x

Tsy fadoavan-ketra: tena tsy rariny tanteraka ho an'ny mpanjifa

Tsy fadoavan-ketra: tena tsy rariny tanteraka ho an'ny mpanjifa

Nosoratan'i Yves SAMOELIJAONA sy Riana RAYMOND

Eto Madagasikara dia tafakatra hatrany amin’ny 8% eo ho eo ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tamin’ny 2017 sy 2018. Ny vidin’ny vokatra ilaina andavanandro (PPN), toy ny vary, menaka fihinana sy ny siramamy dia nisondrotra izatsizy ka tsy zakan’ny fianakaviana miaina ao anatin’ny fahantrana ny ankamaroany. Tamin’ny 2018, mba nohatsarain’i Madagasikara kely ny mari-pamantarana ny fivoaranan’ny maha olona (IDH) ka ny 0,512 nanjary 0,519, araka ny voalazan’ny Fandaharana asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD).

Amin’izao fotoana izao, ny vidin’ny vary iray kilao eny an-tsena dia eo anelanelan’ny  2 400 sy 2 800 Ariary, arakaraka ny kalitaony. Araka ny fanazavan-dRasoazananirina Feno Anja, mpivarotra ao amin’ny tsena mitafon’Anosibe, ny vidin-javatra dia miankina amin’ny mpamatsy, izay matetika karana, miara-miasa amin’ny mpanao afera na mpanao politika malagasy. “Tsy izahay no mametra ny vidiny, ireo mpamatsy ireo ny mamaritra ny fitsipi-dalao. Satria moa izahay mampiasa vola mba hahazoana tombony dia manaraka ny fitsipika izahay mba hialana amin’ny faty antoka”, izany no fanambaran’ity mpamongady ity raha niresaka taminay izy ny 20 oktobra 2018.

Nisy mpandraharaha karana anankiray, tsy nety nitonona anarana, mpiasa ao amin’ny mangazay anisan’ny lehibe indrindra mpanafatra entana sy mpivarotra PPN, etsy Ankorondrano, nanamafy fa tena ny mpanafatra entana tokoa no mifehy ny vidin’ny entana ilaina andavanandro eto Madagasikara.”Ny mpampiasa anay no manjaka tokana amin’ny vidin’ny vary na ny menaka fihinana. Mahazo fanohanana tsy misy fepetra avy amin’ny mpitondra malagasy izy amin’izany. Marihina fa misy antokona mpandraharaha anankiray misitraka ny zo ho hany tokana mahazo manafatra vokatra sy mizara izany”, hoy izy nanazava,  nandritra ny resaka mitokana nifanaovanay, tamin’ny 3 janoary farany teo

Io mpandraharaha io, tahaka ny olona hafa tsy maintsy nihaonanay tamin’ity fanadihadiana ity, dia nanonona ny anaran’i Mbola Rajaonah, mpanolotsaina manokana taloha tao amin’ny prezidansa tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Izy sy ny mpiara-miasa taminy dia toa hoe nifandray tendro ela be tamin’ny mangazay roa lehibe mpivarotra kojakojan-tokantrano,  ao Tsaralalàna sy eny Ankorondrano mba tsy handoavan’ireto farany ny hetra sy ny haban-tseranana izay tokony hampiharina amin’ireny entana ireny. Ny fomba fiasa amin’izany, ny entana afarana dia mody atao hoe entana tsy tataovan-ketra, indrindra fa ny vary. Koa satria moa varotra tsy manara-dalàna amin’ny alalan’ny fandoavam-bola amin’ny lelavola, ny tombony azo avy amin’izany dia anaovana famotsiam-bola eny amin’ny tsenan’ny fananana lafo vidy (hazo sarobidy, volamena, andramena) na koa amin’ny fananana momba ny tany natrano.  Ry zareo ireo noho izany dia saika manjaka tokana mihitsy amin’ny fanafarana karazan’entana maro be tena foto-tsakafo.

Tamin’ny 14 novambra teo, ny Tale Jeneralin’ny  Sampan-draharahan’ny Fanarahamaso ara-Toekarena (Samifin), Lamina Boto Tsaradia,  dia nampahatsiahy nandritra ny resadresaka nifanaovanay fa matoa azo natao ny nanjaka tokana toy izany dia satria nisy ny fandikana lalàna misesisesy sady mifamatotra amin’ny halatra amin’ny fandoavan-ketra eto Madagasikara. Tena tsara homarihina etoana fa 37% ny raharaha momba ny famotsiam-bola nosahanin’ny Samifin dia mifandray amin’ny halatra amin’ny hetra ka ahafahan’izay mahazo tombontsoa amin’izany mampiasa indray ny volany eto Madagasikara, anisan’izany ny fanafarana PPN, ny kojakoja fanaovan-trano na akanjo sy fitafiana.

Nandritra ny resadresaka nifanaovanay, ny Tale Jeneralin’ny Samifin dia nilaza fa ny sampan-draharaha iadidiany dia mihevitra fa vola mihoatra ny 160 lavitrisa Ariary fotsiana eto Madagasikara no misy ifandraisany mivantana amin’ny halatra amin’ny hetra.

 

Rafitra manahirana

Ny mpanjifa no voa mafy voalohany indrindra noho io rafitra io satria izy no mizaka ny voka-dratsin’ny fiakaran’ny vidin’entana ateraky ny tsy fisian’ny fifaninanana. Etsy an-danin’izany,  ny haba 20% eo amin’ny tataon-ketra (TVA) izay alaina amin’ireny entana ireny dia toa hoe atao miantraika hatrany hatrany amin’ny vidiny. Na izany aza anefa ny Fanjakana malagasy dia mbola manome fepetra manokana ho an’ny orinasa sasany momba ny hetra aloany amin’ny PPN. Toy izany ny vary izay tsy andoavana TVA.

Raha ny tombana farany momba ny fandaniana amin’ ny hetra natao tamin’ny novambra 2018 (jereo ny lahatsoratra mifefy), ny fatiantoky ny Fanjakana - izay mazava ho azy fa lasa tombony ho an’ireo tsy nasaina nandoa - dia tombanana ho 18,93% ny totalin’ny toebolam-panjakana azo avy amin’ny hetra tamin’ny 2017.

 

Kisary: foto-kevitra momba ny fandanian-ketra

Araka ny OCDE, ny fandaniana amin’ny hetra dia fatiantoka eo amin’ny vola tokony hiditra avy amin’ny fanentanana handoa hetra, fatiantoka ateraky ny alalana manokana tsy handoa hetra voafetra omena olona na mpandraharaha ara-toekarena na ara-tsosialy na ara-kolontsaina tokony handoa hetra.,

Misy fikarohana natao tamin’ny novambra 2018 ary navoakan’ny Fiombonan’ny Politikan’ny Hetra (UPF) ao amin’ny Ministeran’ny Fitantanambola sy ny Toebola  ny 18 janoary 2019 izay manamarina ny nampiasana ny fandaniana amin’ny hetra ho an’ny asa sosialy tamin’ny 2016 sy 2017, ary ny voalaza fa ny  nokendrena tamin’izany dia ny hanamaivana ny vidim-piainana ho an’ny fianakaviana eto Madagasikara.

 

Io tombana io dia mampiseho koa ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny fanomezana tombony momba ny hetra ho an’ny orinasa sasantsasany. Ao amin’ny takila faha 27-n’io tombana io dia voalaza fa ny mpiasan’ny Fiombonan’ny Politikan’ny Hetra dia misedra fahasahiranana rehefa mitady ny anaran’ireo izay misitraka an’ireny tsy fandoavan-ketra sasany ireny.

Io tsy fisian’ny mangarahara io dia miantraika mivantana amin’ny famerana ny vidiny tsy maintsy zakain’ny mpanjifa. Nandritra ny fanadihadiana nataonay dia nisy hirika nahitanay fa nety ho azo natao tsara ny nifehy ny vidin’ny vary sy ny menaka tamin’ny 2017. Nefa tamin’io taona io dia niaka-bidy tsy nisy ohatra izany ireo entana ireo.

Tamin’ny 2018 dia nanafatra vary 246 534 taonina, i Madagasikara, izany hoe 20 000 taonina isam-bolana, araka ny Tatitry ny fanatontosana ny Fandaharanasan’ny Fanjakana nomen’ny Ministeran’ny Varotra sy ny Fanjifana. Teo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny vary iray taonina dia novidiana teo anelanelan’ny 410 sy 442 dolara amerikana teo anelanelan’ny janoary 2018 sy janoary 2019, izany hoe 1 000 000 Ariary eo ho eo. Ambony lavitra noho ny vidiny ampiharina eto Madagasikara io vidiny io noho izy anaovan’ny mpamongady sy mpaninjara sasany kajikajy ratsy.

Araka ny resaka nifanaovanay tamin’olona matihanina amin’ireo sehatra ireo, ny mpanafatra dia manararaotra ny fahasarotan’ny toetrandro sy ny faharatsian’ny  lalana mba hanamarinana ny mahatratra aoriana ny famatsiana ataony sy ny fanondrotana avo be ny vidin’entana.

Tamin’ny 2018, ny fadin-tseranana dia nahazo vola efa ho 2 400 lavitrisa Ariary tao amin’ny toebolany.  Raha ampitahaina, ny indray mitopy maso amin’ny isan’ny entana nisitraka tsy fandoavan-ketra tamin’ny 2019 dia mampiseho fa tsy kely velively ny vola tokony hiditra tsy azo,  na dia hita aza fa tsy nisy fiantraikany akory teo amin’ny vidin’ireo entana izay mbola nidangana hatrany ireny tsy fandoavan-ketra ireny .

Ny tsy fisian’ny mangarahara teo amin’ny fanomezana alalana tsy handoa haban-tseranana sy tsy handoa hetra dia nampirisika ny fandikan-dalàna. Izany moa dia niteraka fatiantoka lehibe ho an’ny Fanjakana. Noho izany,  Ilaina maika ny hanovana ny fanao sy ny hampahafantarana mazava ny vidin’entana tena izy sy ny mahamarim-pototra ara-toekarena ireny fandaniana amin’ny hetra ireny, na  eo amin’izay sehatra anaovana an’ireny fandaniana amin’ny hetra ireny izany na eo amin’ny mpandraharaha ara-toekarena misitraka azy.

Sary nindramina : Luc Legay


Handray hatrany ny mailaka miraky-baovao

Raha te hahazo hatrany ny momba ny fanadihadiana izay ataonay sy ny vaovao momba ny fivondronana Mpanao gazety MALINA dia manasa anao hiditra amin’ny lisitry ny mpandray mailaka.