x

Andriamena sy Brieville : mahazo vahana ny fakan an-keriny

Andriamena sy Brieville : mahazo vahana ny fakan an-keriny

Nosoratan'i Riana Raymond

Anisan'ny faritra voasokajy ho mena eo amin'ny lafin'ny tsy fandriampahalemana ny kaominina Brieville sy Andriamena ao anatin'ny distrikan'i Tsaratanàna. Tena mampalaza azy ny halatra omby, saingy efa miitatra amin'ny fakana olona an-keriny izany ankehitriny. Tranga iray nanamarika ny taona 2018, ny fakana an-keriny mpiasa efatra mirahalahy ao amin'ny orinasa Kraomita malagasy.

Mihorohoro sy mandry andriran'antsy ny mponina ao amin'ny kaominina Brieville sy ny kaominina  Andriamena, ankehitriny. Fanafihana miharo halatra omby miisa iray na roa isan-kerinandro no miseho any an-toerana, araka ny fanazavana nomen'ny lehiben'ny brigadin'ny zandarimariam-pirenena ao Brieville, adjidà sefo Randriatsimanirisoa Zazah.

Anisan'ny manome vahana ny asan-jiolahy ny fahasarotan'ny toerana hiasana, indrindra ny fahamaroan'ny kizo ahafahan'ny olon-dratsy mitsoaka. Manginy fotsiny ny tsy fahampian'ny zandary miasa any an-toerana. Ho an'ny ao Brieville manokana, misahana kaominina roa izy ireo. Tsy ampy koa ny fitaovana. « Moto izao no misy eto aminay, tsy manana fiara tsy mataho-dalana izahay. Raha misy ny hetsika maika, ilana fiara, tsy maintsy mila vonjy ao amin'ny orinasa Kraoma izahay. Efa manampy ity orinasa ity saingy tsy ampy izany raha mitaha amin'ny iraka ankinina aminay», hoy hatrany ity zandary ity. «Tsy mampiraviravy tanana akory izany satria tsy maintsy miasa izahay», hoy izy.

Mitovy ny toe-draharaha ao Brieville sy ny any Andriamena. Olana sedrain'ny zandarimariam-pirenena ankehitriny, ny tsy fahampian' ny fitaovana ho enti-miasa. « Raha ny aty aminay manokana, mila fampitaovana misimisy kokoa izahay. Iraha-mahalala fa lalana hizoran'ny mpangalatra omby amin'ny faritra Alaotra-Mangoro, miampita any Betsiboka, hatrany Boeny ny toerana misy anay », hoy kosa ny adjidà Rajaonarivelo François, lehiben'ny brigady ao Andriamena.

 

Biraon'ny zandarimariam-pirenena ny Kaomina Andriamena

 

Marihina, fa araka ny angom-baovao natao tany an-toerana, tsy mijanona amin'ny halatra omby, intsony ny olon-dratsy. Matetika izy ireo maka takalonaina, mba hanakanana ny mpanara-dia sy mba hatao fakana vola ambonin'ny omby halatra. Tamin'ny lahateny nataon'ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, nandritra ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona, ny alakamisy lasa teo, dia nanamafy izany ny jeneraly Randriamanarina Jean Christophe. « 31 no tranga fakana olona an-keriny voarain'ny zandarimariam-pirenena ny taona 2018. Hita fa niakatra izany satria misy andiany roa samihafa ny ireo mpaka an-keriny. Voalohany, ireo mpaka teratany karana mizaka ny zom-pirenena frantsay. Faharoa, nanova fomba fiasa ny dahalo mpangalatra omby. Tsy mihanona amin'ny halatra izy ireo fa maka olona ho takalonaina ihany koa », hoy ity manamboninahitra jeneraly ity.

 

Raharaham-panjakana

Amin'ny ankapobeny manerana ny lafivalon'ny Nosy no mihamahery fihetsika tahaka izao ny dahalo.  Raha ny tany Brieville sy Andriamena manokana, anisan'ny nanamarika ny telo volana farany tamin'ny taon-dasa ohatra, ny alin'ny 29 desambra 2018, tao Andriamena : vehivavy vao teraka enim-bolana sy raim-pianakaviana iray no nentin'ny dahalo mpangalatra omby. Afaka roa andro vao navotsotra. Tao amin'ny kaominina Manakana, nisy tranga efatra nifanesisesy: ny volana oktobra ny tranga voalohany, nakana an-keriny vehivavy iray sy lehilahy iray ihany koa. Ny volana novambra kosa ny tranga telo ambiny. 

Tranga iray hafa, niteraka resabe ny fakana an-keriny ireo mpiasan'ny orinasa Kraoma Malagasy, ny alatsinainy faha 23 jolay 2018, tany Bemavo, Kaominin'Andriamena. Nitentim-bidy 100 tapitrisa Ariary ny sandan'ny takalonaina. Mpiasa efatra mirahalahy tao amin'ny orinasa Kraomita Malagasy no lasibatra. Nalaina teo am-panatanterahana ny tetikasan'ny Filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina izy ireo. Nisy ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 33 B, izay novakiana mba hampifandray mivantana ny faritra Alaotra Mangoro sy Betsiboka. Tsy mahafaly ny dahalo izany ka nahatonga ny fakana an-keriny, izay nampitsaharana ny asa. Ankoatra izay, taratry ny fahasorenan'ny mponina any ambanivohitra amin'ny fisian'ny kolikoly sy ny fanaparam-pahefana no nahatonga ilay tranga tao amin'ny Kraoma iny. « Raha ny filazan'ny mpaka an-keriny taminay, dia ilay solombavambahoaka voafidy tao Tsaratanàna no tena nilain'izy ireo. Be loatra ny famoretana nahazo azy ireo hono. Misy ny raharaham-pitsarana nolazain'ny dahalo fa nahavoa ny havan'izy ireo, ilay olom-boafidy mihitsy no manao tsindry hazo lena, ka izay no mahatonga azy ireo hitroatra sy hanao asan-jiolahy tahaka izao. », hoy ny fitantaran-dRakotomalala Jean Servais na i Vévé, iray tamin'ny takalonaina.  Voatazona nandritra ny efatra andro izy efa-dahy, mpiasan'ny Kraoma. Tompon'antoka tamin'izany ny dimy lahy nitondra basy mahery vaika tahaka ny “Kalachnikov” sy basim-borona. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon'ny takalonaina, misy ny firaisana tsikombakomba avy amin'ny dahalo sy ny fokonolona nanara-dia. « Mifandray tsy tapaka, tsy miresaka afatsy amin'ingahy Solombavambahoaka ny dahalo. Izahay rahateo te ho ela velona ka manaraka am-bokony ny toromarika. Tsy fantatray mazava intsony ny ao ambadik'ilay raharaha mandraka izao. Izahay rahateo, iray andro taorian'ny namotsoran'ny dahalo anay dia voaasa, teny Iavoloha, niaka-dapa nihaona tamin'ny Filoham-pirenena », hoy hatrany ny fitantaran'ity niara-boina.   Lasa raharaham-panjakana tanteraka ny tranga tao amin'ny orinasa Kraoma ity.

Tsiahivina fa mandrakizao, araka ny resaka nifanaovana tamin'ny lehiben'ny zandary tao Andriamena, ny adjidà Rajaonarivelo François, dia tsy mbola misy tratra ny mpaka an-keriny, mivantana. Olona valo mianadahy, ahiana ho mpiray tsikombakomba no efa naiditra am-ponja vonjimaika saingy efa nahazo fahafahana. Nilaza ihany koa izy, fa na ireo efa-dahy nalaina an-keriny aza tsy natao famotorana. 

Atoa Rakotomalala Jean Servais, etsy ankilan'izay, nilaza fa efa nalaina am-bavany tao amin'ny sampana manokana misahana ny heloka bevava, etsy amin'ny Toby Ratsimandrava izy ireo, taorian'ny fihaonana tamin'ny Filoham-pirenena, ny volana jolay 2018.

Marihina fa nahatratra 31 ny tranga fakana olona an-keriny teto Madagasikara ny taona 2018.

 

Kolikoly sy tsy fandriampahalemana

Anisan'ny antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana amin'izao fotoana izao, indrindra any amin'ny tontolo ambanivohitra ny fisian'ny kolikoly eny anivon'ny sampan-daraharaham-panjakana.

« Amin'ny ankapobeny, very hasina noho ny fanaovana kolikoly ny mpiantsehatra eo amin'ny tontolon'ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Ato amin'ny faritra iadidiako izao dia olana goavana ny tsy fahatokisan'ny mponina ny fitsarana, na izahay koa aza indraindray. Izany no mampirongatra ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa. », hoy ny kaomanda Ramananga Norbert, lehiben'ny Kaompanian'ny Zandarimariam-pirenena ao Mandritsara, faritra Sofia. « Manampy trotraka ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny samy manam-pahefana. Izahay ato amin'ny zandarimariam-pirenena izao, mametraka politika mazava, hiadiana amin'ny kolikoly, efa omena malalaka ny olom-pirenena ny laharan'ny finday ahafahana mitaraina. Rehefa tonga any amin'ny fitsarana anefa ny olona voasambotray, miaraka amin'ny porofo dia matetika mahazo fahafahana vonjimaika. Sorena ny mponina vokatr'izany. Ary ny tena zava-doza, tsy ny manampahefana rehetra no faly sy mazoto amin'ny ady atao amin'ny kolikoly fa hananam-pahavalo izy ity. Izaho manokana, efa-taona niasana taty an-toerana, ataoko vaindohan-draharaha ny ady amin'ny kolikoly. Indrokely misy ireo manam-pahefana sasany zatra ny lalan-dririnina, tsy faly amin'ny ezaka », hoy hatrany ity manam-boninahitra ity nanazava. Marihina fa tsy naharay fitarainana momba ny kolikoly nataona zandary ny tompon'andraikitra tamin'ny taona 2018, raha nisy tranga roa nanenjehana zandary ny taona 2017 tao amin'ny Kaompania. Nahatratra 30 ny hetsika fanentanana ny mponina mikasika ny ady atao amin'ny kolikoly tamin'ny 2018 raha 25 izany tamin’ny 2017. Mikasika fitsaram-bahoaka, olona 25 no voasambotra ka 11 naiditra am-ponja ny taona 2017, nisy telo ny trangana fitsaram-bahoaka, 25 ny fanentanana. Nihena izany ny taona 2018, mbola tsy nisy ny olona voasambotra na voarohirohy amin'ny fitsaram-bahoaka, 40 kosa ny asa fanentanana ny mponina tsy hanao fitsaram-bahoaka tao anatin'ny Kaompania.

Raha izay ny teo amin'ny sehatra any ifotony, nidina ny tahan'ny fitsaram-bahoaka manerana an'i Madagasikara. 38 ny tranga nisy ny taona 2018 raha toa ka nahatratra 64 izany ny taona 2017. Olona 38 no maty, 6 naratra, ary 58 naiditra am-ponja tamin’ny taona 2018. Raha ny fanazavana nomen'ny sampana serasera sy fifandraisana eo anivon'ny zandariamariam-pirenena dia ny ezaka niadiana amin'ny Kolikoly sy ny fampahanfatarana ny mponina momba izany no nahitam-bokatra.

Amin'izao fotoana izao, anisan'ny paikady voalohany eo anivon'ny zandarimariam-pirenena ialàna  amin'izay kolikoly izay ny fampiofanana ireo zandary am-perinasa. Manam-boninahitra 82 sy manam-boninahitra lefitra 563 no nofanina teto Madagasikara. Manam-boninahitra 29 sy manam-boninahitra lefitra 8 kosa no niofana tany ivelany. Ankoatra izay, nisy zandary miisa 358 niofana niaraka tamin'ny manampahaizana frantsay. Ny tanjona dia ny mba hisian'ny zandary matihanina sy afaka hijoro amin'ny sedra eo am-panatanterahana ny asany.

Marihina fa anisan'ny sampan-draharaha miara-miasa amin'ny Birao Mahaleotena miady amin'ny Kolikoly na ny Bianco ny zandarimariam-pirenena.

Handray hatrany ny mailaka miraky-baovao

Raha te hahazo hatrany ny momba ny fanadihadiana izay ataonay sy ny vaovao momba ny fivondronana Mpanao gazety MALINA dia manasa anao hiditra amin’ny lisitry ny mpandray mailaka.