x

Ireo kaontenera radiôactifa sy ny fanjavonan'izy ireo tao amin'ny seranan-tsambon'Antsiranana

Ireo kaontenera radiôactifa sy ny fanjavonan'izy ireo tao amin'ny seranan-tsambon'Antsiranana

Nosoratan'i Tiana Rakotobe sy Riana Raymond

« Mafy kokoa ny olana » Volana martsa 2013 no misy antsika, nisy ekipan’ny INSTN (Institut national des sciences et techniques nucléaires) tao Antsiranana hanombana ny tahan’ny taratra nokleary ateraky ny fitoeran’entana nataon’ny  orinasa Gasynet, araky ny lalàna mifehy ny karazana fitondran’entana toa izao. Nikorontana ny kaontera ka nahazendana ny teknisianina.

Niorina ny taona 2007 ary avy amin’ny fifanaraha miankina sy tsy miankina eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa Suisse SGS, Malagasy Community Network Services S.A, ary fantatra amin’ny anarana hoe GasyNet io orinasa io, miandraikitra manokana momban’ny fanatsarana eo anivon’ny fadintseranana malagasy teo amin’ny fametrahana ny fitaovam-pitiliana fitoeran’entana amin’ny seranan’tsambo.

Tokony natao ny volana manaraka an’io ny fitokanana ny fitaovana (scanner), ary nizotra soa amantsara ny fikarakarana rehetra. Tsikaritra fa niakatra be tsy araky ny tokony ho izy ny tahan’ny taratra nokleary an’ny INSTN eny fa na dia efa maty aza ny fitaovana. Tsy hay oe nipoitra avy aiza ireo taratra nokleary ireo. Alohan’ny ialana an’Antsiranana hakanesana any Antananarivo, nanome an’ny ekipan’ny Gasynet izay ampiasa ny fitaovana, miaraka amin’ny fanazavana mitombona indrindra hitan’izy ireo mahatonga ilay taha avo  ny teknisianina tao @ INSTN: ny taratra nokleary, ary mety avy any ambanin’ny tany ny fiaviany ara-boa-janahary teo amin’ny seranan-tsambo.

« Namerina nandrefy tamin’ny fandrefesanay taratra nokleary roa teo anelanelan’ny 4:20 sy 4:40 hariva ny andron’io izahay, ary heverinay fa dia mafy kokoa ny olana. Noho izany, 50m miala ny fefinay no nahitanay taha ambony dia ambony : 12µSv/H. » nampandre haingana ny lehibe azy ny mpiasan’ny GasyNet tamin’ny alalan’ny mailaka ny 27 martsa 2013.

Ny maridrefy µSv/H no fitaovana nampiasain’ny GasyNet handrefesana taratra nokleary, (microsievert isan’ora), habe mivaingana izay mandrefy ny fihanaka amin’ny sela biolojika ateraky ny fipoahan’ny taratra nokleary (ionisant). Mifandraika amin’ny taha eo anelanelan’ny 7,5 sy 25 µSv voaray tao anatin’ny ora iray ny fipoahana taratra nokleary eo ami’ny tontolo iainana voajanahary misy izany.

Rehefa nampiasa fandrefesana taratra nokleary maro ny ekipan’ny GasyNet dia niezaka namaritra amin’ny fomba rehetra ny fiavian’ny taratra. Nipaka tamin’ny fisian’ireo fitoeran’entana maromaro tao amin’ny fadintseranana tantanin’ny orinasa COMADIE (Compagnie de Manutention de Diégo), izay ny mpanjifa voalohany dia ny CMA-CGM, mipetraka amin’ny trano hazo manodidina ny seranan-tsambo (Sary 1) ny ahiahy. Ny fitaovana frantsay CMA-CGM tokana irery no fampiasa amin’ny fampidinana fitoerana entana iarahany amin’ny MSC, miasa ao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana. Ho an’ny olona teo amin’ny seranan-tsambo tamin’io fotoana io, nisy fitoeran’entana efatra ny toerana natahorana. Ho an’ny hafa roa no niara nipetraka teo.

Ny seranan-tsambon'Antsiranana sy ny fitoeran'ireo kaontenera mampiahiahy

Teo no ho eo, voararan’ny mpitantana amboniny ny mpiasan’ny GasyNet izay teo amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana ny fanatonana ny faritra ary niantso haingana ny INSTN. Mba tsy handehanany indray any antoerana dia nandefa faktiora izy ireo. Nandray fepetra ny handrefy ny taratra nokleary isan’andro tao amin’ny seranan-tsambo ny GasyNet teo ampiandrasana ny INSTN, izay somary elaela,

Telo herinandro taty aoriana, natao ny fitokanana ny fitaovam-pitiliana araka ny nendrasana. Ny omalin’io ihany izany hoe ny 17 aprily 2013, nanjavona ny fitoeran’entana iray teo amin’ny toerana niahiahiana. 

Nitohy ny fandrefesana andavan’andro nataon’ny ekipan’ny GasyNet taorin’ny fitokanana. Ka enina andro taorinan’ny tsy nahitana ilay fitoeran’entana izany hoe ny 23 aprily 2013 tamin’ny 5:30 hariva, 63µSV/h ny refy hitan’ny fitiliana taratra nokleary, refy mihoatra in-126 avo eny amin’ny ara-dalana ho an’ny daholo be. Nihena tsikelikely izany ny herinandro manaraka.

Voaray ny laharan’ilay fitoeran’entana nanjavona talohan’ny tsy nahitana izany. Modely vata fampangatsiahana (« reefer ») izay 40 ahavo “pieds mitondra ny laharana ACMU9208282. Laharana tsikaritra fa efa voahova. Vokany, tsy misy orinasa an-dranomasina mampiasa ny fanafohezan-teny « ACMU ».  Noho izany tsy misy manana antotan-taratasy manamarika izany ny teo amin’ny seranan-tsambo.

Tsy afaka ny nanome ny bokikely famoahana ny fitoeran’entana ho an’ny volana aprily 2013 ny zandarimaria teo amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana nandritra ny fikarohana niarahana tamin’ny mpanao gazety, satria nanjavona ihany koa. Kisendrasendra na tsia, fa ny boky nanomboka ny 7 mey 2013 dia hita tao ihany (Sary 2). Tsy hanitana faritra momba ilay fitoeran’entana tsy hita ny fandalinana tsara ny fampidirana sy famoahana ny fitoeran’entana tao Antsiranana ny 2011 ka hatramin’ny 2015, fotoana izay noraiketin’ny bokikely tsy hita.

Karine fitanana an-tsoratra ny fivohana sy fidiran'ny kaontenera ao amin'ny seranan-tsambon'Antsiranana ny datin'ny 7 may 2013

Dimy taona taorinan’izany, nafindra toeram-piasana tamin’ny toerana hafa ny ankamaroan’ny olona niasa tao amin’ny seranan-tsambo’Antsiranana. Ireo izay tafajanona dia nilaza fa tsisy nahatadidy ny tsy nahita ilay fitoeran’entana. Ny marina dia tamin’ny fotoana nametrahana ny fitarafana dia nalaza tamin’ny fahaverezana fitoeran’entana ny seranan-tsambo, araky ny fiheveran’Andriamatoa Max Zafisolo, Resevera ny fadin-tseranana ao amin’ny serana-tsambon’Antsiranana ankehitriny. Nandeha tsotra tamin’izany ny asa fanondranana. Ny 4 aprily 2013, nandritra ny fotoana mbola naha teo an’ilay fitoeran’entana nisy taratra nokleary tao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana, nisy entana tsy ara-dalana nahitana andramena.

Tsy olona iray noho izany no nahavita namoaka ilay fitoeran’entana, tsy maintsy nisy ny fiaraha miasa. Ny fitoeran’entana tsy ho voahisaka izany raha tsy nisy mpikirakira entana. Tsy misy afa-tsy orinasa roa mikirakira izany eo amin’ny searan-tsambon’Antsiranana: dia ny CMDMD (Compagine Malgache de Manutention de Diego-Suarez) sy ny COMADIE (Compagnie de Manutention de Diégo), izay samy an’ny vondrona ENAC. Tsy misy afa-tsy varavarana iray ho an’ny fivoahana fitoeran’entana eo amin’ny seranan-tsambo, izany hoe sarotra ny hieritreritra fa tsy nisy nahalala ny fivoahan’ny fitoeran’entana “izay tsisy taratasy”. Mety hoe ireo olona voavidy vola mba hinia hikipy no mieritreritra fa zavatra tsisy dikany izany?

Fanontaniana maro no mbola saro-baliana. Inona no tao anatin’ireo fitoeran’entana misy taratra nokleary ireo? Nankaiza no niafarany? Ahoana no nahatongavany teo amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana?

Raha tsy ny fametrahana ireo fitaovam-pitiliana an’ny Gasynet izay nahafahana nahazo ny taha tsy aradalana sy avo dia avo amin’ny taratra, dia mety nijanona ela teo amin’ny seranan-tsambo io fitoeran’entana io, ary tsy nanaitra ny olona. Mampatahotra ny milaza fa mety tsy ho vao iny fitondran’entana iny no voalohany niditra teo amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana, na tamin’ireo hafa tsy voaramaso teto amin’ny firenena.

.Ho an’ny loharanom-baovao izay nisafidy ny tsy anonona anarana, mieritreritra izy fa efa kolikoly avo lenta iraisam-pirenena amin’ny fanariana taratra nokleary izao. Tena fako ara-miaramila sy fako azo avy amin’ny ivontoerana nokleary izany. Maro ireo famokarana manary ny fakon’ny taratra nokleary izay mbola ambany ny tahan’izany, ny voalohany amin’izany dia ny eo amin’ny sehatry ny hopitaly. Lafo dia lafo ny fikarakarana izany fako izany.

Ny fanariana ireo fitoeran’entana izay misy io karazana fako io eo amin’ny seranana eto Madagasikara no fomba mora indrindra hitan’izy ireo.

Mety ho fahadisoan-drefy no hanazavana ny maridrefin'ny taratra nokleary ambony dia ambony, raha fanondranana antsokosoko fako nokleary no neritreritina. Mety avy amin'nyfitaovam-pandrefesana taratra nokleary tsy mirindra tsara no nahatonga ny valin'ny refy hafahafa,

Foiben'INSTN à Antananarivo

Mety ireo radaran'ny sambo sasany tao amin'ny seranan-tsambo no nanakorontana an'ireo fitaovan'ny ekipany ireo. Anatin'ity toe-javatra ity, azo antoka fa nisy entana tsy ara-dalàna ilay fitoeran'entana nanjavona, fa tsy nisy taratra nokleary izany akory. Nefa ny petra-kevitra amin'ny fahadisoan'ny fandrefesana tsy mifandraika amin'ny refin'ny taratra nokleary mipaka amin'ireo fitoeran'entana haihaina ireo ao am serana-tsambo. Kanefa, mety hahagaga oe diso ny fandrefesana taratra nokleary amina elanelam-potoana voafaritry ny INSTN araky ny lalàna mifehy misy raha ny ahalebeany no jerena. Tsy miombon-kevitra amin’izay anefa ny Profesora Joel Rajaobelison, Tale Jeneralin’ny INSTN, nandray io toerana io hatramin’ny 2017, sy ny ekipan’ny teknisiana. Tsy mitovy mihitsy  ny halavan’ireo onja havoakan’ny radara sy ny fitaovampandrefesana onja nokeary (radiamètre)

Isaky ny roa taona no tokony havaozina ny fanomezandàlana ho an’ny fitaovam-pitiliana ao Antsiranana. Namerina nanao fijerena ny taha’ny onja nokleary tao amin’ny seranantsambo ny INSTN ny taona 2005 sy 2007. Tsy nahitana taratra nokeary ambony tamin’izay fotoana izay, izay manohitra avy hatrany ilay eritreritra hoe voajanahary ilay tamin’ny taona 2003. Dia tsy ho fantatra marina mihitsy angamba izay zavatra tena nitranga, fa ity tantara iray ity, raha ilaina, maneho fa marefo ny seranana eto Madagasikara ka lasa varavarana misokatra ho an'ny fanondranana antsokosoko ny harena ankibon'ny tany fanaon'ny rehetra, sady mampididoza ho an’ny fahasalaman'ny mponina. 

Noho ny fiaraha-miasa amin’ny  vondrona iraisam-pirenena ho an’ny hery atomika na“Agence Internationale de l’énergie atomique (AIEA), dia hipetraka tsy ho ela  eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato ny fitaovana fandrefesana taratra nokleary. Seranam-tsambo miisa roa, eto an-toerana  ihany koa no ho atao fitiliana mitohy. Miara-miasa akaiky amin’ny INSTN ihany koa ny Foibe Fanambarana ny Ita an-dranomasina na ny Centre de Fusion des Informations Maritimes (CFIM) mba hanaramaso ireo sambo mety ahina mitondra entana mety hampididoza. Azo deraina manokana izany hetsika izany fa moa ve ampy hiarovana ny sisintan’ny nosy  miohatra ny 5000 kilometatra izany? 

 

 


Handray hatrany ny mailaka miraky-baovao

Raha te hahazo hatrany ny momba ny fanadihadiana izay ataonay sy ny vaovao momba ny fivondronana Mpanao gazety MALINA dia manasa anao hiditra amin’ny lisitry ny mpandray mailaka.