x

Ady tanin'ny Sirama: tsy taitra akory ny fanjakana nefa vola amina miliara no tsy hita

Ady tanin'ny Sirama: tsy taitra akory ny fanjakana nefa vola amina miliara no tsy hita

Nosoratan'i Hilda Hasinjo

Nosy-be, tanàna amin'ny faritra avaratry Madagasikara, tanànan'ny siramamy, tanànan'ny toaka. Efa tamin'ny folo taona lasa izany. Efa niova izany ankehitriny satria mbola tsy tafarina ny orinasa mpanao siramamy Dzamandzar. Mihombo ny olana ara-aditany.

 

Nosy-be tazanina amin'ny zanabolana

Mitatao vovona eto Ampasindava, fokotany mihataka kely amin'ny lalana makany Dzamandzar, ao Nosy-be. Amin'izany ora izany, mihato daholo ny asa rehetra. "Tsy mety ny mampiasa olona amin'ny hafanana mahatratra 34°C", hoy Rudi, mpitarika anay eto antoerana. Mahaliana ny fahitana "vahiny" mandalo, fa tsy hanala ny zaza amam-behivavy eo amin'ny toerana fanaraha-maso ny mpandalo mahazatra azy ireo.

Naorina ny tanàna ho an'ny mpiasa antseliky ny orinasa mpanao siramamy "Siramamy Malagasy" (Sirama) mbola niodina tamin'ny fotoan'androny. Mbola ipetrahan'ireo olona ireo ireo trano ireo ankehitriny, ary mandoa vola mitentina   2 000 ariary isa-taona, ahafan'izy ireo mipetraka eo. Voasoratra amin'ny rosian'ny kaominin'ny Nosy-be fa mitovy amina hetra-trano naorina eo amin'ireo tany ireo io vola io. Nefa dia tompon-tany ireo olona ireo. Tsy ofisialy izany nefa. An'ny Sirama ny tany.

Tena tsara ho an'ny fambolena fary ny sisin-dalana makany Dzamandzar. Kanefa dia tena tian'ny mpividy tany.

Anisan'ny olona mipetraka amin'ireny trano kely efajoro mira efatra ireny Andriamatoa Rabe Clément. Avy amin'ny distrikan'ny Bealanana faritra Sofia, 300km an'ny Nosy-be,  ary efa niaina teo niaraka tamin'ny vadiny sy ireo zanany efatra hatramin'ny taona 1995. Izy izao no filoham-pokotany izao.  Arany daholo ny fandehan'ny tany ao noho io toerana misy azy io. Ampahan-tany mampisy olana ho an'ny Sirama io fokotany io. Hangalarin’ireo mponina hanorenana trano tsy ara-dalana ny ampahany lehibe amin'io. Mitombo isan'andro ny isan'izy ireo. "Tsy voasakanay izy ireo.  Ny birao miandraikitra ny fananantany no mikarakara izany. Sady raha resaka momba ny tany izany, tsy afaka miteny izahay [ndlr : ny fokotany]. Tsy anontaniana akory ny hevitray", hoy Andriamatoa Rabe Clément.

 

Fanonerana, fangalaram-ponenana trano tsizarizary, fanitarana ny tanàna... mihitatra aminy fanilihana ny Sirama

Nanomboka ny faha-12 septambra 2012, daty namelan'ny Filakevitry ny Minisitra hivarotana ny tanin'ny Sirama sasany, nanomboka namerina amin'ny laoniny ny momba an'ireo mponina tsy ara-dalana ireo. "Nefa tsy mety tapitra hatramin’zao ny fitoerana tsy ara-dalana. Tsy ela akory, tamin'ny herinandro ambony [ndlr : faran'ny volana novambra 2018], nampahafantarina anay fa nihombo ny isan'ny fangalaram-ponenana, arakin'ny fanazavan'Andriamatoa Rasoamahenina, Tale jeneraly mpisolo toerana ao amin'ny orinasa.

Tale jeneraly mpisolo toerana ao amin'ny orinasa Sirama sady mpanolotsaina amin'ny fitantanan-draharaha taloha. Nanaraka ny raharaha hatramin'ny taona 2009.

Nahafahana nanavaka velaran-tany 694 ha io fanapahankevitra navoakan'ny Filankevitry ny Minisitra io. Nihamaizina ny raharaha nanomboka teo. Tsy nisy nahafantatra marina izay hiafaran'io tany navahana io. Samihafa arak'izany ny filazan'ny loharam-baovao. Tamin'ny taona 2012, nampahalala ny mpanao gazety Andriamatoa Moana Essa fa efa nipetrahan'ny olona tsy ara-dalana ilay tany (tale jeneralin'ny orinasa). Noho izany, tokony handoa vola 15 000 hatramin'ny 50 000 ariary isaky m2 ireo mpangala-ponenana ireo raha araky ny toerana misy ny tany. Nantsoina an-telefaonina mba hiresahana momba an'io raharaha io Andriamatoa Moana Essa fa tsy nanaiky noho ny tsy maha mpitantana ny orinasa azy intsony , ary tsy misy idirany intsony izany hoy izy.

Taty aoriana, hoe hanitarana ny tananan'ny Nosy-be io tany 694 ha navahana io. Ny sasany miteny hoe ampahany ihany no hanitarana ny tanana. Ny sasany kosa milaza fa natokana ho an’ny mpiasa madiniky ny orinasa mpanao siramamy ny 27 ha amin’io velaran-tany io. Ka samy hanana 400 m² avy amin’izany izy ireo. Tsy nisy resaka fivarotana tany mihintsy raha tsy hoe an’ny mpiasa nitady toeram-ponenana rehefa nikatona ny orinasa tamin’ny taona 2005, fotoana naha praiministra an’Andriamatoa Jean Omer Beriziky ary raha araky ny fitadidiany,tsy mbola nisy fandaminana ny raharaha Sirama mihitsy.  

Matanjaka ara-toekarena Nosy-be. Miroborobo ny fizahantany ao. Ary izay ny antony nampidangana be ny vidin'ny tanin'ny Sirama ao amin'ny tananan'ny ylang-ylang. “Tamin'ny fitondran'ny Filoha Didier Ratsiraka ny taona 1999, efa nanomboka nisaina ny hanaovana an'ny Nosy-be ho tananan'ny fizahantany ireo mpitondra. Nanomboka teo ny asa rehetra", rah any fanazavan’ Andriamatoa Serge Zafimahova, mpamorina ny CDE (Club Développement et Éthique), anisan'ny mpandray anjara tao anatin'ny fanalana ny orinasa miankina amin'ny fanjakana amin'ny fanjakana.”

Andriamatoa Serge Zafimahova, mitati-bolana fa misy tsy mazava ny lalàna mifehy ny orinasa tsy hahankina amin'ny fanjakana

 

Fironana any amin'ny fizahantany : natao varoboba ny tanin'ny Sirama.

Nisarika mpampiasa vola malagasy, indrindra indrindra avy any ivelany maro arak'izany Nosy-be. Trano fandraisam-bahiny mirentirenty  maro no nahita masoandro. Tapaka hatreo ny momban'ny tanana : tsy ny fary irery intsony no mpampiakatra ny harikarenany. Tsy nisy nanam-po enin-taona aty aoriana, tamin'ny fitondran'Andriamatoa Ravalomanana, fa hoatsahatra ny fanaovana siramamy ho tombotsoan'ny fizahantany.

Lasan'ny trano fandraisam-bahiny mirentirenty ny tany 212 ha, ankoatran'ny 694 ha voalaza nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin'ny septambra 2012 araky ny loharanom-baovao marim-pototra azonay. Naorina teo amin'ny tanin'ny Sirama ny ampahiny betsaka tamin'ireo fotodrafitrasa.

"Azo avy amin'ny famoahana didy fahazoana tany ny ankamaroan'ny tany. Heverinay fa misy kolikoly goavana ambadik'izany. Namoaka hatrany io tondriky io ny mpiasan'ny  fananantany ao Nosy-be mba hiombonany amin'ny mpampiasa vola”, hoy Andriamatoa Mamy Rasoamahenina. NY famoahana didy fahazoana tany dia fomba ahafahana mahazo tany araky ny lalàna, zo mivaingana na tsy manana taratasin-tany aza, aorian’ny fahataperan’ny fotoana voafetra, antsoina hoe baiko, afaka manohitra na mandà izany eny amin’ny fitsarana.

Mba hialana bala, nilaza  ny loharanom-baovao teo anivon’ny sampana fananan-tany tao amin’ny orinasa tao Nosy be, milaza fa ny mpiasa ambony toerana avy tao amin’ny foibe Antananarivo no niketrika ny fivarotana ireo tany ireo dia ampahany tamin’ny lehibe

 

Fototry ny paik’ady tsy ara-dalana ny fanodikodinana ny lahatsoratra

Serge Zafimahova, izay nanaraka akaiky ny momba ny fisitahan’ny fanjakana amin’ny orinasa, namoaka andian-tsoratra maromaro mba hamelezana ny fihetsiky ny mpitantana ny Sirama. Araky ny heviny, “Ny orinasa dia tsy manana zo hivarotra ny taniny, araka ny lalana laharana 2003-051 momba ny fisitahan’ny fanjakana, andininy 10, izay manambara fa ny fivarotana ny fananan’ny orinasa na inona na inona dia tokony misy fifaninanana tolo barotra. Arak’izao hita izao, ny varotra tamin’ny olontsotra izay tiany dia azo lazaina ho  fisitahana ihany. Indrindra moa amin’izao tranga izao, ny tompon’ny tany vaovao dia tsy mamboly fary, dia hita fa nisy ny fanodikodinana, tsy mba araka ny noeritreretina ho fisitahan’ny fanjakana”.

“Ny Sirama dia orinasa S.À (Société Anomyme), izay manana ny fananany manokana. Tsy an’ny fanjakana intsony ity farany. Tokony tsy manana ny teny hambara ny fanjakana. Ny tanin’ny Sirama dia tany azy manokana ary ananany ny taratasy momba izany” araka ny fanazavan’i Oméga Rasetaharimalala, talen’ny sampana fananan-tany ao amin’ny minisitry ny fanajariana ny tany, izay nanamarina fa ny fivarotana tany nataon’ny Sirama dia ara-dalana tokoa, mitovy amin’ny hoe tompon’ny tany tsotra mivarotra ny taniny izay tsy afaka lavin’ny fanjakana. Vokany, ny taratasy fanamarinana fananan-tany dia manambara fa ny tany mirefy 6 000 ha dia amin’ny anaran’ny orinasa Sirama, araka ny didi-pitsarana.

Satria ny Sirama dia orinasa S.A (société anonyme) ary ny ankamaroan’ny ireo tany ireo dia tany misy tompony, azon’ny mpitondra atao ve ny hivarotra tsy ampiambahambana izany? arak’i Eric Raparison ao amin’ny SIF (Solidarité des intervenants sur le foncier).

“Satria Société Anonyme, ny orinasa Sirama dia mbola mijanona  fananan’ny fanjakana satria ny petra-bola dia 100% asam-panjakana. Dia nahoana no mbola ny ministeran’ny vola no manapaka ny fandrafetana ny filankevi-pitantanana nefa ny fanjakana tsy tokony hiditra ao intsony? Nahoana no mbola ny filakevitry ny minisitra no mbola manapaka ny fivarotana ny tany ary?” hoy Andriamatoa Eric Raparison. Hita arak’izany fa misy fanodikodinana ny lalàna mihatra izany. 

Ary raha tsy an’ny fanjakana intsony ny fananan’ny Sirama, ahoana moa ny mbola ahafahan’ny minisiteran’ny indostria hanome baiko ny mpandraharaha ara-toekarena hivarotra ny ampahany amin’ny taniny? Vokatry ny fikarohanay, nahavita nijery ny taratasy tamin’ny 2018 izay misy ny sonian’ny sekretera jeneraly ny ministeran’ny indostria izay nanome baiko, tsy misy fanazavana, fa omena ny orinasa Leong ny tany mitondra ny anarana 550-BO fananan’ny orinasa Sirama. Nohazavain’ny tale jeneraly ny orinasa Sirama taminay fa ny fanomezana io tany io dia takalon’ny fanavaozana ny lalàna tao Nosy-Be izay nataon’ity orinasa ity. Rehefa nantsoina mba handalinana lalindalina kokoa, tsy nisy namaly ny antsonay na ny ministera, na ny tompon’ny orinasa Palm Beach Leong. Nefa araky ny fikarohana ihany dia hita fa tsy lavitra ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ny tompon’ny orinasa izay mifanakaiky anarana amin’ny Leong.

“Efa nanana toerana ambony teo amin’ny faritra Nosy-be aho. Tadidiko hoe nisy ministra nanatona ahy ary nangataka tamiko ny mba hanampy azy amin’ny fivarotana tany amin’ny vahiny satria ahazoana vola betsaka izany. Nolaviko izany satria te hanara-dalana aho. Ny lalàna dia miteny fa tsy azo atao ny mivarotra tany izay an’ny fanjakana. Fotoana fohy tao aorina, voaroaka aho. Voalohany, nafindra toerana, nampidinina toerana ary voaroaka”, izay no voalazan’ny olona efa tompon’andraikitra tao amin’ny orinasa Sirama izay nisafidy ny tsy hanonona anarana.

 

Fifanarahana afahafa nisy teo amin’ny kabinetra mpandrefy tany

Naka ny kabinetra Zaratany ny Sirama rehefa “handoa vola”, kabinetra momba ny tany matihanina izay ao Antananarivo io. Satria tsy nahita taratra momba ny songo-barotra momba io izahay dia niezaka nitady ny mombamomba ny kabinetra tao amin’ny registra ny varotra. Etsy andanin’izany, nanazava ny tale jeneralin’ny Sirama fa ny filankevim-pitantanana ihany no nifanaraka tamin’ny kabinetra. Tsy nanaiky ny handray anay ny tale ny filankevitry ny Sirama rehefa niantso azy izahay.

Zaratany no miandraikitra ny fandoavam-bola amin’ireo mponina teo amin’ny Sirama, hatramin’ny fikirakirana ny antontan-taratasy sy ny famaritana ny tany. Voaloha vola izy amin’ny asa izay nataony aorinan’ny fampisehoana ny faktiora ara-dalàna tsara. Misy ihany koa ireo mpamaritra sy mpametraka ny marika amin’ny tany izay andoavam-bola.

Ao Nosy-be, ity  kabinetra ity dia efa voatondro molotra fa anisan’ny ivon’ny fanaovana kolikoly amin’ny varotra tanin’ny Sirama. “Nomena 1 600 000 ariary aho mba hanao famaritana ny taniko, nefa dia tsy nisy zany”, izay no fitarainana nataona vehivavy efa somary lehibe (60 taona any ho any) izay nametraka fitoriana amin’ny fisolokiana nataon’ny kabinetra. Nahazo rariny izy.

Araky ny loharanom-baovao hafa dia manamarina fa Zaratany no manodikodina ny taratasy. “Ny zava-misy dia roa ny paik’ady amin’ny fomba fandohavam-bola. Ny voalohany mikasiaka ny mpiasa madinika ao amin’ny Sirama, ny faharoa mikasika ireo olon-tsotra nangalana ny tany izay tokony handoa vola. Ao amin’ny paik’ady, ny mpiasa madinika dia mividy ny tany 5000 ariary ny metatra tora droa ny hafa dia 15 000 ka hatramin’ny 50 000 ariary, arakaraka ny toerana misy ny tany. Ny Kabinetra no manolotra ny vidiny amin’ny mpividy arakaraka ny fatram-bidy ao aminy ary manolo kevitra ny fampindramana anarana avy amin’ireo mpiasa ireo mba hampidina ny vidiny. Ifampizaran’izy ireo ny elanelam-bidy mba ahazoana ny tany aminy vidiny mora”, araka ny hevitr’i Ramatoa Anne-Marie, olona efa antitra izay nanova ny anarany mba ho fitandroany ny ainy. Manambady italianina, I Anne-Marie ary  naniry hividy ny tany fa noho ny tetika ratsy misy no naha tonga azy nampiasa ny volany tany amin’ny toerana hafa.

Voalazany hatramin’ny hoe misy zavatra hafahafa ao amin’ny mpitantana teo anivon’ny faritra Nosy-be sy ny kabinetra. “Bavimena Raymond, talen’ny kolon-tsaina no tena mpanao kolikoly amin’izy ireo. Ao ihany koa i Mosesy, tale fampandehanan-draharahan’ny orinasa sy Besinoa Pascal izay namana tsy lavitra azy io. Ireo no mikirakira ny taratasy momba ny varotra sy ny fandoavam-bola. Hita n’aiza n’aiza ny dian-tanan’izy ireo. Efa nanatona ahy indray mandeha izy ireo.”

Nanatona ireo olona ireo izahay, nanambara malalaka izy ireo fa tsy nisy nidirany ny fanampahan-kevitra farany teo anivon’ny filan-kevimpitantanana ny hanomezana na tsia ny taratasy ho an’ny mpitaky. Nanamafy Andriamatoa José Claude Razafindrazaka, lehiben’ny fitantanana Zaratany faritra Nosy-be, fa sarotra ary tsy afaka ataony ny manodikodina ny taratasy alohan’ny fanampahan-kevitra, satria ny filan-kevimpitatanana mijery ny momba ny tany eo amin’ny taon-tsarintany.

“Raha misy trangana kolikoly ahiany, asaivo hakariny any  amin’ny Bianco! Tsy misy atahoranay satria madio izahay. annin tena izy ihany koa, ireo mpiasa madinika no nanararaotra sy nivarotra ny annin’ny Sirama. Dia izahay no lontoin’izy ireo”, izay no tenin’i Besinoa Pascal sady nitsangana tamin’ny sezany izy, ary   nivara-mena ny tarehany, nandritra ny fakana ambavany azy ho an’ny fanadihadiana.

Tsy marim-pototra ny teniny. Nisy ny antotan-taratasy voamarina izay hitanay fa nisy tomponandraiki-paritra teo aloha, mpiasa madinika mitondra ny anarana Toahiry izay nivarotra tany 16 ares sy 10 santiara tamin’ny vehivavy malagasy iray tamin’ny 2008. 548-BO no anaran’ny tany izay ao anatin’ny tanin’ny Sirama. Nefa dia raha ny tokony ho izy ny mpiasa madinika dia tsy manana afa-tsy 400 metatra toradroa amin’ny tany.

Ahoana moa izany no nahazoan’i Toahiry an’izany tany izany? Afaka nifanena taminy izahay teo ampanombohan’ny fanadiahadiana. Rehefa nahita ireo tale sy tompon’andraikitry ny Sirama namaritra ny tany izay tiany izy dia mba nanao ihany koa, araka ny tenin’ity lehiben’ny faritra teo aloha ity. Ny tsy noteneniny dia nobodoiny ny 16 ares sy 10 santiara izay namidiny tamin’ny 2008.

 

Nankaiza zany ny vola naloha?

Nanamafy ny tale jeneralin’ny orinasa Sirama fa amin’izao fotoana, ny kabinetra Zaratany dia nahavita 40% tamin’ny fanonerana ny mponina hatramin’ny 2009. Izany dia 40% ny 694 hektara navahana. Araka ny tale jeneraly ihany, ny vidin’ny tany dia napetraka ho teo anelanelan’ny 15 000 ariary sy 30 000 ar ka hatramin’ny 50 000 ariary ny metatra toradroa. Mampametra panontaniana hatreto hoe firy izany ny orinasa nandray vola vidin’ireo tany ireo.

Raha nataonay an’eritreritra avy amin’ny mora indrindra, izany hoe 15 000 ariary ny metatra toradroa , nohony tsy fanananay salan’isa marina teo anivon’ny Sirama, ny varotra 277,6 hektara dia mampiditra 41 640 000 000 ariary ho an’ny kaontim-bolan’ny Sirama amin’io vidiny io. Araky ny vinavina ihany, satria Sirama dia tsy nanana kaonty tamin’ny banky. Tonga dia lelavola no nanaovana ny  fifanakalozana tao amin’ny birao Isoraka (Antananarivo). “Voaloha ara-dalana ny vola tao amin’ny birao tao Antananarivo”, araka ny tenin’ny lehiben’ny birao tao Nosy-be. “Natolotray an-tanana ny vola fifanarahana teo anivon’ny filohan’ny filankevi-pitatanana”, araka ny tenin’Andriamatoa Andry Fiankinana Andrianasolo, Mpisolo vavan’ny orinasa Vidzar izay nanao ny fifanarahana niaraka tamin’ny Sirama ho an’ny famelomana indray ny asan’ity farany tamin’ny 2015.

Nilaza Andriamatoa Mamy Rasoamahenina fa ny fidiram-bola teto dia nandohavana ny karaman’ireo mpiasa tao amin’ny Sirama. Vola mitentina 200 miliara ariary isam-bolana hatreto no resaka. Mpiasa 500 tao amin’ny birao no niantefan’izany, tao Brickaville sy tao Nosy-be. Izany hoe, raha atao salan’isa zany dia 41,5 miliara ariary dia afaka nandoavana 208 volana (17 taona) an’ireo mpiasa.

21,6 miliara ariary ny karama nalohan’ny Sirama nanomboka ny 2009. Raha mba nalohan’izy ireo ny karaman’ny mpiasa nanomboka 2004, taona izay nijanonan’ny asa, izay tsy izay moa no nitranga, fa tokony nandoha 31,2 miliara ariary. Noho izany tsy hita ny 10,44 miliara ariary hatreto. Hatreto ary isika mbola tsy miresaka ny vola nifamezivezy teo amin’ny fiaraha mitantanana teo amin’ny orinasa Vidzar.

 

Ny orinasan-tsiramamy simba

Ny sisa tavela tamin’ny orinasa Dzamandzar

Arak’izany rehetra izany, mahatsiaro voakapoka mafy ny famokarana siramami’ny Sirama. Tokony hamerina ny lanjan’ny Sirama ny orinasa Vidzar, orinasa voalohany amin’ny famokarana toaka eto Madagasikara. Nefa hatreto tsisy n’inona n’inona vita. “Mbola tsisy azo ireo tany izay nomena anay, araka ny fifanarahana eo amin’ny fiarahamiasa. Ny tena loza aza dia, na tsy an’ny rinasal Sirama, na efa an’ny rinasal hafa ireo rafi-trano izay efa azonay”, rinasal fanazavan’ny rinasal Vidzar.

Ho valin’izany, hoy ny tale jeneralin’ny rinasal Sirama : “An’ny rinasal Sirama ny tany. Ampiasainy amin’izay ilany azy. Efa eo ampieritreretana ny fanampahana ny fifanarahana amin’io rinasal io izahay satria tao anatin’ny telo taona, tsisy zavatra mivaingana natolony na teo amin’ny tany fambolena na teo amin’ny trano famokarana”. Ny fananan’ny rinasal Sirama no mahaliana ny Vidzar araka ny voalazan’ Andriamatoa Mamy Rasoamahenina.

Tsy mbola nivoatra ity raharaha ity hatreto. Tsy mbola eken’ny sain’ny olona hatreto ny hoe manana olana ara-tany ny Sirama. Heverina ho milamina ny raharaha. Nefa atsy ho atsy, Ny orinasa mpanodina ny siramamy dia tsy ho ampy sopitra intsony satria ny varotra dia mandeha tsara. Ny fametrahana ny birao mikarakara ny fitantanana ny tanin’ny Sirama no nahita izany fahasahiranana izany. Raha tsy lafo hatramin’ny metatra farany indrindra tsy ho tapitra ny asa ratsiny. Ary na iza na iza ho mpiara miasa amin’ny orinasa, tsy ho tsara kalitao intsony ny tanim-pary satria ny firoboroboan’ny fanorenan-trano no mampitsahatra ny fambolena.

Raharaha mila arahana akaiky ...


Handray hatrany ny mailaka miraky-baovao

Raha te hahazo hatrany ny momba ny fanadihadiana izay ataonay sy ny vaovao momba ny fivondronana Mpanao gazety MALINA dia manasa anao hiditra amin’ny lisitry ny mpandray mailaka.