x

Tohadrano manome herinaratra ao Ankaterena Sahanivotry : tetikasa maizimaizina sady mampanahy no mahavoarohirohy ny fitondrana Rajaonarimampianina

Tohadrano manome herinaratra ao Ankaterena Sahanivotry : tetikasa maizimaizina sady mampanahy no mahavoarohirohy ny fitondrana Rajaonarimampianina

Nosoratan'i Mihary Velo Soa sy Tiana Andria

Tamin’ny 2016, natomboka ny tetikasa hanorina tohadrano manome herinaratra ao Farihitsara, ao amin’ny kaomina ambanivohitra Sahanivotry. Na lazaina fa ny “goavana indrindra aty Afrika” aza io tetikasan’ny orinasa italiana Tozzi Green io, araka ny tenin’ny lehiben’ny faritr’i Vakinankaratra, dia maro be ny fahavoazana mety hateraky ny fampiasana azy ho an’ny mponina any an-toerana.

 

Tokantrano 3000 mahery  nalaina fonenana

Ny 30 jolay 2018, ny mponina teny an-toerana dia nandefa taratasy misokatra ho an’ny praiministra, ny ministry ny Fanazariana ny tany, ny ministry ny Tontolo iainana, ny ministry ny Mponina, ny ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny ben’ny tanànan’kaomina Sahanivotry. Nisy dika mitovin’io taratasy io nalefa tany amin’ny tompon’andraikitry ny Vaomieran’ny eveka “Justice et Paix”. Ny votoatin’io taratasy izay nahitana Sonia 807 io dia fampahafantarana ny tsy fisian’ny mangarahara sy ny mety ho fahavoazana ary ny vokatry fanorenana tohadrano iray mahatratra 53 m ny haavony ao Farihitsara, ao amin’ny kaomina ambanivohitra Sahanivotry

Ireo nanao Sonia dia mitaky koa ny fampiatoana avy hatrany ny asa. Raha ny filazany, misy trano fivavahana fito, trano fianarana telo,  ary foibem-pahasalamana fototra (CSB) iray ho difotry ny rano rehefa vita io tohadrano io. Fasana 1500 koa no horavana. Izany ny fahavoazana tsy azo ialana hateraky ny fananganana an’ io fotodrafitrasa io. Tsy azo antoka ny hoavin’olona an’arivony maro ao amin’ny fokontany Farihitsara sy Ampamehana, kaomina Sahanivotry, Manandona, Avarabohitra ary ny kaomina Ambohitsimanova, ao amin’ny faritra Vakinankaratra, ary koa Tatabe sy Bemasoandro, kaomina Tsarazaza, faritra amoron’Imania.

Nandre ny momba io taratasy io ny solontenan’ny BIMTT, dia nidina teny an-toerana, niaraka tamina manam-pahaizana manokana, mba hijery ny zava-misy ary hanombantombana ny fahavoazana ateraky ny fananganana an’io tohodrano io. Mampatahotra ny vokatr’io fitsidihana io.

Raha 40 metatra ny haavon’io tohadrano io dia mety hahatondraka 680 hektara. Raha 60 metatra ny haavony dia 1 985 ha no ho tondraka”, hoy ny fanazavan’i Kotandrajaona Rajoelisolo, Sekretera Jeneralin’ny BIMTT, ary nanamafy izy avy eo  fa io tetikasa io dia “ fanatsarana ara-teknika, nefa tena mety hampidi-doza kosa ho an’ny tontolo iainana sy ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina”. Satria dia hisy tokantrano 3000 ho voaroaka hiala amin’ny taniny.

Ny filazana avy amin’ny Tozzi Green, ilay mpanatontosa ny tetikasa, dia tsy manambara fiantraikany mitovy amin’izany. Ny taratasy teknikan’ny tetikasa azonay dia milaza an’izao : “Tohadrano vita amin’ny “béton armé” somary miendrika volan-tsinana, 53 m ny haavony ambony indrindra ary

216 m ny halavany. Ny velarana lehibe indrindra ho voatondrany dia 8,2 km2, ny tontalin’ny rano ho azony dia 95 tapitrisa metatra kioba eo ho eo, mitovitovy amin’ny ranon’ny farihin’i Mantasoa. Ary hisy velarana 1000 ha ho voatondraka” Tokantrano 150 fotsiny, hoy ny Tozzi Green no hafindra, raha 3000 kosa no lazain’ny BIMTT.

 

Toeram-ponenana sy tanimbary hotondraky ny rano rehefa vita ny tohadrano.

 

Tsy fisian’ny mangarahara mampiahiahy.

Tsy nisy firesahana natao tamin’ny mponina na iray aza mialoha ny nanombohana ny asa, ary tsy antontan-taratasy ofisialy manamarina ny maha ara-dalàna ny tetikasa  naseho ny Fokonolona mba hampatoky ny mponina eny an-toerana. Hatramin’izao aloha dia tsy afaka mihitsy nahazo antontan-taratasy manome ny antsipiriany ny amin’ny tena sandan’ny fampiasam-bola ho an’ny tetikasa  sy izay mety ho fifanarahana eo amin’ny Tozzi Green sy ny Fanjakana malagasy. Nefa ny tsy fisian’ny fifanarahana dia midika ho tsy fisian’ny antoka. Raha tetikasa goavana toy itony no tsy arahina fifanarahana azon’ny rehetra jerena, rariny raha tsy matoky sy miahiahy.

Raha ny filazan’ny Tozzi Green dia i Hydelec Madagascar, orinasa vao tafiditra vao haingana ao amin’ny vondrona italiana Tozzi Holding ho lasa sampan’ny rantsana misahana ny angovo ao amin’ny Tozzi Renewable Energy, no nanao ny fangatahana alalana ho an’ny fandaharana asa hakana tany handinihana ny toetry ny tany ao amin’ny faritra anaovana ny tohadrano ao Sahanivotry ny 7 septambra 2017 tany amin’ny ministeran’ny Ranon ny Angovo ary ny Solika. Nahazo valiny mahafapo avy amin’ny Sekretarià Jeneralin’io ministera io ilay fangatahana

Na ahoana na ahoana, raha fahazoan-dalana fotsiny hanao fandinihana ny toetany dia tsy  miantoka velively izay mety ho voka-dratsy haterak’ilay tetikasa. ”Ny teknisiana dia tsy nanao afa-tsy nanazava tsotsotra sy fohy dia fohy an’ilay tetikasa hotanterahina. Fa raha nivory ny Fokonolona, dia dia nahatsikaritra ny mponina fa tsy hita noanoa ny vokatry ny fanorenana an’io tohadrano io ho an’ny tanànanay“, hoy ny tenin’ny raim-pianakaviana iray. “Tetikasa tsy manohintohina fotsiny ny hasina maha malagasy io noho izy mandrava ny fasan-drazana fa manohintohina koa ny zo maha olona satria tsy voahaja ny zo mikasika ny sata mifehy ny tany.”, hoy i Kotondrajao Rajoelisolo nanitrikitrika.

Mandeha ny feo fa hoe halefa any amin’ny faritra Atsinanan’ny nosy, hono, ny tokantrano voakasiky ny famindran-toerana. “Teto no teraka ny razambenay eto izahay ni hipetraka ary tsy mieritreritra ny hiala eto mihitsy izahay” izany no noantitranterin’ilay taratasin’ny mponina, tezitra. “Arovan’ny Fanjakana ny fonenan’ny sokatra sy ny gidro. Ambany noho ireny biby ireny angaha izahay ?», hoy ry zareo nanohy.

Tsaho izay toherin’ny vaovao avoakan’ny Tozzi Green izay milaza fa izay iharan’ny fakana ny tanànany dia hafindra kilometatra vitsivitsy fotsiny miala amin’ny fonenany ankehitriny. Ambonin’izany izy ireo dia hahazo fomba fampidiran-drano hahafahany mampitombo ny vokatry ny taniny raha vao miasa ny tohadrano.

Tsy mampitony velively ny ahiahin’ny mponina anefa izany filazana izany ary naleon-dry zareo nampiato ny famboleny zava-pihinana, vokatr’izany dia nihombo ny tsy fandriampahalemana tany an-toerana, hoy ny BIMTT.

 

Misy tambiny ho an’i Hery Rajaonarimampiananina ve?

Araka ny vaovao azonay, ny fanorenana an’io foiben’herinaratra  avy amin’ny tohadrano mahatratra 20 MWW  io ao Ankaterena dia  tafiditra ao amin’ny tetikasan’ny filoha notantanan’ny filoha taloha Hery Rajaonarimampianaina.

Io tetikasa mandrafitra io dia mifandraika amin’ny politikan’ny Fanjakana hampitombo ny famokarana angovo hialana amin’ny delestazy. Araka izany, ny fiaraha-miombona antoky ny governemanta malagasy amin’ny sehatra tsy miankina, tahaka ny orinasa Tozzi Green,  dia miseho amin’ny fanamboarana foiben’herinaratra avy amin’ny tohadrano faharoa  ao Sahanivotry, ary ny vokatra avy ao dia hampidirina ao amin’ny tambajotra mampifandray an’Antananarivo (RIA). Vokatr’izany, dia tokantrano an’arivony maro no ho voavatsy angovo tsy an-kijanona eto Antananarivo sy any Antsirabe, hoy ny Tozzi Green. Eo amin’ny sehatra ara-toekarena, ny mpitondra dia mikendry hitondra vahaolana maharitra mikasika ny angovo ilain’ny mpanjifa. Ny fifandraisana misy eo amin’ny Tozzi Green sy Hery Rajaonarimampianina dia mampametraka fanontaniana sasantsasany ihany na izany aza.

Tamin’ny 1995, i Hery Rajaonarimampianaina dia nanorina kabinetran’ny Mpanamarina kaonty sy komisariàny kaonty natao hoe “Auditeurs associés CGA’. Misy lahatsoratra tamin’ny taona 2013 nivoaka tao amin’ny gazety mpiseho isan’andro La Gazette de la Grande Île mitondra ny lohateny hoe “« Scandale Tozzi Green, Hery Rajaonarimampianina impliqué » (Fahafaham-baraka Tozzi Green, voarohirohy i Hery Rajaonarimampianina) izay nampahafantatra fa “ilay kabinetram-pandinihana CGA ihany no miaro ny tombontsoan’ny  Tozzi Green sady mikarakara ny taokaontin’ny orinasa.” Naborak’io lahatsoratra io koa fa “ny fampiasam-bola rehetra nataon’ny Tozzi Green dia narahin’io kabinetra io maso avokoa, ary efa leo laza eo amin’ny sehatry ny fandraharahana izy io.” Toa hoe nampiasa ny toerany tamin’ny maha ministry ny fitantanambola sy ny toebola miankina amin’ny praiministra tamin’izany i Hery Rajaonarimampianina mba hanamorana ny fametrahana sy fahazoana mampiasa ny Tozzi Green.

Fa angaha izay fotsiny. Io lahatsoratra io koa dia milaza fa ny andraikiny tamin’ny maha prezidàn’ny Filankevi- Pitantanan’ny kompania Air Madagascar azy (PCA) dia nampiasainy hanamorana ny fametrahana ny Tozzi Green tany Ihorombe. ” Ilay Lehiben’ny Fitantanambola taloha dia nety ho nampiasa ny maha PCA-n’ny Air Madagascar azy mba hametrahana ny kompaniam-pirenena any Ihorombe mba hanamorana ny fivezivezena eo amin’ny tetikasa Tozzi Green sy ny renivohitra”, hoy ilay lahatsoratra. Etsy an-daniny, fantatsika rehetra fa ny orinasa Tozzi Green dia nandray anjara ara-bola  tamin’ny fampielezan-kevitr’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny 2013. Mety ho avy amin’io fifandraisana io araka izany no nahazoan’ny tetikasan’i Farihitsara fankatoavana.  Tsiahivina fa io orinasa io ihany no nisahana ny fanorenana foiben’herinaratra iray hafa manana tanjaka 28MW ao Farahantsana Mahitsy.

 

Alalana malalaka omen’ny Fanjakana

Raha ny momba ny tolo-barotra, na ny tsy fisiany no marimarina kokoa, ny valinteny nataon’ny ministry ny Angovo sy ny solitany (MEH), Lantoniaina Rasoloelison,  dia mainka koa manamfy ny ahiahin’ny mponina. “Ny toerana ao Sahanivotry dia namidin’i Hydelec tamin’ny Tozzi Green”, hoy izy nanazava, “noho izany tsy mila tolo-barotra intsony satria efa azy ny toerana ka azony atao amin’izay ilàny azy ary tsy manontany izay hevitry ny hafa.” Momba ny fandroahana ny tokantrano 3000 sy ny hoaviny, hentitra ny valintenin’io tompon’andraikita ambony io. “Ny tombontsoan’ireo tokantrano 3000 ireo angaha mbola ambony kokoa noho ny an’ny 25 tapitrisa? Ohatrinona ny vidin’ny tanimbary sy ny tanimboly raha mitaha  amin’ny tombontsoa ateraky ny fanamboarana an’io tohadrano io? Raha lafo kokoa izany dia tsy mila manala azy amin’ny toerany [...] Hitondra tombontsoa ho an’ny mpamboly io fotodrafitrasa io noho izy hitazona rano.”

Ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, ny jeneraly William Rakotonarivo dia mainka koa manitrikitrika any amin’ny fanazavany. ”Raha manangana tohadrano goavana toy io, tsy maintsy misy foana velaran-tany difotry ny rano. Misy olona voatery hiala amin’ny toerany; hisy fotodrafitrasa toy ny sekoly, fiangonana, fasana, tanimbary lasa any anaty rano; saingy efa nisy fepetra noraisina mba handaminana ny fifindra-monin’ny olona voakasik’izany. Misy koa vola manokana efa nomanin’ny orinasa Tozzi Green ho onitr’izany. Efa nisy koa etsy an-daniny fikambanana najoro mba hanao fanelanelanana”.

 Somary ahitsin’ny BIMTT io filazana io raha manamafy izy fa “ny ezaka natao hanofanana ny tantsaha sy ny teknisiana dia ho maty momoka raha toa ny mponina ka roahina amin’ny taniny”. Arak any nambaran’ny Sekretera Jeneralin’io fikamabanana io, ny lehiben’ny Faritra dia nilokaloka am-pahibemaso ny “Fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina ary ny mponina”, sady nanamafy fa tokony Alaina ny hevitry ny mponina eny ifotony ary ampandraisina anjara ao amin’ny tetikasa izy ireo.

Ny ministra tompon-toerana taloha Lantoniaina Rasoloelison sy ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra dia tsy afaka nampahazo toky ny mponina momba an’io tetikasa io. “Mampihoron-koditra ny mponina ilay hoe halaina ny taniny, arahin’ny famindrana azy lavitra ny toeram-ponenany, izay tondroiny ho tanin’ny razany. Raha voatery hifindra monina izahay, iza no hiantoka ny fiarovana anay? Hanao ahoana izahay any amin’izay fiaraha-monina hovantaninay? Ho nanaiky tanteraka tamin’ny nahim-pony ny fanorenana an’io tohadrano io ny mponina raha ohatra ilay tetikasa ka nitondra tombontsoa sy vokany tsara ho an’ny tanànanay. Saingy hatrizao aloha mbola tsy resy lahatra izahay, satria ny tanàna manontolo no ho lasa any ambanin’ny rano”, hoy Ramatoa Ravo, mpampianatra ao amin’ny sekolim-panjakana ao Farihitsara, kaomina ambanivohitra Sahanivotry, nandritra ny fanadihadiana natao teny an-toerana.

Amin’izao fotoana izao, na dia niresaka toebola manokana homena izay hiharam-pahavoazana aza ny lehiben’ny Faritra, mbola tsy fantatra hoe ohatrinona io onitra io. Tokony ho hita mazava ao amin’ny fifanarahana voalaza etsy ambony anefa io lafiny io. Tsy afaka manamarina an’izany anefa izahay satria tsy natao fanta-bahoaka ilay fifanekena.

 

Ny asa fametrahana karo dia efa eo andalam-panaovana azy mba hahazoana kalitao tsara ny toetany eo amin’ny toerana ametrahana ny tohadrano.

 

Ezaka tsy roa aman-tany

Araka ny tenin’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny Tozzi Green, nisy fandinihana ny toetany mialoha niaraka tamin’ny fandinihana ny toetran’ny rano sy ny endriky ny toerana, samy efa vita tamin’ny oktobra 2016 daholo ireo, nahafahana nanapa-kevitra ny amin’ny toerana hananganana ny goavana indrindra amin’ny fototr’asa.Nisy fandinihana irayvita tamin’ny janoary 2017, niaraka tamin’ny fampidirana ny vokatry ny fandinihana ny endriky ny toerana rehetra, nahafahana namaritra ny faritry ny asa sy ny fandaminana tokony hatao. Nisy refin’ny tohadrano nofaritina avy amin’ny lafin-javatra voalaza etsy ambony, ary ny fisafidianana ny karazana tohadrano dia notapahina tamin’ny volana mey 2017. Ny tatitra farany mikasika ny fandinihana ny toetany sy ny any ambany any ary ny fanandramana horohorontany dia tokony ho efa fantatra tamin’ny volana desambra teo. Ny vokatry ny ampahany amin’ny asa fandinihana ny any ambanin’ny tany  dia nanamarina fa “misy karazam-bato tena tsara kalitao ao, ka azo atao tsara  ny manatontosa   ny tetikasa raha ny teotany no jerena” hoy hatrany ny Tozzi Green.

Inona no ilàna  ny hanaovana tetikasa famatsiana herinaratra raha hisy fianakaviana 3000 hitondra faisana amin’izany? Amin’izao fotoana izao, ny mponina dia manahy sy misalasala”, hoy i Kotondrajaona Rajoelisolo midrinkina, izy moa dia miaraka amin’ny olona maro be mety hiharam-pahavoazana mitaky ny hanafoanana an’io tetikasa io.


Handray hatrany ny mailaka miraky-baovao

Raha te hahazo hatrany ny momba ny fanadihadiana izay ataonay sy ny vaovao momba ny fivondronana Mpanao gazety MALINA dia manasa anao hiditra amin’ny lisitry ny mpandray mailaka.