokatra no miala tao amin’ny Kaominina isan’andro. Ny fiara be iray anefa dia mahavita mitatitra voamaina 40t.

Nanosarotra tamin’ity fanadihadiana sy fikarohana ity dia ny tahotr’ireo rehetra ifampiresahana raha vao mahatsikaritra fa hankany amin’ny fanangonam-bokatra ataon’ny Depiote ny resaka. Misy mpandraharaha iray ao Ankilizato izay nanaovan’ireto hery EMMOREG ireto setrasetra saika niafara tamin’ny fahafatesana fa tsy nanaiky ny hiteny mba hitandroany ny ainy araka ny filazany ka dia hajaina araka izay.

 

Isan’ny Kaominina nahita faisana amin’ny fanoherana ny tsy fandoavana tamberimbidy ity Kaominina ity: voatery nitsoaka ny Ben’ny Tanàna, tsy fantatra ny fatran’ny vary voaangona sy vary mivoaka ny Kaominina noho ny tsy fisian’ny fanambarana mazava sy ny tsy fahafahana na tsy fahasahian’ny mpitaky hetra maka izany eny amin’ny tsena.

 

Ny fatran’ny vary sy ny katsaka mivoaka an’ireo Kaominina ireo dia tsy fantatra mihitsy. Na ireo fiarabe mpitatitra vokatra an’ity mpandraharaha ity aza dia tsy misy afaka misava azy na ireo barazy ekonomika miisa efatra izay napetraky ny avy ao amin’ny fiadidiana ny Faritra Menabe amin’iny lalampirenena faha 34 iny mba hitakiana ny tamberimbidy. Milaza fotsiny ny mpitondra fiara hoe “entan’ny depiote” dia mivaha ho azy ny barazy. Tsy toa izany anefa ny mahazo ireo mpandraharaha hafa.

Ny Lehiben’ny Faritra amin’izao moa dia nilaza mazava fa tsy mbola nahita maso ny « quittance » manaporofo fa tena nandoa tamerimbidy tokoa ity mpandraharaha ity, nanomboka nisy izany vao nandray io toerana io izy. Tsy misy mihitsy hetra tonga tao amin’ny Farita. « Tsy fantatray ny tokony hatao », izany no nitarainany nandritra ny resaka taminy.

Raha nanontaniana ny momba ity tsy fandoavana tamberimbidy ity moa Ingahy mpandraharaha olomboafidy dia nandà ankitsirano ary nanamafy fa fanasoketana azy ny filazana fa tsy mpandoa tamberimbidy izy. Tsy nampiseho porofo mivantana anefa izy na izany aza, fa nanambara fotsiny fa resaka politika no ao ambadik’izany. Manao asa soa ho an’ny tantsaha izy, araka ny voalazany amin’ny famahana ny olany sy amin’ny alalan’ny fanomezana ambioka, indindra indrindra. Aminy dia io fahatsoram-pony io no nanazavany ny mahasarotiny azy manoloana ny mpandraharaha hafa.

Hoy ny lefitry ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Malaimbandy, tokony ahavitana sekoly iray misy efitra roa, ary afaka mandray mpianatra zato isan-taona, raha ny tombatomban’ny tamberimbidy tokony hefain’ity mpandraharaha ity. Tombanany ho mahavoangona akotry 3 000t izy ao anatin’ny Kaominina misy azy. Ny fanapaha-kevitry ny Ben’ny Tanànan’i Malaimbandy hiala ivelan’ny Faritra Menabe dia taratry ny ahiahy momba ny fandriapahalemany izay misy ifandraisany amin’ny olona mikasika ny fandoavana tamberimbidy, raha niresaka an-taroby izahay. Mety nofofoina ny ainy ary natao ny fomba rehetra hanoloana azy « Président de la Délégation Spéciale (PDS) », fa tsy nisy vokany hatreto. Ny Lefitra voalohany no tena mitarika ny fampandehanandraharaha amin’ny ankapobeny ao amin’ny Kaominina amin’izao fotoana izao.

 

Inona no ataon’ny fanjakana?

Very fanahy mbola velona tokoa ny tantsaha sy ny mpandraharaha nifampiresahana. Matahotra izy ireo fa tsy toa tsy misy azo atao an’ity mpandraharaha olomboafidy ity mihitsy raha ny hery ananany ao amin’ny Faritra. Efa nisy anefa fitarainana roa napetraka eny anivon’ny BIANCO mikasika ity raharaha mahavoasaringotra ity solombavambahoaka ity sy ny zavatra nataony hita ato amin’ity lahatsoratra ity. Tohin’izany fitarainana izany, nisy mpanao fanadihadiana avy tamin’ny BIANCO nandalo ny septambra 2017, izay nahafahana nanao fitanana an-tsoratra nalefa tany amin’ny Fitsarana voalohany ( mitondra ny marika PV N° 16/17 tamin’ny 21/09/2017 sy PV N° 17/17 tamin’ny 21/09/2017).

Ny Talem-paritry ny varotra ao Menabe dia nanao tatitra mifandraika amin’izao toe-javatra izao any amin’ny Ministera rehefa nijery ifotony ny zava-nisy. Tamin’ny andron’i naha Minisitra an’i TAZAFY Armand, tonga tany Morondava izy ny 9 jiona 2017 mba hitokana ny birao vaovao ny tranoben’ny varotra. Raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety momba ity raharaha ity izy dia nanameloka tanteraka sy ampahibemaso ny fomba fanao ratsin’Andriamatoa Ludovic RAVELOSON (Jereo ny kisary). Akory ny alahelon’ny mpandraharaha iray raha nahita ity Ministra ity tao anaty fiaran’Andriamatoa Ludovic RAVELOSON ny harivan’io ihany, araka ny filazany.

Nandalo tao Morondava noho ny fitarainan’ny mpandraharaha sy ny tatitra nataon’ny teo anivon’ny foibem-paritry ny varotra ao Menabe ny « conseil national de la concurrence ». Nampivory sy nitondra fanazavana momba ny lalàna mifehy ny fifaninanana eto Madagasikara izy ireo. Nefa, na dia teo aza izany fahatongavany izany, tsy nisy fepetra mihitsy noraisina hatramin’izay mba hanoherana ny fanaovana ampihimamba ny fanangonam-bokatra nataon’ny mpanangombokatra solombavambahoaka. Ny mpandraharaha hafa dia miahiahy fa « tototra angaha » io afera io.

 

Ny solombavambahoaka teo aloha sy ny zanany lahy samy tanana am-ponja vonjimaika

Ny solombavambahoaka taloha RAVELOSON sy ny zanany lahy dia nosamborin’ny mpitandro ny filaminana tao Mahabo ny marainan’ny 23 aprily 2019. Nosavaina ny tranony ary nahitana fitaovam-piadiana, toy ny basy sy bala maromaro. Nisy lela vola tratra ihany koa tamin’io fisamborana io. Ny ampitson’io, ny 24 aprily 2019, nandalo teo anoloanan’ny fampanoavana izy roa lahy. Amin’izao fotoana izao dia voatazona vonjimaika any am-ponja izy miandry ny fotoam-pitsarana azy. Olona ambony ao amin’ny tafika, tsy te hitonona anarana, dia nanambara fa notambazan’ity solombavambahoaka taloha ity volabe mba tsy hisamborana azy, kanefa nanda izany izy. Andrasana hatreto ny fitsarana ity olomboafidy taloha ity sy ny zanany lahy.

 

Kisary : Lalàna maro dia maro mety efa nohitsakitsahina

Eto amintsika dia betsaka ireo fehezandalàna na rijan-teny ahafahana mitory ireo zava-misy hita ao amin’ny faritry Menabe. Madagasikara tsinona dia manana lalàna entina ifehezana ny fanangonam-bokatra, isan’izany ny didim-panjakana Laharana faha 65-046 tamin’ny 10 febroary 1965 mikasika ny fanangonambokatra eny ifotony sy ny didim-pitondrana laharana faha 5912-MPCA/93 momba ireo adidy isan’antokony mifandraika amin’ny fanangonam-bokatra eny ifotony eto amin’ny fari-piadidian’i Madagasikara. Misy ihany koa fehezandalana mifehy ny fifaninanana malalaka ary tsongaina manokana amin’izany ny lalàna laharana faha 2005-020 tamin’ny 17 oktobra 2005 mifehy ny fifaninanana. Farany, ny loharanom-bolan’ireo Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana sy ny fepetra ankapobeny mifandraika amin’ny fanangonana ireo haba eny ifotony dia voafaritry ny lalàna laharana faha 2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014 mikasika ny loharanom-bolan’ireo Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana, ny fombafomba fanaovana ny fifidanana, ary koa ny fandaminana sy ny fomba fiasa ary ny anjara andraikitry ny rantsa-mangaika ao aminy.

Sary nindramina: Peggy sy Marco Lachmann-Anke (Pixabay)


Handray hatrany ny mailaka miraky-baovao

Raha te hahazo hatrany ny momba ny fanadihadiana izay ataonay sy ny vaovao momba ny fivondronana Mpanao gazety MALINA dia manasa anao hiditra amin’ny lisitry ny mpandray mailaka.